-
‘Nitory Tamin’ny Fomba Feno’ Izy‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
“Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra” (Asa. 28:30, 31)
19. Inona no mampiseho fa nahay nanararaotra fotoana i Paoly?
19 Mampahery sy feno fitiavana ny teny namaranan’i Lioka ny fitantarany. Hoy izy: “Nipetraka roa taona katroka tao amin’ny trano nohofany i Paoly, ary nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy. Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo izy ary nampianatra momba an’i Jesosy Kristy Tompo. Tena sahy izy rehefa nanao an’izany sady tsy nisy nanakantsakana.” (Asa. 28:30, 31) Modely miavaka ho antsika i Paoly noho izy nahay nandray vahiny sy nanam-pinoana ary be zotom-po!
20, 21. Iza avy no nandray soa tamin’ny fitorian’i Paoly tany Roma?
20 Anisan’ireo noraisin’i Paoly tsara tao aminy i Onesimosy. Mpanompo nandositra avy tany Kolosia izy io. Nampian’i Paoly ho lasa Kristianina i Onesimosy, ka lasa ‘rahalahy mendri-pitokisana sy malalany.’ Nantsoin’i Paoly hoe ‘zanany’ mihitsy aza izy, “satria lasa hoatran’ny rainy [i Paoly].” (Kol. 4:9; Filem. 10-12) Tena nampahery an’i Paoly ny niovan’i Onesimosy!a
21 Nandray soa tamin’ny modely navelan’i Paoly koa ny hafa. Hoy izy tamin’ny Filipianina: “Vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra manjo ahy. Dia lasa fantatry ny olona eo amin’ireo Mpiambina An’i Kaisara sy ny olona hafa rehetra fa noho i Kristy no nahatonga ahy ho voafatotra rojo vy. Vao mainka sahy mitory ny tenin’Andriamanitra koa izy ireo sady tsy matahotahotra mihitsy.”—Fil. 1:12-14.
-
-
‘Nitory Tamin’ny Fomba Feno’ Izy‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
25, 26. Inona ilay faminaniana tanteraka tao anatin’ny 30 taona latsaka? Ahoana no ahatanterahan’izy io ankehitriny?
25 “Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra” tamin’izay tonga tao amin’ilay trano nihazonana azy, ilay apostolin’i Kristy. Mampahery tokoa ny teny mamarana ny Asan’ny Apostoly! Hitantsika ao amin’ny toko voalohany izao asa nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy izao: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.” (Asa. 1:8) Tsy ampy 30 taona tatỳ aoriana, dia efa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra etỳ ambanin’ny lanitra” ny hafatra momba ilay Fanjakana.d (Kol. 1:23) Mahery tokoa ny fanahin’Andriamanitra!—Zak. 4:6.
-