FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA
Zava-dehibe tamin’ireo olona fahiny ny fanitrihana fatin’olona. I Abrahama no resahina voalohany ao amin’ny Baiboly hoe nandevina. Vonona handoa vola be izy mba hahazoana toeram-pandevenana tsara. (Jereo FIVIDIANANA.) “Tsara” ilay lava-bato izay toeram-pandevenan’ny Hetita (taranak’i Heta) novidin’i Abrahama. (Ge 23:3-20) Lasa fasam-pianakaviana ilay izy, satria tao no nalevina ny vadiny. Nalevina tao koa izy, Isaka, Rebeka, Lea, ary Jakoba. (Ge 25:9; 49:29-32) Naniry mafy ny halevina tany amin’ny fasan-drazany, fa tsy tany Ejipta, i Jakoba. (Ge 47:29-31) Nafana be anefa teny an-dalana avy tany Ejipta nankany amin’ilay lava-bato tao Makpela. Tsy maintsy nokarakaraina àry ny fatiny mba tsy ho simba. (Ge 50:1-3, 13) Tsy naniry ny halevina tany Ejipta koa i Josefa. Nokarakaraina àry ny fatiny, ary natao tao anaty vatam-paty mandra-pialan’ny Israelita tany Ejipta. (Ge 50:24-26; Js 24:32) Samy nino ny fampanantenan’Andriamanitra mantsy izy mianaka, ary natoky hoe ho tanteraka izy ireny.—He 11:13-22, 39.
Toa nanana fasan-drazana ny Israelita, toa an’i Abrahama ihany. (2Sa 19:34-37) Nalevina tao amin’ny “fasan-drainy” avy i Gideona, Samsona, ary Asahela. (Mpts 8:32; 16:31; 2Sa 2:32) Nisy indray ‘nodimandry na nalevina tany amin’ny razany’, saingy tsy nalevina tao amin’ny fasan-drazany. (Ge 15:15; De 31:16; 32:50; 1Mp 2:10; As 13:36) Midika kosa izany hoe nankany amin’ny Sheôl (Haides) izy. Fasana misy ny maty rehetra ny Sheôl, izay antsoina koa hoe “trano hihaonan’ny velona rehetra.”—Jb 30:23.
Naneho hatsaram-panahy feno fitiavana ireo nandevina fatin’olona. Nanao vivery ny ainy, ohatra, ireo lehilahy tany Jabesi-gileada mba handevina an’i Saoly sy ireo zanany lahy. (1Sa 31:11-13; 2Sa 2:4-6) Zava-doza kosa ny hoe tsy nalevina. (Je 14:16) Nilaza Andriamanitra fa tsy halevina ny fatin’ireo olona tsy nankasitrahany satria nanao ratsy izy ireo. (Je 8:1, 2; 9:22; 25:32, 33; Is 14:19, 20; ampit. Ap 11:7-9.) Navela ho sakafon’ny biby sy ny vorona mpihinana fatim-biby àry ny fatin’izy ireo. (Sl 79:1-3; Je 16:4) Tena ratsy izany hoe tsy nalevina izany matoa i Rizpa tsy nety niala teo anilan’ny fatin’ireo zanany lahy, nandritra ny volana maromaro angamba. Nampalahelo ny nahita azy ka nasaina nalevina ihany izy ireo tamin’ny farany.—2Sa 21:9-14.
Na ny fatin’ny mpanao heloka bevava aza nalevina, araka ny Lalàn’i Mosesy. (De 21:23; ampit. Js 8:29.) Nalevina koa i Ahitofela, na dia namono tena aza. (2Sa 17:23) Nandidy ny hamonoana sy handevenana an’i Joaba i Solomona. (1Mp 2:31) Saika handevina an’i Jezebela ratsy fanahy ihany i Jeho satria “zanakavavin’ny mpanjaka” i Jezebela. Tanteraka anefa ny faminanian’i Jehovah hoe “ho zezika eny an-tsaha” ny fatiny.—2Mp 9:10, 34-37; ampit. 2Ta 22:8, 9.
Ny andro nahafatesan’ny olona iray no nandevenan’ny Israelita azy (afa-tsy ny fatin’i Jakoba sy Josefa). Nafana mantsy tany Palestina ka mora simba ny faty. Nalevina adiny telo teo ho eo taorian’ny nahafatesany, ohatra, i Ananiasy izay nandainga. (As 5:5-10) Nolazain’ny Lalàn’i Mosesy koa hoe naloto fito andro izay nikasika fatin’olona. Vokatry ny fahotana sy ny tsy fahalavorariana mantsy ny fahafatesana. Niaro ny Israelita tsy hifindran’ny aretina koa anefa ilay lalàna, ary nanampy azy ireo hadio. Novonoina ho faty izay tsy nidio rehefa avy nikasika fatin’olona. (No 19:11-20; ampit. De 21:22, 23.) Ny taolam-patin’ny mpanompo sampy ihany no nampiasain’i Josia hanazimbazimbana ny alitaran’izy ireo, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony ireo alitara. Nozimbazimbainy koa ny toeram-pandevenan’izy ireo.—2Mp 23:14-16; 2Ta 34:4, 5.
Tsy nankamasinina ny fatin’ny mpanompon’Andriamanitra nalaza, rehefa jerena ny voalazan’ny Baiboly momba ny faty. Tsy nankasitrahan’i Jehovah koa izany. Andriamanitra mihitsy no nandevina an’i Mosesy, ary tsy nolazainy hoe taiza ilay fasana mba tsy hisy hanao fivahiniana masina tany.—De 34:5, 6; ampit. Jd 9.
Niovaova ny toerana nofidina handevenana. Tsy dia nandevina tao anaty tany hoatran’ny fanaon’ny Tandrefana ny Israely sy ny firenena nanodidina azy. Nalevina teo am-pototry ny hazo goavam-be, ohatra, i Debora (ilay nampinono an’i Rebeka). Natao toy izany koa i Saoly Mpanjaka sy ireo zanany lahy tamin’ny voalohany. (Ge 35:8; 1Ta 10:12) Lava-bato voajanahary na nolavahana tao amin’ny harambato vatosokay malemy fahita any Palestina no natao fasana, toy ilay an’i Abrahama. Matetika no natao aloha be ilay fasana. (Ge 50:5; Is 22:16; 2Ta 16:14) Mety ho teo akaikin’ny trano ilay izy, angamba tao an-jaridaina.—1Sa 25:1; 1Mp 2:34; 2Mp 21:18, 25, 26; 2Ta 33:20.
Nahita toeram-pandevenana fampiasa fahiny tany Palestina ireo mpikaroka. Fasana tsotra tao anaty tany ny sasany, fa ny hafa kosa nolavahana tao anaty vatolampy, izay matetika teny amin’ny tehezan-kavoana. Toa tian’ny Israelita ny fasana avo toerana. (Js 24:33; 2Mp 23:16; 2Ta 32:33; Is 22:16) Mety ho nandevenana faty iray monja ilay fasana, ka nolavahana ny teo ambany mba hametrahana an’ilay faty. Mety ho nandevenana faty maromaro koa anefa ny fasana iray, rehefa noloahana ny rindrina mba hasiana lavaka maromaro. Antonona faty iray ny lavaka tsirairay. Notampenana vato nitovy habe taminy avy eo ilay vava lavaka teritery nanatsofohana an’ilay faty. Indraindray koa natao lavalava hoatran’ny talantalana ny lavaka teo amin’ny rindrina aoriana sy teo amin’ny andaniny roa. (Mr 16:5) Na angamba natao roa avy ny lavaka teo amin’ireo andaniny ireo, ka azo nasiana faty maro kokoa tao amin’ilay fasana. Efitra iray ihany ny fasan’ny Jiosy tamin’ny ankapobeny, nefa nisy koa nanana efitra maromaro. Raha napetraka fotsiny teo amin’ilay talantalana ilay faty, dia tsy maintsy nohidiana ilay fasana sao hidiran’ny bibidia. Vatobe no natao varavaram-pasana, ka nisy nasiana savily. Ny hafa kosa vato boribory nakodia, ary nisy nilanja iray taonina na mahery.—Mt 27:60; Mr 16:3, 4.
Tsotsotra ny fasan’ny Jiosy fahiny, tsy hoatran’ny fasan’ny mpanompo sampy be sary hoso-doko sy haingonkaingony. Nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasan’i Rahely i Jakoba. (Ge 35:20) Tsy tsangambato fahatsiarovana anefa ilay izy, fa mety ho vato fampahafantarana fotsiny. (1Sa 10:2) Mety ho toy izany koa ilay “tsangambatom-pasana” resahin’ny 2 Mpanjaka 23:17. Nisy fasana ‘tsy niharihary’, hoy i Jesosy, ‘ka nitsahin’ny olona nefa tsy fantany akory.’ (Lk 11:44) Naloto anefa izay nikasika faty. Nolalorina fotsy àry ny toeram-pandevenana, mba ho hitan’ny mpandalo. (Mt 23:27) Natao indray mandeha isan-taona talohan’ny Paska, hono, izany.—Ny Mishnah, Shekalim 1:1.
Nampandroina (As 9:37) ary nohosorana menaka manitra ny olona iray rehefa maty. Raha azo lazaina hoe fikarakarana faty izany, dia tsy nitovy tamin’ny nataon’ny Ejipsianina fahiny akory. (Ampit. Mr 14:3-8; Jn 12:3, 7.) Nofonosina lamba (mazàna lamba rongony) ilay faty avy eo. (Mt 27:59; Jn 11:44) Mety ho lamba hafa no namonosana ny lohan’ilay faty. (Jn 20:7) Nasiana zava-manitra toy ny miora sy hazo manitra niaraka tamin’ilay lambam-paty. (Jn 19:39, 40) Mety ho natao teo ambony menaka isan-karazany koa ilay faty, toy ny an’i Asa Mpanjaka. Nisy “zava-manitra be dia be nodorana” tamin’izy nalevina.—2Ta 16:14.
Nisy vehivavy nankany amin’ny fasan’i Jesosy ny andro fahatelo, mba hanosotra zavamaniry mani-pofona tamin’ny fatiny. Nalevina maimaika mantsy i Jesosy, ka angamba te hikarakara tsara kokoa ny fatiny izy ireo mba ho elaela ilay izy vao simba.—Mr 16:1; Lk 23:55, 56.
Azo inoana fa filanjana vita tamin’ny tahon-javamaniry voarary no nitondrana an’ilay faty halevina. Mety ho nisy olona maro nanaraka tao aoriana, anisan’izany ny mpitendry zavamaneno nanao hira fisaonana. (Lk 7:12-14; Mt 9:23) Nitomany ny mpandevina, ary mety ho nisy nilaza zavatra kely momba ilay maty rehefa tany am-pasana.—2Sa 3:31-34; 2Ta 35:23-25.
Nanjary nanao fasana maromaro tany ivelan’ny mandan’ny tanàna ny Israelita, rehefa nihamaro ny olona maty. Nalevina tao amin’ny “Tanànan’i Davida” anefa ireo mpanjakan’ny Joda, ary nalevina tao amin’ny renivohi-panjakana tany avaratra ireo mpanjakan’ny Israely. (1Sa 25:1; 1Mp 22:37; 2Ta 9:31; 24:15, 16) Hoy i J. Duncan: “Fanaon’ny Hebreo ny nihady fasana tao anaty vatolampy teny amin’ny tehezan-kavoana akaikin’ny tanànany, na dia nandevina tao an-tanàna ihany aza izy ireo indraindray. Matetika ny fasana ao anaty vatolampy eny amin’ny tehezan-kavoana no amantarana fa nisy tanàna teo amin’ny havoana teny ampitany na teo akaikiny. Raha tsy misy fasana kosa eny, dia porofo izany fa tsy nisy mponina ilay toerana.” (Fikarohana Momba ny Tantara ao Amin’ny Baiboly, 1931, Boky II, p. 186) Feno fasana ny harambato manodidina an’i Jerosalema. (Ampit. Is 22:16.) Toa fasan’ny mahantra ilay “fasam-bahoaka” (“fasan’ny zana-bahoaka”, Kat.) teo amin’ny Lohasahan’i Kidrona. (Je 26:23; 2Mp 23:6) Fasam-bahiny kosa ilay “sahan’ny mpanefy tanimanga.”—Mt 27:7; jereo AKELDAMA.
Nandoro faty ny Babylonianina, Grika, ary Romanina tatỳ aoriana. Nahalana kosa ny Jiosy vao nanao izany. Nodorana ny fatin’i Saoly sy ireo zanany lahy, fa nalevina kosa ny taolan’izy ireo.—1Sa 31:8-13; mariho koa ny Am 6:9, 10.
Tsy mitovy ny dikan’ny hoe kever (‘toeram-pandevenana’; Ge 23:4) sy kevorah (‘fasana’; Ge 35:20) sy ny dikan’ny hoe sheʼôhl, ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy ny fasan’ny olona tsirairay mantsy ny sheʼôhl, fa ny fasana misy ny maty rehetra. Tsy mitovy koa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe tafôs (“fasana”; Mt 27:61), mnema (“fasana”; Mr 15:46), mnemeiôn (“fasana”; Lk 23:55) sy ny hoe haides, izay mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe sheʼôhl.—Jereo FASANA ATAO HO FAHATSIAROVANA; HAIDES; SHEÔL.
Fasan’ny mpanjaka na fasan’i Davida. Hoy i Petera, tamin’ny Pentekosta: ‘Efa maty i Davida sady efa nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.’ (As 2:29) Mbola nisy àry ny fasan’i Davida Mpanjaka tamin’ny taona 33.
Tao amin’ny “Tanànan’i Davida” no nandevenana an’i Davida. (1Mp 2:10) Toa tao foana koa no nandevenana an’ireo mpanjakan’ny Joda tatỳ aoriana. Ny 12 tamin’ireo mpanjaka 20 nifandimby taorian’i Davida no nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida. Tsy izy 12 anefa no nalevina tao amin’ny “fasan’ny mpanjaka.” Tsy nalevina tao, ohatra, i Jorama sy Joasy ary Ahaza. (2Ta 21:16, 20; 24:24, 25; 28:27) Tsy fasana iray nisy efitra maro akory ilay hoe “fasan’ny mpanjaka” tao amin’ny Tanànan’i Davida, fa mety ho toerana iray nisy fasana maromaro nandevenana mpanjaka. Nalevina “tao amin’ny Tanànan’i Davida, tao amin’ilay fasana lehibe efa nolavahany ho an’ny tenany” i Asa Mpanjaka (2Ta 16:14), ary nalevina “teo amin’ny fiakarana mankany amin’ny fasan’ny taranak’i Davida” i Hezekia. (2Ta 32:33) I Ozia Mpanjaka kosa nalevina ‘tany amin’ny razany, saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka fa teo amin’ny saha teo ivelany, satria nilaza ny olona hoe: “Boka izy.”’ Toa nalevina tao anaty tany àry izy, fa tsy tao amin’ny fasana nolavahana tao anaty vatolampy.—2Ta 26:23.
Tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka, fa tao amin’ny “zaridainan’i Oza”, i Manase sy Amona mpanjakan’ny Joda no nalevina. (2Mp 21:18, 23, 26) I Josia (zanak’i Amona) mpanjaka tsy nivadika kosa nalevina tao amin’ny “fasan-drazany.” Mety ho ny fasan’ny mpanjaka tao amin’ny Tanànan’i Davida izy io, na ny fasan’i Manase sy Amona. (2Ta 35:23, 24) Mpanjaka telo no maty tany an-tsesitany: Joahaza (tany Ejipta), Joiakina, ary Zedekia (tany Babylona). (2Mp 23:34; 25:7, 27-30) Nalevina “toy ny fandevina ampondra” kosa i Joiakima, ka ‘natsipy ho main’ny hainandro amin’ny antoandro ary hirotsahan’ny fanala amin’ny alina’ ny fatiny, araka ny faminanian’i Jeremia.—Je 22:18, 19; 36:30.
Nalevina tao amin’ny “Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka” i Joiada Mpisoronabe izay nanao ny marina. Izy irery no tsy mpanjaka nahazo izany voninahitra izany!—2Ta 24:15, 16.
Tsy fantatra hoe taiza marina ny toerana nisy an’ireny fasan’ny mpanjaka ireny. Misy mihevitra hoe mety ho teo amin’ilay havoana eo atsimoatsinanan’i Jerosalema, eo akaikin’ny Lohasahan’i Kidrona, izy ireny, noho ilay firesahana hoe “Fasan’i Davida” (Ne 3:16) sy hoe “fiakarana mankany amin’ny fasan’ny taranak’i Davida.” (2Ta 32:33) Ahitana hoatran’ny fasana maromaro ao anaty vatolampy tokoa eo, ary lavaka mahitsizoro ny fidirana. Simbasimba be anefa izy ireo ka tsy tena azo antoka raha fasan’ny mpanjaka. Rava tamin’ny taona 70 sy tamin’ny taona 135 mantsy ilay tanàna, ary nitrandraka vato teo amin’ny faritra atsimon’ilay tanàna ny Romanina.
Antsoina hoe “Fasan’ireo Mpanjaka” ny fasan’i Hélène Mpanjakavavy avy any Adiabène, eo avaratry ny tanànan’i Jerosalema ankehitriny. Tsy ny fasan’ireo mpanjaka resahin’ny Baiboly anefa izy io, satria tamin’ny taonjato voalohany izy io no natao.
“Ny fatin’ny mpanjakany.” Nomelohin’i Jehovah ny taranak’Israely sy ny mpanjakany, noho izy ireo nandoto ny anarany masina tamin’ny ‘fijangajangany sy tamin’ny fatin’ny mpanjakany.’ Hoy koa Izy: “Aoka hesoriny lavitra ahy ny fijangajangany sy ny fatin’ny mpanjakany, dia honina eo aminy mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.” (Ezk 43:7-9) Misy àry mpivaofy teny mihevitra fa nataon’ny Jiosy teo akaikin’ny tempoly ny fasan’ny mpanjaka sasany. Ahitana hoe “tamin’ny nahafatesany” (TV, f.a.p.) ny andininy faha-7 ao amin’ny sora-tanana sy Baiboly hebreo 20 eo ho eo ary ao amin’ireo Targoma. Ny soratra nataon’ny Masoreta kosa milaza hoe “eny amin’ny toerana avony”, ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe “eo anivon’izy ireo.”
Na marina aza ilay hoe “tamin’ny nahafatesany”, dia toa tsy mitombina ny hoe nisy mpanjakan’ny Joda nalevina teo akaikin’ny tempoly. Maloto mantsy ny fatin’olona, araka ny Lalàna. Fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra àry ny mandevina olona eo akaikin’ny tempoly. Tsy nisy nanazimbazimba toy izany mihitsy anefa ny tempoly masina, rehefa jerena ny tantaran’ireo mpanjaka. Tsy ho nalevina teo akaikin’ny tempoly mihitsy koa ireo mpanjaka tsy mendrika ny halevina tao amin’ny “fasan’ny mpanjaka” na ny “fasan’ny taranak’i Davida.” Toerana tsy dia nihaja na tsy dia nalaza kosa no nandevenana azy ireo.
Miresaka momba ny fanompoan-tsampy ny Ezekiela 43:7-9, rehefa dinihina akaiky. Amin’ny heviny an’ohatra mantsy ilay hoe ‘fijangajangana.’ Teny an’ohatra koa àry ilay hoe “fatin’ny mpanjakany”, ary ilazana an’ireo sampy tsy mahefa na inona na inona notompoin’ny taranak’Israely sy ny mpanjakany. Efa nampitandreman’i Jehovah toy izao ny Israelita raha tsy mankatò: “Hopotehiko ny toerana avo masina eo aminareo, horavako ny fandoroana emboka manitra, ary ny fatinareo kosa hataoko eny ambonin’ny fatin’ny sampinareo maharikoriko.” (Le 26:30; ampit. Je 16:18; Ezk 6:4-6.) Nisy nampiditra sampy tokoa tao amin’ny tempoly. (Ezk 8:5-17) Nisy tamin’ireny andriamanitra sampy ireny koa nantsoina hoe mpanjaka, ary misy teny midika hoe “mpanjaka” ny anaran’i Moleka (1Mp 11:7), Milkoma (1Mp 11:5), ary Malkama (Je 49:1). Hoy i Amosa (5:26) mpaminany momba ny andriamanitra sampy notompoin’ilay fanjakana tany avaratra: “Hoentinareo i Sikota mpanjakanareo sy Kiona, izay samy sarin’ilay kintana andriamanitra namboarinareo ho anareo.” Toa fanamelohana ny fanompoan-tsampy àry no resahin’ny Ezekiela, fa tsy fandevenana mpanjaka teo akaikin’ny tempoly masina ho fanazimbazimbana azy io.