DORKASY
(Dôrkàsy) [Gazela].
Vehivavy kristianina iray teo anivon’ny fiangonan’i Jopa. “Be tokoa ny asa soa vitany sy ny fiantrany ny mahantra.” Azo inoana fa nanamboatra akanjo sy fitafiana ivelany maro izy ho an’ireo mpitondratena sahirana. (As 9:36, 39) Mifanitsy amin’ilay anarana aramianina hoe “Tabita” ny hoe “Dorkasy”, izay samy midika hoe “Gazela.” Mety ho niantsoana azy daholo ireo anarana ireo. Nahazatra ny Jiosy mantsy ny nanana anarana hebreo sy grika (na latinina), indrindra fa ny Jiosy tany amin’ny tanàna nisy seranana, toa an’i Jopa, satria nisy Jiosy sy olona hafa firenena nonina tao. Na koa mety hoe nadikan’i Lioka ho amin’ny teny grika ilay anarana, mba hanampiana an’ireo mpamaky hafa firenena. Nolazain’i Lioka hoe “mpianatra” i Dorkasy, ary izy irery no vehivavy nampiasana an’io teny io amin’ny endriny milaza vavy, ao amin’ny Soratra Masina. Tsy midika anefa izany hoe ambony kokoa noho ny hafa izy, teo anivon’ny fiangonana. Samy mpianatr’i Jesosy Kristy daholo mantsy ny Kristianina rehetra. (Mt 28:19, 20) Maty i Dorkasy tamin’ny taona 36, ka nitomany be ireo mpitondratena nampiany. Tsy voalaza kosa hoe nisy vady nalahelo azy tamin’izay. Angamba izy tsy nanambady tamin’io fotoana io.
Nokarakarain’ireo mpianatra tao Jopa ilay faty, talohan’ny handevenana azy. Ren’izy ireo anefa fa tany Lyda, 18 km teo ho eo tany atsimoatsinanan’i Jopa, i Petera ka nandefa iraka haka azy izy ireo. Azo inoana fa ren’izy ireo hoe nanasitrana lehilahy iray nalemy atao hoe Enea i Petera tany, ka angamba nieritreritra izy ireo hoe mety hanangana an’i Dorkasy tamin’ny maty koa izy. Mety hoe nila fampiononana fotsiny koa anefa izy ireo matoa nampiantso an’i Petera.—As 9:32-38.
Nanao toa an’i Jesosy tamin’izy nanangana an’ilay zanakavavin’i Jairo i Petera, ka nasainy nivoaka daholo ny olona tao amin’ilay efitrano ambony rihana. (Mr 5:38-41; Lk 8:51-55) Nivavaka aloha izy ary hoy izy avy eo: “Ry Tabita, miarena!” Nihiratra i Dorkasy, niarina, ary noraisiny ny tanan’i Petera mba hanampy azy hitsangana. Io no fitsanganana amin’ny maty voalohany nataon’ny apostoly izay voatantara ao amin’ny Baiboly. Olona maro eran’i Jopa no lasa mpino, vokatr’izany.—As 9:39-42.