Aza manome fitoerana ho an’ny Devoly!
“Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.” — EFESIANA 4:26, 27.
1. Tamin’ny endriky ny inona no nilazalazan’ny apostoly Petera ny Devoly, nefa inona no toky nomeny an’ireo kristiana?
MISODISODY ny biby dia masiaka iray, mitady remby. Hetsehin’ny hanoanana tsy mety afa-po izy ka mitady handrapaka ny kristiana. Koa nandefa izao fampitandremana manaraka izao ny apostoly Petera: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo (...). Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra (...) rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” — I Petera 5:8-10.
2. a) Inona no mety hahatonga antsika ho mora voa kokoa amin’ny famelezan’i Satana? b) Nahoana moa izay latsaka ao anatin’ny fivadiham-pinoana no tsy afaka hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany? d) Fironan’i Jodasy Isikariota inona no nampiasain’ny Devoly mba hahatonga ny fony hanolotra an’i Jesosy?
2 Azontsika antoka fa ny Devoly sy ireo irany, izany hoe ireo demonia na ny olona sasany, dia vonona ny hampiasa izay rehetra mety ho fisalasalana mikiky antsika, ny kileman-toetrantsika rehetra na izay rehetra mety ho fanaovantsika tsirambina izay hitarika antsika tsy hijanona hatanjaka ao amin’ny finoana. Manome toky antsika anefa ny Tenin’i Jehovah fa tsy hahalany antsika ny Devoly raha manohitra azy mafy isika (Jakoba 4:7). Araka izany, dia tsy misy mihitsy latsaka ao anatin’ny fivadiham-pinoana satria hoe tsy afaka manao zavatra hafa noho izany izy. Tsy misy mihitsy olona voalahatra mialoha hiala amin’ny finoana. Tafiditra ny antony manosika ny fontsika. Marina fa, araka ny filazan’ny apostoly Jaona, ny sasany dia “avy tamintsika ihany no niala, nefa tsy mba namantsika izy”. (I Jaona 2:19.) Nitranga anefa izany satria izy ireo nifidy ny lalan’ny fivadiham-pinoana na satria hatramin’ny voalohany dia efa tamin’ny antony ratsy manosika no nidirany tao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. Nanana fo tsara i Jodasy Isikariota fony izy notendrena ho anisan’ny apostolin’i Jesosy 12, kanefa ny Devoly nanararaotra ny fironany ho fatra-pitia harena. Talohan’ilay alina nanolorana an’i Jesosy, “Jodasy Iskariota, zanak’i Simona, (dia) efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy”. — Jaona 13:2.
3. Anton-javatra inona avy no mety hitarika ny olona iray ho latsaka ao anatin’ny fivadiham-pinoana?
3 Matoa mivadika ho ratsy ny olona iray, dia satria navelany ny fiheverany feno fitiavan-tena, ny faniriany laza sy ny filany, mbamin’ny fifaneraserana sy ny manodidina nofidiny, hamolavola ny fisainany na hanoro azy ny fitondrantenany. Noresahin’i Paoly ny amin’ireo izay ‘efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, nefa nihemotra’. (Hebreo 6:4-6.) Raha tsy mitandrina hatrany isika, dia mety hataon’ny Devoly izay hahatonga ny fontsika ho mora handray ny fivadiham-pinoana amin’ny alalan’ny fampielezany hevitra ankolaka. Fa ahoana no mety hitarihany olona ho voan’ny fivadiham-pinoana?
4. Inona no mety hitranga raha latsaka ao anatin’ny fahasosorana, ny lolompo sy ny fitiavana fanakianana isika?
4 Dinihin’ny Devoly ny fihetsika fahita toy ny fahasosorana, ny lolompo sy ny fitiavana fanakianana. Mety hitombo ao amintsika ireo fironan-dratsy ireo ka tsy hamela intsony afa-tsy toerana kely dia kely ho an’ny fitiavana sy ny fankasitrahana. Ny sasany angamba manana ao am-po, zava-manahirana iray tsy voalamina, hany ka sosotra izy ireny ary mihevitra fa manana zo tsy hamonjy ireo fivoriana kristiana lehibe dia lehibe intsony. Amin’ny fijanonana ho tezitra mandritra ny vanim-potoana lava, dia “manome fitoerana ho an’ny devoly” izy ireny. (Efesiana 4:27.) Ireny olona voakorontana toy izany ireny dia tsy mahita afa-tsy ny fahalemen’olombelona eo amin’ireo rahalahiny, kanefa izy tokony ho vonona ny hamela azy ireny hatramin’ny “impito amby fito-polo”. Tsy manararaotra ireo tarehin-javatra sarotra izy mba hanatsarana ireo toetrany kristiana (Matio 18:22). Raha toa, amin’izy manana toe-tsaina toy izany, ka misy milaza aminy fa mpampijaly sy mpanery ny fandaminan’i Jehovah na diso hevitra mihitsy aza amin’ny fampianarana fototra sasany, dia tsy isalasalana fa ny fon’ireny kristiana ireny lotika dia ho mora hanaiky izany fanizingizinana tsy marim-pototra izany. Noho izany, dia ilaina ny tsy hamelana na oviana na oviana ny fahasosorana sy ny fankahalana hiorim-paka ao amintsika. Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezerantsika! Mifanohitra amin’izany, aoka isika haneho fitiavana amin’ny fomba feno eo amin’ny fiainantsika.
5. a) Amin’ny ahoana no mety hiharihary fa fandrika ny avonavona na ny fahatezerana ateraky ny fananarana? b) Ahoana no anampian’ny fanetren-tena antsika hiorina mafy ao amin’ny finoana?
5 Toe-po sy toe-tsaina hafa inona koa no kendren’ny Devoly? Ny fiavonavonana, ny fizahozahoana na ny otripo noho isika tsy heverina ho lehibe araka ny inoantsika fa mendrika antsika dia samy fandrika mety hafafiny eo amin’ny lalantsika (Romana 12:3). Ambonin’izany, raha mahazo torohevitra na fananarana mihitsy aza ianao satria nanaraka fihetsika na fitondrantena azo melohina, dia mety hanararaotra izany fotoana tsy nampoizina izany ny Devoly mba hanosehana anao hanontany tena raha tena ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra tokoa ianao. Noho izany antony izany, dia manetre tena hatrany, mitondrà tena toy ny “kely indrindra” ary aza avela mihitsy hisakana anao tsy hiorina mafy ao amin’ny finoana ny avonavona. — Lioka 9:48; I Petera 5:9.
6, 7. a) Tonòny ny fanehoana tsy faharetana sasany maha-vonona ny Devoly ny hampiasa azy. b) Raha tsy ampy fahendrena ny olona iray, inona no tokony hataony?
6 Ny tsy faharetana dia toetoetra hafa iray koa irin’ny Devoly ho hita ao amintsika. Mety hieritreritra isika fa hilaina ny hanaovana fanovana toy izao na izao. Tiantsika hisy fandaharana hatao haingana, na hovaliana avy hatrany ireo fanontaniantsika. Re indraindray ny hevitra karazan’izao: “Tokony ho voalamina izao io zava-manahirana io, raha tsy izany dia avelako ny zavatra rehetra. Ilaiko izao ankehitriny izao ny valin’io fanontaniana io, raha tsy izany dia tsy lasa lavitra kokoa aho. Taona maro izay no hoe akaiky Hara-Magedona sy ny fandehan-javatra vaovao. Leon’ny miandry aho.” Aoka ho azonao antoka fa vonona aoka izany ny Devoly hamafy fisalasalana sy fikomiana ao amin’ireo saina tsy maharitra. Noho izany, dia mila fiaretana sy finoana isika. — Hebreo 10:36, 39.
7 Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra: “Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra hianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona. Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:4-8). Aza avela ny Devoly hampiasa ny tsy faharetanao, ny maha-sarotsarotiny anao sy ny fisalasalana mety hanananao ny amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra mba hanaovana izay hilatsahanao ao amin’ny fivadiham-pinoana. Misehoa ho maharitra, manàna fankasitrahana ary miantehera amin’i Jehovah. — Salamo 42:5.
8. Ahoana no ampiasain’ny Devoly ny fironana hikomy amin’ny fahefana mba hitarihana olona handa ny faneriterena ampiharin’ny Soratra Masina?
8 Fomba inona avy moa no hampiasain’ny Devoly mba hanandramana mampaniasia antsika? Moa ve izy tsy nanandrana namporisika fikomiana foana teo amin’ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny fanosehana azy ireny hanakiana ireo mitondra azy? “Tsy mahatakatra ny fihevitray ireo loholona, hoy angamba ny fimenomenon’ny sasany. Sarotiny loatra izy ireo, henjana loatra.” Ny hafa ho lasa lavidavitra kokoa ihany amin’ny fanizingizinana fa ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny kristiana hafa manana andraikitra dia misalovana amin’ny fahafahan’izy ireo ara-pivavahana sy ny ‘zony’ manokana hilaza ny hevitry ny Soratra Masina araka izay tiany. Tadidio anefa izao fanamarihana nataon’i Josefa tamim-panetren-tena lehibe izao: “Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy?” (Genesisy 40:8). Afa-tsy izany koa, ny amin’ny andro farany iainantsika, moa ve Jesosy tsy nanambara fa ny fandaminan’ny kristiana voahosotra iray, “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, dia hotendrena hizara ny sakafo ara-panahy amin’ny fotoana voatendry (Matio 24:45-47)? Amin’izany, dia mitandrema tena amin’ireo izay mitady hampisongadina ny heviny manokana mifanohitra amin’ny fampianaran’ny “mpanompo”. Mitandrema tena koa amin’ireo izay manonofy ny hanary ny faneriterena rehetra, ireo izay mamporisika hitady fahafahana amin’ny fanizingizinana fa andevo ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny amin’ireny mpampianatra sandoka ireny, dia izao no nambaran’i Petera: “Fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.” — II Petera 2:1, 19.
9. Manao ahoana moa matetika tokoa ny fihetsik’ireo izay manakiana ireo rahalahy mitondra ao anatin’ny kongregasiona?
9 Inona moa mandrakariva no antony manosika ireo izay manakiana ny Fikambanana na ireo kristiana mitondra azy? Moa ve tsy manao izany izy matetika satria manakorontana azy manokana ny fampiharana andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly? Tsy manaraka ny fampianarana mahasoa sy ireo toromarika tsara omena azy izy ireo fa ho tiany ny hanova ny fandaminana. Aoka hohazavaintsika amin’ny alalan’ny ohatra vitsivitsy ny resatsika:
10. Ahoana no mety “hanomezana toerana ho an’ny Devoly” amin’ny fikirizana manana fitafiana na taovolo hafahafa?
10 Ny kristiana toy izao dia mikiry manana fomba fitafy na taovolo hafahafa. Heverin’ireo loholona fa tsy manome ohatra tsara izy ka amin’izany dia aleon’izy ireo tsy manankina aminy tombontsoa sasany, toy ny fampianarana eny amin’ny polipitra. Noho izany, dia manomboka mahatsiaro fahasosorana ilay rahalahy resahina, ary milaza izy fa ny hafa dia manandrana mamely ny fahafahany kristiana. Inona anefa no fototr’izany karazam-piheverana izany? Moa ve mandrakariva tsy ny avonavona, ny fitiavana tsy fiankinana na ny fanirian-jaza hanaraka ny lalan’ny tena ihany? Na dia mety ho toa tsy dia manao ahoana aza izany, ny olona iray mihevitra toy izany dia mety ‘hanome fitoerana ho an’ny devoly’. Ny fitiavana sy ny fanetren-tena kosa anefa dia hanosika antsika hanana fomba fitafy sy taovolo maotina sy mety. Ho tiantsika ny hanao ny zavatra rehetra ho fampandrosoana ny vaovao tsara fa tsy hanao izay hahafaly ny tenantsika fotsiny. — Romana 15:1, 2; I Korintiana 10:23, 24.
11. Inona no mety hitarika olona iray hanohitra ny lalàn’i Jehovah mandidy antsika mba hifady ny ra?
11 Aoka isika hijery ohatra hafa iray: Angamba ianao efa nandre olona nanontany raha tena mihatra amin’ny fampidiran-dra ny fandraran’ny Baiboly tsy hihinan-dra. Inona anefa no miafina ao ambadik’izany fisalasalana izany? Moa ve izany tsy ny tahotra, tahotra ny hamoy ny ain’ny tena ankehitriny na ny an’ny olon-tiana iray? Moa ve izay mihevitra toy izany tsy madiva hanadino ny fanantenany fananganana amin’ny maty. Tsy mandika ny fieritreretana mihitsy ireo kristiana mahatoky ary tsy mitady izay hanatsatsoana ny lalàn’Andriamanitra. Zava-dehibe toy ny fifadiana ny fijangajangana sy ny fanompoan-tsampy ny fifadiana ny ra, ny tsy fampiasana izany mba hamelomana ny tena. Ireo zavatra rehetra ireo dia melohina ao amin’ny didy iray ihany nataon’ireo apostoly sy ireo loholona teo ambany fitarihan’ny fanahy masina tany Jerosalema. — Asan’ny apostoly 15:19, 20, 28, 29.
12. Nahoana moa no tsy tokony havelantsika ny fiheveran-diso ny amin’ny fahatokiana hitarika antsika handika ny fepetra araka ny Baiboly ilazana fa tsy mety ny hitanana fifandraisam-pisakaizana amin’olona voaroaka?
12 Ireo izay manakiana ny fandaminana dia mihevitra indraindray fa hentitra loatra izy rehefa mangataka antsika mba tsy hitana fifandraisam-pisakaizana amin’olona voaroaka (II Jaona 10, 11). Fa nahoana izy ireny no manana izany fihetseham-po izany? Moa ve tsy satria omeny toerana alohan’ny fatoram-pianakaviana na ny fiheveran-diso ny amin’ny fisakaizana ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ireo fotopoto-pitsipiny ary ireo fepetra takiny. Aoka hotadidiantsika koa fa raha manohy mitana fifandraisam-pisakaizana amin’olona voaroaka iray isika, na dia akaiky toy ny havana aza, dia angamba io hanatsoaka hevitra avy amin’izany fa tsy dia ratsy loatra ny fitondrantenany, ka izany dia hiteraka fahavoazana amboniny ho azy. Raha mitsahatra tsy mifanerasera aminy kosa anefa isika, dia mety hanana faniriana ny hahita indray izay veriny izy. Ny lalan’i Jehovah foana no tsara indrindra, ka manampy amin’ny fiarovana antsika. — Ohabolana 3:5.
13. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fitoriana ampahibemaso isan-trano?
13 Ny hafa koa manamafy amin’ny fomba diso fa tsy miorina amin’ny Soratra Masina ny fitoriana isan-trano. Kanefa, moa ve tsy mihevitra toy izany izy ireny satria tsy tiany ny mandray anjara amin’io asa lehibe dia lehibe io, ary satria izy ireny mitady fialan-tsiny mba tsy hanaovana izany? Ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny namantsika dia tokony hanosika antsika hamantatra fa ilaina maika dia maika io asa famonjena io. Ilaina koa ny maneho fiaretana amin’io lafiny io. Nasehon’ny apostoly Paoly ny hoe tamim-paharetana nanao ahoana no ‘nanaovany fanambarana feno na teo anatrehan’ny Jiosy na teo anatrehan’ny Grika’, tamin’ny fampianarana ampahibemaso sy isan-trano (Asan’ny apostoly 20:18-21, MN). Tsy tokony himonomonona isika fa moa ve tsy hahasoa antsika indrindra ny hanarahana amim-pahatokiana ny ohatra tsara dia tsara nomeny? Aoka hoeritreretintsika ireo olona an’arivony maro nangonina ao amin’ny “andiany iray” noho ny nitahian’i Jehovah ny asa fitoriana isan-trano (Jaona 10:16). Aoka tsy hohadinointsika koa fa mandray soa lehibe isika amin’ny fampahafantarana ny vaovao tsara isam-baravarana: mandray fampiofanana isika, fifehezana, ary manatanjaka ny finoantsika. — Jereo Asan’ny apostoly 5:42; I Timoty 4:16.
14. Araka ny hevitrao, tokony hanao ahoana ny fihetsika hasehontsika rehefa misy mpanaratsy miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah ho mpaminany sandoka?
14 Farany, dia mety ny hampahatsiahivana izay navoakan’ny Fikambanana taloha momba ny raharaha ara-pandaharan-taona. Noho izany, ny sasany dia milaza ny Vavolombelon’i Jehovah ho mpaminany sandoka. Araka ny filazan’ireny fahavalo ireny tokoa, ny Vavolombelona dia nanambara zavatra hiseho amin’ny daty sasany, kanefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Amin’izany koa, dia mametraka izao fanontaniana izao izahay: Inona no fikasan’ireny mpanaratsy ireny? Tiany ve ny hamporisika ireo mpanompon’Andriamanitra hifoha hatrany, sa tadiaviny kosa izay hanamarinan-tena, dia izy ireny izay latsaka ao anatin’ny torimason’ny tsy fiasana (I Tesaloniana 5:4-9)? Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany anefa, inona no hataonao raha mandre fanakianana toy izany ianao indray andro any? Raha misy misalasala ny amin’ny hoe tena miaina ao anatin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny isika na milaza anakampo fa mamindra fo aoka izany Andriamanitra ka azo antoka fa tsy hamono olona an-tapitrisany maro dia maro izy mandritra ny “fahoriana lehibe”, dia satria efa nanomana ny fony hihaino fanakianana toy izany izy. — II Timoty 3:1; Matio 24:21.
15. Inona no manaporofo fa tsy mpaminany sandoka velively ny Vavolombelon’i Jehovah fa mino ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampanantenany azo antoka?
15 Marina fa voatery nanitsy ny fiheverany ny olon’i Jehovah indraindray. Ny fahadodonantsika indraindray dia nahatonga antsika hanao izay hanantenana fa ny fandehan-javatra vaovao dia haorina aloha kokoa noho ny tena nanomanan’ny fanisanandron’i Jehovah azy. Mampiseho ny finoantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampanantenany azo antoka anefa isika amin’ny fanambarana ny hafatra raketiny amin’ny mpiara-belona amintsika. Etsy andaniny koa, tsy hoe satria voatery nanitsy kely ny fiheverantsika isika indraindray dia hoe mpaminany sandoka. Izany dia tsy manova na inona na inona amin’ny hoe tena miaina amin’ny “andro farany” tokoa isika, ka eo an-katoky ny “fahoriana lehibe” izay hamoha lalana ho an’ny paradisa an-tany. Ho hadalana tanteraka ny hiheverana fa ireo fanitsiana sasany hita fa nilaina hatao dia mahakasika ny fahamarinana amin’ny fitambarany. Ny zavatra rehetra kosa dia mampiseho fa Jehovah dia manohy mampiasa fandaminana iray monja, ilay tarihin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. Koa isika dia manana koa ny fihetseham-po nanetsika ny apostoly Petera fony izy nihiaka hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” — Jaona 6:68.
16, 17. a) Ahoana no amelan’ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 7:15-20 antsika hahafantatra ny fandaminana tahin’i Jehovah? b) Tonòny ny sasantsasany amin’ireo vokatra tsara asehon’ny tena mpanompon’i Jehovah eo amin’ny fiainany.
16 Ny fitiavana tsy mitady tombontsoa ho an’ny tena izay, araka ny filazan’i Jesosy, dia tokony hamantarana ny tena mpianany, dia tsy hita afa-tsy ao anatin’ny paradisa ara-panahy, eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Jaona 13:34, 35). Afa-tsarona noho ny voa ratsy entiny ireo mpaminany sandoka. Nilaza kosa anefa i Jesosy fa ho fantatra amin’ny voany tsara ny hazo tsara (Matio 7:15-20). Ary toy inona moa ny voa tsara dia tsara hitantsika ao anatin’ny paradisa ara-panahy! Saika any amin’ny firenena rehetra dia atrehina ny fitomboana mahagaga. Ankehitriny dia miisa ho 3 000 000 mahery ny vahoaka sambatry ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny tany manontolo. Porofo velona izany fa manana vahoaka eto an-tany Jehovah.
17 Noho izy ireo ampianarin’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena mamoa vokatry ny kristianisma eo amin’ny fiainany (Isaia 54:13). Ireo mpanompon’i Jehovah ihany no nanafa-tena tanteraka tamin’ny finoanoampoana nanam-piandohana babyloniana. Izy ireo dia mahaforona ny hany fandaminana izay mifikitra tokoa amin’ny lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny fahalotoam-pitondrantena, ny fanalana zaza, ny fimamoana, ny halatra, ny fanompoan-tsampy, ny fanavakavaham-pirazanana mbamin’ny fanao hafa eo amin’izao tontolo izao. Tsy misy mihitsy antokon’olona hafa mankatò an’i Jehovah amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakany (Matio 24:14). Tsy isalasalana mihitsy fa ao amin’ny Teniny Andriamanitra dia manondro ny Vavolombelon’i Jehovah ho ny hany vahoaka voalamina manana ny fitahiany.
18. Tokony hanao ahoana ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ireo fampianaran’ny mpivadi-pinoana?
18 Eny, mino mafy izahay fa ho an’izay rehetra manohy ny fihazakazahana kristiana amim-pahatokiana, dia mbola tsara sy mampitombo fahalalana foana ny fahamarinan’Andriamanitra, ary mbola mihoatra noho ny tamin’ny fotoana nahitany izany aza. Koa aoka isika rehetra ho tapa-kevitra tanteraka daholo tsy hikasika mihitsy ny poizina tian’ireo mpivadi-pinoana horaisintsika. Aoka isika hankatò an’i Jehovah rehefa mandidy antsika izy, amim-pahendrena nefa koa amin’ny fomba hentitra, mba handositra toy ny areti-mifindra ireo izay mitady hamitaka antsika, hampaniasia antsika, hampivily antsika ho any amin’ny lalan’ny fahafatesana. Raha tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra isika, sady tia ny namantsika tahaka ny tenantsika, dia tsy hisy toerana ho an’ny fivadiham-pinoana mihitsy ao amintsika (Matio 22:37-39). Tsy ‘hanome fitoerana ho an’ny devoly’ isika, ary tsy hahatsiaro faniriana ny hitodika any amin’ny toeran-kafa akory aza. Tsy hanaiky ‘halaky hohetsiketsehina amin’ny saintsika’ amin’ny alalan’ny fampianarana mamitaka isika. — II Tesaloniana 2:1, 2.
19. Ahoana no azontsika anaovana izay ‘tsy hahavoafitaka tsy hahazo ny loka’, dia ny fiainana mandrakizay?
19 Aoka àry isika ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny tombontsoa ananantsika efa miaina sahady ao anatin’ny paradisa ara-panahy ifaliantsika amin’ny soa maro be. Fantatsika ireo izay mifikitra amim-pahatokiana hatrany amin’ny teny fiainana mandrakizay. Aoka àry isika hanohy hifanerasera akaiky amin’izy ireny, noho ny fahafantarana fa tena rahalahintsika sy anabavintsika mahatoky ao amin’ny finoana izy ireny. Enga anie isika hahatsapa mafy kokoa ihany ny fifaliana sy fahafahampo tsapantsika fony isika nahita ny fahamarinana, amin’ny fananana antoka ny hahazo ny loka tsy hay tombanana, dia ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’i Jehovah antsika! Eny, araka ny nolazain’ny apostoly Paoly marina tokoa, dia “aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka”! — Kolosiana 2:18.
Afaka mamaly ve ianao?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa tsy misy voalahatra mialoha hiala amin’ny finoana mihitsy?
◻ Amin’ny fomba ahoana no anokafan’ny fahasosorana, ny avonavona sy ny tsy faharetana banga ao am-pontsika?
◻ Inona no manosika ny sasany hanakiana ny torohevitra omen’ireo mitondra antsika?
◻ Vokatra inona entin’ny Vavolombelon’i Jehovah no manaporofo fa izy ireo no mahaforona ny hany fandaminana ampiasain’Andriamanitra?
[Sary, pejy 16]
Raha mandà ny torohevitra omena isika, dia mety ‘hanome fitoerana ho an’ny devoly’
[Sary, pejy 17]
Mety hitarika olona iray ho lavo tanteraka ny avonavona.
[Sary, pejy 19]
Ireo mpanompon’i Jehovah marisika sy sambatra dia ‘tsy manome fitoerana ho an’ny devoly’ na ny fampianaran’ireo mpivadi-pinoana.