-
1 | Aza ManavakavakaNy Tilikambo Fiambenana (Besinimaro)—2022 | No. 1
-
-
Fampianaran’ny Baiboly:
“Tsy manavakavaka Andriamanitra, fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.”—ASAN’NY APOSTOLY 10:34, 35, fanamarihana ambany pejy.
Inona no dikan’izany?
Tsy ny firenentsika, na ny fiaviantsika, na ny volon-koditsika, na ny kolontsaintsika no itsaran’i Jehovaha Andriamanitra antsika. Ny eritreritsika sy ny faniriantsika kosa no tena ifantohany. Marina mihitsy ilay hoe: “Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”—1 Samoela 16:7.
-