Miara-mandeha Amin’Andriamanitra Sady Mitsinjo ny Mandrakizay
“Isika (...) handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” — MIKA 4:5.
1. Nahoana i Jehovah no azo antsoina hoe “Mpanjaka mandrakizay”?
TSY nanam-piandohana i Jehovah Andriamanitra. Mety indrindra ny iantsoana azy hoe “Fahagola”, satria ny fisiany dia miitatra tsy manam-petra any amin’ny lasa. (Daniela 7:9, 13). Hanana hoavy mandrakizay koa i Jehovah. Izy irery no “Mpanjaka mandrakizay”. (Apokalypsy 10:6; 15:3). Ary eo imasony, ny arivo taona dia “toy ny fandalon’ny omaly, ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ny alina”. — Salamo 90:4.
2. a) Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona mankato? b) Amin’inona no tokony hampifantohantsika ny fanantenantsika sy ny fandaharana mialoha ataontsika?
2 Koa satria mandrakizay ilay Mpanome fiainana, dia azony nomena fahafahana hiaina tsy nisy farany tao amin’ny Paradisa i Adama sy i Eva, mpivady voalohany. Noho ny tsy fankatoavana anefa, dia verin’i Adama ny zo hiaina mandrakizay, ka nampitainy tamin’ny taranany ny ota sy ny fahafatesana. (Romana 5:12). Na izany aza, dia tsy nampandamòka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, ny fikomian’i Adama. Sitrapon’i Jehovah ny hampiaina mandrakizay ny olona mankato, ary azo antoka fa hanatanteraka ny fikasany izy. (Isaia 55:11). Mety indrindra àry, raha toa ny fanantenantsika sy ny fandaharana mialoha ataontsika ka afantotsika amin’ny hoe sady manompo an’i Jehovah isika no mitsinjo ny mandrakizay. Na dia irintsika ho tadidy tsara ao an-tsaina aza fa akaiky “ny andron’i Jehovah”, dia tena zava-dehibe ny tsy hanadinoantsika fa ny zava-kendrentsika dia ny hiara-mandeha amin’Andriamanitra mandrakizay. — 2 Petera 3:12, NW.
Manao zavatra amin’ny fotoana voatondrony i Jehovah
3. Ahoana no ahafantarantsika fa manana “fotoana voatondro” hanatanterahany ny fikasany i Jehovah?
3 Mahaliana antsika fatratra ny manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, noho isika miara-mandeha aminy. Fantatsika fa Mpanaja Fotoana Lehibe i Jehovah, ary matoky isika fa tsy maintsy manatanteraka foana ny fikasany amin’ny fotoana voatondrony izy. Ohatra, “rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany”. (Galatiana 4:4). Nilazana ny apostoly Jaona fa nisy “fotoana voatondro” hahatanterahan’ireo zavatra ara-paminaniana izay hitany tamin’ny endrika famantarana. (Apokalypsy 1:1-3, NW ). Misy “fotoana [voatondro, NW ] hitsarana ny maty”. (Apokalypsy 11:18). Maherin’ny 1 900 taona lasa izay no nahazoan’ny apostoly Paoly tsindrimandry ka nilazany fa Andriamanitra dia “efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana”. — Asan’ny Apostoly 17:31.
4. Ahoana no ahafantarantsika fa maniry hamarana ity fandehan-javatra ratsy ity i Jehovah?
4 Hamarana izao fandehan-javatra ratsy izao i Jehovah satria alam-baraka ny anarany eto amin’ny tontolo ankehitriny. Mirobona be ny ratsy fanahy. (Salamo 92:7). Mamingavinga an’Andriamanitra izy ireo amin’ny teniny sy ny ataony, ary mampalahelo an’Andriamanitra ny mahita ny mpanompony tevatevaina sy enjehina. (Zakaria 2:12). Tsy mahagaga raha nandidy ny hamaranana tsy ho ela ny fandaminan’i Satana manontolo, i Jehovah! Efa nofaritan’Andriamanitra tsara ny fotoana hitrangan’izany, ary mazava tsara avy amin’ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly fa miaina amin’ny “andro farany” isika izao. (Daniela 12:4). Hanao zavatra tsy ho ela i Jehovah ho fitahiana ireo rehetra tia azy.
5. Ahoana no nahitan’i Lota sy i Habakoka ny toe-javatra nanodidina azy ireo?
5 Naniry mafy hahita ny faran’ny faharatsiana ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny lasa. “Ory dia ory noho ireo tsy mpiraharaha lalàna nanaram-po tamin’ny fitondran-tena tsy voafehy” i Lota, lehilahy marina. (2 Petera 2:7, NW ). Nalahelo noho ny toe-javatra nanodidina azy ny mpaminany Habakoka ka nitalaho toy izao: “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.” — Habakoka 1:2, 3.
6. Inona no nolazain’i Jehovah ho valin’ny vavaka nataon’i Habakoka, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?
6 Toy izao ny ampahan’ny valin-tenin’i Jehovah tamin’i Habakoka: “Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny [fotoana voatondro, NW ], ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2:3). Nampahafantarin’Andriamanitra tamin’izany fa hanao zavatra amin’ny “fotoana voatondro” izy. Na dia toa mitaredretra aza izany, dia azo antoka fa hanatanteraka ny fikasany i Jehovah! — 2 Petera 3:9.
Fanompoana amin-jotom-po tsy mety lefy
7. Na dia tsy fantatr’i Jesosy tsara aza ny fotoana hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ahoana no nanohizany ny asany?
7 Tena ilaina ve ny ahafantarantsika ny fotoana marina noferan’i Jehovah ho an’ireo fisehoan-javatra, mba hahafahantsika hiaraha-mandeha amin-jotom-po amin’Andriamanitra? Tsia, tsy ilaina izany. Diniho ireto ohatra sasany ireto. Nahaliana an’i Jesosy fatratra ilay fotoana hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany toy ny any an-danitra. Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka toy izao tokoa, i Kristy: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Na dia fantatr’i Jesosy aza fa hahazo valiny io fangatahana io, dia tsy fantany ny fotoana hentitra hitrangan’izany. Hoy izy tao amin’ilay faminaniana lehibe nolazainy momba ny faran’izao fandehan-javatra izao: “Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36). Koa satria manana anjara toerana lehibe indrindra eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy Kristy, dia ho anisan’ny mpandray anjara mivantana amin’ny fandringanana ny fahavalon’ilay Rainy any an-danitra izy. Na i Jesosy aza anefa, fony izy teto an-tany, dia tsy nahafantatra ny fotoana hanaovan’Andriamanitra zavatra. Nampihena ny zotom-pony teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ve izany? Tsy izany velively! Rehefa nahita an’i Jesosy nanadio ny tempoly tamin-jotom-po “ny mpianany [dia] nahatsiaro fa voasoratra hoe: ‘Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy’ ”. (Jaona 2:17; Salamo 69:9). Nanao izay haharevo tanteraka ny tenany tamin’ilay asa nanirahana azy i Jesosy, ary nanao izany tamin-jotom-po tsy nety lefy izy. Sady nanompo an’Andriamanitra koa izy, araka izany, no nitsinjo ny mandrakizay.
8, 9. Rehefa nanontany ny amin’ny fampodiana ilay Fanjakana ireo mpianatra, dia inona no nolazaina taminy ary nanao ahoana ny fihetsiny?
8 Marina koa izany raha ny amin’ireo mpianatr’i Kristy. Nihaona tamin’izy ireo i Jesosy, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra. Hoy ny fitantarana: “Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Naniry mafy ny hahatongavan’ilay Fanjakana sahala amin’ny Tompony, izy ireo. Namaly toy izao anefa i Jesosy: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany. Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” — Asan’ny Apostoly 1:6-8.
9 Tsy misy filazana hoe kivy noho io valin-teny io ireo mpianatra. Tamin-jotom-po kosa no naharevo azy ireo fatratra tamin’ilay asa fitoriana. Tao anatin’ny herinandro maromaro dia nameno an’i Jerosalema tamin’ny fampianarany izy ireo. (Asan’ny Apostoly 5:28). Ary nidadasika tokoa ny nanitaran’izy ireo ilay asa fitoriany, tao anatin’ny 30 taona, ka afaka nilaza i Paoly fa notorina “eny ambanin’ny lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara. (Kolosiana 1:23). Na dia tsy ‘nampodiana tamin’ny Isiraely’ aza ilay Fanjakana, araka ny nantenain’ireo mpianatra tamim-pahadisoana, ary na dia tsy niorina tany an-danitra nandritra ny fahaveloman’izy ireo aza izy io, dia sady nanompo an’i Jehovah tamin-jotom-po hatrany izy ireo no nitsinjo ny mandrakizay.
Fandinihana ny antony manosika antsika
10. Mahatonga antsika ho afaka hanaporofo inona ny tsy fahafantarantsika ny fotoana handravan’Andriamanitra ny fandehan-javatr’i Satana?
10 Maniry fatratra ny hahita ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity koa ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Tsy ny fanafahana antsika ho ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra anefa no ahintsika indrindra. Irintsika ho hita ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny fiandrianany. Noho izany, dia afaka mifaly isika fa tsy nolazain’Andriamanitra tamintsika ny ‘andro na ny ora’ voatondro handringanana ny fandehan-javatr’i Satana. Mahatonga antsika ho afaka hanaporofo izany fa tapa-kevitra ny hiara-mandeha amin’Andriamanitra mandrakizay isika noho ny fitiavantsika azy fa tsy noho ny zava-kendrena feno fitiavan-tena sy tsy mitsinjo lavitra.
11, 12. Ahoana no nametrahana fisalasalana momba ny tsy fivadihan’i Joba, ary amin’ny ahoana izany no mahakasika antsika?
11 Rehefa niampanga an’i Joba, lehilahy nahitsy, ho nanompo an’Andriamanitra noho ny tombontsoan’ny tenany, ny Devoly, dia niampanga koa ny olombelona rehetra toa an’i Joba. Ny fitanantsika tsy fivadihana amin’Andriamanitra dia manampy koa mba hanaporofoana fa diso io fiampangan’ny Devoly io. Rehefa avy nilazalaza an’i Joba mpanompony ho lehilahy marina sy mahitsy ary matahotra an’Andriamanitra i Jehovah, dia nilaza tamin-karatsiam-panahy toy izao i Satana: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra — raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” (Joba 1:8-11). Noporofoin’i Joba fa diso io filazana feno hasomparana io, rehefa nihazona ny tsy fivadihany izy tao anatin’ny fisedrana.
12 Rehefa manao toy izany koa isika ka tsy miala amin’ny lalan’ny tsy fivadihana, dia afaka manaporofo fa diso ny fiampangan’i Satana manao hoe matoa isika manompo an’Andriamanitra, dia satria fotsiny fantatsika fa misy valisoa iray efa antomotra. Koa satria tsy fantatsika ny fotoana marina hampiharana ny famalian’Andriamanitra ny ratsy fanahy, dia manana fahafahana isika hanaporofo fa tena tia an’i Jehovah tokoa ary maniry handeha mandrakizay amin’ny lalany. Mampiseho izany fa tsy mivadika amin’Andriamanitra isika, ary matoky ny fomba itondrany ny raharaha. Ambonin’izany, dia manampy antsika hitoetra ho mailo sy hifoha ara-panahy ny tsy fahafantarana ilay andro sy ora, satria takatsika fa mety ho tonga amin’ny fotoana rehetra, toy ny mpangalatra amin’ny alina, ny farany. (Matio 24:42-44). Rehefa miara-mandeha amin’i Jehovah isan’andro isika dia mampifaly ny fony sady manome valin-teny ho an’ny Devoly izay miteny ratsy azy. — Ohabolana 27:11.
Manaova fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny mandrakizay!
13. Inona no asehon’ny Baiboly momba ny fanaovana fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny hoavy?
13 Fantatr’ireo miara-mandeha amin’Andriamanitra fa fahendrena ny manao fandaharana mialoha araka ny antonony, ho fitsinjovana ny hoavy. Maro no mahatakatra ny zava-manahirana ny olona be taona sy ny fetran’ny mety ho vitan’izy ireny, ka miezaka mampiasa tsara ny fahatanorany sy ny tanjany, mba hahazoany antoka fa hanam-bola izy amin’ny fahanterany. Ahoana àry ny amin’ny hoavintsika ara-panahy izay mbola lehibe lavitra? Hoy ny Ohabolana 21:5: “[Azo antoka fa ahitana tombony ny fandaharana mialoha ataon’ny mazoto, NW ]; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” Tena ahitana tombony tokoa ny fanaovana fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny mandrakizay. Koa satria tsy fantatsika amin’ny fomba hentitra ny fotoana hahatongavan’ny faran’ity fandehan-javatra ity, dia tokony hasiantsika fiheverana ny amin’ireo zavatra ilaintsika amin’ny hoavy. Aoka anefa isika hahay handanjalanja ka hametraka ny tombontsoan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika. Mety hanatsoaka hevitra ny olona tsy manam-pinoana fa tsy mitsinjo lavitra ny olona mifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Kanefa izany tokoa ve no izy?
14, 15. a) Fanoharana inona no noresahin’i Jesosy, momba ny fanaovana fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny hoavy? b) Nahoana no tsy nitsinjo lavitra ilay mpanan-karena tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?
14 Niresaka ny amin’ny fanoharana iray ahitana fianarana amin’io lafiny io, i Jesosy. Hoy izy: “Ny tanin’ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be. Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho? Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako. Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro hianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia. Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao? Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” — Lioka 12:16-21.
15 Tian’i Jesosy holazaina ve fa tsy tokony ho niasa mafy mba hahazoana fananana hiantohana ny hoaviny ilay mpanan-karena? Tsia, satria mampirisika ny hanaovana asa mafy ny Soratra Masina. (2 Tesaloniana 3:10). Ny fahadisoan’ilay mpanan-karena dia ny tsy nanaovany izay tokony ho natao mba ‘hanan-karena ny amin’Andriamanitra’. Na dia atao aza hoe afaka nigalabina tamin’ny harembeny ara-nofo nandritra ny taona maro izy, dia ho faty ihany amin’ny farany. Tsy nitsinjo lavitra izy, tsy nieritreritra ny amin’ny mandrakizay.
16. Nahoana no afaka miantehitra amin-toky amin’i Jehovah isika mba hananana hoavy azo antoka?
16 Manao zavatra mahasoa sy mitsinjo lavitra ny tena rehefa sady miara-mandeha amin’i Jehovah no mitsinjo ny mandrakizay. Izany no fomba tsara indrindra anaovana fandaharana mialoha ho fitsinjovana ny hoavy. Na dia fahendrena aza ny manao fandaharana mialoha momba ny fianarana sy ny asa ary ny andraikitra ara-pianakaviana, dia tokony hotadidintsika mandrakariva fa tsy hafoin’i Jehovah na oviana na oviana ny mpanompony tsy mivadika. Nihira toy izao i Davida Mpanjaka: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Nanome toky toy izany koa i Jesosy fa homen’Andriamanitra izay ilainy ireo rehetra mikatsaka ny Fanjakana aloha, ary mandeha amin’ny lalam-pahamarinan’i Jehovah. — Matio 6:33.
17. Ahoana no ahafantarantsika fa akaiky ny farany?
17 Na dia manompo an’Andriamanitra aza isika no sady mitsinjo ny mandrakizay, dia mbola tadidintsika ihany fa akaiky ny andron’i Jehovah. Porofoin’ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly mazava fa akaiky izany andro izany. Nampiavaka ity taonjato ity ny ady sy ny areti-mandringana sy ny horohoron-tany ary ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fanenjehana ny Kristianina marina, mbamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Samy lafiny mampiavaka ny fotoan’ny farany ho an’ity fandehan-javatra ratsy ity avokoa ireo rehetra ireo. (Matio 24:7-14; Lioka 21:11). Izao tontolo izao dia feno olona ‘tia ny tenany, tia vola, mpieboebo, mpiavonavona, mpiteny ratsy, tsy mankato ray aman-dreny, tsy mahay mankasitraka, mivadika, tsy manana firaiketam-po voajanahary, tsy azo ifampiraharahana, mpanendrikendrika, tsy manana fifehezan-tena, lozabe, tsy manam-pitiavana izay tsara, mpamadika, mafy hatoka, fatra-pirehareha, tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra’. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Mafy amintsika mpanompon’i Jehovah ny fiainana, amin’izao andro farany sarotra izao. Irintsika mafy erỳ ny hahatongavan’ny andro hanesoran’ny Fanjakan’i Jehovah ny faharatsiana rehetra! Mandra-pahatongan’izany, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hiara-mandeha amin’Andriamanitra sady hitsinjo ny mandrakizay.
Aoka isika hanompo sady hitsinjo ny fiainana tsy manam-pahataperana
18, 19. Inona no mampiseho fa ireo olona nahatoky fahiny dia sady nanompo an’Andriamanitra no nitsinjo ny mandrakizay?
18 Aoka hotadidintsika ny finoan-dry Abela sy Enoka sy Noa sy Abrahama ary Saraha, rehefa miara-mandeha amin’i Jehovah isika. Nanoratra toy izao i Paoly, rehefa avy nanonona azy ireo: “Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany izy.” (Hebreo 11:13). “Toerana tsaratsara kokoa” no nirin’ireny olona nahatoky ireny, “izany hoe toerana an’ny lanitra”. (Hebreo 11:16, NW ). Tamim-pinoana no niandrandran’izy ireo toerana tsaratsara kokoa eo ambany fanapahan’ny Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra. Afaka mahazo antoka isika fa hamaly soa azy ireo Andriamanitra, ka hanome azy fiainana mandrakizay eo amin’izany toerana tsaratsara kokoa izany, dia ny Paradisa an-tany eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. — Hebreo 11:39, 40.
19 Nambaran’i Mika mpaminany ny fahatapahan-kevitry ny vahoakan’i Jehovah hanolotra fanompoam-pivavahanana amin’Andriamanitra mandrakizay. Izao no nosoratany: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” (Mika 4:5). Mandra-pahafatiny, dia tsy nivadika tamin’ny fanompoany an’i Jehovah i Mika. Rehefa hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao io mpaminany io, dia tsy isalasalana fa hanohy hiara-mandeha amin’Andriamanitra mandrakizay doria. Izany ka ohatra tsara dia tsara ho antsika izay velona amin’izao andro farany efa lasa lavitra izao!
20. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
20 Ankasitrahan’i Jehovah ny fitiavana asehontsika ho an’ny anarany. (Hebreo 6:10). Fantany fa sarotra amintsika ny mihazona tsy fivadihana aminy, eto amin’ity tontolo tapahin’ny Devoly ity. Na dia ‘mandalo aza anefa izao fiainana izao, izay manao ny sitrapon’Andriamanitra kosa no haharitra mandrakizay’. (1 Jaona 2:17; 5:19). Noho ny fanampian’i Jehovah àry, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hiaritra ireo fisedrana izay atrehintsika isan’andro isan’andro. Enga anie ny fisainantsika sy ny fomba fiainantsika hifantoka amin’ireo fitahiana mahatalanjona nampanantenain’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Mety ho azontsika izany raha manohy miara-mandeha amin’Andriamanitra isika sady mitsinjo ny mandrakizay. — Joda 20, 21.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona mankato?
◻ Nahoana i Jehovah no mbola tsy nanao zavatra mba hamaranana ity tontolo tsy tia an’Andriamanitra ity?
◻ Nahoana no tsy tokony hampihena ny zotom-pontsika ny tsy fahafantarana tsara ny fotoana hanaovan’Andriamanitra zavatra?
◻ Inona avy no soa raisina rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra sady mitsinjo ny mandrakizay?
[Sary, pejy 17]
Ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra dia mitaky ny hanompoantsika azy amin-jotom-po toy ny nataon’ireo mpianatr’i Kristy tany am-boalohany