Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-30 — Amosa
Mpanoratra: Amosa
Toerana Nanoratana: Joda
Vita Tamin’ny: 804 al.f.i. tany ho any
1. Iza moa i Amosa?
TSY mba mpaminany na zanaky ny mpaminany fa mpiandry ondry sady mpioty aviavy — i Amosa izany, fony i Jehovah niantso azy ka naniraka azy mba haminany, tsy ho an’ny Joda, firenen’ny tenany, ihany, fa ho an’ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra indrindra indrindra koa. Iray tamin’ireo mpaminany resahina ao amin’ny 2 Mpanjaka 17:13, 22, 23 izy. Avy tany Tekoa, tany Joda, izy. Izany dia tokony ho 16 kilaometatra tany atsimon’i Jerosalema, ary tokony ho dia an-tongotra iray andro avy teo amin’ny sisin-tany atsimon’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely. — Amosa 1:1; 7:14, 15.
2. Ahoana no azo amantarana ny fotoan’ny faminanian’i Amosa?
2 Ny andininy anokafana ny faminaniany dia manambara fa nandritra ny andron’i Ozia, mpanjakan’ny Joda sy ny an’i Jeroboama II, zanak’i Joasy, mpanjakan’ny Isiraely, no nanombohany ny asany tamin’ny naha-mpaminany azy, roa taona talohan’ny horohoron-tany lehibe dia lehibe iray. Izany dia mametraka ny faminaniany ho tao anatin’ny fe-potoana nisy 26 taona, nanomboka tamin’ny 829 al.f.i. ka hatramin’ny 804 al.f.i. tany ho any, fotoana izay nifanindrian’ny fanjakan’ireo mpanjaka roa ireo. I Zakaria mpaminany dia nanonona fa ilay horohoron-tany nandoza dia tamin’ny andron’i Ozia, tamin’ny fotoana nandosiran’ny olona tamin-tahotra. (Zak. 14:5). Ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Josèphe dia manambara fa nisy horohoron-tany iray tamin’ny fotoana nanandraman’i Ozia hanolotra tamim-pahasahisahian-dratsy ditin-kazo manitra tao amin’ny tempoly. Kanefa, ilay horohoron-tany notononin’i Amosa dia toa nitranga tany aloha kokoa tamin’ny fotoana nanjakan’i Ozia.
3. a) Nahoana no tonga ara-potoana ny hafatr’i Amosa manambara loza? b) Ahoana no nanandratany ny fiandrianan’i Jehovah?
3 Ny anarana hoe Amosa dia midika hoe “Enta-mavesatra” na “Fitondrana Enta-mavesatra”. Na dia nitondra hafatra navesatra momba ny loza ho an’ny Isiraely sy ny Joda (ary koa ho an’ny firenena mpanompo sampy maro) aza izy, dia nitondra hafatra nisy fampiononana nikasika ny famerenana ny olon’i Jehovah tany amin’ny taniny koa. Tena nisy antony nanambarana loza nitambesatra, teo amin’ny Isiraely. Fanambinana sy fiainana tao anatin’ny zava-tsoa ary fanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena no fahita isan’andro. Nanadino ny Lalàn’i Jehovah ilay vahoaka. Ny fanambinany ivelany dia nanajamba azy ireo tsy hahita fa toy ny voankazo masaka loatra ny tenany ka efa nihalo ary hiafara amin’ny fandringanana. Naminany i Amosa fa, rehefa afaka taona vitsivitsy monja, ny fanjakan’ny foko folo dia hoentina ho babo tany ankoatr’i Damaskosy. Tamin’ny fanaovana izany izy dia nanandratra ny fahamarinana sy ny fiandrianan’i Jehovah, izay resahiny in-21 ho toy ny hoe “Jehovah Tompo Manam-piandrianana”. — Amosa 1:8, NW.
4. Ny fahatanterahan’ny faminaniana inona avy no manamarina ny maha-azo itokiana ny Amosa?
4 Ny fahatanterahan’io faminaniana io sy ny hafa koa dia manamarina ny maha-azo itokiana ny Amosa. Nanambara mialoha koa ilay mpaminany fa ireo firenena fahavalo nanodidina ny Isiraely — ny Syriana, ny Filistina, ny Tyriana, ny Edomita, ny Amorita ary ny Moabita — dia samy ho levon’ny afon’ny fandringanana avokoa. Zava-misy teo amin’ny tantara ny hoe samy nirodana tatỳ aoriana ny tsirairay tamin’ireo fiarovana mafin’ireo fahavalo ireo. Ny lalana narahin’ny Joda sy ny Isiraely aza dia vao mainka mendrika hotsinìna satria nandao an’i Jehovah izy ireo mba hanarahana ny fanompoam-pivavahan-diso. Ny fiarovana mafy faran’ny Isiraely, izany hoe ny tanànan’i Samaria nisy manda mafy, rehefa avy nataon’ny tafika asyriana, notarihin’i Salmanesera V, fahirano, dia nianjera tamin’ny taona 740 al.f.i. (2 Mpanj. 17:1-6). Tsy nandray fianarana avy tamin’izay nitranga tamin’ilay firenena rahavaviny ny Joda, ka ringana tamin’ny 607 al.f.i.
5. Ahoana no anamarinan’ny arkeolojia ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Amosa?
5 Nomelohin’i Amosa ny Isiraely noho ny fomba fiainany tao anatin’ny zava-tsoa, noho ireo nanankarena nanambaka ny nahantra mba hanorenana ireo ‘tranony ivory’ (vangin’elefanta), izay nisotroany divay sy nihinanany hanim-py. (Amosa 3:15; 5:11, 12; 6:4-7). Hitan’ireo arkeology ny porofon’izany fanambinana izany. Zavatra vita tamin’ny ivory maro no hita rehefa nohadina ny toerana nisy an’i Samaria. Hoy ny ambaran’ny Encyclopedia of Archaeological Excavations in the Holy Land: “Antokon-javatra lehibe roa no azo avahana: 1. Takelaka misy sokitra mivohitra be, (...) 2. Takelaka misy sokitra mivohitra kely, sady voaravaka vatosoa, fitaratra miloko, takela-bolamena, sns. (...) Ireo ivory dia noheverina ho toy ny vokatry ny zavakanto fenisiana, ary azo inoana fa nampiasaina ho toy ny fandravahana napetaka tamin’ny fanak’ireo mpanjaka isiraelita tao an-dapa. Ny Baiboly dia manonona ilay ‘trano ivory’ nataon’i Ahaba, (1 Mpanj. 22:39), sy ireo ‘fandriana ivory’, izay famantarana ny amin’ilay fiainana tao anatin’ny zava-tsoa narahina tao Samaria, araka ny hita avy amin’ireo teny fananarana nataon’i Amosa (6:4).”a
6. Inona no tena manaporofo tanteraka ny maha-azo itokiana ny Amosa?
6 Tsy misy isalasalana ny maha-anisan’ny kanônan’ny Baiboly ny bokin’i Amosa. Ny tena manaporofo tanteraka ny maha-azo itokiana azy dia ny filazan’i Stefana tamin’ny fomba fiteniny ireo andininy telo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:42, 43, ary koa ny teny nalain’i Jakoba avy tao amin’ilay boky ka hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:15-18. — Amosa 5:25-27; 9:11, 12.
LOHA HEVITRA RAKETIN’NY AMOSA
7. Nampitandrina ny amin’ny didim-pitsaran’i Jehovah ho fanamelohana ny firenena iza avy i Amosa?
7 Didim-pitsarana fanamelohana an’ireo firenena (1:1–2:3). “Jehovah mierona ao Ziona”. (1:2). Nampitandrina ny amin’ireo didim-pitsarany nirehitra tamin’ireo firenena, i Amosa. Nively an’i Gileada tamin’ny kodia vy i Damaskosy (Syria). Nanolotra ireo babo isiraelita ho an’i Edoma i Gaza (Filistia) sy i Tyro. Tsy hita tao Edoma ny fiantrana sy ny fitiavan-drahalahy. Nanafika an’i Gileada i Amona. Nandoro ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma, i Moaba. Ny tanan’i Jehovah dia hamely ireo firenena rehetra ireo, ary hoy izy: “Tsy hampiverina azy io aho”. — 1:3, NW, 6, NW, 8, NW, 9, NW, 11, NW, 13; 2:1, NW.
8. Nahoana no nambara koa ny didim-pitsaran’i Jehovah ho fanamelohana ny Joda sy ny Isiraely?
8 Didim-pitsarana fanamelohana ny Joda sy ny Isiraely (2:4-16). Tsy hampiverina ny fahatezerany amin’ny Joda koa i Jehovah. Nanota izy ireo ‘tamin’ny fanaovana tsinontsinona ny lalàn’i Jehovah’. (2:4). Ary ny Isiraely? Nandringana ireo Amorita nahatahotra, ho azy ireo, i Jehovah ary nanome azy ireo ilay tany tsara. Nanangana Nazirita sy mpaminany teo amin’izy ireo izy, kanefa nataon’izy ireo izay hivadihan’ireo Nazirita tamin’ny voadiny, ary norarany ireo mpaminany hoe: “Aza maminany.” (2:12). Noho izany, dia nampitambesatra ny fanorenan’izy ireo (NW ) toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara, i Jehovah. Ny olo-maherin’izy ireo kosa dia handositra mitanjaka.
9. Inona no manaporofo fa efa niteny i Jehovah, ary mba hanoherana an’iza indrindra indrindra no naminanian’i Amosa?
9 Ny famaliana ny Isiraely (3:1–6:14). Amin’ny fampiasany fanoharana manaitra, i Amosa dia manantitrantitra fa ny fanaovany faminaniana fotsiny dia efa manaporofo fa efa niteny i Jehovah. “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony. (...) Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?” (3:7, 8). Tena naminany manokana momba ireo mpandroba izay mpitia zava-tsoa, nonina tao Samaria, tokoa i Amosa. Hosintonin’i (NW ) Jehovah aminy ireo farafarany faran’izay tsara, ary ho rava ny tranony ivory.
10. Inona no nampahatsiahivin’i Jehovah ny Isiraely, ary andro feno loza inona no tsy maintsy ho avy?
10 Tantarain’i Jehovah ireo famaizana sy fanitsiana nampiharina tamin’ny Isiraely. Indimy izy no nampahatsiahy azy ireo hoe: “Tsy niverina tamiko ihany hianareo”. Noho izany, ry Isiraely, “miomàna hihaona amin’Andriamanitrao”. (4:6-12). Nanao hira fahalahelovana ara-paminaniana iray toy izao i Amosa: “Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; nazera tamin’ny taniny izy, ka tsy misy manangana azy.” (5:2). Kanefa, i Jehovah, ilay Mpanao zava-mahatalanjona any an-danitra sy eto an-tany, dia tsy mitsahatra miantso ny Isiraely mba hitady azy ka ho velona. Eny, “ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona hianareo”. (5:4, 6, 14). Hidika ho inona ho azy ireo anefa ny andron’i Jehovah (NW )? Ho andro feno loza izy io. Toy ny riaka izy io ka handroaka azy ireo ho any amin’ny fahababoana any ankoatran’i Damaskosy, ary ireo trano nisarona ivory nanaovany ny fanasany sy ny fitsilailaizany, dia horavana sy hotresatresahina.
11. Noho ny fahefana inona no nanizingizinan’i Amosa mba haminany ho fanoherana ny Isiraely?
11 Naminany i Amosa na dia teo aza ny fanoherana (7:1-17). Nampiseho pilao iray natsangana teo amin’ny Isiraely, tamin’ilay mpaminaniny i Jehovah. Tsy handefitra aminy intsony mihitsy izy. Handrava ny fitoera-masin’ny Isiraely izy ary hitsangana ka hamely sabatra ny taranak’i Jeroboama II. Naniraka tany amin’i Jeroboama i Amazia, ilay mpisorona tao Betela, ka nanao hoe: “Amosa efa nanao tetika hikomy aminao”. (7:10). Nasain’i Amazia nankany Joda mba hanao ny asa faminaniany tany i Amosa. Nataon’i Amosa mazava tsara hoe iza ilay fahefana naniraka azy, tamin’ny filazana hoe: “Nalain’i Jehovah tany am-piandrasana ondry [aho] ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ny Isiraely oloko.” (7:15). Avy eo i Amosa dia nanambara mialoha fa hisy loza ho an’i Amazia sy ny ankohonany.
12. Mosary inona no nambara mialoha ho an’ny Isiraely, kanefa fampanantenana be voninahitra inona no ifaranan’ilay faminaniana?
12 Fampahoriana sy famaizana ary famerenana amin’ny laoniny (8:1–9:15). Nampiseho harona feno voankazo masaka fahavaratra, tamin’i Amosa i Jehovah. Nanameloka ny fampahorian’ny Isiraely ireo mahantra izy ary nianiana “tamin’ny Reharehan’i [“Fahambonian’i, NW ] Jakoba” fa hitomany izy ireo noho ny asany ratsy ihany. “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (8:7, 11). Ho lavo izy ireo ka tsy hiarina intsony. Na hibosesika ho any amin’ny Sheola (f.a.p.) izy ireo, na hiakatra ho any an-danitra, dia halain’ny tanan’i Jehovah. Ny mpanota rehetra teo amin’ny olony dia ho matin’ny sabatra. Avy eo, dia, indro, fampanantenana be voninahitra iray! “Amin’izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; (...) hataoko tahaka ny taloha izy”. (9:11). Hahita fahombiazana aoka izany ireo babo voangona indray ka hahatratra ny mpijinja ny mpiasa tany, alohan’ny hanangonany ny vokatra tondraka azony. Haharitra ireo fitahiana avy amin’i Jehovah ireo!
MAHASOA — NAHOANA?
13. Ahoana no mety handraisantsika soa amin’izao andro izao, avy amin’ireo fampitandreman’i Amosa?
13 Afaka mandray soa ireo mpamaky ny Baiboly amin’izao andro izao amin’ny fanamarihana ny anton’ireo fampitandremana nambaran’i Amosa tamin’ny Isiraely sy ny Joda ary ny mponina teo akaikiny. Ireo izay mandà ny lalàn’i Jehovah, manambaka sy mampahory ny mahantra, feno faniriana mihoa-pampana sy maloto fitondran-tena, ary manaraka fanompoan-tsampy, dia tsy afaka ny hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. Mamela ny helok’ireo izay miala amin’ireo zavatra ireo ka mibebaka anefa i Jehovah, ary amindrany fo izy ireo. Hendry isika raha misaraka amin’ny fifaneraserana manimba eo amin’itỳ tontolo ratsy itỳ ka manaraka ny fananaran’i Jehovah manao hoe: “Tadiavo aho, dia ho velona hianareo”. — 5:4, 6, 14.
14. Nandray soa avy tamin’ireo fampahatsiahivan’i Amosa ve ireo Jiosy tamin’ny andron’i Stefana?
14 Tamin’ny fotoana nanaovana an’i Stefana ho maritiora, dia nanonona ny Amosa izy. Nampahatsiahy an’ireo Jiosy izy fa ny fanompoan-tsampin’ny Isiraely tamin’andriamani-diso, toa an’i Moloka sy i Refana, no nitarika azy ireo ho amin’ny fahababoana. Moa ve ireo Jiosy ireo nandray soa tamin’ny fihainoana ireo tenin’i Amosa naverina indray ireo? Tsia! Romotra izy ireo ka nitora-bato an’i Stefana mandra-pahafatiny, ary dia nanao ny tenany ho mendrika kokoa ihany ny hiharan-doza tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema, tamin’ny 70 am.f.i. — Amosa 5:25-27; Asa. 7:42, 43.
15. Ny fandinihana ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny inona avy no mahasoa?
15 Mahasoa ny fandinihana ny fahatanterahan’ireo faminaniana maron’i Amosa. Tsy ireo izay tanteraka tamin’ny famaizana ny Isiraely sy ny Joda ary ireo firenena ihany anefa, fa ireo faminaniana ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny koa. Araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Amosa, dia niverina ireo babo tamin’ny Isiraely tamin’ny 537 al.f.i. mba hanangana ny tanànany efa rava ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka sy saha. — Amosa 9:14; Ezra 3:1.
16. Ahoana no nampisehoan’i Jakoba ny fahatanterahana irain’ny Amosa 9:11, 12 teo amin’ny kongregasiona kristiana?
16 Kanefa, nanana fahatanterahana iray be voninahitra sady nampahery ny faminanian’i Amosa, tamin’ny andron’ireo apostoly. Rehefa nandinika ny fanangonana ireo tsy Isiraelita ho ao amin’ny kongregasiona kristiana i Jakoba nahazo tsindrimandry, dia nataony mazava tsara fa izany dia efa nambara mialoha tao amin’ny faminaniana ao amin’ny Amosa 9:11, 12. Nasehony fa ‘ny fananganana ny trano-lain’i Davida izay efa nianjera’ dia nahita fahatanterahana teo amin’ny kongregasiona kristiana, “mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny jentilisa rehetra, izay efa niantsoana ny anarako, hoy Jehovah”. Io tokoa ny porofo araka ny Soratra Masina ny amin’ilay fivoaran-javatra vaovao, araka ny notantarain’i Simona Petera — dia ny hoe Andriamanitra dia naka avy tamin’ireo firenena ‘olona hankalazana ny anarany’. — Asa. 15:13-19.
17. Fanambinana sy faharetana inona, nifandray tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no nambaran’i Amosa mialoha?
17 Any amin’ny toerana hafa, i Jesosy Kristy, ny Lohan’io kongregasiona kristiana io, dia ampahafantarina ho ny “zanak’i Davida” izay mandova “ny seza fiandrianan’i Davida rainy” ary manapaka mandrakizay. (Lioka 1:32, 33; 3:31). Araka izany, ny faminanian’i Amosa dia manondro ny fahatanterahan’ilay fanekena natao tamin’i Davida ho amin’ny fanjakana iray. Ireo teny famaranana ao amin’ny Amosa dia tsy vitan’ny hoe manome fahitana mahatalanjona ny amin’ny fanambinana tondraka amin’ny fotoana hananganana “ny trano-lain’i Davida” fotsiny, fa manipika toy izao koa ny faharetan’ny Fanjakan’Andriamanitra: “Eny, hamboleko ao amin’ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ny taniny izay nomeko azy intsony izy, hoy Jehovah Andriamanitrao.” Ho tondraka fitahiana mandrakizay ny tany rehefa mamerina “ny trano-lain’i Davida” amin’ny laoniny amin’ny fomba feno i Jehovah! — Amosa 9:13-15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a 1978, Jerosalema, pejy 1046.