Fanontanian’ny mpamaky
◼ Manaiky ny fampidirana tapany avy amin’ny ra, toy ny “immunoglobuline” na ny albiminina, ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
Ny sasany manaiky, noho ny fiheverana fa tsy mandrara amin’ny fomba mazava ny fanekena fampidirana tapany kely amin’ny ra, na izay mahaforona ny ra, ny Soratra masina.
Tamin’ny voalohany ny Mpamorona dia efa nametraka tamin’ny taranak’olombelona rehetra ny didy mba tsy hihinana ra: “Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo (...). Kanefa ny nofo izay mbola misy aina (dia ny rany) no aza haninareo.” (Genesisy 9:3, 4). Masina ny ra ka tsy azo nampiasaina raha tsy ho an’ny fanatitra ihany. Raha tsy nampiasaina tamin’izany fomba izany izy io, dia tsy maintsy nariana tamin’ny tany. — Levitikosy 17:13, 14; Deoteronomia 12:15, 16.
Izany akory tsy famerana nihelina fotsiny natao ho an’ny Jiosy. Naverina tamin’ny kristiana indray ny ilàna ny hifadiana ny ra. (Asan’ny apostoly 21:25). Nanodidina azy ireo, tao amin’ny empira romana, dia mazàna ny olona no nandika ny lalàn’Andriamanitra, satria nihinana sakafo namboarina tamin’ny ra izy ireo. Nandika izany koa noho ny antony “ara-pitsaboana” izy ireo; nanoratra i Tertullien fa nisy olona nihinana ra tamin’ny fiheverana fa afaka nanasitrana ny androbe izany. ‘Nigoka tamim-pangetahetana feno faniriana mihoa-pampana ny ran’ireo mpanao heloka novonoina teny amin’ny kianja izy ireo.’ Hoy ny nanampiny: “Menara eo anoloan’ny kristiana ianareo noho ny fanaonareo maharikoriko, satria izy ireo dia tsy mba mihinana ram-biby akory amin’ny sakafony.” Ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny dia tapa-kevitra toy izany koa ny tsy handika ny lalàn’Andriamanitra, na dia mahazatra ny hafa toy inona aza ny fihinanana sakafo namboarina tamin’ny ra. Tany amin’ireo taona 1940, dia nanjary fanao niely ny fampidiran-dra, ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahatakatra fa ny fankatoavana an’Andriamanitra dia nitaky ny tsy hanekeny koa ny fampidiran-dra, na dia teren’ny mpitsabo hanao izany aza izy.
Tamin’ny voalohany, dia ny ra manontolo no nampiasaina tamin’ny ankamaroan’ireo fampidiran-dra. Tatỳ aoriana, ireo mpanao fikarohana dia nanomboka nampisaraka ireo tapany fototra mahaforona ny ra, satria hitan’ireo mpitsabo fa mety tsy hilain’ny marary iray ireo tapany rehetra mahaforona ny ra. Raha tapany iray monja no omen’izy ireo azy, dia mety tsy hampidi-doza aminy kokoa izany, ary azon’ireo mpitsabo ampiasaina ho an’ny zavatra hafa ilay ra tavela.
Azo sarahina ho roa ny ran’olombelona: tenan-javatra voaforon’ny sela anti-bolo ary ranoka mavomavo (plasma na serôma). Ny tapany voaforon’ny sela (45 isan-jato) dia voaforon’izay antsoina mazàna hoe ny liomena, ny liofotsy ary ny “plaquettes”. Ny 55 isan-jato ambiny dia voaforon’ny plasma. Ny 90 isan-jaton’izy io dia rano, kanefa misy “protéines”, hôrmônina, sira ary anzima kely koa ao aminy. Ankehitriny, dia betsaka amin’ny ra omena no sarahina ho tapany fototra mahaforona azy. Ny marary iray voan’ny fahatairana tampoka (choc) dia mety hampidirana plasma (plasma mandry vaovao, ohatra). Fa ny marary iray tsy ampy ra dia mety homena liomena marihitra, izany hoe liomena izay notahirizina ary avy eo dia natao tao anaty ranoka iray ary nampidirina taminy. Ampidirina amin’ny marary koa ny “plaquettes” sy ny liofotsy nefa tsy dia matetika loatra.
Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny olona dia mbola tsy nahavita namorona izany teknika mba hampiasana ireo tapany mahaforona ny ra izany. Izao fotsiny no didin’Andriamanitra: ‘Mifadia ny ra’. (Asan’ny apostoly 15:28, 29). Nahoana anefa no hisy hihevitra fa tsy mitovy rehefa ny ra manontolo no ampiasaina na nosarahina ireo tapany samihafa mahaforona azy? Na dia nisotro ra aza ny olona sasany, ireo kristiana dia nanda tsy hanao izany na dia nidika ho fahafatesana ho azy aza izany. Heverinao ve fa ho hafa ny fihetsiny raha naka ra ny olona iray, namela izany hisaraka ary avy eo dia nanolotra azy ireo ny plasma fotsiny na ilay tapany nivaingana fotsiny, angamba tao anaty saosisy natao tamin’ny ra (boudin noir)? Tsy izany velively! Araka izany àry, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaiky fampidiran-dra, na ra manontolo izany na ny tapany fototra mahaforona azy (liomena, liofotsy, “plaquettes”, na plasma) ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena mitovy ihany.
Manipy teny anefa ilay fanontaniana fa ireo mpahay siansa dia mahafantatra ny amin’ireo ampahany manokana amin’ny ra sy ny fomba fampiasa azy ireo. Ny zava-manahirana miseho matetika dia mifandray amin’ny “protéines” ao amin’ny plasma — ny “globulines”, ny albiminina ary ny “fibrinogène”. Ny fitsaboana mampiasa ireo matetika indrindra angamba dia ny fanindronana “immunoglobulines”. Inona no antony anaovana izany?
Ny tenanao dia afaka mamoaka “anticorps” (fiarovana ao amin’ny vatana) mba hiadiana amin’ny aretina sasany, ka manome anao tsy fandairana miasa. Izany no fototry ny fanaovana vaksiny fiarovana (“anatoxine”, ohatra, na poizina avy amin’ny mikrôby novolavolaina mba hampipoitra “anticorps”) amin’ny lefakozatra (pôliômelita), ny donika, ny kitrotro, ny difteria-tetanosy-kohadavareny, ary ny tefoetra. Kanefa, raha vao avy nifanatrika tamin’ny aretina mafy sasany ny olona iray, ireo mpitsabo dia mety hanoro hevitra ny hanindronana azy amin’ny serôma iray (“antitoxine”, ohatra) mba hanomezana azy tsy fandairana tsy miasa eo no ho eo. Tsy ela izay, dia mbola namboarina avy tamin’ny “immunoglobulines” nalaina tamin’olona efa natao vaksiny ireny tsindrona ireny.a Ny tsy fandairana tsy miasa azo avy amin’izany tsindrona izany dia tsy maharitra, satria rehefa ela ny ela dia miala amin’ny tenan’ilay olona ireo “anticorps” natsindrona azy.
Noho ilay didy ny amin’ny tokony ‘hifadiana ny ra’, ny kristiana sasany dia nihevitra fa tsy tokony hanaiky tsindrona “immunoglobuline” (protéine) izy, na dia ampahany kely fotsiny amin’ny ra aza izany. Mazava sady tsotra ny toerana tanany: tsy mandray tapany mahaforona ny ra na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ary na toy inona na toy inona habetsahany.
Ny hafa dia mihevitra fa ny tsindrona serôma iray (“antitoxine”, ohatra), toy ny “immunoglobuline”, izay tsy misy afa-tsy ampahany kely dia kely amin’ny plasman’ny mpanome ra iray ary ampiasaina mba hanohanana ny fiarovany tena amin’ny aretina, dia tsy mitovy amin’ny fampidiran-dra natao mba hampaharitra aina. Mety tsy handrara azy tsy hanaiky “immunoglobulines” na ampahany hafa amin’ny ra àry ny fieritreretany.b Mety hanatsoaka hevitra izy fa ny hany fanapahan-kevitra tokony hataony dia ny hoe vonona ve izy ny hisetra ny loza mety hihatra avy amin’ny tsindrona serôma natao avy tamin’ny ran’olon-kafa.
Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy mifandray amin’ny ain’ilay zaza ao an-kibony ny rafitry ny ran’ny reny bevohoka iray; mazàna dia samy hafa ny karazan-dran’izy mianaka. Tsy manome ny rany ho an’ilay zaza ao an-kibony ilay reny. Ireo foto-javatra (sela) hita ao amin’ny ran’ny reny iray dia tsy miampita ny fefin’ny tavony mba hiditra ao amin’ny ran’ilay zaza ao an-kibony, ary toy izany koa ny plasma. Raha ny marina aza, raha ohatra, noho ny loza iray, ka mifangaro ny ran’ny reny sy ny an’ny zanany ao an-kibony, atỳ aoriana dia mety hisy zava-manahirana ara-pahasalamana hipoitra (toy ny tsy fifanarahana Rh na ABO). Kanefa, misy zavatra sasany avy ao amin’ny plasma miampita mankao amin’ny fandehan’ny ran’ilay zaza ao am-bohoka. Manao izany ve ny “protéines” ao amin’ny plasma, toy ny “immunoglobuline” sy ny albiminina? Eny, ny sasany aminy.
Ny tenan’ny vehivavy bevohoka iray dia manana fomba fiasana miasa izay mamindra ny “immunoglobulines” sasany ao amin’ny rany ho ao amin’ny ran’ilay zaza ao an-kibony. Koa satria mitranga ao amin’ny vehivavy bevohoka rehetra izany fifindran’ny “anti-corps” ho ao amin’ny zaza ao am-bohoka ara-dalàna izany, ireo zaza vao teraka dia tsy andairan’ny aretina sasany amin’ny ambaratonga kely na lehibe.
Toy izany koa ny amin’ny albiminina, izay mety hampiasain’ny mpitsabo ho fitsaboana ny faharerahana tampoka na fahavoazana hafa.c Noporofoin’ireo mpanao fikarohana fa ny albiminina ao amin’ny plasma avy any amin’ny reny iray koa dia miampita ny tavony mankany amin’ilay zaza ao an-kibony, na dia vitsy kokoa aza.
Ny fifindran’ny ampahany amin’ny “protéines” sasany amin’ny fomba ara-dalàna avy amin’ny rafitry ny ran’ny olona iray mankany amin’ny olona hafa iray (ny zaza ao am-bohoka) dia raharaha hafa iray azon’ny kristiana dinihina rehefa hanapa-kevitra izy raha hanaiky “immunoglobulines”, albiminina, na tsindrona ampahany avy amin’ny plasma mitovy amin’izany, na tsia. Ny olona iray dia mety hahatsapa amim-pieritreretana madio fa afaka manao izany izy; ny iray hafa dia mety hanatsoaka hevitra fa tsy azony atao izany. Ny tsirairay avy no hanapa-kevitra ny amin’izany raharaha izany manokana eo anatrehan’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny alalan’ny haitao ampiasaina amin’ny fampikambanana indray ireo “gènes” amin’ny ADN, ireo mpahay siansa dia eo am-panamboarana zavatra mitovy amin’izany tsy atao avy amin’ny ra.
b Ny ohatra iray ny amin’izany dia ny “immunoglobuline anti-Rh”, izay mety hampiasain’ny mpitsabo rehefa misy tsy fifanarahana eo amin’ny ran’ny reny iray sy ny zaza ao an-kibony. Ny ohatra hafa iray dia ny “facteur VIII, izay omena ny hemôfila.
c Ny fanaporofoana dia mampiseho fa ny ranon-javatra tsy natao avy tamin’ny ra ilaina mba hamenoana ny habetsahan’ny ra very (toy ny hetastarch [HES]) dia azo ampiasaina amin’ny fomba mahomby mba hitsaboana ny faharerahana tampoka sy fahavoazana sasany izay samy notsaboina tamin’ny ranon-javatra nisy albiminina teo aloha.