Modely Ara-tsindrimandrin’ny Asa Misionera Kristiana
“Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” — 1 KORINTIANA 11:1.
1. Inona avy no fomba sasany nanomezan’i Jesosy ohatra niavaka harahin’ny mpanara-dia azy? (Filipiana 2:5-9)
OHATRA niavaka toy inona moa no nomen’i Jesosy ny mpianany! Nandao tamin-kafaliana ny voninahiny tany an-danitra izy mba hidina etỳ an-tany sy hiaina eo anivon’olona mpanota. Vonona ny handalo fahoriana mafy izy ho famonjena ny taranak’olombelona ary, mbola zava-dehibe kokoa, ho fanamasinana ny anaran’ny Rainy any an-danitra. (Jaona 3:16; 17:4). Rehefa nandalo fitsarana niankinan’ny ainy i Jesosy dia nanambara tamin-kasahiana hoe: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” — Jaona 18:37.
2. Nahoana moa i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty no afaka nandidy ireo mpianany mba hanohy ilay asa natombony?
2 Talohan’ny nahafatesany, dia nanome fampiofanana tsara dia tsara an’ireo mpianany i Jesosy mba hahafahan’izy ireo hanohy ilay asa fanambarana ny fahamarinan’ilay Fanjakana. (Matio 10:5-23; Lioka 10:1-16). Araka izany, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia afaka nanome izao baiko izao i Jesosy: “Mandehana (...) ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. — Matio 28:19, 20.
3. Ahoana no nitaran’ny asa fanaovana mpianatra, saingy tany amin’ny faritra taiza ihany no tena nifantohan’izany?
3 Nandritra ireo telo taona sy tapany nanaraka, dia nankatò io baiko io ireo mpianatr’i Jesosy, saingy noferan’izy ireo ho amin’ireo Jiosy sy proselita jiosy ary Samaritana voafora ihany ny asa fanaovana mpianatra notontosainy. Avy eo, tamin’ny taona 36 am.f.i., dia nataon’Andriamanitra izay hitarihana ny vaovao tsara hotorina tany amin’ny lehilahy tsy voafora iray, Kornelio, sy ny ankohonany. Nandritra ireo folo taona nanaraka, dia nisy Jentilisa hafa nampidirina tao anatin’ny kongregasiona. Na dia izany aza, dia toa voafetra ho eo amin’ireo faritra atsinanan’i Mediterane ihany ny ankamaroan’ny asa natao. — Asan’ny Apostoly 10:24, 44-48; 11:19-21.
4. Fisehoan-javatra lehibe inona no nitranga tany amin’ny taona 47-48 am.f.i. tany ho any?
4 Nisy zavatra nilaina mba hanosika na hahatonga ireo Kristiana ho afaka hanao mpianatra ireo Jiosy sy Jentilisa tany amin’ny faritra lavitra kokoa. Koa tany amin’ny taona 47-48 am.f.i. tany ho any, ireo loholon’ny kongregasiona tany Antiokia any Syria dia naharay izao hafatra avy tamin’Andriamanitra izao: “Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.” (Asan’ny Apostoly 13:2). Mariho fa tamin’izany i Paoly dia fantatra tamin’ny tena anarany hoe Saoly. Mariho koa fa nanonona an’i Barnabasy talohan’i Paoly Andriamanitra, angamba noho i Barnabasy noheverina ho zokiny tamin’izy roa lahy tamin’izany fotoana izany.
5. Nahoana moa ny fitantarana ny dia misionera nataon’i Paoly sy i Barnabasy no misy vidiny lehibe ho an’ny Kristiana amin’izao andro izao?
5 Ny fitantarana tamin’ny antsipiriany ny dia misionera nataon’i Paoly sy i Barnabasy dia fampaherezana lehibe ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra fa ireo misionera sy mpisava lalana izay nandao ny tanàna nahabe azy mba hanompoana an’Andriamanitra any amin’ny fitambaran’olona hafa fiaviana. Ankoatra izany, ny fandinihana indray ny Asan’ny Apostoly toko faha-13 sy faha-14 dia azo antoka fa mbola hanosika azy ireo bebe kokoa hanahaka an’i Paoly sy Barnabasy ary hanitatra ny fandraisany anjara amin’ilay asa faran’izay lehibe, dia ny fanaovana mpianatra izany.
Ny nosin’i Kyprosy
6. Ohatra inona no nomen’ireo misionera tao Kyprosy?
6 Niondrana an-tsambo tsy nisy hataka andro teo amin’ny seranan’i Seleokia tany Syria ireo misionera, hankany amin’ny nosin’i Kyprosy. Rehefa nidina tao Salamisy izy ireo dia tsy niala tamin’ny zava-nokendreny fa “nitory ny tenin’Andriamanitra teny amin’ny synagogan’ny Jiosy”. Nanaraka ny modelin’i Kristy izy ireo ka tsy nianina tamin’ny fanorenam-ponenana tao amin’io tanàna io sy niandry ny hanatonan’ireo mponina anosy azy ireo. Tsy izany fa niasa araka ny fomba fanaony izy, ‘namakivaky ilay nosy iray manontolo’. Tsy isalasalana fa izany dia nahatafiditra dia an-tongotra lavitra be sy fiovaovana maro be teo amin’ny filasiana, satria i Kyprosy dia nosy lehibe ary ny dia nataony dia nahavitany halaviran-dalana maherin’ny halavan’ny tapany lehibe indrindra amin’ilay nosy. — Asan’ny Apostoly 13:5, 6.
7. a) Fisehoan-javatra niavaka inona no nitranga tany Pafo? b) Mampirisika antsika hanana fihetsika manao ahoana io fitantarana io?
7 Tamin’ny fiafaran’ny fijanonan’izy tao amin’ilay nosy, dia novalian-tsoa izy roa lahy tamin’ny fanandraman-javatra nahatalanjona iray tao amin’ny tanànan’i Pafo. Ny governoran’ilay nosy, i Sergio Paolo, dia nihaino ny hafatra nentin’izy ireo ary tonga ‘mpino’. (Asan’ny Apostoly 13:7, 12). Tatỳ aoriana dia nanoratra toy izao i Paoly: “Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana”. (1 Korintiana 1:26). Kanefa, dia anisan’ireo mahery izay nandray tsara i Sergio Paolo. Io fanandraman-javatra io dia tokony hampahery antsika rehetra, indrindra fa ireo misionera, mba hanana fihetsika manorina momba ny fanaovana fanambarana amin’ireo anisan’ny mpitondra fanjakana, toy ny ampirisihana hataontsika ao amin’ny 1 Timoty 2:1-4. Indraindray ireo lehilahy manam-pahefana dia nanome fanampiana lehibe an’ireo mpanompon’Andriamanitra. — Nehemia 2:4-8.
8. a) Fifandraisana niova teo amin’i Paoly sy i Barnabasy inona no nitranga nanomboka tamin’io fotoana io? b) Tamin’ny ahoana i Barnabasy no ohatra tsara dia tsara?
8 Teo ambanin’ny herin’ny fanahin’i Jehovah, dia nanao ny anjara lehibe indrindra tamin’ny fanovana an’i Sergio Paolo ho tonga Kristiana i Paoly. (Asan’ny Apostoly 13:8-12). Ary, nanomboka tamin’io fotoana io koa, dia niharihary fa i Paoly no nitarika. (Ampitahao ny Asan’ny Apostoly 13:7 sy ny Asan’ny Apostoly 13:15, 16, 43.) Izany dia nifanaraka tamin’ny andraikitra nankinin’Andriamanitra tamin’i Paoly tamin’ny fotoana niovany ho Kristiana. (Asan’ny Apostoly 9:15). Angamba nisedra ny fanetren-tenan’i Barnabasy izany fisehoan-javatra izany. Kanefa dia tsy nihevitra io fiovana io ho toy ny fanalam-baraka ny tenany i Barnabasy, fa azo inoana kosa fa niaina nifanaraka tamin’ny dikan’ny anarany izy, dia ny hoe “Zanaky ny Fampiononana”, ka nanohana tamim-pahatokiana an’i Paoly nandritra ilay dia misionera manontolo sy taorian’izay, rehefa nisy Kristiana jiosy sasany nanohitra ny fanompoan’izy ireo teo amin’ireo Jentilisa tsy voafora. (Asan’ny Apostoly 15:1, 2). Ohatra tsara dia tsara re izany ho antsika rehetra, tafiditra amin’izany ireo mipetraka any amin’ny tranon’ny misionera sy Betela! Tokony ho vonona foana isika ny hanaiky ireo fanitsiana teokratika ary hanohana amin’ny fomba feno ireo voatendry hitarika antsika. — Hebreo 13:17.
Ny lembalemban’i Azia Minora
9. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahavononan’i Paoly sy i Barnabasy handeha ho any Antiokia, any Pisidia?
9 Avy tany Kyprosy i Paoly sy i Barnabasy dia niondrana an-tsambo nankany avaratra ho any amin’ny kaontinantan’i Azia. Noho ny antony tsy voalaza, dia tsy nijanona tao amin’ny faritra amoron-tsiraka ireo misionera fa nanao dia lavitra sy nampidi-doza teo amin’ny 180 kilaometatra teo ho eo nankany Antiokia, any Pisidia, tany amin’ny lembalemba afovoan’i Azia Minora. Izany dia nahafaoka fianihana lalana an-tendrombohitra sy fidinana nankany amin’ny tany lemaka iray sahabo ho 1 100 metatra ambonin’ny ranomasina. Hoy ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe J. S. Howson: “Ny tsy fanarahan-dalàna sy fandrobana nahazatra ny mponina tamin’ireny tendrombohitra izay nampisaraka ny lembalemba (...) tamin’ny tany lemaky ny morontsiraka atsimo ireny, dia fanta-daza hatraiza hatraiza teo amin’ny tantara fahiny.” Fanampin’izany, dia nisetra loza avy tamin’ireo fisehoan-javatra araka ny natiora ireo misionera. Izao no teny nanampin’i Howson: “Tsy misy mihitsy distrika any Azia Minora miavaka manokana noho ireo ‘paompin-dranony’ toy ireo faritra be tendrombohitr’i Pisidia, izay ahitana renirano mibosesika tampoka avy eo am-pototry ny hantsana makadiry, na misamboaravoara mivarina ao amin’ny tevana tery kely.” Izany tsipirian-javatra izany dia manampy antsika hahazo sary an-tsaina ny karazana dia izay nivononan’ireo misionera hatao noho ny fampielezana ny vaovao tsara. (2 Korintiana 11:26). Toy izany koa, amin’izao fotoana izao dia mpanompon’i Jehovah maro be no misetra izao karazana fanakantsakanana rehetra izao mba hahatratrarana ny olona sy hizarana amin’izy ireny ny vaovao tsara.
10, 11. a) Ahoana no nitanan’i Paoly hevitra niombonana tamin’ireo mpihaino azy? b) Nahoana no azo inoana fa gaga ny Jiosy maro nandre ny amin’ny fijalian’ny Mesia? d) Karazana famonjena inona no natolotr’i Paoly an’ireo izay nihaino azy?
10 Koa satria nisy synagogan’ny Jiosy tany Antiokia, any Pisidia, dia nankany aloha ireo misionera mba hahazo fahafahana hanaiky ny vaovao tsara ireo olona zatra kokoa tamin’ny Tenin’Andriamanitra ireo. Rehefa nasaina hiteny izy, dia nitsangana i Paoly ary nanao lahateny ampahibemaso tamim-pahakingana sy fahefana. Nandritra ilay lahateny manontolo, dia nitana hevitra niombonana tamin’ireo Jiosy sy proselyta mpihaino izy. (Asan’ny Apostoly 13:13-16, 26). Taorian’ny fampidiran-dresaka nataony, dia namerina nidinika ny amin’ny tantara malazan’ny Jiosy i Paoly tamin’ny fampahatsiarovana azy ireo fa nifidy ny razambeny i Jehovah sady nanafaka azy avy tany Egypta avy eo, ary nanampy azy koa mba handresy ireo mponina tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Avy eo i Paoly dia nampisongadina ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Davida. Nahaliana ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany izany fanazavana izany satria izy ireo nanantena ny hananganan’Andriamanitra taranaka avy amin’i Davida ho mpamonjy sy ho mpanjaka mandrakizay. Teo, dia nanambara tamin-kasahiana i Paoly hoe: “Avy tamin’ny taranak’izany lehilahy izany [i Davida] no nitondran’Andriamanitra an’i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely.” — Asan’ny Apostoly 13:17-23.
11 Ny karazana mpamonjy nandrasan’ny Jiosy maro anefa dia olo-malaza ara-tafika iray izay ho nanafaka azy ireo tamin’ny fanapahana romana ka nanandratra ny firenena jiosy ho ambony noho ny hafa rehetra. Noho izany, dia tsy isalasalana fa gaga izy ireo nandre an’i Paoly nilaza fa ny Mesia dia natolotry ny filohan’izy ireo ara-pivavahana hovonoina. “Andriamanitra kosa nanangana azy tamin’ny maty”, hoy i Paoly tamin-kasahiana. Teo am-pifaranan’ny lahateniny, dia nasehony tamin’ny mpihaino azy fa afaka hahazo karazam-pamonjena mahatalanjona iray izy ireo. “Aoka ho fantatrareo”, hoy izy, “fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalàn’i Mosesy.” Namarana ny lahateniny i Paoly tamin’ny fampirisihana ny mpihaino azy mba tsy hilahatra ho anisan’ireo izay nambaran’Andriamanitra mialoha fa hanao tsirambina io fandaharana mahatalanjona ho amin’ny famonjena io. — Asan’ny Apostoly 13:30-41.
12. Inona no vokatry ny lahatenin’i Paoly, ary amin’ny ahoana izany no tokony hampahery antsika?
12 Izany ka lahateny tsara lahatra niorina tamin’ny Soratra Masina! Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpihaino? “Maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy”. (Asan’ny Apostoly 13:43). Fampaherezana ho antsika amin’izao andro izao tokoa izany! Enga anie isika hanao izay farany azontsika atao mba hampisehoana ny fahamarinana amin’ny fomba mandaitra, na eo amin’ny fanompoana ampahibemaso ataontsika izany, na eo amin’ny valinteny na lahatenintsika ao amin’ny fivorian’ny kongregasiona. — 1 Timoty 4:13-16.
13. Nahoana ireo misionera no voatery nandao an’i Antiokia any Pisidia, ary fanontaniana inona avy no mipoitra mahakasika ireo mpianatra vaovao?
13 Tsy afaka nitana io vaovao tsara io ho an’ny tenany ireo olona vao liana tao Antiokia, any Pisidia. Vokatr’izany, “tamin’ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’Andriamanitra”. Ary tsy ela dia niely tany ivelan’ny tanàna ilay hafatra. Raha ny marina, “ny tenin’i [Jehovah, NW ] dia naely eran’izany tany rehetra izany”. (Asan’ny Apostoly 13:44, 49). Tsy nandray tsara izany zava-nisy izany ireo Jiosy nialona, fa nahavita nandroaka ireo misionera hiala tao amin’ilay tanàna kosa. (Asan’ny Apostoly 13:45, 50). Inona no fiantraikan’izany teo amin’ireo mpianatra vaovao? Moa ve izy ireo nanjary kivy ka niala?
14. Nahoana ireo mpanohitra no tsy afaka namarana ny asa izay natombok’ireo misionera, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
14 Tsia, satria asan’Andriamanitra izy io. Nametraka fototra tsara momba ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo nitsangana tamin’ny maty koa ireo misionera. Miharihary àry fa, ireo mpianatra vaovao dia nihevitra an’i Kristy fa tsy ireo misionera, ho Filohany. Araka izany, dia vakintsika fa “feno fifaliana sy ny Fanahy Masina” izy ireo. (Asan’ny Apostoly 13:52). Fampaherezana toy inona moa izany ho an’ireo misionera sy ireo hafa izay manao mpianatra amin’izao andro izao! Raha manao ny anjarantsika amim-panetren-tena sy amin-jotom-po isika, dia hitahy ny fanompoantsika i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy. — 1 Korintiana 3:9.
Ikonioma, Lystra, ary Derbe
15. Fomba fiasa inona no nampiasain’ireo misionera tany Ikonioma, ary inona no vokany?
15 Nandeha sahabo ho 140 km teo ho eo nianatsimo atsinanana i Paoly sy i Barnabasy, nankany amin’ilay tanàna nanaraka, dia i Ikonioma. Tsy nanakana azy ireo tsy hanaraka ilay fomba fiasany tany Antiokia akory ny tahotra fanenjehana. Ho vokatr’izany, dia hoy ny Baiboly: “Olona betsaka no nino, na Jiosy na jentilisa”. (Asan’ny Apostoly 14:1). Teto indray, ireo Jiosy tsy nanaiky ny vaovao tsara dia nahatonga fanoherana. Niaritra anefa ireo misionera ary nandany fotoana betsaka tao Ikonioma mba hanampiana ireo mpianatra vaovao. Avy eo, rehefa ren’izy ireo fa nadiva hitora-bato azy ireo mpanohitra jiosy, dia nandositra tamim-pahendrena tany amin’ny faritany nanaraka i Paoly sy i Barnabasy, dia tany “Lystra sy Derbe (...) mbamin’ny tany manodidina”. — Asan’ny Apostoly 14:2-6.
16, 17. a) Inona no nitranga tamin’i Paoly tany Lystra? b) Tamin’ny ahoana ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ilay apostoly no nisy fiantraikany teo amin’ny zatovolahy iray tany Lystra?
16 Tamin-kerim-po, dia “nitory ny filazantsara” tany amin’io faritany vaovao, sambany vao niasana io, izy ireo. (Asan’ny Apostoly 14:7). Rehefa nandre izany ireo Jiosy tany Antiokia any Pisidia sy ny tany Ikonioma, dia tonga hatrany Lystra izy ireo ary nandresy lahatra ny vahoaka mba hitora-bato an’i Paoly. Tsy nanam-potoana handosirana i Paoly ka voatora-bato, hany ka nino mafy ireo mpanohitra azy fa maty izy. Nitaritarika azy tany ivelan’ny tanàna izy ireo. — Asan’ny Apostoly 14:19.
17 Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fahorian-tsaina naterak’izany tamin’ireo mpianatra vaovao? Faran’izay nahagaga anefa fa, rehefa nanodidina an’i Paoly izy ireo, dia nitsangana izy! Tsy milaza ny Baiboly raha iray tamin’ireny mpianatra vaovao ireny na tsia, ilay zatovolahy nantsoina hoe Timoty. Azo antoka fa nisy fotoana nanjary nahafantarany ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’i Paoly, ary izany dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny sainy tanora. Nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty: “Fa hianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, (...) ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.” (2 Timoty 3:10, 11). Sahabo ho herintaona na roa taona teo ho eo taorian’ny nitoraham-bato an’i Paoly, dia niverina tany Lystra izy ary nahita fa i Timoty tanora dia Kristiana iray fakan-tahaka, “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma”. (Asan’ny Apostoly 16:1, 2). Koa nifidy azy ho namana mpiara-dia taminy àry i Paoly. Izany dia nanampy an’i Timoty hitombo teo amin’ny toetra ara-panahy, ary rehefa afaka kelikely dia ampy fahaizana izy ka nirahin’i Paoly hitsidika kongregasiona samy hafa. (Filipiana 2:19, 20; 1 Timoty 1:3). Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo mpanompon’Andriamanitra be zotom-po dia hery mitaona mahatalanjona eo amin’ireo tanora, izay ny maro aminy dia nihalehibe ka tonga mpanompon’Andriamanitra sarobidy, sahala amin’i Timoty.
18. a) Inona no nitranga tamin’ireo misionera tany Derbe? b) Nanana fahafahana hanao inona àry izy ireo izao, nefa lalana inona no nofidin’izy ireo?
18 Ny maraina nanaraka ilay fandosirana fahafatesana tany Lystra, dia niainga niaraka tamin’i Barnabasy ho any Derbe i Paoly. Tamin’io indray mitoraka io, dia tsy nisy mpanohitra nanaraka, ary milaza ny Baiboly fa “nahazo mpianatra maro” izy ireo. (Asan’ny Apostoly 14:20, 21). Rehefa avy nanorina kongregasiona iray tany Derbe i Paoly sy i Barnabasy, dia voatery nanao fanapahan-kevitra iray. Nisy lalana vitan’ny Romana tsara nitohy avy teo Derbe hatrany Tarsosy. Avy teo amin’io toerana io, dia kely sisa ny dia hatao mba hahatafaverina any Antiokia any Syria. Mety ho izay no lalana tsy nampananosarotra indrindra mba hiverenana, ary mety ho nieritreritra ireto misionera ireto fa mendrika ny hiala sasatra amin’izay izy izao. Ho fanahafana ny Mpampianatra azy ireo anefa, dia nahatsapa i Paoly sy i Barnabasy fa nisy asa nilaina hatao bebe kokoa. — Marka 6:31-34.
Famitana tsara ny asan’Andriamanitra
19, 20. a) Ahoana no nitahian’i Jehovah ireo misionera noho izy niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia? b) Fianarana inona no omen’izany ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao?
19 Tsy nifidy ny lalana fohy indrindra handehanana hody ireo misionera, fa niverina tamin-kerim-po mba hitsidika indray ireo tanàna izay nahatandindomin-doza ny ainy mihitsy. Moa ve i Jehovah nitahy azy ireo noho ny fiahiana tsy nisy fitiavan-tena nasehony tamin’ireo ondry vaovao? Eny tokoa, satria milaza ny fitantarana fa nahavita “nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana” izy ireo. Nifanentana tamin’izany, dia hoy izy ireo tamin’ireo mpianatra vaovao: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 14:21, 22). Nampahatsiaro azy ireo ny amin’ny fiantsoana azy ireo ho mpiara-mandova ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra ho avy koa i Paoly sy i Barnabasy. Amin’izao andro izao, dia tokony homentsika fampaherezana toy izany koa ireo mpianatra vaovao. Afaka manatanjaka azy ireo isika mba hiaritra ireo fitsapana amin’ny fitanana eo anoloany ilay fahatsinjovana fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tapahin’ilay Fanjakan’Andriamanitra izay notorin’i Paoly sy i Barnabasy.
20 Talohan’ny nandaozany ny tanàna tsirairay, dia nanampy ny kongregasiona teo an-toerana mba ho voalamina kokoa i Paoly sy i Barnabasy. Miharihary fa nampiofana lehilahy ampy fahaizana izy ireo ary nanendry azy mba hitarika. (Asan’ny Apostoly 14:23). Tsy isalasalana fa izany dia nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny fitarana. Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo misionera sy ny hafa, rehefa avy manampy ireo tsy ampy fanandraman-javatra mba handroso mandra-pahafahan’izy ireo miantsoroka andraikitra, dia mifindra toerana indraindray mba hanohy ny asa tsara ataon’izy ireo any an-toeran-kafa ilana izany bebe kokoa.
21, 22. a) Inona no nitranga rehefa avy nahavita ny dia misionerany i Paoly sy i Barnabasy? b) Fanontaniana inona avy no aterak’izany?
21 Rehefa niverina tany Antiokia any Syria ireo misionera tamin’ny farany, dia afaka nahatsapa fahafaham-po lalina izy ireo. Marina tokoa fa ny fitantaran’ny Baiboly dia milaza hoe “novitainy” tsara ny asa izay nankinin’Andriamanitra taminy. (Asan’ny Apostoly 14:26). Mora takatra raha “nampifaly ny rahalahy rehetra” ny fitantarana ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:3). Ahoana anefa ny amin’ny hoavy? Moa ve izy ireo hipetraka ary ho afa-po amin’ny fahombiazana hitany ka tsy hanao na inona na inona intsony? Tsy izany velively. Rehefa avy nitsidika ny fitambara-mpitantana tany Jerosalema mba hahazo fanapahan-kevitra ny amin’ilay ady hevitra momba ny famorana izy roa lahy, dia niainga indray mba hanao dia misionera. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia nandeha tamin’ny lalana samy hafa izy ireo. I Barnabasy naka an’i Jaona Marka ary nandeha tany Kyprosy, ary i Paoly kosa nahita namana vaovao, dia i Silasy, ary namakivaky an’i Syria sy i Kilikia. (Asan’ny Apostoly 15:39-41). Tamin’io dia io no nifidianany an’i Timoty tanora sy ny nitondrany azy hiaraka taminy.
22 Tsy nilaza izay vokatry ny dia faharoa nataon’i Barnabasy ny Baiboly. Fa raha ny amin’i Paoly, izy dia nanohy tany amin’ny faritany vaovao tany Eoropa ary nanorina kongregasiona tany amin’ny tanàna dimy fara fahakeliny — Filipy, Beria, Tesalonika, Korinto ary Efesosy. Inona no fanalahidin’ny fahombiazan’i Paoly? Moa ve ireo fotopoto-pitsipika ireo mandaitra eo amin’ireo manao mpianatra kristiana amin’izao andro izao?
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana i Jesosy no ohatra miavaka indrindra hotahafina?
◻ Tamin’ny lafiny inona i Barnabasy no ohatra?
◻ Inona no ianarantsika avy amin’ilay lahateny nataon’i Paoly tany Antiokia any Pisidia?
◻ Ahoana no namitan’i Paoly sy i Barnabasy tsara ny asa nanendrena azy?
[Sary, pejy 15]
Ny fiaretan’ny apostoly Paoly fanenjehana dia nisy fiantraikany naharitra teo amin’ilay zatovolahy atao hoe Timoty