-
“Faly Be Sady Feno Fanahy Masina”‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
6, 7. a) Iza moa i Sergio Paolo, ary nahoana i Barjesosy no nitady hisakana azy tsy hihaino ny vaovao tsara? b) Inona no nataon’i Saoly mba hanoherana ny nataon’i Barjesosy?
6 Nanjakan’ny fivavahan-diso i Sipra, tamin’ny taonjato voalohany. Hita izany rehefa tonga tao Pafo, any amin’ny morontsiraka andrefan’i Sipra, i Barnabasy sy Saoly. Nihaona tamin’izy ireo ny “lehilahy jiosy antsoina hoe Barjesosy. Mpilalao ody izy io sady mpaminany sandoka, ary niasa ho an’i Sergio Paolo governoram-paritra, izay lehilahy nahira-tsaina.”f Tamin’ny taonjato voalohany, dia maro ny olo-manan-kaja romanina mpankany amin’ny mpilalao ody na mpanandro, rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Nanao izany na dia ny olona “nahira-tsaina” toa an’i Sergio Paolo aza. Nahaliana azy anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary “naniry mafy haheno ny tenin’Andriamanitra” izy. Tsy azoazon’i Barjesosy izany. Niantsoana an’i Barjesosy koa ny hoe Elyma, izay midika hoe “mpilalao ody”, satria izany no asany.—Asa. 13:6-8.
-
-
“Faly Be Sady Feno Fanahy Masina”‘Torio Amin’ny Fomba Feno ny Fanjakan’Andriamanitra’
-
-
f Teo ambany fitondran’ny Antenimieran-doholona Romanina i Sipra, fa governoram-paritra no tena nitondra tao.
-