-
Fivoaran’ny Rafitry ny FandaminanaVavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
-
-
Noresahina manokana ny Asan’ny Apostoly 14:23, rehefa navoaka Ny Zavaboary Vaovao (1904, anisan’ireo boky Fiandohan’ny Arivo Taona), izay niresaka tsipirian’ny andraikitry ny anti-panahy sy ny fomba tokony hifidianana azy. Notononina tao ny fizahan-teny navoakan’i James Strong sy Robert Young, mba hanaporofoana fa tokony hadika hoe “nifidy azy ho anti-panahy tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana izy ireo”, ilay hoe “nanokana azy ho anti-panahy izy ireo” (Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques).d Milaza mihitsy ny fandikan-teny sasany hoe ‘notendrena tamin’ny fifidianana’ ny anti-panahy. (Fandikana Ara-bakiteny ny Baiboly Masina, anglisy, nataon’i Young; Ny Baiboly Manamafy Hevitra, anglisy, nataon’i Rotherham) Iza anefa no tokony hanao ilay fifidianana?
-
-
Fivoaran’ny Rafitry ny FandaminanaVavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
-
-
d Ilay teny grika (khei·ro·to·neʹo) ampiasain’ny Baiboly dia midika ara-bakiteny hoe “manatsotra, manenjana, na manangana ny tanana”, ary raha itarina dia mety hidika hoe “mifidy olona hiandraikitra, amin’ny alalan’ny tsangan-tanana.”—Diksionera Grika Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao, nataon’i John Parkhurst, 1845, p. 673.
-