Ambarao amim-pahasahiana ny Fanjakan’i Jehovah!
“Nandray tamin-katsaram-panahy izay rehetra nankeo aminy izy, ary nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy.” — ASAN’NY APOSTOLY 28:30, 31, MN.
1, 2. Porofon’ny fanohanan’Andriamanitra inona no azon’ny apostoly Paoly, ary ohatra ny amin’inona no navelany?
MANOHANA foana ireo mpitory ilay Fanjakana i Jehovah. Endrey ny fahamarinan’izany raha ny amin’ny apostoly Paoly! Noho ny fanohanan’Andriamanitra, dia niseho teo anatrehan’ny mpanapaka izy, niaritra ny famelezan’ny vahoaka mpanakorontana, ary nanambara tamim-pahasahiana ny Fanjakan’i Jehovah.
2 Na dia voafatotra tany Roma aza i Paoly dia “nandray tamin-katsaram-panahy izay rehetra nankeo aminy (...), ary nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy.” (Asan’ny apostoly 28:30, 31, MN.) Ohatra tsara dia tsara re izany ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao! Afaka mianatra zavatra betsaka isika avy amin’ny fanompoan’i Paoly araka ny itantaran’i Lioka azy ao amin’ireo toko farany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly ao amin’ny Baiboly. — 20:1 ka hatramin’ny 28:31.
Nahazo fampaherezana ireo mpiray finoana taminy
3. Inona no nitranga tany Troasy, ary inona no azo lazaina fa mitovy amin’izany amin’izao androntsika izao?
3 Rehefa niato ilay tabataba tany Efesosy, dia nanohy ny dia misionerany fahatelo i Paoly. (20:1-12). Raha vonona ny hiondrana an-tsambo ho any Syria anefa izy dia nahare fa nioko hamely azy ireo Jiosy. Koa satria nety ho nikasa ny hiondrana tamin’ny sambo handehanan’i Paoly sy ny hamono azy izy ireo, dia namaky an’i Makedonia izy. Tao Troasy izy dia nampahery ireo mpiray finoana taminy nandritra ny herinandro, toy ny ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Ny alina talohan’ny handehanany, i Paoly dia nanohy ny lahateniny hatramin’ny nisasakalina. I Eotyka, izay nipetraka teo am-baravarankely, dia toa reraka noho ny fiezahana nandritra ny andro. Sondrian-tory sy nitambotsotra izy ka nianjera avy teny amin’ny rihana fahatelo ary maty, nefa naverin’i Paoly tamin’ny fiainana. Endrey ny hafaliana tsy maintsy ho naterak’izany! Eritrereto àry ny fifaliana ho vokatry ny fananganana olona an-tapitrisany maro amin’ny maty ao amin’ny fandehan-javatra vaovao ho avy. — Jaona 5:28, 29.
4. Raha ny momba ny fanompoana, inona no nampianarin’i Paoly an’ireo loholona tao Efesosy?
4 Teny an-dalana ho any Jerosalema, tany Mileto, i Paoly dia nihaona tamin’ireo loholona tao Efesosy. (20:13-21, MN ). Nampahatsiahy azy ireo izy fa nampianatra azy “tao amin’ny isan-trano”, ary “nanao fanambarana tamin’ny fomba feno tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Ireo izay tonga loholona rehefa ela ny ela dia efa nibebaka aloha ary nanana finoana. Ilay apostoly koa dia nampiofana azy ireo mba hanambara ilay Fanjakana tamim-pahasahiana tamin’ireo tsy mpino teo amin’ny fanompoana isan-trano, toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.
5. a) Tamin’ny ahoana i Paoly no fakan-tahaka raha ny amin’ny fitarihan’ny fanahy masina? b) Nahoana ireo loholona no nila nomena torohevitra mba ‘hitandrina ny ondry rehetra’?
5 Ohatra fakan-tahaka i Paoly raha ny amin’ny fanekena ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra. (20:22-30). “Tery am-panahy” ilay apostoly, na nahatsiaro ho voatosika ny hanaraka ny fitarihany, ka nankany Jerosalema, na dia nisy famatorana sy fahoriana niandry azy aza tany. Nanao ny fiainana ho sarobidy izy, kanefa ny fihazonana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra no lehibe indrindra taminy, ary tokony ho toy izany koa ny amintsika. Nampirisika ireo loholona i Paoly mba ‘hitandrina ny ondry rehetra izay nanaovan’ny fanahy masina azy ho mpitandrina.’ ‘Rehefa lasa izy’ (angamba amin’ny fahafatesana), dia “hisy amboadia masiaka (...) tsy hiantra ny ondry”. Avy eo anivon’ny loholona ihany no hipoiran’ny olona toy izany, ary ny mpianatra tsy dia mahataka-javatra tsara dia hanaiky ny fampianarana naolany. — 2 Tesaloniana 2:6.
6. a) Nahoana i Paoly no afaka nanolotra ireo loholona ho an’Andriamanitra tamin-toky? b) Tamin’ny fomba ahoana no nanarahan’i Paoly ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:35?
6 Nila ny niambina ara-panahy hatrany ireo loholona ka hitandrina mafy amin’ny fivadiham-pinoana. (20:31-38). Nampianarin’ilay apostoly azy ireo ny Soratra hebreo sy ny fampianaran’i Jesosy, izay manana hery manamasina mba hahafahany hahazo ilay Fanjakana any an-danitra, ny “lova (...) eo amin’izay rehetra nohamasinina”. Tamin’ny fiasana mba hamelomana ny tenany sy ireo niara-niasa taminy i Paoly dia nampirisika koa ireo loholona mba hiasa mafy. (Asan’ny apostoly 18:1-3; 1 Tesaloniana 2:9). Raha manaraka izany fomba fanao izany isika ka manampy ny hafa mba hahazo ny fiainana mandrakizay, dia hahatakatra tokoa ny dikan’ny tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Ny hevitr’io fitenenana io dia hita ao amin’ireo Filazantsara, kanefa i Paoly ihany no nanonona azy io, satria nety ho naharay azy am-bava na avy tamin’ny tsindrimandry izy. Afaka mahita fahasambarana lehibe isika raha mahay mandà tena toa an’i Paoly. Nanome betsaka aoka izany avy tamin’ny tenany izy, hany ka nampalahelo mafy ireo loholona tao Efesosy ny nandehanany.
Aoka ny sitrapon’i Jehovah no hatao
7. Tamin’ny ahoana no namelan’i Paoly ohatra tsara ny amin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra?
7 Rehefa kely sisa dia hifarana ny dia misioneran’i Paoly fahatelo (tany amin’ny 56 am. fan. ir. tany ho any), dia namela ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra izy. (21:1-14, MN ). Tao Kaisaria izy sy ireo namany dia nitoetra tao amin’i Filipo, izay nanana zanakavavy virijina efatra izay “naminany”, na nanambara mialoha izay hitranga noho ny fanampian’ny fanahy masina. Tao ilay mpaminany kristiana atao hoe Agabo dia namatotra ny tongony aman-tanany tamin’ny fehikibon’i Paoly ary voatosiky ny fanahy mba hilaza fa ireo Jiosy dia hamatotra ny tompon’ilay fehikibo any Jerosalema ka hanolotra azy ho eo an-tanan’ny jentilisa. “Vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Tompo”, hoy i Paoly. Nanaiky ireo mpianatra ka nanao hoe: “Aoka ny sitrapon’i Jehovah no hatao.”
8. Raha hitantsika fa sarotra amintsika ny manaiky torohevitra tsara indraindray, inona no azontsika tadidina?
8 Tao Jerosalema, i Paoly dia nilaza tamin’ireo loholona izay nataon’Andriamanitra tany amin’ny jentilisa tamin’ny alalan’ny fanompoany. (21:15-26, MN ). Raha sarotra amintsika ny manaiky torohevitra tsara, dia azontsika atao ny mitadidy ny naneken’i Paoly izany. Mba hanaporofoana fa tsy nampianatra “fivadiham-pinoana momba an’i Mosesy” tamin’ireo Jiosy tany amin’ny tany jentilisa izy, dia nihaino ny torohevitr’ireo loholona i Paoly ka nanadio ny tenany araka ny fanao ary nandoa ny vola lany ho an’ny tenany sy ny efa-dahy hafa. Na dia efa nofoanan’ny fahafatesan’i Jesosy aza ny Lalàna, dia tsy nisy ratsy ny nataon’i Paoly tamin’ny fanarahana ireo toromarika nifanaraka tamin’ny fanaovana voady voarakitra tao. — Romana 7:12-14.
Notafihina nefa tsy natahotra
9. Raha ny amin’ny herisetran’ny vahoaka mpitabataba, zavatra mihatra mitovy inona no hitan’i Paoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
9 Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no nitana ny tsy fivadihany teo anoloan’ny herisetran’ny vahoaka mpitabataba. (Jereo, ohatra, ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1975, frantsay, pejy 180 ka hatramin’ny 190.) Ireo Jiosy tany Azia Minora dia nampirisika toy izany ny vahoaka hanohitra an’i Paoly. (21:27-40, MN ). Nahita an’i Trofimo Efesiana niaraka taminy izy ireo ka niampanga lainga ilay apostoly ho nandoto ny tempoly tamin’ny fitondrana Grika tao. Efa saika novonoiny i Paoly nony tonga nampijanona ilay tabataba i Klaodio Lysia, mpihazona filaminana romana, sy ny olony. Araka ny nambara mialoha (kanefa avy tamin’ny Jiosy), dia nampamatotra azy tamin’ny gadra i Lysia. (Asan’ny apostoly 21:11). Efa saiky nentina ho any amin’ny tobin’ny miaramila nifanakaiky tamin’ny kianjan’ny tempoly ilay apostoly nony ren’i Lysia fa tsy mpikomy akory i Paoly fa Jiosy nahazo lalana hiditra tao amin’ny faritry ny tempoly. Nahazo lalana hiteny i Paoly ka niteny tamin’ny teny hebreo tamin’ny vahoaka.
10. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo Jiosy tao Jerosalema rehefa avy nahare ny lahatenin’i Paoly izy ireo, ary nahoana izy no tsy voakapoka?
10 Nanao fanambarana tamim-pahasahiana i Paoly. (22:1-30, MN ). Nampahafantatra ny tenany ho Jiosy nampianarin’ilay mpampianatra nanan-kaja lehibe natao hoe Gamaliela izy. Nanazava ilay apostoly fa teny an-dalana ho any Damaskosy mba hanenjika ireo anisan’ny Lalana izy no lasa jamba raha nahita an’i Jesosy Kristy nahazo voninahitra, kanefa nampahiratin’i Ananiasy ny masony. Tatỳ aoriana dia hoy ny Tompo tamin’i Paoly: “Mandehana, fa izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ny jentilisa.” Nampipoaka ny fahatezeran’ny vahoaka ireo teny ireo. Nikiakiaka izy ireo fa tsy mendrika ny ho velona i Paoly, ary niala lamba sady nanipy vovoka ho amin’ny rivotra. Nasain’i Lysia nentina tao amin’ny tobin’ny miaramila àry i Paoly mba hadinina amin’ny kapoka hahafantarana ny antony nanoheran’ny Jiosy azy. Voasakana ny fikapohana an’i Paoly tamin’ny karavasy (fitaovana natao tamin’ny anja-koditra nisy vona na tapa-metaly na taolana naraikitra taminy), rehefa nanontany izy hoe: ‘Mety ve ny mikapoka lehilahy Romana sady tsy mbola nohelohina?’ Raha vao fantatr’i Lysia fa olom-pirenena romana i Paoly, dia natahotra izy ka nitondra azy teo anatrehan’ny Synedriona mba hahafantarana izay niampangan’ny Jiosy azy.
11. Tamin’ny lafiny inona i Paoly no Fariseo?
11 Rehefa nanomboka ny fiarovan-tenany teo anatrehan’ny Synedriona i Paoly tamin’ny filazana fa ‘nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara’ izy, dia nasain’i Ananiasy mpisoronabe nokapohina izy. (23:1-10). Hoy i Paoly: “Andriamanitra mba hamely anao, ry rafi-bato voalalotra fotsy.” “Tevatevainao va ny mpisoronaben’Andriamanitra?” hoy ny sasany. Noho ny masony tsy nahita tsara, dia nety ho tsy nahafantatra an’i Ananiasy i Paoly. Kanefa rehefa nahamarika i Paoly fa Fariseo sy Sadoseo no nahaforona ilay fivoriana, dia hoy izy: ‘Izaho dia Fariseo izay tsaraina ny amin’ny fanantenana ny fitsanganan’ny maty.’ Izany dia nampisaraka ny Synedriona, satria ireo Fariseo dia nino ny fitsanganan’ny maty fa ireo Sadoseo kosa tsy nino. Lehibe aoka izany ny fifandirana, hany ka voatery namonjy an’i Paoly i Lysia.
12. Tamin’ny fomba ahoana no nandosiran’i Paoly fiokoana natao mba hamonoana azy tany Jerosalema?
12 Nanaraka izay i Paoly dia nandositra fiokoana natao mba hamonoana azy. (23:11-35). Nisy Jiosy efapolo lahy izay nianiana ny tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony an’i Paoly. Nampahafantarin’ny zanak’anabavin’i Paoly azy sy an’i Lysia izany. Niaraka tamin’ny mpiambina miaramila ilay apostoly dia nentina tany amin’ny governora Antonio Feliksa tany Kaisaria, izay renivohitra ara-pitondrana romana tao Jodia. Rehefa avy nampanantena an’i Paoly fa hihaino azy i Feliksa dia nasainy nambenana tao an-dapan’i Heroda Lehibe, foiben’ny governora izy.
Feno fahasahiana teo anoloan’ireo mpanapaka
13. Momba ny inona no nanaovan’i Paoly fanambarana tamin’i Feliksa, ary inona no vokany?
13 Tsy ela i Paoly dia niaro ny tenany tamin’ireo fiampangana lainga natao taminy ary nanao fanambarana tamim-pahasahiana tamin’i Feliksa. (24:1-27, MN ). Teo anoloan’ireo mpiampanga azy jiosy i Paoly dia nampiseho fa tsy nampitabataba vahoaka akory izy. Nilaza izy fa nino ireo zavatra voasoratra tao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany ary nanantena fa “hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka [tsy marina, MN ].” Tonga tao Jerosalema izy nitondra “fiantrana” (fanomezana ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy izay nety ho lasa nahantra noho ny fanenjehana) sady nanadio tena araka ny fanao. Na dia nampihemotra ny fitsarana aza i Feliksa, tatỳ aoriana i Paoly dia nanao fanambarana taminy sy i Drosila vadiny (zanakavavin’i Heroda Agripa I) momba an’i Kristy, ny fahamarinana, ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy. Raiki-tahotra i Feliksa nahare izany teny izany, ka nampandeha an’i Paoly. Tatỳ aoriana, anefa, izy dia nampiantso ilay apostoly matetika, noho ny fanantenana ny hahazo kolikoly, nefa tsy nahavoa. Fantatr’i Feliksa fa tsy meloka i Paoly, kanefa navelany ho mpifatotra ihany izy, noho ny fanantenana ny hahazo sitraka tamin’ny Jiosy. Roa taona tatỳ aoriana, dia nodimbiasin’i Porsio Festosy i Feliksa.
14. Fandaharana ara-dalàna inona no nampiasain’i Paoly rehefa niseho teo anatrehan’i Festosy izy, ary inona mitovy amin’izany no hitanao?
14 Nanao fanambarana tamim-pahasahiana teo anoloan’i Festosy ihany koa i Paoly. (25:1-12). Raha mendrika ny ho faty ilay apostoly, dia tsy handa tsy ho faty izy, kanefa tsy nisy olona na dia iray aza nahazo nanolotra azy mba hahazoana sitraka amin’ny Jiosy. “Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho!” hoy i Paoly, tamin’ny fampiasana ny zon’olom-pirenena romana nananany mba hotsaraina tany Roma (tamin’izany fotoana izany dia teo anatrehan’i Néron). Nekena ny fangatahany, ka ‘hanao fanambarana any Roma’ àry i Paoly, araka ny nanambarana azy mialoha. (Asan’ny apostoly 23:11). Ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia mampiasa ireo fandaharana misy eo an-toerana mba ‘hiarovana ny vaovao tsara sy hahamafy orina azy araka ny lalàna.’ — Filipiana 1:7, MN.
15. a) Faminaniana inona no tanteraka rehefa niseho teo anatrehan’i Agripa mpanjaka sy Kaisara i Paoly? b) Tamin’ny heviny ahoana i Paoly no ‘nanipaka ny fanindronana’?
15 Nihaino an’i Paoly i Heroda Agripa II, mpanjakan’i Jodia avaratra, sy i Berenika anabaviny (izay nananany firaisana tamin’ny naha-olon-tsy heny) nandritra ny fitsidihany an’i Festosy tany Kaisaria. (25:13 à 26:23). Tamin’ny fanaovana fanambarana tamin’i Agripa sy Kaisara, i Paoly dia nahatanteraka ny faminaniana fa hitondra ny anaran’ny Tompo teo anatrehan’ny mpanjaka izy. (Asan’ny apostoly 9:15). Nolazain’i Paoly tamin’i Agripa izay nitranga teny an-dalana ho any Damaskosy, ary nanamarika izy fa nilaza toy izao i Jesosy: “Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.” Toy ny hamelezan’ny ombilahy kirina iray tena rehefa manohitra ny fanindronana, i Saoly dia namely tena tamin’ny fanoherana ireo mpanara-dia an’i Jesosy, izay nanana ny fanohanan’Andriamanitra.
16. Nanao ahoana ny fihetsik’i Festosy sy Agripa teo anoloan’ny fanambaran’i Paoly?
16 Nanao ahoana ny fihetsik’i Festosy sy ny an’i Agripa? (26:24-32, MN ). Tsy takatr’i Festosy ny amin’ny fitsanganan’ny maty sady talanjona noho ny fiaiken’i Paoly izy ka niteny hoe: “Ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao!” Tahaka izany koa amin’izao fotoana izao, dia misy miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho very saina, kanefa, raha ny tena izy, toa an’i Paoly, izy ireo dia “mandahatra tenin’ny fahamarinana sy ny fahononana.” “Rehefa afaka kelikely dia hampanaiky ahy ho kristiana koa ianao”, hoy i Agripa, izay namarana ny fihainoana nefa niaiky fa ho azo nalefa i Paoly raha tsy nifidy ny handahatra teo anatrehan’i Kaisara.
Loza tany amin’ny ranomasina
17. Ahoana no anazavanao ireo loza natrehin’i Paoly teny amin’ny ranomasina nandritra ny diany ho any Roma?
17 Niatrika “loza tany amin’ny ranomasina” i Paoly nandritra ny diany nankany Roma. (2 Korintiana 11:24-27). Ny kapiteny iray nantsoina hoe Jolio no niambina ireo mpifatotra nandeha an-tsambo avy teo Kaisaria nankany Roma. (27:1-26, MN ). Rehefa tonga tao Sidona ny sambon’izy ireo, dia nahazo lalana hitsidika ireo mpino, izay namelombelona azy ara-panahy, i Paoly. (Ampitahao amin’ny 3 Jaona 14.) Tao Myra, tany Azia Minora, i Jolio dia nanasa ireo mpifatotra hiondrana an-tsambo mpitatitra voamadinika iray nankany Italia. Na dia nisy rivo-mahery aza, dia tonga tao amin’ny seranan’i Tsara-fitodian-tsambo, teo akaikin’i Lasea, tanàna iray tany Kreta, izy. Rehefa avy niala teo izy mba ho any Foiniksa, dia tratran’ny rivotra mahery avaratra atsinanana. Natahotra ny ho fefika teo amin’ny Syrtisy (fasika mandrevo), teny amoron-tsirak’i Afrika avaratra ireo tantsambo ka “nampidina ny lay”, dia ireo lain-tsambo sy salazan-tsambo angamba. Avy eo dia nofatorana tady nanodidina ilay vatan-tsambo mba tsy hahavaky azy. Mbola nahilangilan’ny rivo-mahery ihany ilay sambo ny ampitson’iny ka nohamaivanina tamin’ny fanariana entana tany an-dranomasina. Ny andro fahatelo, dia narian’izy ireo ny fitaovana (ny lay na ny salazan-tsambo fanampiny). Toa nanjavona ny fanantenan’izy ireo raha nisy anjely niseho tamin’i Paoly sy nilaza taminy mba tsy hatahotra, fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara izy. Endrey ny fanamaivanana rehefa nambaran’ilay apostoly fa tsy maintsy fefika ihany eo amin’ny nosy anankiray ny mpandeha rehetra!
18. Inona no nitranga tamin’i Paoly sy ny mpiara-dia taminy rehefa ela ny ela?
18 Tafita velona tokoa ireo mpandeha. (27:27-44). Tamin’ny nisasakalin’ny andro fahefatra ambin’ny folo, dia tsapan’ireo tantsambo fa nanakaiky tany izy ireo. Nanamarina izany ny fitsapan-drano nataony, ka nalatsaka ny vatofantsika mba tsy hidonana tamin’ny haram-bato. Nanaraka ny fampirisihan’i Paoly ireo lehilahy 276 ka nihinan-kanina avokoa. Avy eo dia nohamaivanina ny sambo tamin’ny fanariana ny varimbazaha tany an-dranomasina. Raha vao nazava ratsy, dia nesorin’ireo tantsambo avokoa ny vatofantsika, novahany ny kofehin’ny familian-tsambo, ary novelariny ny lay anoloana ho azon’ny rivotra. Tonga tamin’izay nisy fihaonan-dranomasina ilay sambo ary nanomboka vakivaky ny tapany aoriana. Nefa tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.
19. Inona no nitranga tamin’i Paoly tao Malta, ary inona no nataony ho an’ny hafa tao?
19 Kotsa sady reraka ireo niharan-doza rehefa tonga tao Melita (Malta), ary nanehoan’ireo mponina tao “hatsaram-po tsy araka ny fahita.” (28:1-16, MN ). Raha nanohoka kitay hazo teo amin’ny afo anefa i Paoly, ilay hafanana dia namoha menarana natory iray izay niraikitra tamin’ny tanany. (Ankehitriny dia tsy misy menarana misy poizina any Malta, fa ity iray ity dia “biby nisy poizina”). Noheverin’ny mponina tao fa mpamono olona izay tsy havelan’ny “todin’aina” (fitsarana mamaly faty) ho velona i Paoly, kanefa rehefa tsy nikarapoka maty tampoka teo izy na nivonto, dia nataony hoe andriamanitra. Tatỳ aoriana i Paoly dia nanasitrana olona maro, anisan’izany ny rain’i Poplio, mpanapaka an’i Malta. Telo volana tatỳ aoriana, ry Paoly sy Lioka ary Aristarko dia niondrana tamin’ny sambo iray nisy sarin’ny “Zanak’i Zeosy” (dia Kastora sy Poloksa, andriamanitra kambana izay noheverina ho nanambina ireo tantsambo.) Rehefa tody tao Potioly i Jolio sy ireo niaraka taminy dia nanohy ny diany. I Paoly kosa dia nisaotra an’Andriamanitra sady nahazo toky rehefa tonga nitsena azy tao amin’ny tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo teo amin’ny lalana Apiena ireo rahalahy avy tany Roma renivohitra. Rehefa ela ny ela, tao Roma, dia navela hitoetra nitokana i Paoly, nefa nisy miaramila iray niambina azy.
Aza mitsahatra manambara ny Fanjakan’i Jehovah
20. Asa inona no nataon’i Paoly hatrany tao amin’ny toerana nonenany tao Roma?
20 Tao amin’ny toerana nonenany tao Roma i Paoly dia nanambara ny Fanjakan’i Jehovah tamim-pahasahiana. (28:17-31, MN ). Izao no nolazainy tamin’ny lohandohany tamin’ny Jiosy: “Noho ny fanantenan’ny Isiraely no ifatorako amin’ity gadra ity.” Tafiditra tamin’ny fananana izany fanantenana izany ny fanekena ny Mesia, ka antony tokony haha-vonona antsika ny hiharam-pahoriana koa izany. (Filipiana 1:29). Na dia tsy nino aza ny ankamaroan’ireo Jiosy, dia jentilisa maro be sy sisa jiosy no nanana toe-po tsara. (Isaia 6:9, 10). Nandritra ny roa taona (tany amin’ny 59-61 am. fan. ir. tany ho any), i Paoly dia nandray izay rehetra nankeo aminy, “nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy ary nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.”
21. Hatramin’ny faran’ny fiainany teto an-tany, dia ohatra inona no navelan’i Paoly?
21 Toa nanambara an’i Paoly ho tsy meloka i Néron ka nanafaka azy. Nanao ny asany niaraka tamin-dry Timoty sy Titosy indray àry ilay apostoly. Voatana an-tranomaizina tany Roma indray anefa i Paoly (tany amin’ny 65 am. fan. ir. tany ho any) ary azo inoana fa nampijalin’i Néron ho toy ny martiora. (2 Timoty 4:6-8). Kanefa hatramin’ny farany, i Paoly dia namela ohatra tsara dia tsara tamin’ny naha-mpitory ilay Fanjakana. Aoka izay rehetra nanolo-tena ho an’Andriamanitra hanana izany toe-tsaina izany amin’izao andro farany izao, ka hanambara ny Fanjakan’i Jehovah amim-pahasahiana!
Ahoana no havalinao?
◻ Fiofanana momba ny fanompoana inona no nomen’i Paoly an’ireo loholona tao Efesosy?
◻ Tamin’ny ahoana no namelan’i Paoly ohatra ny amin’ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra?
◻ Raha ny amin’ny herisetran’ny vahoaka mpitabataba, fitoviana inona no hita eo amin’izay nitranga tamin’i Paoly sy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
◻ Fandaharana ara-dalàna inona no nampiasain’i Paoly raha teo anatrehan’i Festosy izy, ary inona no mitovy amin’izany amin’izao androntsika izao?
◻ Asa inona no nataon’i Paoly hatrany tao amin’ny toerana nonenany tao Roma, ka nanomezany ohatra tsara?