Barnabasy — Ilay “Zanaky ny Fampiononana”
OVIANA ianao no nahazo farany fampiononana avy tamin’ny namana iray? Tsaroanao ve hoe oviana ianao no nanome izany farany ho an’olon-kafa? Mila fampaherezana isika rehetra indraindray, ary tena ankasitrahantsika mihitsy izay manome izany amim-pitiavana! Ny fampiononana dia mitaky fakana fotoana hihainoana sy hahatakarana hevi-javatra ary hanampiana. Vonona hanao izany ve ianao?
Olona iray nampiseho izany fahavononana izany tamin’ny fomba fakan-tahaka i Barnabasy, izay ‘lehilahy tsara fanahy sady feno ny fanahy masina sy finoana’. (Asan’ny Apostoly 11:24). Nahoana no azo atao ny milaza izany momba an’i Barnabasy? Inona no nataony ka nahatonga azy ho mendrika izany filazalazana izany?
Mpanampy iray nalala-tanana
Josefa no tena anarany, nefa nomen’ireo apostoly solon’anarana izay tena milazalaza tsara ny toetrany izy, dia ny hoe Barnabasy, midika hoe “Zanaky ny Fampiononana”.a (Asan’ny Apostoly 4:36, NW ). Vao tsy ela no niforonan’ny kongregasiona kristiana. Mihevitra ny sasany fa efa anisan’ny mpianatr’i Jesosy i Barnabasy talohan’izay. (Lioka 10:1, 2). Na marina izany na tsia, io lehilahy io dia nanao zavatra tamin’ny fomba tsara dia tsara.
Fotoana fohy taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia nivarotra an-tsitrapo ny taniny sy nanome ny vidin’izany an-tsitrapo an’ireo apostoly, i Barnabasy, izay Levita avy any Kyprosy. Nahoana izy no nanao izany? Milaza amintsika ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa teo anivon’ireo Kristiana tao Jerosalema tamin’izany fotoana izany, dia nisy ‘fizarana tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy’. Miharihary fa hitan’i Barnabasy hoe nisy tsy fahampiana, ka nanao zavatra momba izany tamin-kafanam-po izy. (Asan’ny Apostoly 4:34-37). Nety ho lehilahy nanan-katao izy, nefa tsy nisalasala nanome ny fananany ara-nofo sy ny tenany mihitsy, mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.b “Na taiza na taiza nahitan’i Barnabasy olona na tarehin-javatra nitaky fampiononana, dia nanome izay fampiononana rehetra azony nomena izy”, hoy ny fanamarihan’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe F. F. Bruce. Miharihary izany ao amin’ilay fitrangan-javatra faharoa ahitana azy.
Tokony ho tamin’ny 36 am.f.i., dia nanandrana nifandray tamin’ny kongregasiona tao Jerosalema, i Saoly avy any Tarsosy (ilay ho tonga apostoly Paoly). Efa Kristiana izy tamin’izay, “fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra”. Ahoana no ahafahany mampiaiky an’ilay kongregasiona fa tena niova izy fa tsy tetika handravana azy io bebe kokoa fotsiny izany fiovana izany? “Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin’ny apostoly”. — Asan’ny Apostoly 9:26, 27; Galatiana 1:13, 18, 19.
Tsy voalaza ny hoe nahoana i Barnabasy no natoky an’i Saoly. Na ahoana na ahoana, ilay “Zanaky ny Fampiononana” dia niaina nifanaraka tamin’ny solon’anarany, ka nihaino an’i Saoly sy nanampy azy tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra izay toa tsy nisy fanafany. Na dia niverina tany Tarsosy, tany niaviany, aza i Saoly taorian’izay, dia nanjary mpisakaiza ireo lehilahy roa ireo. Hisy vokany lehibe izany, taona vitsivitsy atỳ aoriana. — Asan’ny Apostoly 9:30.
Tany Antiokia
Tokony ho tamin’ny 45 am.f.i., dia nisy vaovao mahakasika ny fizotran-javatra tsy mahazatra tany Antiokia any Syria, nahatratra an’i Jerosalema: mponina niteny grika maro tao amin’io tanàna io no tonga mpino. Naniraka an’i Barnabasy ny kongregasiona mba hanadihady izany sy handamina ny asa tany. Feno fahendrena indrindra ilay safidy nataon’izy ireo. Hoy i Lioka: “Rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra. Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ny Tompo.” — Asan’ny Apostoly 11:22-24.
Tsy izay ihany anefa no nataony. Araka ny manam-pahaizana manokana iray, atao hoe Giuseppe Ricciotti, “i Barnabasy dia lehilahy vonona hanao zavatra, ary takany avy hatrany ny ilana hanaovan-javatra, mba hanaovana izay hahazoana antoka fa io firoboroboana nahabe fanantenana io dia harahin’ny fijinjana lehibe. Ny zavatra nilaina voalohany indrindra, araka izany, dia mpijinja”. Zatra nifampiraharaha tamin’ny Jentilisa angamba i Barnabasy, noho izy avy any Kyprosy. Mety ho tsapany fa ampy fahaizana indrindra izy mba hitory tamin’ny mpanompo sampy. Vonona ny hampiditra ny hafa tao amin’io asa mampientana sy mampahery io anefa izy.
Nieritreritra ny amin’i Saoly i Barnabasy. Tena azo inoana fa fantatr’i Barnabasy ny fanambarana ara-paminaniana azon’i Ananiasy tamin’ny fotoana niovan’i Saoly, fa hoe io mpanenjika taloha io dia ‘fanaka voafidy, hitondra ny anaran’i Jesosy any amin’ireo jentilisa’. (Asan’ny Apostoly 9:15). Noho izany, dia nanainga ho any Tarsosy, izay lalana maherin’ny 200 kilaometatra mandroso, i Barnabasy, mba hitady an’i Saoly. Niara-niasa nandritra ny herintaona ngarangidina izy ireo, ary “tany Antiokia” tamin’izany fotoana izany, “no voalohany nanaovana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana”. — Asan’ny Apostoly 11:25, 26.
Nandritra ny fanapahan’i Klaodio, dia nisy mosary lehibe tany amin’ny faritra maro samihafa tamin’ny Empira Romana. Araka an’i Josèphe, jiosy mpahay tantara, tao Jerosalema dia “olona maro no maty noho ny tsy fananana izay hoenti-mahazo sakafo”. Noho izany, ireo mpianatra tao Antiokia, dia “ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia. Dia nataony izany, ary ny tànan’i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ny loholona”. Rehefa avy nahavita tanteraka io fanirahana io izy roa lahy, dia niverina tany Antiokia niaraka tamin’i Jaona Marka, ka tao izy ireo dia nisaina ho anisan’ireo mpaminany sy mpampianatra ny kongregasiona. — Asan’ny Apostoly 11:29, 30; 12:25; 13:1.
Fanendrena manokana ho misionera
Nisy zava-nitranga nahagaga avy eo. “Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.” Hevero ange! Nanome didy ny fanahin’i Jehovah hoe homena fanendrena manokana izy roa lahy. “Ary rehefa nirahin’ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.” Azo nantsoina ara-drariny hoe apostoly, na olona nirahina, koa i Barnabasy. — Asan’ny Apostoly 13:2, 4; 14:14.
Rehefa avy nanao dia nanerana an’i Kyprosy sy nampiova an’i Sergio Paolo, ilay governoran’ny provansy romana tao amin’ilay nosy, izy ireo, dia nandeha tany Perga, any amin’ny moron-tsiraka atsimon’i Azia Minora, ka tany i Jaona Marka no niala ka niverina tany Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 13:13). Toa i Barnabasy hatramin’io fotoana io no nitarika, angamba noho izy mpiara-miasa za-draharaha kokoa. Nanomboka teto anefa, dia i Saoly (izay nantsoina hoe Paoly izao) no nitari-dalana. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:7, 13, 16; 15:2.) Tafintohina noho io fizotran-javatra io ve i Barnabasy? Tsia, izy dia Kristiana matotra izay nanaiky tamim-panetren-tena hoe nampiasa an’ilay mpiara-miasa taminy tamin-kery koa i Jehovah. Tamin’ny alalan’izy ireo, dia nirin’i Jehovah ny mbola hisian’ny faritany hafa koa handre ny vaovao tsara.
Raha ny marina, talohan’ny nandroahana azy roa lahy tao Antiokia, any Pisidia, dia nandre ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Paoly sy i Barnabasy ilay faritra manontolo, ka maro no nanaiky ilay hafatra. (Asan’ny Apostoly 13:43, 48-52). Tao Ikonioma, dia “olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa”. Izany dia nanosika an’i Paoly sy i Barnabasy handany fotoana betsaka tao, ‘nitoriana tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, Izay nampanao azy roa lahy famantarana sy fahagagana’. Rehefa nandre ny amin’ny fiokoana natao mba hitoraham-bato azy izy roa lahy, dia naneho fahendrena ka nandositra, ary nanohy ny asany tany Lykaonia sy Lystra ary Derbe. Na dia teo aza ireo fisehoan-javatra saika nahafaty tany Lystra, na i Paoly na i Barnabasy dia samy nanohy “nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. — Asan’ny Apostoly 14:1-7, 19-22.
Tsy nanaiky lembenana ireo mpitory nafana fo ireo. Vao mainka aza izy ireo niverina mba hampahery an’ireo Kristiana vaovao tany amin’ireo toerana nahitan’izy ireo fanoherana nivaivay, ka azo inoana fa nanampy ireo lehilahy nahafeno fepetra mba hitari-dalana tao amin’ireo kongregasiona vaovao.
Ilay raharaha momba ny famorana
Tokony ho 16 taona taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia tafiditra tao amin’ny zava-nitranga nanan-tantara, nahakasika ny raharaha momba ny famorana, i Barnabasy. “Ny olona sasany izay nidina [tany Antiokia any Syria] avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy hianareo, dia tsy azo vonjena.” Fantatr’i Barnabasy sy i Paoly avy amin’ny zavatra niainany fa tsy marina izany, ka nanohitra ilay hevitra izy ireo. Tsy nanizingizina ny amin’ny fahefany izy ireo, fa nanaiky kosa hoe io zava-nanahirana io dia tokony halamina mba hahasoa ny fitambaran-drahalahy manontolo. Noho izany, dia nentin’izy ireo tany amin’ny fitambara-mpitantana tany Jerosalema ilay zava-nanahirana, ka ny tatitra nataon’izy ireo dia nanampy mba handaminana ilay raharaha. Taorian’izay, i Paoly sy i Barnabasy, izay nolazalazaina hoe “malalanay, (...) izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika”, dia anisan’ireo izay notendrena mba hampita an’ilay fanapahan-kevitra tamin’ireo rahalahy tany Antiokia. Rehefa novakina ilay taratasy avy tamin’ny fitambara-mpitantana, ka nisy lahateny natao, dia “nifaly noho ny [fampaherezana, NW ] tsara” ny kongregasiona, ka ‘nahazo fampaherezana’. — Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 4, 25-32.
“Nifanditra mafy”
Rehefa avy nahita ireo fitantarana tsara maro momba an’i Barnabasy isika, dia mety hihevitra fa tsy ho afaka na oviana na oviana hanahaka ny ohatra nomeny. Tsy tanteraka toa antsika koa anefa ilay “Zanaky ny Fampiononana”. Fony izy sy i Paoly nanomana ny dia misionera faharoa mba hitsidihana kongregasiona, dia nitranga ny tsy fifanarahana. Tapa-kevitra ny hitondra an’i Jaona Marka, zanak’olo-mpiray tam-po taminy i Barnabasy, nefa nihevitra i Paoly hoe tsy nety izany, satria nandao azy ireo i Jaona Marka tamin’ilay dia misionera voalohany. “Nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary Barnabasy nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo nankany Kyprosy. Fa Paoly kosa nifidy an’i Silasy, dia niainga” ho any amin’ny lalan-kafa. — Asan’ny Apostoly 15:36-40.
Nampalahelo erỳ izany! Na izany aza, ilay fitrangan-javatra dia milaza amintsika zavatra hafa momba ny toetran’i Barnabasy. “Nanampy ny laza tsara nananan’i Barnabasy ny hoe vonona ny hisetra loza izy, ka natoky indray an’i Marka”, hoy ny manam-pahaizana manokana iray. Araka ny hevitra aroson’io mpanoratra io, dia nety hoe “ny fitokiana napetrak’i Barnabasy taminy dia nanampy an’i Marka mba hatoky tena indray, ka niasa ho toy ny fandrisihana hanavao fanekena.” Ho vokatr’izany, dia voamarina tanteraka io fatokiana io, satria nisy fotoana naneken’i Paoly mihitsy aza hoe nilaina teo amin’ny fanompoana kristiana i Marka. — 2 Timoty 4:11; ampitahao amin’ny Kolosiana 4:10.
Ny ohatr’i Barnabasy dia afaka manosika antsika mba haka fotoana hihainoana sy hahatakarana hevi-javatra ary hampaherezana ireo kivy sy hanomezana fanampiana azo ampiharina, na rahoviana na rahoviana ahitantsika fa ilaina izany. Ny fitantarana momba ny fahavononany hanompo ireo rahalahiny tamim-pahalemem-panahy sy tamin-kerim-po, ary koa ny vokatra tsara dia tsara naterak’izany, dia efa fampaherezana. Tena fitahiana tokoa ny manana olona toa an’i Barnabasy ao amin’ny kongregasionantsika amin’izao andro izao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fiantsoana olona iray hoe “zanaky ny” toetra iray, dia manantitrantitra toetra miavaka iray. (Jereo ny Deoteronomia 3:18, NW, fanamarihana ambany pejy.) Tamin’ny taonjato voalohany, dia nahazatra ny nampiasa solon’anarana, mba hisarihana ny saina ho amin’ny toetran’ny olona iray. (Ampitahao amin’ny Marka 3:17.) Karazana fomba hamantaran’ny olona azy izany.
b Rehefa nandinika izay voalaza ao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny sasany, dia nanontany tena hoe nahoana i Barnabasy, izay Levita, no nanjary nanana tany. (Nomery 18:20). Tokony homarihina anefa fa tsy mazava hoe tany Palestina sa tany Kyprosy ilay tany. Fanampin’izany, dia mety ho tany fandevenana novidin’i Barnabasy tao amin’ny faritr’i Jerosalema fotsiny izy io. Na ahoana na ahoana, dia nomen’i Barnabasy hanampiana ny hafa, ny fananany.
[Sary, pejy 23]
I Barnabasy dia ‘lehilahy tsara fanahy sady feno ny fanahy masina sy finoana’