Nahatonga Fitomboana Tany Antiokia ny Fanenjehana
NANDOSITRA an’i Jerosalema ny maro tamin’ireo mpianatr’i Jesosy rehefa nirehitra ny fanenjehana, taorian’ny nahafatesan’i Stefana ho maritiora. Ny iray tamin’ireo toerana nialokalofan’izy ireo dia i Antiokia, any Syria, eo amin’ny 550 kilaometatra eo ho eo any avaratra. (Asan’ny Apostoly 11:19). Ireo zava-niseho tany taorian’izay, dia nanan-kery teo amin’izay ho fizotran’ny tantara kristianina iray manontolo. Mba hahatakarana izay nitranga, dia hahasoa ny hahafantarana kely momba an’i Antiokia.
Raha ireo tanàna tao amin’ny Empira Romanina no asian-teny, dia tsy nisy nihoatra an’i Antiokia afa-tsy i Roma sy i Aleksandria, raha ny amin’ny habeny sy ny firoboroboany ara-toe-karena ary ny toerana lehibe notanany. Nanerinerina teo amin’ny zorony avaratratsinanan’ny deboka mediteraneanina io renivohitr’i Syria io. I Antiokia (Antakya ankehitriny, any Torkia) dia teo amoron’ny ony Oronte, izay azon’ny sambo naleha. Io ony io dia nampifandray an’i Antiokia tamin’ny seranan-tsambony, dia i Seleokia any Piérie, izay 32 kilaometatra avy tao Antiokia. Nifehy ny iray tamin’ireo lalana nitana toerana lehibe indrindra teo anelanelan’i Roma sy ny Lohasahan’i Tigra-Eofrata izy, raha ny lalana falehan’ny mpivarotra no resahina. Tamin’ny naha foibe ara-barotra azy, dia nanao raharaham-barotra tamin’ilay empira manontolo i Antiokia ary nivezivezy tao ny karazan’olona rehetra, izay nitondra vaovao nahakasika ireo hetsika ara-pivavahana tany amin’ny faritra rehetra tao amin’ny tontolo romanina.
Niroborobo tany Antiokia ny fivavahana sy filozofia grika. “Tamin’ny andron’i Kristy” anefa, hoy ilay mpahay tantara atao hoe Glanville Downey, dia “nanjary zavatra inoana niankina tamin’ny tsirairay ireo fivavahana tranainy sy ireo filozofia, satria nitady samirery izay nahafa-po azy ara-pivavahana ny olona, teo anoloan’ny zava-nanahirana azy sy ny hetahetam-pony.” (A History of Antioch in Syria). Maro no nahita fahafaham-po tamin’ny finoana Andriamanitra tokana sy ny fombafomba ary ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Jodaisma.
Jiosy maro be no nanorim-ponenana tany Antiokia nanomboka tamin’ny nanorenana ilay tanàna tamin’ny taona 300 al.f.i. Notombanana ho niisa 20 000 ka hatramin’ny 60 000 izy ireo, izany hoe mihoatra ny 10 isan-jaton’ny isan’ny mponina. Milaza ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe fa nampirisika ny Jiosy hanorim-ponenana tao amin’ilay tanàna ny tarana-mpanjaka séleucide, tamin’ny nanomezany azy ireo zom-pirenena feno. Tamin’io fotoana io, dia efa nisy tamin’ny teny grika ny Soratra Hebreo. Namoha ny fahalianan’ny olona sasany izany, ka nahatonga azy ireo ho liana tamin’ny hetahetam-pon’ny Jiosy momba ny Mesia. Noho izany, dia maro no lasa proselyta teo amin’ireo Grika. Nahatonga an’i Antiokia ho saha nahavokatra teo amin’ny fanaovana mpianatra kristianina, ireo lafin-javatra rehetra ireo.
Fitoriana tamin’ny jentilisa
Tsy niresaka ny finoany afa-tsy tamin’ny Jiosy ny ankamaroan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy izay nenjehina ka niely avy tany Jerosalema. Tany Antiokia anefa, ny mpianatra sasany avy tany Kyprosy sy Kyrena dia niresaka tamin’ny “jentilisa”. (Asan’ny Apostoly 11:20). Na dia nitohy nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i. aza ny fitoriana tamin’ny Jiosy niteny grika sy ny proselyta, dia toa zava-baovao ny fitoriana tany Antiokia. Tsy ny Jiosy fotsiny no niantefan’izy io. Marina fa efa tonga mpianatra ilay jentilisa atao hoe Kornelio sy ny fianakaviany. Nila fahitana avy tamin’i Jehovah anefa ny apostoly Petera vao resy lahatra fa, nety ny nitory tamin’ny Jentilisa, na olona avy amin’ireo firenena.—Asan’ny Apostoly 10:1-48.
Tao amin’ny tanàna iray nisy Jiosy maro be, izay efa nonina tao hatramin’ny ela, no sady tsy nahitana loatra fifankahalana teo amin’ny Jiosy sy ny Jentilisa, dia nitoriana ny tsy Jiosy ka nandray tsara ny vaovao tsara. Miharihary fa sehatra tena nety ho amin’izany tarehin-javatra izany i Antiokia, ka ‘maro no nino’. (Asan’ny Apostoly 11:21). Ary rehefa nisy tonga Kristianina ireo proselyta izay nanompo andriamanitra sampy taloha, dia tena tsara toerana mba hitory tamin’ny Jentilisa hafa izay mbola nanao izany izy ireo.
Rehefa nandre ny zava-nitranga tany Antiokia ny kongregasiona tany Jerosalema, dia naniraka an’i Barnabasy tany mba hamotopototra. Nampiseho fahendrena sy fitiavana izany safidy izany. Mponin’i Kyprosy, tahaka ny sasany tamin’ireo izay nanomboka nitory tamin’ireo tsy Jiosy, izy. Tsy ho sadaikatra i Barnabasy teo amin’ireo Jentilisa tany Antiokia. Ary izy ireo kosa dia nihevitra an’i Barnabasy ho anisan’ny fiaraha-monina efa nahazatra azy ireo.a Afaka nahatakatra tsara ny asa natao izy. Noho izany, “rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra” ary “maro be ny olona nanampy ho an’ny Tompo”.—Asan’ny Apostoly 11:22-24.
Nanolo-kevitra toy izao i Downey, mpahay tantara: “Azo inoana fa ny antony nahombiazan’ilay fanirahana tany am-boalohany ho any Antiokia, dia mety hoe tsy voatery natahotra an’ireo Jiosy nafana fo tafahoatra tahaka ireo hitany tany Jerosalema ny misionera, tao amin’io tanàna io. Afa-tsy izany koa, dia teo ambanin’ny fitondran’ny komandy miaramila ilay tanàna, izay renivohitr’i Syria, hany ka nisy filaminam-bahoaka kokoa, ary tsy azo inoana loatra ny hisian’ny herisetra avy tamin’ny vahoaka romotra, tahaka izay nitranga tany Jerosalema. Tany Jerosalema, dia toa tsy voasakan’ireo manam-pahefana tany Jodia (tamin’izany fotoana izany, fara faharatsiny) ireo Jiosy nafana fo tafahoatra.”
Tao anatin’ny tarehin-javatra tsara toy izany, sy noho ny zavatra natao be dia be, dia azo inoana fa takatr’i Barnabasy fa nila fanampiana izy, ka nieritreritra an’i Saoly namany izy. Nahoana no i Saoly, na i Paoly? Mazava fa noho i Paoly nahazo fanendrena ho apostolin’ny jentilisa, na dia tsy anisan’ireo apostoly 12 aza ny tenany. (Asan’ny Apostoly 9:15, 27; Romana 1:5; Apokalypsy 21:14). Noho izany, dia tena mpiara-miasa nety tsara i Paoly teo amin’ny fanambarana ny vaovao tsara tany Antiokia, tanàna jentilisa. (Galatiana 1:16). Nankany Tarsosy àry i Barnabasy, nahita an’i Saoly ary nitondra azy hankany Antiokia.—Asan’ny Apostoly 11:25, 26; jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-26 sy 27.
Nantsoina hoe Kristianina noho ny fitondran’Andriamanitra
Nandritra ny herintaona ngarangidina, dia “nampianatra olona maro” i Saoly sy i Barnabasy, “ary tany Antiokia no voalohany [niantsoana ny mpianatra hoe Kristianina noho ny fitondran’Andriamanitra, NW ]”. Sarotra inoana ny hoe ireo Jiosy no niantso voalohany ireo mpanara-dia an’i Jesosy hoe Kristianina (teny grika) na Mesianista (teny hebreo), satria nanda an’i Jesosy tsy ho Mesia na Kristy, izy ireo, ka tsy hanaiky an-kolaka an’i Jesosy ho toy izany, amin’ny fiantsoana an’ireo mpanara-dia azy hoe Kristianina. Mihevitra ny sasany fa ny mpanompo sampy no mety ho nanome azy ireo anaram-bosotra hoe Kristianina mba hanamavoana na hanarabiana. Asehon’ny Baiboly anefa fa nomen’Andriamanitra ilay anarana hoe Kristianina.—Asan’ny Apostoly 11:26, NW.
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ny matoanteny ampiasaina miaraka amin’ilay anarana vaovao, izay mazàna no adika hoe “niantsoana”, dia ampifandraisina foana amin-javatra avy any ivelan’ny tontolon’ny olombelona, na avy amin’ny olona nahazo tsindrimandry, na avy amin’Andriamanitra. Ny manam-pahaizana, ohatra, dia mandika azy io hoe “manambara teny azo tamin’ny tsindrimandry”, “milaza teny avy amin’Andriamanitra”, na “manome didy na fananarana avy amin’Andriamanitra, mampianatra avy any an-danitra”. Koa satria ireo mpanara-dia an’i Jesosy nantsoina hoe Kristianina noho “ny fitondran’Andriamanitra”, dia mety hoe nasain’i Jehovah nanome ilay anarana i Saoly sy i Barnabasy.
Nampiasaina hatrany ilay anarana vaovao. Tsy afaka ny hanana hevi-diso momba ireo mpianatr’i Jesosy intsony ny olona, ka hoe hihevitra azy ireo ho sekta tao amin’ny Jodaisma, izay samy hafa be tamin’izy ireo. Tokony ho tamin’ny taona 58 am.f.i. dia fantatry ny manam-pahefana romanina tsara hoe iza ireo Kristianina. (Asan’ny Apostoly 26:28). Araka ilay mpahay tantara atao hoe Tacite, dia efa fampiasa teo anivon’ny sarambabem-bahoaka tany Roma koa ilay anarana, tany am-piandohan’ny taona 64 am.f.i.
Mampiasa ireo olony mahatoky i Jehovah
Nandroso be ny vaovao tsara tany Antiokia. Nanjary foiben’ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany i Antiokia, noho ny fitahian’i Jehovah sy ny fahatapahan-kevitr’ireo mpanara-dia an’i Jesosy hanohy hitory. Andriamanitra dia nampiasa ilay kongregasiona tany ho toy ny toeram-piaingana mba hanelezana ny vaovao tsara tany an-tany lavitra. I Antiokia, ohatra, no toeram-piaingana isaky ny namaky lay tamin’ny dia misionera nataony ny apostoly Paoly.
Amin’ny andro ankehitriny koa, dia nanamora ny fampielezana ny Kristianisma marina ny zotom-po sy ny fahatapahan-kevitra eo anoloan’ny fanoherana, ka nanampy olona maro handre ny vaovao tsara sy hampiseho fankasitrahana azy io.b Koa raha miatrika fanoherana àry ianao satria manohana ny fanompoam-pivavahana marina, dia tadidio fa manana antony hamelana izany hitranga i Jehovah. Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy maintsy omena fahafahana handre mahakasika ny Fanjakan’Andriamanitra sy hiandany amin’izy io, ny olona ankehitriny. Ny fahatapahan-kevitrao hanohy hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana fotsiny no mety ho hany ilaina mba hanampiana olona ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hita avy eo amin’ny Tendrombohitra Casius, any atsimoandrefan’i Antiokia, ny nosy Kyprosy, rehefa tsy manjavona ny andro.
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1999, pejy faha-9; Mifohaza! 8 May 1999, pejy faha-21, 22; Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1999, pejy faha-250-252.
[Efajoro/Sary, pejy 26. 27]
“Ireo Taona Tsy Niresahana” An’i Saoly
NY FIRESAHANA farany an’i Saoly ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, talohan’ny nifindrany tany Antiokia tamin’ny taona 45 am.f.i. tany ho any, dia fony nandamòka ny tetika natao hamonoana azy tany Jerosalema, ka nalefan’ny mpiray finoana tany Tarsosy izy. (Asan’ny Apostoly 9:28-30; 11:25). Efa sivy taona talohan’ny nifindrany tany Antiokia anefa no nitrangan’izany, dia tamin’ny taona 36 am.f.i. tany ho any. Inona no nataony teo anelanelan’izay, izany hoe nandritra ny fe-potoana iray nantsoina hoe ireo taona tsy niresahana an’i Saoly?
Avy tao Jerosalema i Saoly, dia nankany amin’ny faritr’i Syria sy Kilikia, ary izao no ren’ny kongregasiona tany Jodia: “Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.” (Galatiana 1:21-23). Mety ho niresaka ny asa tany Antiokia niarahana tamin’i Barnabasy io tatitra io, kanefa na dia talohan’izay aza, dia azo antoka fa tsy nipetra-potsiny i Saoly. Efa nisy kongregasiona maromaro tany Syria sy Kilikia, teo am-piandohan’ny taona 49 am.f.i. Nisy iray tany Antiokia, kanefa mihevitra ny sasany fa ireo kongregasiona hafa dia mety ho vokatry ny asan’i Saoly nandritra ireo taona lazaina fa tsy niresahana azy.—Asan’ny Apostoly 11:26; 15:23, 41.
Mihevitra ny manam-pahaizana sasany fa tokony hosokajina ho nitranga tao anatin’io fe-potoana io ihany ireo fisehoan-javatra nanaitra teo amin’ny fiainan’i Saoly. Raha tsy izany, dia ho sarotra ny hamaritra hoe taiza ho aiza teo amin’ny asa misionera nataon’i Paoly no nitrangan’ireo zava-tsarotra maro nozakainy tamin’ny naha “mpanompon’i Kristy” azy. (2 Korintiana 11:23-27). Indimy nokapohin’ny Jiosy in-39 i Saoly, saingy oviana avy izany? Intelo nokapohina tamin’ny hazo izy, saingy taiza avy izany? Taiza no nanaovana azy an-tranomaizina “matetika kokoa”? Tatỳ aoriana izy vao notanana tany Roma. Isika dia manana fitantarana mahakasika ny fotoana iray nikapohana azy sy nampidirana azy an-tranomaizina—tany Filipy. Fa ahoana ny amin’ny hafa? (Asan’ny Apostoly 16:22, 23). Nanolo-kevitra ny mpanoratra iray fa nandritra io fe-potoana io, dia “nitory an’i Kristy tao amin’ireo synagogan’ireo Jiosy tany am-pielezana [i Saoly], ka nahatonga fanenjehana avy tamin’ireo manam-pahefana ara-pivavahana sy sivily”.
Inefatra vaky sambo i Saoly, kanefa tsy manome tsipiriany afa-tsy ny momba ny iray ihany ny Soratra Masina, dia izay nitranga taorian’ny nitanisany ireo zava-tsarotra niainany, rehefa nanoratra ho an’ny Korintianina izy. (Asan’ny Apostoly 27:27-44). Noho izany, dia azo inoana fa nitranga nandritra ny dia izay tsy fantatsika mihitsy, ireo telo hafa. Ny iray tamin’ireo fisehoan-javatra ireo na izy rehetra, dia mety ho nitranga nandritra ireo “taona tsy niresahana” an’i Paoly.
Ny fisehoan-javatra hafa iray izay toa nitranga tao anatin’io fe-potoana io dia voalazalaza ao amin’ny 2 Korintiana 12:2-5. Hoy i Saoly: ‘Mahalala olona anankiray ao amin’i Kristy aho, tokony ho efatra ambin’ny folo taona lasa izay, nakarina ho any amin’ny lanitra fahatelo, ho any Paradisa ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’olona.’ Toa niresaka ny amin’ny tenany i Saoly. Nanoratra azy io tokony ho tamin’ny taona 55 am.f.i. izy. Ny 14 taona talohan’izay àry dia mitondra antsika any amin’ny taona 41 am.f.i., eo antenatenan’ireo “taona tsy niresahana” an’i Paoly.
Tsy isalasalana fa nahatonga an’i Saoly hanana fahatakaran-javatra tsy manam-paharoa io fahitana io. Nahatonga azy ho voaomana ho “Apostolin’ny jentilisa” ve izany? (Romana 11:13). Nanan-kery teo amin’ny fomba fisainany sy ny fomba fanorany ary ny fomba fiteniny ve izy io, tatỳ aoriana? Moa ve ireo taona teo anelanelan’ny niovan’i Saoly finoana sy ny niantsoana azy hankany Antiokia nampiofana sy nahatonga azy ho matotra mba hiantsoroka andraikitra amin’ny hoavy? Na inona na inona valin’ireo fanontaniana ireo, dia afaka mahazo antoka isika fa rehefa nanasa an’i Saoly mba hanampy azy hitarika ny asa fitoriana tany Antiokia i Barnabasy, dia ampy fahaizana tsara mba hanatanteraka ny nanendrena azy i Saoly be zotom-po.—Asan’ny Apostoly 11:19-26.
[Sarintany, pejy 25]
(Jereo ny gazety)
SYRIA
Oronte
Antiokia
Seleokia
KYPROSY
RANOMASINA MEDITERANE
Jerosalema
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 24]
Ambony: Antiokia ankehitriny
Afovoany: Sarin’i Seleokia avy any atsimo
Ambany: Rindrin’ny seranan’i Seleokia