Jehovah no mpanapaka antsika!
“Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay ho toy ny mpanapaka fa tsy ny olona.” — ASAN’NY APOSTOLY 5:29, MN.
1, 2. Inona no toerana notanan’ireo apostoly ka arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mifanipaka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay takin’ny olombelona?
NAVELAN’I JEHOVAH Andriamanitra hoentina teo anoloan’ny fitsarana ambony ny lehilahy roa ambin’ny folo. Taona 33 am.fan.ir. tamin’izay, ary ny Synedriona jiosy io fitsarana io. Ny notsaraina dia ireo apostolin’i Jesosy Kristy. Henoy ange! ‘Efa noraranay ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany’, hoy ilay mpisoronabe, ‘kanefa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema.’ Tamin’izay i Petera sy ny apostoly hafa dia nanambara hoe: “Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay ho toy ny mpanapaka fa tsy ny olona.” (Asan’ny apostoly 5:27-29, MN ) Raha ny tena marina dia toy ny nilaza izy hoe: ‘Jehovah no Mpanapaka anay!’
2 Eny tokoa, i Jehovah no Mpanapaka an’ireo tena mpanara-dia an’i Jesosy. Izany no aseho mazava ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly ao amin’ny Baiboly, izay nosoratan’i Lioka ‘mpitsabo malala’ tany Roma tany amin’ny taona 61 am. fan. ir. tany ho any. (Kolosiana 4:14, MN ) Toy ireo apostoly, ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao dia mankatò ny Mpanapaka azy any an-danitra rehefa mifanipaka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay takin’ny olombelona. Kanefa inona koa no azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny apostoly? (Manoro hevitra anareo izahay mba hamaky ireo tapany ao amin’io boky io izay voasoratra amin’ny sora-matevina mandritra ny fianaranareo manokana.)
Naniraka Vavolombelona i Jesosy
3. Rehefa ‘natao batisa tamin’ny fanahy masina’ ireo mpanara-dia an’i Jesosy, dia inona no ho tonga zavatra hilofosany voalohany indrindra?
3 Afaka nifahatra tsara ho an’Andriamanitra ireo apostoly satria nahazo fampaherezana ara-panahy. Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, kanefa fantatr’izy ireo fa efa natsangana tamin’ny maty izy. (1:1-5) I Jesosy dia ‘niseho velona’ sady nampianatra ireo fahamarinana momba ilay Fanjakana tamin’ny fakana vatana ara-nofo nandritra ny 40 andro. Nilazany koa ireo mpianany mba hiandry tao Jerosalema ny hanaovana batisa azy “amin’ny Fanahy Masina”. Amin’izay dia ny fitoriana no ho tonga zavatra hilofosany voalohany indrindra, toy ny maha-izany azy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao koa. — Lioka 24:27, 49; Jaona 20:19-21:24.
4. Inona no hitranga rehefa hilatsaka amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny fanahy masina?
4 Mbola tsy vita batisa tamin’ny fanahy masina ireo apostoly fony izy ireo nihevitra tamim-pahadisoana fa hisy fanapahana iray eto an-tany hamarana ny fanjakana romana ka nanontany hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakanao ho amin’ny Isiraely?” (1:6-8) Raha ny tena izy dia namaly hoe ‘Tsia’ i Jesosy satria ‘tsy azy ireo ny hahalala ny andro na ny fotoana’. ‘Rehefa hilatsaka amin’izy ireo ny Fanahy Masina’, dia izany no hanome azy hery hanaovana fanambarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, fa tsy ny amin’ny fanjakana iray eto an-tany akory. Hitory any Jerosalema sy Jodia ary Samaria izy ireo, “ary hatramin’ny faran’ny tany.” Noho ny fanampian’ny fanahy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao izany asa izany manerana ny gilaoby amin’izao andro farany izao.
5. Amin’ny heviny ahoana no hoe ho tonga amin’ny fomba tahaka ny nandehanany i Jesosy?
5 Rehefa avy nanonona io baiko ny amin’ny fitoriana maneran-tany io i Jesosy dia niakatra avy hatrany nankany an-danitra. Nanomboka tamin’ny fialana nankany ambony avy teo amin’ireo mpianany izany fiakarana izany, ary avy teo izy dia nanaraka izay lalana nilaina mba hidirana teo anatrehan’ny Mpanapaka azy any an-danitra ary ho amin’ny fiasana any amin’ny faritra ara-panahy. (1:9-11) Rehefa nanakona an’i Jesosy tamin’ny mason’ireo apostoly ny rahona iray, dia nofoanany ny vatany ara-nofo. Nisy anjely roa niseho ka nilaza fa ‘mbola ho avy tahaka ny nahitany azy niakatra’ izy. Ary dia toy izany tokoa no izy. Ny mpianatr’i Jesosy ihany no nahita azy nandeha, toy ny ahafantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany ny fiverenany tsy hita maso.
Mifidy i Jehovah
6. Tamin’ny fomba ahoana no nifidianana izay hanoloana an’i Jodasy Iskariota?
6 Tsy ela dia tafaverina tany Jerosalema ireo apostoly. (1:12-26) Tao amin’ny efitra ambony iray (angamba tao amin’ny tranon’i Maria, renin’i Marka), ireo apostoly 11 nahatoky dia naharitra tamin’ny fivavahana niaraka tamin’ireo rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, ireo mpianany hafa ary i Maria reniny. (Marka 6:3; Jakoba 1:1) Nisy mpianatra teo amin’ny 120 teo ho eo no nanatrika teo rehefa nifidy lehilahy iray Andriamanitra mba hanoloana an’i Jodasy, ilay namadika an’i Jesosy, ka hamerenana ho 12 indray ny isan’ireo apostoly. Iza anefa no hahazo ‘anjara-raharahan’i Jodasy’? (Salamo 109:8) Tsy maintsy ho olona izay efa mpianatra nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany ilay hofidina ary koa ho vavolombelona nahita maso ny nitsanganany tamin’ny maty. Mazava ho azy fa tsy maintsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpanapaka azy koa izany lehilahy izany. Rehefa avy nivavaka izy ireo, dia nianjera tamin’i Matia sy Josefa Barsabasy ny fisafidianany. Nataon’Andriamanitra izay hilatsahan’ny filokana tamin’i Matia. — Ohabolana 16:33.
7. (a) Amin’ny heviny ahoana no hoe “nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany” i Jodasy? (b) Tamin’ny fomba ahoana no nahafatesan’i Jodasy?
7 Azo antoka fa tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpanapaka azy i Jodasy Iskariota. Namadika ny Zanak’Andriamanitra tokoa izy ho takalon’ny sekely volafotsy 30! Naverin’i Jodasy tany amin’ireo lohan’ny mpisorona izany vola izany, kanefa nilaza i Petera fa ilay mpamadika dia “nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany”. Fa nahoana? Satria izy no nanome ny vola sy ny antony hividianana ilay “Sahan-dra”, araka ny niantsoana azy io. Voamarina fa tany marina iray any atsimon’ny Lohasahan’i Hinoma io saha io. Koa satria simba tanteraka ny fifandraisany tamin’ilay Mpanapaka any an-danitra, dia “nananton-tena” izy. (Matio 27:3-10) Kanefa nety ho tapaka ilay tady na ilay rantsan-kazo, ka dia “potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka” rehefa nianjera tamin’ny vatolampy tsy nitovy tantana. Enga anie tsy hisy na dia iray amintsika aza ho tonga rahalahy mpamitaka!
Feno ny Fanahy Masina!
8. Oviana no natao batisa tamin’ny fanahy masina ireo mpianatr’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany?
8 Ahoana anefa ny amin’ny batisa amin’ny fanahy masina nampanantenaina? Tamin’ny Pentekosta taona 33 am. fan. ir., folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy, no nitrangany. (2:1-4) Zava-nitranga nampientana ny fo re izany batisa izany! Alao sary an-tsaina ange ny fisehoan-javatra e. Mpianatra teo amin’ny 120 teo ho eo no tao amin’ilay efitra ambony rehefa ‘nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery nifofofofo, nanenika ilay trano’. Tsy rivotra akory ilay izy, fa nanana feon’ny rivotra. ‘Nisy lela nitarehin’afo’ iray nipetraka tamin’ny mpianatra sy apostoly tsirairay avy. “Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa.” Rehefa nitranga izany fanaovana batisa izany, dia nateraky ny fanahy masina koa izy ireo, ka voahosotra ary nasiana tombo-kase ho amin’ny lova ara-panahy. — Jaona 3:3, 5; 2 Korintiana 1:21, 22; 1 Jaona 2:20.
9. Niresaka ny amin’inona ireo mpianatra feno ny fanahy masina?
9 Io zava-nitranga io dia nahakasika ireo Jiosy sy proselyta tany Jerosalema, izay “avy tany amin’ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ny lanitra”. (2:5-13) Talanjona izy ireo ka nanontany hoe: “Ahoana no andrenesantsika amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika?” Nety ho fiteny avy tany amin’ny toerana toa an’i Media (tany atsimon’i Jodia), na i Frygia (tany Azia Minora) ary i Roma (tany Eoropa) izany. Raha niresaka tamin’ny fiteny maro samy hafa ny amin’ny “asa lehibe nataon’Andriamanitra” ireo mpianatra, dia mpihaino maro be no gaga, kanefa nisy mpaneso nanipy hevitra fa mamo izy ireo.
Nanao fanambarana nampientana ny fo i Petera
10. Nahatanteraka faminaniana inona ny zava-nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 am. fan. ir., ary mifanitsy amin’inona amin’izao andro izao izany?
10 Nanomboka ny fanaovany ny fanambarana i Petera tamin’ny filazana fa aloha loatra raha amin’ny sivy ora maraina no ho mamo. (2:14-21) Nifanohitra tamin’izany kosa fa izany dia fanatanterahana ny fampanantenan’Andriamanitra ny handatsaka ny fanahiny masina amin’ny olony. Nanome tsindrimandry an’i Petera Andriamanitra mba hanondro ny androntsika amin’ny fanononana teny fanampiny hoe “amin’ny andro farany” sy hoe “haminany izy”. (Joela 3:1-5) Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy famantarana etỳ amin’ny tany i Jehovah alohan’ny hahatongavan’ny androny lehibe, ka izay hiantso ny anarany amim-pinoana ihany no ho voavonjy. Ny filatsahan’ny fanahy toy izany koa teo amin’ireo voahosotra amin’izao andro izao dia nanampy azy ireo “haminany” amin-kery sy fahombiazana lehibe ankehitriny.
11. Raha ny amin’i Jesosy, inona no nataon’Andriamanitra, sy nataon’ireo Jiosy?
11 Nanaraka izay i Petera dia nampahafantatra hoe iza ilay Mesia. (2:22-28) Nanamarina ny naha-Mesia an’i Jesosy Andriamanitra tamin’ny famelana azy hanao asa lehibe sy fahagagana ary famantarana. (Hebreo 2:3, 4) Nasain’ireo Jiosy nohomboan’ny “olona tsy tan-dalàna”, dia Romana izay tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra, anefa izy. I Jesosy dia ‘natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’Andriamanitra mialoha’ amin’ny heviny hoe izany no sitrapon’Andriamanitra. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty anefa i Jesosy, ary nampanjavoniny ny tenany ara-nofo mba tsy hahitan’izany ny fahalovana. — Salamo 16:8-11.
12. Inona no hitan’i Davida mialoha, ary miankina amin’inona ny famonjena?
12 Mbola nohamafisina ihany ny faminaniana ny amin’ny Mesia tao amin’ny fanambaran’i Petera nanaraka izay. (2:29-36) Nilaza izy fa hitan’i Davida nialoha ny fitsanganan’ny zanany lehibe indrindra, dia i Jesosy, ilay Mesia, tamin’ny maty. Avy any amin’ny toerana nanandratana azy eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra any an-danitra no nandatsahan’i Jesosy ny fanahy masina izay azony avy tamin’ny Rainy. (Salamo 110:1) Ireo mpihaino an’i Petera dia ‘nahita sy nahare’ ny fiasan’izany tamin’ny fandinihana ireo lela toy ny afo teo ambonin’ny lohan’ireo mpianatra ary tamin’ny fandrenesana ireo fiteny vahiny niresahany. Nasehony koa fa ny famonjena dia miankina amin’ny fanekena fa i Jesosy no Tompo sy Mesia. — Romana 10:9; Filipiana 2:9-11.
Manome ny fitomboana i Jehovah
13. (a) Mba hahatonga ny batisany ho azo ekena, inona no tsy maintsy neken’ireo Jiosy sy proselyta? (b) Firy no natao batisa, ary inona no vokatr’izany tao Jerosalema?
13 Endrey ny fandairan’ireo tenin’i Petera ireo! (2:37-42) Voatsindrona tam-pony noho ny fanekeny ny hampamono ny Mesia ireo mpihaino azy. Nampirisika azy ireo toy izao àry izy: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.” Ireo Jiosy sy proselyta dia samy efa nanaiky an’i Jehovah ho Andriamanitra, ary koa ny hilàn’izy ireo ny fanahiny. Izao anefa izy dia nila ny hibebaka sy hanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia mba hahafahany hatao batisa amin’ny anaran’ny (amin’ny fanekena ny asa na anjara raharahan’ny) Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina. (Matio 28:19, 20) Tamin’ny fanaovana fanambarana tamin’ireo Jiosy sy proselyta ireo i Petera dia nampiasa ny fanalahidy ara-panahy voalohany nomen’i Jesosy azy mba hanokafana ny varavarana ho amin’ny fahalalana sy ny fahafahan’ny Jiosy nino hiditra ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. (Matio 16:19) Tamin’io andro io fotsiny, dia olona 3000 no natao batisa! Alao sary an-tsaina ny Vavolombelon’i Jehovah maro be toy izany mitory ao amin’ny faritany kely misy an’i Jerosalema!
14. Nahoana ary tamin’ny fomba ahoana ireo mpino no ‘niombona ny fananany rehetra’?
14 Olona maro avy tany amin’ny toerana lavitra no tsy ampy vatsy mba hijanonana naharitra kokoa kanefa naniry hahafantatra betsaka kokoa momba ny finoany vaovao ary hitory tamin’ny hafa izy ireo. Nifanampy àry ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany ireo, toy ny ifanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. (2:43-47, MN ) ‘Niombonan’ireo mpino tamin’ny fomba vonjy maika avokoa ny fananany rehetra.’ Ny sasany taminy dia nivarotra tany, ka nozaraina tamin’ireo nila fanampiana ny vola. Izany dia nanome fanombohana tsara dia tsara ho an’ny kongregasiona raha ‘nanampin’i Jehovah isan’andro ho isan’ireo ny olom-bonjena.’
Ny fanasitranana iray sy ny vokany
15. Inona no nitranga rehefa niditra ny tempoly ry Petera sy Jaona, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoaka?
15 Nanohana ireo mpanara-dia an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny “famantarana” i Jehovah. (3:1-10) Ohatra, raha niditra tao an-tempoly ry Petera sy Jaona tamin’ny telo ora tolakandro mba hamonjy ny oran’ny fivavahana nifandray tamin’ny sorona ny hariva, dia nisy lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny teo akaikin’ny vavahady nantsoina hoe Itsaraendrika nangataka “fiantrana”. “Tsy manana volafotsy na volamena aho”, hoy i Petera, “fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna.” Sitrana teo no ho eo ihany ilay lehilahy! Raha niditra tao an-tempoly izy ka “nitsangatsangana sy niantsambotsambotra sady nidera an’Andriamanitra”, dia “talanjona ny olona.” — Isaia 35:6.
16. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo apostoly nanasitrana ny lehilahy nalemy tongotra iray?
16 Niangona teo amin’ny Fialofan’i Solomona, dia alo-baravarana nisy tafo iray teo amin’ny tapany atsinanan’ny tempoly, ny vahoaka gaga tamin’izay. Ary dia nanao fanambarana teo i Petera. (3:11-18, MN ) Nasehony fa nomen’Andriamanitra hery ireo apostoly mba hanasitrana ilay lehilahy nalemy tongotra tamin’ny alalan’i Jesosy, ilay Mpanompony nahazo voninahitra. (Isaia 52:13-53:12) Ireo Jiosy dia nanda “Ilay Masina sy Marina”, kanefa natsangan’i Jehovah tamin’ny maty izy. Na dia tsy fantatry ny vahoaka sy ireo mpanapaka azy aza fa ny Mesia no novonoin’izy ireo, dia tamin’izany no nanatanterahan’Andriamanitra ny teny faminaniana fa “hijaly ny Kristiny”. — Daniela 9:26.
17. (a) Nila ny hanao inona ireo Jiosy? (b) Inona no nitranga hatramin’ny ‘nanirahana an’i Kristy’ amin’izao androntsika izao?
17 Noho izany fomba nitondran’ireo Jiosy ny Mesia izany, dia nasehon’i Petera azy izay tokony hataony. (3:19-26) Nila ny ‘hibebaka’ izy ireo, na hahatsiaro fanenenana noho ny fahotany, ka ‘hiverina’, na hiova amin’ny fanarahana ny lalana mifanohitra amin’izany. Raha naneho finoana an’i Jesosy tamin’ny naha-Mesia azy izy ireo, ka nanaiky ny sorom-panavotany, dia hataon’i Jehovah tonga aminy ny famelombelomana noho izy ireo ho nahazo famelan-keloka. (Romana 5:6-11) Nampahatsiahivina ireo Jiosy fa izy ireo dia zanaky ny fanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ireo razambeny, raha nilaza tamin’i Abrahama izy hoe: “Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” Ny nanirahan’Andriamanitra ny Mesia Mpanompony voalohany àry dia ny mba hanafahana ireo Jiosy nibebaka. Mahaliana ny manamarika fa, nanomboka tamin’ny fotoana ‘nanirahana ny Kristiny’ tao amin’ny herin’ny Fanjakana any an-danitra tamin’ny 1914, dia nisy famerenana ho amin’ny laoniny feno famelombelomana an’ireo fahamarinana sy fandaminana teokratika teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. — Genesisy 12:3; 18:18; 22:18.
Tsy hijanona izy ireo!
18. “Vato” inona no nolavin’ireo “mpanao trano” jiosy, ary ao amin’iza ihany no misy famonjena?
18 Tezitra noho ny nanambaran-dry Petera sy Jaona ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ireo lohan’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo, ka nanao azy tao an-tranomaizina. (4:1-12, MN ) Tsy nino ny fitsanganana tamin’ny maty ny Sadoseo, fa maro hafa kosa no tonga mpino, ka ny lehilahy taminy ihany dia niisa 5000. Rehefa nanontanian’ny fitsarana tampon’i Jerosalema i Petera dia nilaza fa “ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta”, izay nohomboan’izy ireo teo amin’ny hazo, fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, no nanasitranana ilay lehilahy nalemy tongotra. Io “vato” nolavin’ny “mpanao trano” jiosy io dia tonga “fehizoro”. (Salamo 118:22) “Ambonin’izany”, hoy i Petera, “dia tsy misy famonjena amin’ny hafa.”
19. Rehefa norarana tsy hitory intsony ireo apostoly dia ahoana no navaliny?
19 Nisy fanandramana natao mba tsy hitenenan’izy ireo toy izany intsony. (4:13-22, MN ) Koa satria nanatrika teo ilay lehilahy nositranina, dia tsy nisy afaka nanda io “famantarana malaza” io, kanefa mbola norarana ihany ry Petera sy Jaona “tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy intsony.” Inona no navalin’izy ireo? ‘Tsy afaka mitsahatra ny milaza izay hitanay sy renay izahay.’ Nankatò an’i Jehovah ho toy ny Mpanapaka azy izy ireo!
Vavaka nahazo valiny!
20. Nivavaka ny amin’inona ireo mpianatra, ary inona no vokatr’izany?
20 Toy ny ivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo fivoriany no nivavahan’ireo mpianatra hafa rehefa notantarain’ireo apostoly afaka izay nitranga taminy. (4:23-31) Voamarika fa i Heroda Antipasy sy i Pontio Pilato mpanapaka mbamin’ny Romana sy ny vahoakan’ny Isiraely, dia niara-nanohitra ny Mesia. (Salamo 2:1, 2; Lioka 23:1-12) Ho valin’ny vavaka nataony, dia nofenoin’i Jehovah ny fanahy masina ny mpianatra, hany ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana izy ireo. Tsy nangataka ny Mpanapaka azy mba hampitsahatra ny fanenjehana izy ireo fa mba hanome azy kosa, hery hitoriana amim-pahasahiana na dia teo aza izany fanenjehana izany.
21. Iza moa i Barnabasy, ary inona avy ireo toetra tsara nananany?
21 Nanohy niombona ny zavatra rehetra nananany ireo mpino, ary tsy nisy na dia iray aza nahantra. (4:32-37, MN ) Ny mpanao fanomezana iray dia ilay Levita nantsoina hoe Josefa avy tany Kyprosy. Nataon’ny apostoly hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny fampiononana”, ny anarany, angamba noho izy tia nanampy ny hafa sady tsara fanahy. Tsy isalasalana fa tiantsika rehetra ny ho karazan’olona toy izany. — Asan’ny apostoly 11:22-24.
Afa-tsarona ireo mpandainga
22, 23. Inona no fahotan’i Ananiasy sy Safira, ary ahoana no ahafahantsika mandray soa avy amin’ny zavatra nihatra tamin’izy ireo?
22 I Ananiasy sy Safira vadiny anefa dia nitsahatra tsy nanaiky an’Andriamanitra ho Mpanapaka azy. (5:1-11) Nivarotra tany iray izy ary nihazona ny sasany tamin’ilay vola kanefa nihambo ho nanome ny vidiny rehetra an’ireo apostoly. Ny fahalalana avy amin’ny fanahin’Andriamanitra dia nahatonga an’i Petera hahafantatra ny fihatsarambelatsihin’izy ireo izay nitarika ho amin’ny fahafatesany. Fampitandremana re izany ho an’ireo izay alain’i Satana fanahy mba hamitaka! — Ohabolana 3:32, MN; 6:16-19.
23 Taorian’io zava-nitranga io, dia tsy nisy olona nanana antony nanosika ratsy na dia iray aza sahy niaraka tamin’ireo mpianatra. Maro be anefa no tonga mpino. (5:12-16) Ambonin’izany, raha naneho finoana ny herin’Andriamanitra ireo narary sy ireo nampahorin’ny fanahy maloto, dia “sitrana avokoa izy rehetra.”
Andriamanitra no ankatoavy fa tsy ny olona
24, 25. Nahoana ireo mpitarika jiosy no nanenjika ireo apostoly, kanefa marika inona tokony harahin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra no naorin’ireo olona nahatoky ireo?
24 Nitady ny hisakana io fitomboana mahatalanjona io izao ireo lohan’ny mpisorona sy ireo Sadoseo tamin’ny fampidirana ireo apostoly rehetra tao an-tranomaizina. (5:17-25) Tamin’io alina io ihany anefa dia nafahan’ny anjelin’Andriamanitra izy ireo. Ary vao nazava ratsy ny ampitson’iny dia efa nampianatra tao amin’ny tempoly izy ireo! Tsy afaka mampijanona ny mpanompon’i Jehovah ny fanenjehana.
25 Kanefa nampiharina ny fanerena rehefa nentina teo anoloan’ny Synedriona ireo apostoly. (5:26-42, MN ) Rehefa nomena baiko mba hampitsahatra ny fampianarany anefa izy ireo dia nilaza hoe: “Andriamanitra no tsy maintsy ankatoavinay ho toy ny mpanapaka anay fa tsy ny olona.” Izany dia nanome ny marika tokony harahin’ny mpianatr’i Jesosy, dia izay arahin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Rehefa avy nampitandreman’i Gamaliela, mpampiana-dalàna iray, ireo mpitarika dia nikapoka ireo apostoly, nandrara azy tsy hitory intsony ary nandefa azy.
26. Amin’ny ahoana no itovian’ny fanompoan’ireo apostoly amin’ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?
26 Faly ireo apostoly fa natao mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitry ny anaran’i Jesosy. “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara (...) isan’andro tao amin’ny tempoly sy isan-trano izy.” Eny, mpitory isan-trano izy ireo. Toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, izay nahazo ny fanahiny koa satria mankatò azy ary milaza hoe: “Jehovah no Mpanapaka anay!”
Ahoana no havalinao?
◻ Asa nanirahana an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy, taloha sy ankehitriny, inona no tsy maintsy notanterahiny?
◻ Inona no nitranga tamin’ny andro Pentekosta taona 33 am. fan. ir.?
◻ Oviana i Petera no nampiasa ny fanalahidy ara-panahy voalohany nomen’i Jesosy azy, ary tamin’ny fomba ahoana?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nihatra tamin-dry Ananiasy sy Safira?
◻ Rehefa norarana tsy hitory intsony ireo apostoly, dia marika tokony harahin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra inona no naoriny?