-
Mpanome LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nahariharin’ny Lalàna nomena ny Israely fa mpanota daholo ny olona rehetra, na Israelita na mpanompo sampy. Nanjary tsapan’ny Israelita tsara fa tsy nahavita nanaraka an’ireo fitsipik’Andriamanitra tonga lafatra izy ireo, tamin’ny lafiny maro. ‘Voatampina [àry] ny vava rehetra ary hiharan’ny sazy avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao. Fa ny lalàna no ahafantarana marina tsara ny atao hoe ota.’ (Ro 3:19, 20) Mety ho tsy nanompo sampy na nihinan-dra na namono olona ny Israelita iray, nefa mbola mpanota foana izy teo anatrehan’ny Lalàna. Fanao sy toe-tsaina maro koa mantsy no nofaritan’ny Lalàna hoe ota. Hoy àry i Paoly: “Tsy ho nahafantatra ny ota ... aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ ... Raha ny marina, dia velona tsy nanan-dalàna aho fahiny. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.” Te hilaza izy eo hoe toy ny efa tao an-kibon’ny razambeny izy talohan’ny nanomezana ny Lalàna.—Ro 7:7-9.
-
-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Lasa “be dia be” ny ota rehefa teo ny Lalàna. Manana feon’ny fieritreretana manampy azy hanavaka ny mety sy ny tsy mety ny olona. Namaritra ny atao hoe ota sy izay rehetra mety ho ota koa anefa Andriamanitra, tamin’izy nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Israely. Raha nisy tamin’ny taranak’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba àry nilaza hoe tsy manana ota, dia “voatampina” ny vavany, satria nanjary ‘niharan’ny sazy avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao.’ Nandova tsy fahalavorariana avy tamin’i Adama mantsy izy ireo, ka tsy azo nambara ho marina teo anatrehan’Andriamanitra noho ny asan’ny lalàna, satria ny lalàna “no ahafantarana marina tsara ny atao hoe ota.” (Ro 3:19, 20; Ga 2:16) Nahoana no nolazaina hoe lasa “be dia be” ny ota rehefa teo ny Lalàna? Satria nilaza mazava ny Lalàna hoe inona avy no atao hoe ota, hany ka “be dia be” tamin’ny zavatra nataon’ny olona no nanjary ota, eny fa na ny toe-tsainy fotsiny aza. (Ro 5:20; 7:7, 8; Ga 3:19; ampit. Sl 40:12.) Nampahatsiahy azy ireo foana ny sorona notakin’ny Lalàna hoe mpanota izy ireo. (He 10:1-4, 11) Nanjary mpitaiza azy ireo ho amin’i Kristy àry ny Lalàna, ‘mba ho azo ambara ho marina izy ireo noho ny finoana.’—Ga 3:22-25.
-