-
“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 3
-
-
Iny i Abrahama fa nanatona an’i Saraha. Nientanentana erỳ izy! Tsy nampino azy ny zava-nitranga. Vao avy niseho sy niresaka taminy tamin’ny alalan’ny anjely iray mantsy ilay Andriamanitr’izy ireo. Nibanjina an’i Abrahama tamin’ireo masony baribary i Saraha, sady tsindrian-daona erỳ nilaza hoe: “Eo mba lazao amiko hoe izay noteneniny!” Nipetraka mihitsy angamba aloha i Abrahama mba ho tony. Dia nolazainy taminy ny tenin’i Jehovah hoe: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.” (Asan’ny Apostoly 7:2, 3) Rehefa tonitony izy mivady, dia nandinika tsara an’izay nasain’i Jehovah nataon’izy ireo. Nila nandao ny fiainana milamina sy mampiadana nananany izy ireo, ary hifindrafindra monina. Nanao ahoana ny fihetsik’i Saraha? Azo antoka fa nijery azy tsara i Abrahama. Hanohana azy ve i Saraha, ka hanaiky an’izany fiovana lehibe izany?
Mety hieritreritra isika hoe tsy voatery hanao safidy hoatran’ny an’i Saraha. Angamba isika hilaza hoe: ‘Tsy mbola nangataka anay mivady hanao zavatra hoatr’izany Andriamanitra!’ Mila manao safidy toy ny azy anefa isika rehetra. Tia vola loatra mantsy ity tontolo ity, ka mety hampirisika antsika hikatsaka harena sy fiainana mampiadana. Mampirisika antsika hanao safidy hafa anefa ny Baiboly. Asainy ataontsika loha laharana ny fanompoana an’Andriamanitra, ka hiezaka hampifaly azy aloha isika vao hampifaly ny tenantsika. (Matio 6:33) Diniho àry izay nataon’i Saraha, ary eritrereto izao: ‘Inona ny safidy hataoko eo amin’ny fiainana?’
-
-
“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”Ny Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2017 | No. 3
-
-
Ahoana ny amin’ny fianakavian’i Saraha? Iza avy no tsy maintsy hilaozany? Mety ho mafy be taminy ilay didin’Andriamanitra hoe: “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao.” Be fitiavana i Saraha ka mety ho nifandray akaiky tamin’ny mpiray tam-po aminy sy ny zanak’izy ireo ary ny nenitoany sy dadatoany, izay mety tsy ho hitany intsony. Tsy nampiova hevitra azy anefa izany, fa nanomana tsikelikely an’ilay dia ihany izy.
-