Miorina mafy ao amin’ny finoana ny vahoakan’i Jehovah
“Nihanahery [niorina mafy tao amin’ny, MN ] finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.” — ASAN’NY APOSTOLY 16:5.
1. Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’Andriamanitra ny apostoly Paoly?
NAMPIASA an’i Saoly avy any Tarsosy ho toy ny “fanaka voafidy” i Jehovah Andriamanitra. Tamin’ny naha-apostoly Paoly azy, dia ‘niaritra zavatra betsaka izy.’ Kanefa noho ny asany sy ny an’ireo hafa, dia nahita firaisan-tsaina sy fitomboana mahatalanjona ny fandaminan’i Jehovah. — Asan’ny apostoly 9:15, 16.
2. Nahoana no hahasoa antsika ny fandinihana ny Asan’ny apostoly 13:1 ka hatramin’ny 16:5?
2 Nihanitombo hatrany ny isan’ireo jentilisa tonga kristiana, ary nisy fivoriana lehibe nataon’ny kolejy foibe mba hisian’ny firaisan-tsaina teo anivon’ny vahoakan’i Jehovah ary mba hiorenan’izy ireo mafy ao amin’ny finoana. Hahasoa antsika be dia be ny fandinihantsika ireo zava-nitranga ireo sy ny hafa koa izay voarakitra ao amin’ny Asan’ny apostoly 13:1 ka hatramin’ny 16:5, satria ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny dia mahita fitomboana sy fitahiana ara-panahy toy izany. (Isaia 60:22). (Ao amin’ny fianaranareo manokana ireo lahatsoratra momba ny Asan’ny Apostoly ato amin’ity nomerao ity, dia manoro hevitra anareo izahay mba hamaky ireo andinin-teny avy ao amin’io boky io izay nosoratana amin’ny sora-matevina).
Manomboka asa ireo misionera
3. Asa inona no notanterahin’ireo “mpaminany sy mpampianatra” tany Antiokia?
3 Nanampy ireo mpino mba hiorina mafy ao amin’ny finoana ireo lehilahy nirahin’ny kongregasionan’i Antiokia, any Syria. (13:1-5). Tao Antiokia, dia nisy “mpaminany sy mpampianatra”, dia ry Barnabasy, Simeona (Nigera), Losio Kyreniana, Menahena ary Saoly avy tany Tarsosy. Nanazava ny Tenin’Andriamanitra sy nanambara mialoha ireo zavatra hitranga ireo mpaminany, ary ireo mpampianatra kosa dia nanome toromarika momba ny Soratra masina ary momba ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra. (1 Korintiana 13:8; 14:4). Notendrena hanao asa manokana ry Barnabasy sy Saoly. Nitondra an’i Marka, zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Barnabasy, izy ireo ka nankany Kyprosy. (Kolosiana 4:10). Nitory tao amin’ireo synagoga tao amin’ny seranan’i Salamisy tany atsinanana izy ireo, kanefa tsy misy fitantarana milaza fa nandray tsara ny hafatra nentiny ny Jiosy. Koa satria nambinina teo amin’ny ara-nofo ireo Jiosy, inona no nilàny ny Mesia?
4. Inona no nitranga raha nanohy nitory tany Kyprosy ireo misionera?
4 Notahin’i Jehovah ny asa fanambarana natao tany amin’ny toerana hafa tao Kyprosy. (13:6-12, MN ). Tao Pafo, dia nifankahita tamin’ilay mpanao ody sady mpaminany sandoka jiosy natao hoe Barjesosy (Elyma) ireo misionera. Rehefa nitady hanakana an’i Sergio Paolo governora tsy hihaino ny Tenin’Andriamanitra izy io, dia feno ny fanahy masina i Saoly ka niteny hoe: ‘Ialahy feno fitaka sy hafetsena, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra ny hamily ny lalamahitsin’i Jehovah va ialahy?’ Tamin’izay, dia nofaizin’ny tanan’Andriamanitra i Elyma ka tonga jamba kelikely, ary i Sergio Paolo dia “tonga mpino fa talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah.”
5, 6. a) Rehefa niteny tao amin’ny synagoga tany Antiokia, tany Pisidia, i Paoly, dia inona no nolazainy momba an’i Jesosy? b) Inona no vokatry ny lahateny nataon’i Paoly?
5 Avy teo Kyprosy, io antokon’olona io dia niondrana an-tsambo nankany Perga, tany Azia Minora. Avy eo ry Paoly sy Barnabasy dia nianavaratra namakivaky tendrombohitra, ary azo inoana fa ‘nahita loza tamin’ny ony sy ny jiolahy’ tamin’izany, hatrany Antiokia, tany Pisidia. (2 Korintiana 11:25, 26). Tao i Paoly dia niteny tao amin’ny synagoga. (13:13-41). Nandinika indray izay nataon’Andriamanitra tamin’ny Isiraely izy ary nampahafantatra an’i Jesosy, ilay taranak’i Davida, ho ilay Mpamonjy. Na dia nitaky ny hahafatesan’i Jesosy aza ireo mpanapaka jiosy, dia tanteraka ilay fampanantenana natao tamin’ny razamben’izy ireo, rehefa nanangana azy tamin’ny maty Andriamanitra. (Salamo 2:7; 16:10; Isaia 55:3). Nampitandrina ireo mpihaino azy i Paoly mba tsy hanamavo ny fanomezan’Andriamanitra famonjena amin’ny alalan’i Kristy. — Habakoka 1:5, Septante.
6 Nanaitra fahalianana ny lahatenin’i Paoly, toy ireo lahateny ampahibemaso ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. (13:42-52, MN ). Ny Sabata nanaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’i Jehovah, ka izany dia nahafeno fialonana ny Jiosy. Hevero ange: tao anatin’ny herinandro iray monja, ireo misionera ireo dia toa afaka nampiova finoana jentilisa betsaka kokoa noho ireo Jiosy ireo nandritra ny fiainany manontolo! Koa satria nanohitra an’i Paoly ireo Jiosy sady niteny ratsy an’Andriamanitra, dia tonga ny fotoana hampahiratana ny fanazavana ara-panahy any an-toeran-kafa, ka izao no nambara taminy: ‘Koa satria lavinareo ny tenin’Andriamanitra, ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay ianareo, dia mitodika mankany amin’ny jentilisa izahay.’ — Isaia 49:6.
7. Nanao ahoana ny fihetsiky ry Paoly sy Barnabasy teo anoloan’ny fanenjehana?
7 Faly izao ireo Jentilisa, ary izay rehetra nanana toe-po tsara ho an’ny fiainana mandrakizay dia tonga mpino. Raha niely eran’ilay tany anefa ny tenin’i Jehovah, dia nampitaitra ny vehivavy nanan-kaja (azo inoana fa mba hanery ny vadin’izy ireo na ny hafa) sy ny lehibe tao an-tanàna, mba hanenjika an’i Paoly sy Barnabasy ka handroaka azy hiala tamin’ny taniny. Tsy nampijanona an’ireo misionera anefa izany. “Nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga ireo” fotsiny izy ireo ary nankany Ikonioma (Konya ankehitriny), tanàna lehibe iray tao amin’ny provansa roman’i Galatia. (Lioka 9:5; 10:11). Ary ahoana ny amin’ireo mpianatra navelan’izy ireo tany Antiokia tany Pisidia? Koa satria nampiorenina mafy tao amin’ny finoana izy ireo, dia “feno fifaliana sy ny fanahy masina hatrany”. Izany dia mampiseho amintsika fa tsy voatery hanakantsakana ny fandrosoana ara-panahy akory ny fanoherana.
Miorina mafy ao amin’ny finoana na dia eo aza ny fanenjehana
8. Inona no nitranga ho vokatry ny fahombiazan’ny fanambarana natao tany Ikonioma?
8 Ny tenan-dry Paoly sy Barnabasy koa dia niseho ho niorina mafy tao amin’ny finoana na dia teo aza ny fanenjehana. (14:1-7, MN ). Ho vokatry ny fanaovany fanambarana tao amin’ny synagogan’i Ikonioma, dia Jiosy sy Grika maro no tonga mpino. Rehefa nanosika ny jentilisa hanohitra ireo mpino vaovao ny Jiosy izay tsy nino, ireo mpiasa tsy nety reraka roa lahy dia niteny tamim-pahasahiana noho ny fahefan’Andriamanitra, ary nasehony ny fankasitrahany azy ireo tamin’ny fanomezana azy hery mba hanao famantarana. Izany dia nampisaraka ny vahoaka nitabataba, ka ny sasany niandany tamin’ireo Jiosy fa ny hafa kosa tamin’ireo apostoly (ireo nirahina). Tsy kanosa akory ireo apostoly, kanefa nony reny fa nisy fiokoana mba hitora-bato azy, dia lasa tamim-pahendrena izy ireo mba handeha hitory tany Lykaonia, faritany iray tany Azia Minora, tany atsimon’i Galatia. Amin’ny fisehoana ho malina, isika koa dia afaka manohy miasa hatrany amin’ny fanompoana na dia eo aza ny fanoherana. — Matio 10:23.
9, 10. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny mponina tao Lystra taorian’ny fanasitranana ilay lehilahy nalemy tongotra? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ry Paoly sy Barnabasy tany Lystra?
9 Ny tanànan’i Lykaonia tany Lystra no nahazo fanambarana nanaraka izay. (14:8-18, MN ). Tao i Paoly dia nanasitrana lehilahy iray izay nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. Tsy takatry ny vahoaka fa i Jehovah no tompon’andraikitra tamin’io fahagagana io, ka nikiakiaka izy ireo hoe: “Efa nidina nankatỳ amintsika ny andriamanitra maka ny endrik’olona!” Koa satria tamin’ny fiteny tao Lykaonia no nitenenany izany, dia tsy fantatry ry Barnabasy sy Paoly izay zavatra nitranga. Noho i Paoly nitarika ny teny nalahatra, dia nataon’ny olona ho i Hermesy (ilay mpitondra hafatra mahay miteny teo amin’ireo andriamanitra) izy, ary noheveriny ho i Zeosy, ny lehibe indrindra teo amin’ny andriamanitry ny Grika, i Barnabasy.
10 Nitondra ombilahy sy voninkazo natao fihaingoana mihitsy aza ny mpisoron’i Zeosy mba hanao fanatitra ho an-dry Paoly sy Barnabasy. Angamba niteny grika, izay fiteny nahazatra tamin’izay, na nampiasa mpandika teny ireo mpitsidika mba hanazavana haingana fa olombelona nanana fahalemena ihany koa izy ireo, ary nitory ny vaovao tsara mba hialan’ny olona tamin’ireny “zava-poana” (andriamanitra tsy manana aina, na sampy) ireny hanatona an’Andriamanitra velona. (1 Mpanjaka 16:13; Salamo 115:3-9; 146:6). Eny, tany aloha dia navelan’Andriamanitra handeha tamin’ny lalana tiany haleha ireo firenena (fa tsy ireo Hebreo), kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona ny amin’ny fisiany sy ny hatsaram-pony izy fa ‘nampilatsaka ny ranonorana ho azy sady nanome taon-jina ka nahavoky ny fony tamin’ny hanina sy ny fifaliana.’ (Salamo 147:8.) Na dia nanao izany fanjohian-kevitra izany aza ry Barnabasy sy Paoly, dia mbola saiky tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra ho azy ihany. Kanefa ireo misionera ireo dia tsy nanaiky ny hotolorana fankalazana toy ny amin’andriamanitra, sady tsy nampiasa izany fahefana izany izy mba hanorenana ny kristianisma tao amin’io toerana io. Ohatra tsara dia tsara ho antsika izany, indrindra fa raha mirona ny haniry mafy teny fandokafana noho izay avelan’i Jehovah hotanterahintsika amin’ny fanompoany isika!
11. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fitenenana hoe: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra”?
11 Nirongatra tampoka indray ny fanenjehana. (14:19-28, MN ). Tamin’ny fomba ahoana? Voataonan’ireo Jiosy avy tany Antiokia, tany Pisidia, sy Ikonioma, ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly ary nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria noheveriny fa efa maty izy. (2 Korintiana 11:24, 25). Kanefa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ary niditra tao Lystra tsy nisy nahita, angamba noho ny haizina. Ny ampitson’iny, izy sy Barnabasy dia nankany Derbe, izay nisy olona maro tonga mpianatra. Rehefa nitsidika an’i Lystra, sy Ikonioma ary Antiokia indray ireo misionera dia nampahery ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, ary niteny hoe: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Amin’ny maha-kristiana antsika, dia manampo ny iharan’ny fahoriana koa isika ary tsy tokony hitady ny handositra izany amin’ny fampandeferana ny finoantsika. (2 Timoty 3:12). Tamin’io fotoana io no nanendrena loholona tao amin’ireo kongregasiona izay nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Galatiana.
12. Nony vita ny dia misioneran’i Paoly voalohany, dia inona no nataon’ireo misionera roa lahy?
12 Rehefa namaky an’i Pisidia ry Paoly sy Barnabasy, dia nitory ny teny tany Perga, tanàna nalaza iray tany Pamfylia. Tatỳ aoriana, dia niverina tany Antiokia, tany Syria, izy ireo. Vita teo àry ny dian’i Paoly voalohany, ary nampahafantarin’ireo misionera roa lahy ny kongregasiona “izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an’ny jentilisa.” Niara-nitoetra tamin’ireo mpianatra tao Antiokia nandritra ny fotoana elaela izy ireo, ary tsy isalasalana fa izany dia nandray anjara betsaka tamin’ny fampiorenana mafy azy ireo tao amin’ny finoana. Ny fitsidihana ataon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’izao andro izao dia mitondra vokatra ara-panahy mitovy amin’izany.
Nahazo valiny ny fanontaniana lehibe iray
13. Raha toa ny kristianisma ka tsy tokony hisaraka ho tapany hebreo sy tapany tsy jiosy, dia inona no nilaina?
13 Nitaky firaisan-tsaina ny fiorenana mafy tao amin’ny finoana. (1 Korintiana 1:10). Raha toa ny kristianisma ka tsy tokony hisaraka ho tapany hebreo sy tapany tsy jiosy, ny kolejy foibe dia nila ny nanapa-kevitra raha voatery hanaraka ny Lalàn’i Mosesy sy hoforana ireo jentilisa maro nirohotra tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra, na tsia. Efa nisy olona avy tany Jodia sahady tonga tao Antiokia, tany Syria, nanomboka nampianatra ireo mpino jentilisa tao fa, raha tsy noforana izy ireo dia tsy azo novonjena. (Eksodosy 12:48). Noho izany àry dia nirahina ho any amin’ny apostoly sy ny loholona tany Jerosalema ry Paoly sy Barnabasy ary ny hafa koa. Na dia tany aza, ireo mpino izay Fariseo mpanaraka lalàna teo aloha dia nanantitrantitra fa tsy maintsy noforana sy nanaraka ny Lalàna ireo jentilisa.
14. a) Na dia nisy ady hevitra aza nandritra ilay fiaraha-mandinika tany Jerosalema, ohatra tsara inona no naorina tamin’izay? b) Inona no votoatin’ilay fanjohian-kevitra nataon’i Petera tamin’io tarehin-javatra io?
14 Nisy fiaraha-mandinika natao mba hanamarinana ny sitrapon’Andriamanitra. (15:6-11, MN ). Marina fa nisy ady hevitra be ihany, nefa tsy nisy fifandirana raha nilaza ny heviny ireo lehilahy samy nitana mafy ny heviny ireo — ohatra tsara dia tsara ho an’ny loholona amin’izao andro izao izany! Hoy i Petera avy eo: ‘Andriamanitra dia nifidy fa amin’ny vavako no handrenesan’ny jentilisa [toa an’i Kornelio] ny vaovao tsara ka hinoany. Andriamanitra dia vavolombelony tamin’ny nanomezany azy ny fanahy masina, fa tsy nataony misy hafa isika sy izy. [Asan’ny apostoly 10:44-47]. Koa nahoana àry ianareo no maka fanahy an’Andriamanitra ka mametraka amin’ny vozon’ny mpianatra zioga [fanerena hanaraka ny Lalàna] izay tsy zakan’ny razantsika na isika entina? Mino isika [Jiosy araka ny nofo] fa ny hatsaram-pon’i Jesosy Tompo ho an’izay tsy mendrika akory no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.’ Ny naneken’Andriamanitra ireo jentilisa tsy voafora dia nampiseho fa tsy takina mba hahazoana famonjena ny famorana sy ny fanarahana ny Lalàna. — Galatiana 5:1.
15. Hevitra fototra inona avy no nasehon’i Jakoba, ary inona no nanoroany hevitra hoe hosoratana ho an’ireo kristiana jentilisa?
15 Nangina ny rehetra rehefa avy namarana ny teniny i Petera, nefa mbola nisy zavatra hafa tsy maintsy nolazaina. (15:12-21, MN ). I Barnabasy sy i Paoly dia niresaka ny amin’ireo famantarana nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny jentilisa. Avy eo i Jakoba, rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, izay mpitari-draharaha tamin’io, dia niteny hoe: ‘Simeona [anaran’i Petera amin’ny teny hebreo] efa nanambara fa nampitodika ny sainy tany amin’ny jentilisa Andriamanitra hanalany aminy olona ho an’ny anarany.’ Nambaran’i Jakoba fa ny fanamboarana indray ny “trano-lain’i Davida” (ny fanorenana indray ny tarana-mpanjakan’i Davida) nambara mialoha dia tanteraka tamin’ny fanangonana ny mpianatr’i Jesosy (ireo mpandova ilay Fanjakana) avy teo amin’ny Jiosy sy jentilisa. (Amosa 9:11, 12, Septante; Romana 8:17). Koa satria izany no fikasan’Andriamanitra, dia tokony heken’ny mpianatra. Nanoro hevitra i Jakoba mba hanoratra ho an’ny kristiana jentilisa mba hifadiany 1) ny hena fahavetavetana aterina amin’ny sampy, 2) ny fijangajangana ary 3) ny ra sy ny zavatra kendaina. Ireo fandrarana ireo dia hita ao amin’ireo soratr’i Mosesy izay novakina tao amin’ireo synagoga isan-tsabata. — Genesisy 9:3, 4; 12:15-17; 35:2, 4.
16. Inona ireo hevitra telo nanomezan’ny taratasin’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany fitarihana ho an’ny kristiana hatramin’izao androntsika izao?
16 Nandefa taratasy ho an’ireo kristiana jentilisa tany Antiokia sy Syria ary Kilikia izao ny kolejy foibe. (15:22-35, MN ). Ny fanahy masina sy ireo nanoratra ilay taratasy dia nitaky ny hifadiana zavatra aterina ho an’ny sampy; ny ra (izay nohanin’ny olona sasany tsy tapaka); zavatra kendaina ka tsy nesorina ny rany (mpanompo sampy maro no nihevitra ny hena toy izany ho toy ny hanim-py); ary ny fijangajangana (por·neiʹa, amin’ny teny grika, izay milaza firaisan’ny lahy sy ny vavy tsy ara-dalàna ivelan’ny fanambadiana ara-baiboly). Raha mifady izany izy ireo dia hambinina eo amin’ny ara-panahy, toy ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny satria manaiky ireo “zavatra tsy maintsy hotandremana” ireo izy. Ny teny hoe “Veloma hianareo!” dia nidika ho fanaovam-beloma, ka tsy tokony hotsoahina avy amin’izany fa ireo zavatra notakina ireo dia nifandray voalohany indrindra tamin’ny toromarika ara-pahasalamana. Rehefa avy novakina tany Antiokia ilay taratasy, dia nifaly noho ny fampaherezana azony ny kongregasiona. Tamin’izany fotoana izany, ny vahoakan’Andriamanitra tany Antiokia koa dia niorina mafy tao amin’ny finoana noho ny teny fampaherezana nataon-dry Paoly, Silasy, Barnabasy ary ny hafa. Enga anie isika koa ka hitady fomba hampirisihana sy hampaherezana ireo mpiray finoana amintsika.
Manomboka ny dia misionera faharoa
17. a) Zava-nanahirana inona no nitranga rehefa nokasaina hatao ny dia misionera faharoa? b) Tamin’ny fomba ahoana no nandaminan-dry Paoly sy Barnabasy ny fifandirany?
17 Nisy zava-nanahirana nitranga rehefa nokasaina hatao ny dia misionera faharoa. (15:36-41). Nanolo-kevitra an’i Barnabasy i Paoly mba hiaraka taminy hitsidika indray ireo kongregasiona tany Kyprosy sy Asia Minora. Nanaiky i Barnabasy saingy naniry ny hitondra an’i Marka zanak’olo-mpiray tam-po taminy hiaraka aminy izy. Tsy nanaiky i Paoly satria nandao azy ireo tany Pamfylia i Marka talohan’izay. Tamin’izay, dia “nifanditra mafy izy roa lahy.” Kanefa na i Paoly na i Barnabasy dia tsy nitady fanamarinan-tena manokana tamin’ny fanandramana ny hampiditra loholona hafa na ny kolejy foibe tamin’ny raharahany manokana. Endrey izany ohatra tsara dia tsara!
18. Nitarika ho amin’ny inona ny fisarahan’i Paoly tamin’i Barnabasy, ary amin’ny ahoana no mahasoa antsika io zava-nitranga io?
18 Nampisaraka azy roa lahy ihany anefa io fifandirana io. Nitondra an’i Marka hiaraka aminy ho any Kyprosy i Barnabasy. I Paoly kosa, niaraka tamin’i Silasy namany, dia “nandeha namaky an’i Syria sy Kilikia (...) nampahery ny fiangonana tany.” Nety ho nanan-kery teo amin’i Barnabasy ny fatoram-pihavanana, kanefa tokony ho nanaiky ny naha-apostoly an’i Paoly sy ny nifidianana azy ho “fanaka voafidy” izy. (Asan’ny apostoly 9:15). Ary ahoana ny amintsika? Io zava-nitranga io dia tokony hampahatsiahy antsika ny ilàna hanekena ny fahefana teokratika ary ny hiarahana miasa amin’ny fomba feno amin’ny “mpanompo mahatoky sady malina.” — Matio 24:45-47. MN.
Fandrosoana ao anatin’ny fiadanana
19. Inona no ohatra azon’ny tanora kristiana amin’izao andro izao alaina avy amin’i Timoty?
19 Tsy nanimba ny fiadanan’ny kongregasiona io fifandirana io. Niorina mafy tao amin’ny finoana hatrany ny vahoakan’Andriamanitra. (16:1-5). Ry Paoly sy Silasy dia nankany Derbe ary nanohy hatrany Lystra. Tao no nonenan’i Timoty, zanaky ny vehivavy jiosy mpino iray natao hoe Eonika, sy ny lehilahy grika tsy mpino. Mbola tanora i Timoty tamin’izay, satria na dia 18 na 20 taona tatỳ aoriana aza, dia mbola nilazana toy izao ihany izy: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao.” (1 Timoty 4:12). Koa satria “tsara laza teo amin’ny rahalahy tany Lystra sy Ikonioma [teo amin’ny 29 km teo ho eo avy teo] izy”, dia fantatra tsara noho ny fanompoany tsara dia tsara sy ny toetrany araka an’Andriamanitra. Ny tanora kristiana amin’izao andro izao dia tokony hitady ny fanampian’i Jehovah mba hanorenana laza tsara toy izany. Noforan’i Paoly i Timoty satria ho any amin’ny trano sy ny synagogan’ny Jiosy izay nahafantatra fa jentilisa ny rain’i Timoty, izy ireo, ary tsy tian’ilay apostoly hisy na inona na inona hanakana ny fankanesany any amin’ireo lehilahy sy vehivavy jiosy izay nila ny hianatra momba ny Mesia. Tsy handika fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly akory ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, kanefa hanao izay rehetra azony atao koa mba haneken’ny karazan’olona rehetra ny vaovao tsara. — 1 Korintiana 9:19-23, MN.
20. Vokatra inona no nentin’ny fanekena ny taratasin’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany, ary araka ny hevitrao, tokony hitondra vokatra inona ho antsika izany?
20 Niaraka tamin’i Timoty ry Paoly sy Silasy ary nanolotra hotandreman’ireo mpianatra ireo didy navoaky ny kolejy foibe. Ary inona no vokany? Toa niresaka ny amin’i Syria sy Kilikia ary Galatia i Lioka raha nanoratra hoe: “Nihanahery [niorina mafy tao amin’ny, MN] finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro.” Eny tokoa, ny fanekena ny taratasin’ny kolejy foibe dia nitarika ho amin’ny firaisan-tsaina sy ny fanambinana ara-panahy. Ohatra tsara dia tsara re izany ho an’izao andro sarotra misy antsika izao, izay tsy maintsy hitoeran’ny vahoakan’i Jehovah hiray saina sy hiorina mafy ao amin’ny finoana!
Ahoana no havalinao?
◻ Nanao ahoana ny fihetsiky ry Paoly sy Barnabasy teo anoloan’ny fanenjehana?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ilay fitenenana hoe: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra”?
◻ Torohevitra inona no azontsika avy amin’ireo hevitra telo tao amin’ilay taratasy nalefan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Amin’ny ahoana no iharan’izay nampiorina mafy tao amin’ny finoana ireo vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany amintsika ankehitriny koa?