Inona no misakana anao tsy hatao batisa?
“Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” — ASA. 8:36.
1. Inona no niseho tamin’ny lalana nampitohy an’i Jerosalema tamin’i Gaza?
NOHO ny tenin’ny anjelin’i Jehovah, dia nisy zava-mahavariana niseho teny amin’ny lalana tany an’efitra nampitohy an’i Jerosalema tamin’i Gaza. Teo am-pamakiana ny Soratra Masina tao amin’ny kalesiny ny Etiopiana iray, raha indro lehilahy iray nihazakazaka nanakaiky ny fiara. “Moa fantatrao va izay vakinao?” hoy ny fanontaniany. “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mpampianatra ahy?” hoy ny navalin’ilay Etiopiana. Filipo mpitory ny filazantsara, izay nirahin’ilay anjely, dia nanome azy ny fanampiana nilainy tamin’izay. Rehefa niakatra teo amin’ny kalesy izy ary nanomboka tamin’ny faminaniana iray nosoratan’i Isaia, dia “nitory an’i Jesosy [ny vaovao tsara momba an’i Jesosy, MN ]” taminy.
2, 3. a) Ahoana no nandraisan’ilay Etiopiana ny vaovao tsara? b) Fanontaniana inona avy no entin’io fitantarana io?
2 Raha tonga teo amin’ny toerana iray teny an-dalana izy, dia hoy ilay Etiopiana: “Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Tamin’izay dia nasainy najanona ny kalesy. Niditra tao anaty rano niaraka taminy i Filipo ary nanao batisa azy. Nentin’ny fanahin’i Jehovah tany an-toeran-kafa ilay mpitory ny filazantsara, raha mbola nanohy ny diany sady nifaly ilay Etiopiana. – Asa. 8:26-39.
3 Raha mifanerasera amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao nefa mbola tsy natao batisa, dia angamba mitarika anao hanontany tena toy izao izany fitantarana izany: Nahoana no natao batisa haingana toy izany ilay Etiopiana? Inona no tokony hatao amin’ny batisa? Inona no asehon’izy io? Ary inona no misakana ahy tsy hatao batisa?
Natao batisa tsy maimaika
4. Iza moa ilay Etiopiana?
4 Koa satria “tonga tany Jerosalema (...) mba hivavaka” ilay Etiopiana, dia azontsika tsoahina avy amin’izany fa proselyta jiosy voafora izy. Izy dia ionoka, fa tsy amin’ny heviny ara-bakiteny, satria tsy mahazo miditra ao amin’ny kongregasiona isiraelita ny lehilahy izay simba ny filahiany (Deoteronomia 23:2 [23:1, MN ]. Ny teny hoe “ionoka” amin’izay fotoana izay dia manondro manamboninahitra. ‘Izany lehilahy izany dia tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra’ tokoa. — Asa. 8:27, MN.
5. Nahoana no azo natao batisa haingana toy izany ilay ionoka etiopiana?
5 Jentilisa ilay Etiopiana, kanefa satria niova nanaraka ny fivavahana jiosy izy, dia azo natao batisa ho toy ny mpianatr’i Kristy, talohan’ny nanolorana ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny Jentilisa tsy voafora, tahaka ny tamin’i Kornelio tamin’ny 36. Tamin’ny naha-proselyta jiosy azy, dia nanana fahalalana sasany an’Andriamanitra sy ny Teniny ilay Etiopiana. Kanefa dia nila ny hampiana tamin’ny lafiny ara-panahy izy. Notarihina hanatona an’io lehilahy io àry Filipo mba hampita aminy ny vaovao tsara ka afaka nanao batisa azy izy talohan’ny nitoriana izany tamin’ny Jentilisa.
Ny batisan’ireo kristiana voalohany
6. Ahoana no nanaovana batisa ilay Etiopiana? Hamarino ny valin-teninao.
6 Ahoana no nanaovana batisa ilay Etiopiana? Ny teny hoe “manao batisa” dia avy amin’ny teny grika baptizô, izay midika hoe “manitrika, mandroboka”. Ny fandikan-teny grikan’ny Septante dia mampiasa sampan-teny avy amin’io teny io ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:14. Aoka homarihintsika koa fa nangataka ny hatao batisa ilay Etiopiana rehefa tonga teo amin’ny “rano” iray izy sy Filipo. Mba hanaovana izany batisa izany dia “nidina ho eo amin’ny rano” izy ireo, ary “niakatra avy teo” izy roa lahy taorian’izany. (Asa. 8:36-39). Natao batisa tamin’ny fandrobohana tao anaty rano àry ilay ionoka etiopiana.
7. Inona no ohatra arahina amin’ny batisa atao amin’ny fandrobohana ao anaty rano?
7 Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia natao batisa tamin’ny fandrobohana tao anaty rano. Vakintsika tokoa fa taorian’ny batisany tao Jordana dia “niakatra avy teo amin’ny rano” izy. Raha ny marina, mba hanaovana batisa, dia nifidy toerana iray tany amin’ny lohasahan’i Jordana, tany akaikin’i Saleima i Jaona Mpanao batisa. Nahoana? “Satria nisy loharano maro tao.” (Jaona 3:23). Mifanaraka amin’ny Soratra Masina àry ny batisa atao amin’ny fandrobohana ao anaty rano.
8. Filazana inona no omen’ny fanaon’ny Fariseo sy ny Jiosy hafa antsika ny amin’ny batisa?
8 Ireo fomba narahin’ny Fariseo sy ny Jiosy hafa dia manome antsika filazalazana mahaliana ny amin’ny batisa. Nanoratra toy izao i Marka evanjelistra: “Raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa [amin’ny famafazana rano, MN ] [grika, rantizô] aloha; ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa [batisa, MN ] [baptismous] kapoaka sy famarana mbamin’izay fanaka varahina.” (Marka 7:3, 4). Ireny lehilahy ireny dia nisasa tamin’ny famafazana rano ny tenany tamim-pirehetana tafahoatra talohan’ny hisakafoana rehefa avy any an-tsena, fa nanasa na nandroboka tao anaty rano ireo fitaovana samihafa nampiasainy tamin’ny sakafo kosa izy ireo.
9. Inona no nambaran’i Tertullien momba ny batisa?
9 Na dia taorian’ny nandrosoan’ny fivadiham-pinoana aza, Tertullien (160-230 teo ho eo), anankiray tamin’ireo Rain’ny Eglizy, dia nanambara toy izao mikasika ny batisa: “Tsy misy mahatohina indrindra ny sain’ny olona tahaka ny fifanoherana misy eo amin’ny fahatsorana hita miharihary amin’ireo asan’Andriamanitra sy ny halehiben’ny vokany ampanantenaina. Izany no miseho eto: mandeha amin’ny fomba tsotra indrindra ny zavatra rehetra, tsy misy fandaharana zavatra mialoha, tsy misy zava-marevaka mahagaga. Raha tsorina, tsy misy rendrarendra hafa, fa midina fotsiny ao anaty rano ralehilahy ary asitrika ao raha mbola misy manonona teny vitsivitsy. Zara raha madio kokoa izy na tsy toy izany mihitsy rehefa mivoaka avy eo. Noho izany, dia toa hita ho sarotra inoana fa hahazo ny mandrakizay amin’izany izy.” Aoka homarihintsika fa araka ny filazan’i Tertullien dia ‘asitrika ao anaty rano ralehilahy ary mivoaka avy ao’ aorian’izany.
10. Araka ny filazan’ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, inona moa no endrika tranainy indrindra amin’ny batisa kristiana?
10 Ireo mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly koa dia milaza fa tany am-boalohany dia nanao batisa tamin’ny fandrobohana tanteraka ao anaty rano ny kristiana. Izao no vakina ao amin’ny Larousse du XXe siècle: “Ny kristiana voalohany dia natao batisa tamin’ny fandrobohana na taiza na taiza nisy rano.” Raha ny amin’ny Firaketana katolika (anglisy), dia hoy ny nambarany: “Ny endrika tranainy indrindra [amin’ny batisa] nahazatra dia tsy azo lavina fa natao tamin’ny fandrobohana.” — Fizarana II, pejy faha-261 (navoaka tamin’ny 1907).
Fampianarana sy batisa
11. Fanirahana inona no nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany?
11 Alohan’ny hanaovana batisa, dia ilaina ny fahalalana marina sy ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany. Izany no voalazan’i Kristy mazava rehefa niteny tamin’ny mpianany izy nanao hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 28:19, 20.
12. Inona no hevitry ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray”?
12 Ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray” dia midika fa ilay mpilatsaka hatao batisa dia manaiky ny toerana sy ny fahefan’Andriamanitra. Mihevitra an’i Jehovah ho “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”, ho Mpamorona sy ho Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao izy (Salamo 36:9; 83:18; 2 Mpanjaka 19:15). Ekeny ho Mpitsara azy sy Mpanome lalàna azy ary Mpanjakany koa Jehovah. — Isaia 33:22; Salamo 119:102; Apokalypsy 15:3, 4.
13. Inona no hevitry ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’?
13 Ny hoe atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Zanaka’ dia midika ho fanekena ny toerana sy ny fahefan’i Kristy, nefa koa hoe amin’ny alalany no nanomezan’Andriamanitra ny ‘avotra mifanandrify’. (1 Timoty 2:5, 6, MN. ) Rehefa maty tsy nivadika Jesosy dia ‘nanandratra azy indrindra Andriamanitra’. Ireo izay maniry hatao batisa àry dia tokony hiaiky fa Kristy dia “Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray”. (Filipiana 2:9-11.) Tsy maintsy ekeny koa fa Jesosy no ilay “Vavolombelona marina” sy “Mpanjakan’ny mpanjaka”. — Apokalypsy 1:5; 19:16.
14. Inona no tokony hatao mba hanaovana batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’?
14 Tokony hatao batisa ‘amin’ny anaran’ny fanahy masina’ koa ilay mpilatsaka hatao batisa. Tokony ho takany fa tsy persona akory ny fanahy masina fa hery miasa an’Andriamanitra, hery izay nampiasainy, ankoatra ny zavatra hafa, tamin’ny asa famoronany sy tamin’ny nanomezany tsindrimandry ireo mpanoratra ny Baiboly (Genesisy 1:2; 2 Samoela 23:1, 2; 2 Petera 1:21). Tokony hekentsika ny anjara asa fototra raisin’ny fanahin’i Jehovah amin’ny fahazoantsika mahafantatra “ny saina lalina izay an’Andriamanitra” sy mampiseho ireo toetran’Andriamanitra, dia “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana [finoana, MN ], fahalemem-panahy, fahononam-po”. (1 Korintiana 2:10; Galatiana 5:22, 23.) Ilaintsika koa ny miaiky fa mila ny fanahin’Andriamanitra isika mba hanohizana mitory ilay Fanjakana. — Joela 3:1, 2.
Izay asehon’ny batisa
15. Nahoana no tsy manadio amin’ny fahotana ny batisa kristiana?
15 Natosiky ny fanahy masina i Jaona Mpanao batisa ka nanao batisa olona tamin’ny fandrobohana azy tao anaty rano (Asa. 13:24). Nataony batisa izy ireny, tsy ho fanadiovana azy amin’ny fahotany akory, fa ho mariky ny fibebahana (Asa. 19:4). Jaona koa dia nanao batisa an’i Jesosy, izay “tsy nanota akory” (1 Petera 2:22.) Tetsy an-daniny, Ananiasy dia nampirisika toy izao an’i Saoly avy any Tarsosy: “Mitsangàna, miantsoa ny anarany [ny an’i Jesosy], ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao.” (Asa. 22:12-16). Araka izany, dia tsy manadio amin’ny fahotana ny batisa kristiana atao amin’ny fandrobohana ao anaty rano. Tsy ny batisa, fa ny ra nalatsak’i Jesosy sy ny ‘fiantsoana ny anarany’ kosa no ahazoana ny famelana. — Hebreo 9:22; 1 Jaona 1:7.
16. a) Koa satria tsy manadio amin’ny fahotana ny batisa, inona no asehony? b) Inona no miseho ara-panoharana rehefa atao batisa ny olona iray?
16 Na dia tsy manadio amin’ny fahotana aza ny batisa kristiana, dia mampiseho kosa izy io fa ilay olona haroboka ao anaty rano dia nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy (jereo Matio 16:24). Ny tiana holazaina amin’ny hoe manao voady dia ny fanaovana ‘fanambarana, filazana, fanolorana’. Ny asa fanoloran-tena ho an’Andriamanitra dia manondro fanokanana olona iray tsy misy fepetra mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. Ara-panoharana, rehefa ‘alevina’ vetivety ao anaty rano ilay atao batisa, ka mivoaka avy ao, dia maty izy raha ny amin’ny fitondrantenany fahiny ary avy eo izy dia atsangana mba hanana fomba fiaina vaovao, ny hanatanteraka tsy misy fepetra ny sitrapon’i Jehovah. — Jereo Romana 6:4-6.
17. Nahoana no tsy mety ny hanaovana batisa ny ankizy kely?
17 Miharihary fa mahaforona dingana lehibe ny batisa. Tsy mety ny hanaovana batisa ankizy kely satria mbola tsy afaka misaintsaina sy mandray fanapahan-kevitra ka ho tonga mpianatra izy (Matio 28:19, 20). ‘Lehilahy sy vehivavy’ fa tsy ankizy kely akory no natao batisa nandritra ny fanompoan’i Filipo tany Samaria (Asa. 8:4-8, 12, MN ). Natokana ho an’izay afaka mianatra sy mino ary maneho finoana ny batisa (Jaona 17:3; Asa. 5:14; 18:8; Hebreo 11:6). Mikasika izany dia izao no vakina eo ambany diam-penin’ilay mpanao tantara atao hoe Augustus Neander: “Niaraka foana ny finoana sy ny batisa. Azo inoana tokoa àry (...) fa ny batisan’ankizy dia tsy fantatra [tamin’ny taonjato voalohany]. (...) [Ny hoe] nekena voalohany ho toy ny lovantsofina apostolika izany nandritra ny taonjato faha-3, dia manaporofo fa manohitra fa tsy manohana kosa ny fiandohany avy amin’ny apostoly izany.” — Tantaran’ny fototra sy ny fiforonan’ny Eglizy kristiana nataon’ny apostoly (New York, 1864 [anglisy]), pejy faha-162.
18. a) Araka ny Soratra masina, fepetra inona avy no tokony hofenoina mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah? b) Fanehoam-pinoana inona avy moa no milaza amin’ny ankapobeny fa azo atao batisa ny olona anankiray? d) Ahoana no anintonana ny sain’ireo mpilatsaka hatao batisa amin’ny maha-zava-dehibe ny hinoana ny avotra?
18 Ny Soratra masina dia miresaka imbetsaka ny amin’ny batisan’ny mpino (Asa. 4:4; 5:14; 8:13; 16:27-34; 18:8; 19:1-7). Mba hahatongavana ho Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy maintsy tonga mpino àry, izany hoe maneho finoana ary atao batisa. Na dia alohan’ny batisa aza, dia aseho ny finoana toy izany amin’ny fananana fitondrantena mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fametrahana ny fitokian’ny tena amin’i Jehovah, amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana ny Fanjakana ary amin’ny fanekena ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ny voalohany amin’ireo fanontaniana roa apetraka amin’ireo mpilatsaka hatao batisa mandritra ny lahateny tononina alohan’ny fandrobohana dia manintona ny sainy ho amin’ny maha-zava-dehibe ny finoana ny avotra. Izao izany: “Miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy, moa ve ianareo nibebaka tamin’ny fahotanareo ary moa ve ianareo nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?” Tsy azo atao batisa amin’ny fandrobohana ao anaty rano ny olona iray raha tsy mamaly amin’ny hoe “eny” an’io fanontaniana io ka mahatakatra fa ny fanoloran-tena sy ny batisa dia mampahafantatra azy ho Vavolombelon’i Jehovah tafaray amin’ny fandaminana izay tarihin’Andriamanitra amin’ny fanahiny.
Ny fanoloran-tena ao amin’ny vavaka
19. Nahoana no tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah ao amin’ny vavaka isika?
19 Ireo izay atao batisa dia tokony hanana finoana an’Andriamanitra sy Kristy. Nahoana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah no milaza fa tokony hanolo-tena ho an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka ny olona? Satria mety ny hilazantsika amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka, ny fanapahan-kevitsika hanokana fifikirana tsy mizarazara mendrika ho azy (Deoteronomia 5:8, 9; 1 Tantara 29:10-13). Tsy misy isalasalana fa tao amin’ny vavaka no nampahafantaran’i Jesosy tamin’ny Rainy any an-danitra ny faniriany hanolotra ho azy irery, fanompoana masina (Hebreo 10:7-9). Moa tsy voalaza tokoa ve fa “nivavaka” izy tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy (Lioka 3:21, 22)? Mazava àry fa ilaina ny manolo-tena ho an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka.
20. Nahoana no azo inoana fa nampirisika ny mpianatra vaovao mba hanolo-tena ho an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka ny kristiana voalohany?
20 Ny kristiana voalohany dia azo inoana fa nampirisika ireo mpianatra vaovao hanolo-tena ho an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, satria na dia Tertullien aza dia nanambara tatỳ aoriana hoe: “Ireo izay te-ho tonga amin’ny batisa dia tokony hiantso an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka mafana, ny fifadian-kanina ary ny fandohalehana.” Talohany, Justin ilay Maritiora (100-165 teo ho eo) dia nanoratra hoe: “Hasehonay anareo izao hoe ahoana no anokananay tena ho an’Andriamanitra rehefa nohavaozin’i Kristy. (...) Ireo izay mino ny fahamarinan’ny fampianaranay sy ny foto-pampianaranay dia mampanantena aloha fa hiaina mifanaraka amin’izany lalàna izany. Amin’izay izahay dia mampianatra azy ireny hivavaka sy hangataka amin’Andriamanitra ao amin’ny fifadian-kanina, ny famelana ny fahotany ary ny tenanay koa dia miara-mivavaka sy mifady hanina aminy.”
21. Na dia vita batisa efa an-taonany maro lasa aza izay ianao, fony mbola tsy nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny fanoloran-tena ao amin’ny vavaka, inona no azo inoana fa efa nataonao?
21 Raha toa natao batisa efa taona maro lasa izay ianao, fony mbola tsy nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny hanoloran-tena ho an’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, dia tsy hoe tsy maintsy midika izany fa tsy misy vidiny ny batisanao. Na dia tamin’izany aza dia betsaka no nanao zavatra tahaka ity lehilahy iray izay mahatadidy tsara, efapolo taona tatỳ aoriana, fa nandohalika ary nanolo-tena ho an’i Jehovah tao amin’ny vavaka mafana iray, nefa mbola zatovolahy izy tamin’izany. Ary na dia mbola tsy nanolo-tena mazava tao amin’ny vavaka aza ny olona iray tamin’izany fotoana izany, dia tsy maintsy nandinika izany raharaha izany tao amin’ny vavaka izy tamin’ny andro nandrobohana azy niaraka tamin’ny mpilatsaka hatao batisa hafa sy ireo izay nanotrona teo, rehefa nivavaka niaraka ny rehetra tamin’ny lahatenin’ny batisa.
Nahoana no misalasala ny sasany
22. Nahoana no misalasala ny hatao batisa ny sasany?
22 Koa satria tombontsoa lehibe ny ho Vavolombelon’i Jehovah nanolo-tena, nahoana no misalasala ny hatao batisa ny sasany? Ny tsy fahampian’ny tena fitiavana dia iray amin’ireo antony mahatonga ny sasany tsy hankatò ny tenin’Andriamanitra sy tsy hanaraka ny ohatr’i Jesosy ary tsy hatao batisa (1 Jaona 5:3). Marina fa amin’ny ankapobeny dia tsy milaza akory ny olona tsy vita batisa hoe tsy tiany ny hanaraka ny ohatr’i Kristy na hankatò an’Andriamanitra. Kanefa variana loatra amin’ny asany ivelan’ny fivavahana izy ireny ka tsy manam-potoana firy hatokana ho amin’ny zavatra ara-panahy. Raha izany no mahazo anao, moa ve tsy ho fahendrena ny handinihana indray ny fihetseham-ponao, ny zavatra mahaliana anao sy ny fanirianao? Tsy azo atao ny sady ho tena tia an’Andriamanitra no ho tia an’izao tontolo izao (1 Jaona 2:15-17). Aza avela hamitaka anao amin’ny fihetseham-po sandoka hoe tsy manana ahiahy ny “fitaky ny harena” (Matio 13:22). Tsy hita ny tena filaminana raha tsy amin’ny fananana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra aorian’ny fanoloran-tena ho azy. — Salamo 4:8.
23. Nahoana ny hafa no mihazona ny tenany tsy hanolo-tena ho an’i Jehovah ary hampiseho izany voady izany amin’ny fanekena hatao batisa amin’ny fandrobohana ao anaty rano?
23 Ny hafa milaza fa tia an’Andriamanitra nefa mihazona ny tenany tsy hanolo-tena ho azy satria mihevitra izy ireny amin’izany ny hiala andraikitra sy tsy hampamoahina. Ho tiany ny hiaina ao amin’ny Paradisa, nefa hatramin’izao dia tsy manao afa-tsy zavatra kely izy na tsy misy mihitsy aza mba hisehoana ho mendrika izany (Ohabolana 13:4). Na tiany na tsy tiany, dia tsy maintsy hampamoahina izy satria tompon’andraikitra amin’ny ataony izy hatramin’ny nandrenesany ny tenin’i Jehovah (Ezekiela 33:7-9). Amin’ny fanolorana ny tenany ho an’Andriamanitra dia hasehony fa takany ny sitrapon’Andriamanitra ka maniry tokoa ny hanatanteraka izany izy. Tsy mametraka enta-mavesatra kokoa eo an-tsorony ny fankatoavana, fa hahazoany kosa ny fitahian’i Jehovah sy hahafaly azy, satria hasehony amin’ny fiainany fa tiany Andriamanitra araka ny lazainy.
24. Noho ny antony inona koa no tsy ilatsahan’ny hafa hatao batisa?
24 Ny hafa indray tsy milatsaka hatao batisa satria mihevitra izy fa tsy manana fahalalana ampy ny Soratra masina mba hanazavana izany amin’ny olon-kafa. Kanefa ilay ionoka etiopiana dia vonona ny hampiseho ny fanolorana ny tenany ho an’Andriamanitra taorian’ny resadresaka nataony tamin’i Filipo nandritra ny fandehanana an-kalesy. Teo am-piandohana, dia azo antoka fa tsy afaka namaly ny fanontaniana rehetra nolazain’ireo izay niresahany ny fahamarinana izy. Kanefa feno fankasitrahana tamin’izay reny ny fony ka tsy nanaiky ho voasakan’ny tahotra izy. “Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra”. (1 Jaona 4:18). Tsy loha feno fahalalana akory no manosika olona iray hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa, fa fo feno fitiavana. — Lioka 10:25-28.
25. Inona no andrasan’i Jehovah Andriamanitra amin’ireo izay milaza ho tia azy?
25 Raha toa ianao mbola tsy vita batisa, dia eritrereto izao fanontaniana izao: Inona no andrasan’Andriamanitra avy amin’ireo izay milaza ho tia azy? Tiany ny hanokanana fifikirana tsy mizarazara aminy ary mitady ireo izay maniry hivavaka aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izy. (Jaona 4:23, 24; Eksodosy 20:4, 5; Lioka 4:8.) Nanaraka izany karazana fanompoam-pivavahana izany ilay ionoka etiopiana ary tsy nampihemotra tany aoriana ny batisany izy, rehefa nanana fahafahana ny hatao batisa. Moa ve ianao dieny izao tsy tokony hanao ny fanolorana ny tenanao ho an’i Jehovah ho antom-bavaka mafana sady hanontany tena hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”
Famerenana
▫ Nahoana no azo natao batisa haingana ilay ionoka etiopiana?
▫ Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’ny kristiana voalohany ny batisa?
▫ Inona no hevitry ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”?
▫ Inona no asehon’ny batisa kristiana?
▫ Nahoana no tokony hanolo-tena ho an’i Jehovah ao amin’ny vavaka isika?
▫ Antony inona no mampisalasala ny sasany tsy hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa?