-
MarkaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Anarana romanina niantsoana an’ilay zanakalahin’i Maria avy any Jerosalema. Jaona no anarany amin’ny teny hebreo, ary ny dikan’izy io dia hoe “Niantra i Jehovah; Tsara Fanahy i Jehovah.” (As 12:12, 25) Zanak’olo-mpiray tam-po i Marka sy Barnabasy. Matetika koa i Marka no niara-dia tamin’i Barnabasy sy tamin’ny misionera kristianina hafa. Nahazo fanahy masina izy mba hanoratra an’ilay Filazantsara mitondra ny anarany. (Kl 4:10) Samy iantsoana azy ny hoe Jaona sy Marka, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Antsoina hoe Jaona, ohatra, izy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:5, 13.
-
-
MarkaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nizara fanampiana tany Jerosalema i Barnabasy sy Saoly (Paoly), ary avy eo “niverina izy roa lahy ka nentiny niaraka taminy i Jaona, ilay atao koa hoe Marka.” Toa mpanampy azy ireo i Marka tamin’izany, angamba nikarakara izay nilain’izy roa lahy tany amin’izay rehetra nalehany. (As 12:25; 13:5) Rehefa tonga tany Perga, any Pamfylia, anefa izy ireo, dia tsy fantatra izay antony fa “nandao azy ireo ... i Jaona [Marka], ka niverina tany Jerosalema.” (As 13:13) Nanomboka ny diany misionera faharoa i Paoly, tatỳ aoriana. Tapa-kevitra ny hitondra an’i Marka i Barnabasy tamin’izay, fa i Paoly kosa “nihevitra fa tsy tokony hoentina i Marka, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy, ka tsy niaraka tamin’izy ireo hanao ilay asa.” “Samy nisafoaka mafy izy roa lahy” ka nisaraka. I Barnabasy nitondra an’i Marka nankany Sipra, fa i Paoly kosa nitondra an’i Silasy namakivaky an’i Syria sy Kilikia.—As 15:36-41.
-
-
PamfyliaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Maromaro ny tanàna lehibe teny amoron-tsiraka na teny akaiky teny, anisan’ireny i Atalia, i Perga teo amoron’ny Reniranon’i Cestrus (Akso), ary Side. Tany ireo jiolahin-tsambo no nivarotra an’ireo zavatra nangalariny, ary tany koa ny tsenan’andevo. Avy tao Pafo, any Sipra, i Paoly sy Barnabasy ary Jaona Marka no nandeha sambo nianavaratrandrefana niampita ranomasina “ka tonga tany Perga any Pamfylia.” Tsy voalaza raha nijanona tao Atalia izy ireo ary nandeha an-tanety kilaometatra vitsivitsy nankany Perga, na tonga dia nandeha sambo hatrany Perga. Voalaza fa azon’ny sambo nandehanana taloha ny Reniranon’i Cestrus, hatrany Perga. Tao Perga i Jaona Marka no nandao an’i Paoly sy Barnabasy, ka niverina tany Jerosalema. I Paoly sy Barnabasy kosa nanohy ny diany nianavaratra, namakivaky an’ireo tendrombohitra mba ho any Antiokia any Pisidia (tao amin’ny faritanin’i Galatia). (As 13:13, 14; 15:38; 27:5) Nalaza ratsy ho be jiolahy io lalana io. (Ampit. 2Ko 11:26.) Rehefa niverina ireo Kristianina roa ireo, dia namakivaky an’i Pamfylia ka tonga tany Perga, ary nitory tany. Nankany amin’ny seranan’i Atalia izy ireo avy eo, ary nandray sambo nankany Antiokia any Syria.—As 14:24-26.
-