FIAMPANGANA
Ny hoe miampanga olona dia milaza azy ho nahavita fahadisoana. Atao ampamoaka ilay olona noho izany.
Teny hebreo iray nadika hoe “fiampangana” ny hoe sitnah. Avy amin’ilay matoanteny fototeny hoe satan, izay midika hoe ‘manohitra’, izy io. (Ezr 4:6; ampit. Za 3:1.) Kategôreô kosa no teny grika adika matetika hoe ‘miampanga.’ ‘Manaratsy’ any amin’ny fitsarana na eo amin’ny resaka lalàna no dikan’izy io mazàna. (Mr 3:2; Lk 6:7) Ao amin’ny Lioka 16:1 kosa dia diaballô no teny grika nadika hoe ‘miampanga.’ Azo adika koa hoe ‘manendrikendrika’ izy io, ary iray tarika amin’ny diabôlôs (mpanendrikendrika), izay fototenin’ny hoe “Devoly.”
“Manendrikendrika”, na miampanga lainga, no nandikana an’ilay teny grika hoe sykôfanteô ao amin’ny Lioka 3:14, fa ‘maka tsy ara-drariny amin’ny fanambakana’ kosa no nandikana azy ao amin’ny Lioka 19:8. Midika ara-bakiteny hoe “manoro aviavy mba hahazoan-javatra” io teny io. Maro no nanandrana nanazava ny fiavian’izy io. Misy milaza fa avy amin’ny fanao iray tany Atena fahiny izy io. Tany Atena, dia voarara ny fanondranana aviavy ka nantsoina hoe “mpanoro aviavy” ny olona niampanga ny hafa hoe nitetika ny hanondrana aviavy. Nanjary nidika hoe olona ratsy toetra niampanga na nanendrikendrika na nandrahona ny hafa noho ny faniriana hahazo tombony àry io teny io.
Mety hisy olona ampangaina ka atao ampamoaka, nefa izy tsy nanao ratsy mihitsy ary tsy manan-tsiny fa nendrikendrehina fotsiny. Sady nampirisika ny tsirairay hitatitra an’izay nanao ratsy àry ny Lalàn’i Mosesy no niaro koa an’izay nampangaina. Maromaro ny ohatra manamarina izany. Raha nisy Israelita nahalala hoe nanao fahadisoana lehibe ny olona iray, dia tsy maintsy niampanga azy io tany amin’izay nanana fahefana izy. (Le 5:1; 24:11-14) Ireo nanana fahefana kosa tokony “hikaroka sy hamotopototra ary hanadihady tsara” mba hamantarana raha tena marina ilay fiampangana alohan’ny hampiharany sazy. (De 13:12-14) Tsy tokony hanafina an’ilay fahadisoana, na hanadino hiampanga an’ilay olona nanao izany, izay nahita izany, na havany akaiky aza ilay olona, ohatra hoe rahalahiny na zanany lahy na zanany vavy na vadiny. (De 13:6-8; 21:18-20; Za 13:3) Nilaina ny tenin’ny vavolombelona roa na telo, fa tsy ampy raha vavolombelona iray monja.—No 35:30; De 17:6; 19:15; Jn 8:17; He 10:28.
Hita ao amin’ny Lalàn’i Mosesy koa fa manan-jo hifanatrika amin’ilay niampanga azy ilay nampangaina rehefa tsaraina, mba ho hita tsara raha marina ilay fiampangana. (De 19:16-19; 25:1) Niseho teo anatrehan’i Solomona Mpanjaka, ohatra, ireo mpivaro-tena roa vavy niaraka tamin’ny zazakely iray, mba hotsarain’i Solomona sy hofantariny hoe iza no tena renin’ilay zaza.—1Mp 3:16-27.
Toy izany koa ny lalàna romanina. Olom-pirenena romanina i Paoly ka nasaina nanatrika teo koa ny mpiampanga azy, rehefa notsaraina teo anatrehan’i Feliksa sy Festosy governora izy. (As 22:30; 23:30, 35; 24:2, 8, 13, 19; 25:5, 11, 16, 18) I Paoly kosa no nampakatra ilay raharaha tany amin’i Kaisara tany Roma, mba hanafahana azy madiodio fa tsy hoe mba hiampangany ny fireneny. (As 28:19) Nampangaina ho nanao ratsy ihany anefa ilay firenena jiosy, saingy tsy i Paoly, na i Jesosy mihitsy aza, no nanao izany fa i Mosesy, ary tamin’ny fitondran-tenany sy izay nosoratany no niampangany azy io.—Jn 5:45.
Nampangaina ireo Hebreo telo lahy satria tsy nety nivavaka tamin’ny sarivongana volamena nataon’i Nebokadnezara. Natsipy tao amin’ny lafaoro àry izy ireo. Marina ilay fiampangana azy ireo, fa ilay lalàna mihitsy no ratsy. Tsy nanan-tsiny anefa izy ireo, ka ny Fitsarana Tampony any an-danitra no niangaviany hitsara azy. Nanafaka azy ireo madiodio i Jehovah. (Da 3:8-25) Novonjena koa i Daniela rehefa nitetika ny hamonoana azy ny mpiampanga azy. Izy ireo indray no natsipy tao an-davaky ny liona. (Da 6:24) “Niampanga” no nandikana ny teny aramianina midika ara-bakiteny hoe “nihinana ny sombiny [sombi-nofo niendaka tamin’ny vatana]”, ao amin’ireo tantara roa ireo, ary azo adika koa hoe “nanendrikendrika.” (Da 3:8; 6:24) Nanoratra taratasy fiampangana an’ireo nanorina indray an’ilay tempoly tany Jerosalema ny mpanohitra. Fiampangana lainga ilay izy. Norarana ihany anefa ilay asa fanorenana, ary tatỳ aoriana vao hita hoe tsy ara-dalàna ilay fandrarana. (Ezr 4:6–6:12) Nitady fomba hiampangana an’i Jesosy ho mpandika lalàna koa ireo mpitondra fivavahana. (Mt 12:10; Lk 6:7) Nahomby izy ireo tamin’ny farany, ka nosamborina io lehilahy marina sy tsy nanan-tsiny io, ary notsaraina. Nafana fo be ireo mpiampanga ireo rehefa nanendrikendrika azy. (Mt 27:12; Mr 15:3; Lk 23:2, 10; Jn 18:29) Hita amin’ireo ohatra ireo fa tena ratsy ny miampanga lainga, indrindra raha olona manana fahefana no manao izany.—Lk 3:14; 19:8.
Tsy tokony hiampanga lainga ny mpiandraikitra sy ny mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana. Tokony tsy hisy hokianina, izany hoe tsy hisy antony iampangana azy izy ireo. (1Ti 3:10; Tit 1:6) Raha misy àry anti-panahy ampangaina ho nanao ratsy, dia tokony ho vavolombelona roa na telo no hanamarina ilay fiampangana. (Mt 18:16; 2Ko 13:1; 1Ti 5:19) Tsy tokony hisy antony iampangana ny fiangonana. (1Ko 1:8; Kl 1:22) Midika ve izany hoe tsy hisy mihitsy hiampanga lainga an’ireo anisan’ny fiangonana? Tsia. I Satana Devoly, ilay Fahavalo lehibe, mantsy no “ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika!”—Ap 12:10.