-
“Nilamina ny Fiangonana”‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
1, 2. Inona no nokasain’i Saoly hatao tany Damaskosy?
EFA akaiky an’i Damaskosy ireo lehilahy nikasa hanao ratsy tao, ary hita hoe vinitra. Tian’izy ireo havoaka avy ao an-tranony ireo mpianatr’i Jesosy, ka hofatorany sy hataony afa-baraka ary hoentiny any Jerosalema, mba hofaizin’ny Fitsarana Avo.
2 Azo lazaina hoe efa nandatsa-dra i Saoly, mpitarika an’ireo lehilahy ireo.a Vao tsy ela izay, dia faly erỳ izy nijery ny nitoraham-bato an’i Stefana. Olona nafana fo toa an’i Saoly no namono an’io mpianatr’i Jesosy tia fivavahana io. (Asa. 7:57–8:1) Mbola tsy ampy an’i Saoly ny nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy tao Jerosalema, ka nataony izay hitaran’ny afom-panenjehana. Tiany hofoanana tanteraka ilay sekta mampidi-doza atao hoe “Ny Lalana.”—Asa. 9:1, 2; jereo ilay efajoro hoe “Nahazo Alalana ho any Damaskosy i Saoly”, pejy 61.
-