Hisy Fitsanganan’ny Marina
“Manantena amin’Andriamanitra aho (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” — ASAN’NY APOSTOLY 24:15.
1. Tarehin-javatra manao ahoana no atrehin’ny olombelona rehetra hatramin’ny nanotan’i Adama sy i Eva?
“IZAY rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.” (Mpitoriteny 9:10). Amin’ireo teny vitsy, voafantina tsara ireo, i Solomona Mpanjaka hendry dia milazalaza ny tarehin-javatra iray izay natrehin’ny taranak’olombelona rehetra hatramin’ny nanotan’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany. Tsy misy an-kanavaka, fa ny fahafatesana dia nitelina ny rehetra — na manankarena na mahantra, na mpanjaka na olon-tsotra, na olo-nahatoky na mpivadika — tamin’ny farany. Marina tokoa fa ‘nanjaka ny fahafatesana’. — Romana 5:17.
2. Nahoana no mety ho diso fanantenana ny olona mahatoky sasany mandritra izao fotoan’ny farany izao?
2 Na dia eo aza ireo fandrosoana farany indrindra eo amin’ny siansa ara-pitsaboana, dia mbola manjaka ihany ny fahafatesana na dia amin’izao andro izao aza. Na dia tsy mahagaga aza izany, dia mety ho diso fanantenana ihany ny sasany rehefa manjary miatrika io fahavalo efa hatramin’ny ela io amin’ny farany. Nahoana? Tany amin’ireo taona 1920, ny Fikambanana Watch Tower dia nanambara ilay hafatra hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”. Ho iza moa ireo olona an-tapitrisany maro ireo? Ireo “ondry” resahina ao amin’ny fanamarihan’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy. (Matio 25:31-46). Nambaran’ny faminaniana fa hiseho mandritra ny fotoan’ny farany ireo olona toy ny ondry ireo, ary ny fanantenany dia ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ny vahoakan’Andriamanitra dia nahazo fahatakarana hevi-javatra tsara kokoa momba ny toeran’ireo “ondry” ireo ao amin’ny fikasan’i Jehovah. Takatra fa ireo olona mpankato ireo dia tokony havahana amin’ireo “osy” mafy loha, ary aorian’ny fandringanana ireto farany, ireo ondry dia handova ny faritr’ilay Fanjakana eto an-tany izay nomanina ho azy ireo.
Fanangonana ireo olona toy ny ondry
3. Nifantoka tamin’ny asa inona ny vahoakan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny 1935?
3 Nanomboka tamin’ny 1935, ny “mpanompo mahatoky” dia nifantoka tamin’ny fitadiavana ireo olona toy ny ondry ireo sy tamin’ny fampidirana azy ireo tao amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Matio 24:45; Jaona 10:16). Nanjary nahatakatra ireo Kristiana azo ampianarina ireo fa manjaka ao amin’ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra i Jesosy ankehitriny ary manatona haingana dia haingana ny fotoana ho an’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ sy ny fotoana hampidirana tontolo vaovao iray hitoeran’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 12:10). Ao amin’izany tontolo vaovao izany, dia ho tanteraka ireto teny mampaherin’i Isaia ireto: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana”. — Isaia 25:8.
4. Na dia manantena amin-kafanam-po ny hahita ny fiandrianan’i Jehovah hohamarinina ao Haramagedona aza ny ondry hafa, dia inona no nitranga tamin’ny maro tamin’izy ireo?
4 Koa satria efa akaiky aoka izany ny faran’ny tontolon’i Satana, dia hankamamin’ireo Kristiana toy ny ondry erỳ ny ho velona mandra-panamarina ny fiandrianan’i Jehovah mandritra ilay fahoriana ho avy hihatra amin’i Babylona Lehibe sy ny sisa amin’ny tontolon’i Satana. (Apokalypsy 19:1-3, 19-21). Ho an’ny olona maro be, dia tsy mba tanteraka izany. Olona maro izay nanantena ny ho anisan’ireo “an-tapitrisany maro” tsy ho faty mihitsy no maty tokoa. Ny sasany maty maritiora ho an’ny fahamarinana tany an-tranomaizina sy tany amin’ny toby fitanana na teo an-tanan’olona nirehidrehitra fatratra amin’ny fivavahana. Ny hafa maty tamin’ny loza na noho ny antony antsoina hoe araka ny natiora: aretina sy fahanterana. (Salamo 90:9, 10; Mpitoriteny 9:11). Mazava fa mbola hisy hafa koa ho faty alohan’ny hahatongavan’ny farany. Ahoana no hahitan’izy ireo ny fahatanterahan’ilay fampanantenana ny amin’ny tontolo vaovao iray hitoeran’ny fahamarinana?
Ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty
5, 6. Inona no hoavin’ireo izay manana fanantenana ny ho eto an-tany ka maty alohan’ny Haramagedona?
5 Nanome ny valiny ny apostoly Paoly fony izy niteny teo anatrehan’i Feliksa, governora romana. Araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15, dia nanambara tamim-pahasahiana toy izao i Paoly: “Manantena amin’Andriamanitra aho (...) fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” Manome antsika herim-po ny fanantenana fitsanganan’ny maty eo anatrehan’ireo fahoriana ratsy indrindra. Noho io fanantenana io, dia tsy manary toky ireo namana malalantsika izay marary sy mahatsapa fa ho faty izy ireo. Na inona na inona mitranga, dia fantany fa hijinja ny valisoan’ny fahatokiana izy ireo. Noho ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ireo rahalahintsika sy anabavintsika be herim-po izay miatrika fahafatesana eo an-tanan’ireo mpanenjika dia mahafantatra fa tsy misy fomba ahafahan’ireo mpanenjika azy ireo mahazo fandresena. (Matio 10:28). Rehefa maty ny olona iray ao amin’ny kongregasiona, dia malahelo isika namoy izany olona izany. Amin’izay fotoana izay ihany, raha anisan’ny ondry hafa izy, dia faly isika fa hita ho nahatoky hatramin’ny farany ilay mpiray finoana tamintsika ary miala sasatra izao, mahazo antoka ny amin’ny hoavy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. — 1 Tesaloniana 4:13.
6 Eny, ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty dia lafiny tena lehibe iray amin’ny finoantsika. Nahoana anefa no matanjaka aoka izany ny finoantsika ny fitsanganana amin’ny maty, ary iza no manana anjara amin’io fanantenana io?
7. Inona no atao hoe fitsanganana amin’ny maty, ary inona avy ireo andinin-teny sasany milaza ny maha-azo antoka izany?
7 Ny teny grika nadika hoe “fitsanganana amin’ny maty” dia hoe a·naʹsta·sis, izay midika ara-bakiteny hoe “fitsanganana”. Amin’ny fotony, izy io dia manisy firesahana momba ny fitsanganana amin’ny maty. Mahaliana fa tsy hita ao amin’ny Soratra Hebreo ilay tena teny hoe “fitsanganana amin’ny maty”, kanefa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty dia voalaza mazava ao. Hitantsika izy io, ohatra, ao amin’ireo teny notononin’i Joba tao anatin’ny fijaliany, nanao hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao (...) ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy.” (Joba 14:13). Mitovy amin’izany koa, fa ao amin’ny Hosea 13:14, dia izao no vakintsika: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?” Ao amin’ny 1 Korintiana 15:55, ny apostoly Paoly dia nanonona ireo teny ireo ary nampiseho fa tanterahina amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty ny fandresena ny fahafatesana nambaran’ny faminaniana. (Mazava ho azy fa niresaka ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ho any an-danitra i Paoly ao amin’io andinin-teny io.)
Mpino “nohamarinina”
8, 9. a) Ahoana no hahafahan’ny olombelona tsy lavorary hanana anjara amin’ny fitsanganan’ny marina? b) Inona no fototry ny fanantenantsika fiainana iray izay tsy hofaranan’ny fahafatesana?
8 Tao amin’ilay teniny tamin’i Feliksa voatonona eo amin’ny fehintsoratra faha-5, i Paoly dia nilaza fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina. Iza moa ireo marina izay hatsangana? Tsy misy aloha olombelona tonga dia marina. Mpanota hatramin’ny nahaterahantsika avokoa isika rehetra, ary manao fahotana mandritra ny androm-piainantsika manontolo — ka mahatonga antsika ho mendrika ho faty amin’ny zavatra roa loha. (Romana 5:12; 6:23). Kanefa, ao amin’ny Baiboly isika dia mahita ilay teny hoe ‘hamarinina’. (Romana 3:28). Izy io dia manisy firesahana momba ireo olombelona izay, na dia tsy lavorary aza, dia avelan’i Jehovah ny fahotany.
9 Ampiasaina amin’ny fomba miavaka indrindra mifandray amin’ireo Kristiana voahosotra, izay manana fanantenana ny ho any an-danitra, io fitenenana io. Ao amin’ny Romana 5:1, dia hoy ny apostoly Paoly: “Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Hamarinina noho ny finoana ireo Kristiana voahosotra rehetra. Finoana ny inona? Araka ny hazavain’i Paoly amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny bokin’ny Romana, izany dia ny finoana an’i Jesosy Kristy. (Romana 10:4, 9, 10). Maty olombelona lavorary i Jesosy ary avy eo dia natsangana tamin’ny maty ka niakatra tany an-danitra mba hanolotra, ho tombontsoantsika, ny vidin’ny ain’olombelona nananany. (Hebreo 7:26, 27; 9:11, 12). Rehefa nanaiky izany sorona izany i Jehovah, raha ny marina, i Jesosy dia nividy ny taranak’olombelona ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Ireo izay maneho finoana an’io fandaharana io dia mandray soa be dia be avy amin’izy io. (1 Korintiana 15:45). Miorina amin’izy io, dia misy lehilahy sy vehivavy mahatoky manana fanantenana ny handova fiainana izay tsy hofaranan’ilay fahavalo mahatahotra, dia ny fahafatesana. — Jaona 3:16.
10, 11. a) Fitsanganana inona no miandry an’ireo Kristiana voahosotra mahatoky? b) Karazana fitsanganana manao ahoana no nantenain’ireo mpivavaka talohan’ny andro kristiana?
10 Noho ny sorom-panavotan’i Jesosy, ireo voahosotra mahatoky, izay nohamarinina, dia manana fanantenana azo antoka ny hatsangana amin’ny maty, ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty, tahaka an’i Jesosy. (Apokalypsy 2:10). Ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty dia voatonona ao amin’ny Apokalypsy 20:6, izay milaza hoe: “Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” Izany no fitsanganana ho any an-danitra. Mariho anefa, fa ny Baiboly dia miantso azy io hoe “ny fitsanganana voalohany”, izay milaza tsy mivantana fa misy hafa koa ho avy.
11 Ao amin’ny Hebreo toko faha-11, i Paoly dia nanisy firesahana ny amin’ny filaharana lavan’ireo mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristiana izay naneho finoana natanjaka an’i Jehovah Andriamanitra. Nanana finoana ny fitsanganana amin’ny maty koa izy ireo. Eo amin’ny Heb 11 andininy faha-35 amin’io toko io, i Paoly dia miresaka momba ireo fitsanganana tamin’ny fomba nahagaga izay nitranga nandritra ny tantaran’ny Isiraely, amin’ny filazana hoe: “Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra”. Ireny vavolombelona nahatoky fahiny ireny dia afaka niandry tamim-panantenana fitsanganana tsara lavitra noho ireo nahatafiditra an’i Elia sy i Elisa, ohatra. (1 Mpanjaka 17:17-22; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21). Ny fanantenan’izy ireo dia fitsanganana ho ao amin’ny tontolo iray izay tsy hampijalijaliana ireo mpanompon’Andriamanitra noho ny finoany, tontolo iray izay tsy hamoizan’ireo vehivavy ireo olon-tiany ao amin’ny fahafatesana. Eny, niandry tamim-panantenana ny hitsangana amin’ny maty izy ireo mba ho ao amin’ilay tontolo vaovao mitovy amin’ilay antenaintsika koa. (Isaia 65:17-25). Tsy nampahafantatra azy ireo zavatra maro momba io tontolo vaovao io toy izay ataony amintsika, i Jehovah. Na dia izany aza, dia fantatr’izy ireo fa ho avy izy io, ary niriny ny ho ao.
Ny fitsanganana amin’ny maty ho eto an-tany
12. Nohamarinina ve ireo olo-nahatoky talohan’ny andro kristiana? Hazavao.
12 Moa ve isika tokony hieritreritra ny fifohazan’ireny lehilahy sy vehivavy nahatoky talohan’ny andro kristiana ireny ao amin’izany tontolo vaovao izany, ho anisan’ny fitsanganan’ny marina? Miharihary fa eny, satria manisy firesahana ny amin’izy ireny ho toy ny olo-marina ny Baiboly. Ohatra, i Jakoba mpianatra dia nanonona lehilahy iray sy vehivavy iray fahiny izay nohamarinina. Ilay lehilahy dia i Abrahama, ilay niavian’ny firazanana hebreo. Momba azy io, dia izao no vakintsika: “ ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe ‘Sakaizan’Andriamanitra’ izy.” Ilay vehivavy dia i Rahaba, vehivavy tsy isiraelita iray izay naneho finoana an’i Jehovah. “Nohamarinina” izy ka nanjary anisan’ny firenena hebreo. (Jakoba 2:23-25). Araka izany, ireo lehilahy sy vehivavy fahiny izay naneho finoana natanjaka an’i Jehovah sy ireo fampanantenany ary nitoetra ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana dia nohamarinin’i Jehovah niorina tamin’ny finoan’izy ireo, ary tsy isalasalana fa hanana anjara amin’ny “fitsanganan’ny marina” izy ireo.
13, 14. a) Ahoana no ahafantarantsika fa azo hamarinina ireo Kristiana manana fanantenana ny ho eto an-tany? b) Inona no dikan’izany ho azy ireo?
13 Kanefa, ahoana ny amin’ireo olona toy ny ondry amin’izao andro izao, ireo izay manana fanantenana ny ho eto an-tany sy manolo-tena ho an’i Jehovah ary maty mahatoky mandritra izao fotoan’ny farany izao? Moa ve izy ireo hanana anjara amin’ny fitsanganan’ny marina? Miharihary fa izany no izy. Nisy olona betsaka voaforon’ireo olo-mahatoky ireo hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana. Mariho ny fomba ilazalazany azy ireo: “Hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena [dia avy amin’Andriamanitsika, NW ], izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy [avy amin’ny, NW ] Zanak’ondry.” — Apokalypsy 7:9, 10.
14 Mariho fa miaiky mafy ny amin’ny famonjena azy ireo mpandefitra ireo, ary milaza fa avy amin’i Jehovah sy i Jesosy, “ny Zanak’ondry”, izany. Ambonin’izany, dia mitsangana eo anatrehan’i Jehovah sy ny Zanak’ondry izy ireo, samy miakanjo fotsy avokoa. Nahoana no miakanjo fotsy? Hoy ny zavaboary iray any an-danitra tamin’i Jaona: “Ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 7:14). Ao amin’ny Baiboly, ny fotsy dia mariky ny fahadiovana, ny fahamarinana. (Salamo 51:7; Daniela 12:10; Apokalypsy 19:8). Ny hoe hita nitafy fitafiana fotsy ny olona betsaka dia midika fa mihevitra azy ireo ho olo-marina i Jehovah. Ahoana no hetezan’izany? Satria nanasa ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. Maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy izy ireo ary, noho izany, dia hamarinina ho sakaizan’Andriamanitra amin’ny fikendreny ny ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe. Koa amin’izany, izay Kristiana nanolo-tena sy mahatoky rehetra anisan’ny “olona betsaka” ankehitriny ka maty alohan’ny fahoriana lehibe dia afaka mahazo antoka fa hanana anjara amin’ny fitsanganan’ny marina ho eto an-tany.
15. Koa satria samy hatsangana amin’ny maty ny marina sy ny tsy marina, inona no tombontsoa amin’ny fitsanganan’ny marina?
15 Voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-20, andininy faha-13 amin’izao teny izao, io fitsanganana io: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.” Araka izany, mandritra ny Andro Fitsarana lehiben’i Jehovah haharitra arivo taona, izay rehetra ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra dia hatsangana — na ny marina na ny tsy marina. (Asan’ny Apostoly 17:31, NW ). Ho tsara lavitra toy inona anefa ny an’ireo marina! Efa nanaraka fiainam-pinoana izy ireo. Efa manana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy fatokiana ny amin’ny fahatanterahan’ny fikasany izy ireo. Ireo vavolombelona marina talohan’ny Andro Kristiana dia hifoha avy ao amin’ny fahafatesana, ho dodona ny hianatra ny fomba nanatanterahana ireo fampanantenan’i Jehovah momba ilay Taranaka. (1 Petera 1:10-12). Ireo anisan’ny ondry hafa izay heverin’i Jehovah ho olo-marina amin’izao androntsika izao dia hivoaka avy ao am-pasana, ho dodona ny hahita ilay tany zary Paradisa izay noresahiny fony izy ireo nanambara ny vaovao tsara tamin’izao fandehan-javatra izao. Ho fotoana hahafaly toy inona moa izany!
16. Inona no azontsika lazaina momba ny fitsanganan’ireo izay maty amin’izao androntsika izao mandritra ny Andro Fitsarana?
16 Mandritra izany Andro Fitsarana arivo taona izany, rahoviana marina moa no hatsangana ireo izay maty nahatoky amin’izao andro farany amin’ny fandehan-javatr’i Satana izao? Tsy milaza ny amin’izany ny Baiboly. Kanefa, tsy ho azon’ny saina ekena ve ny hieritreretana fa ireo izay isaina ho olo-marina ka maty amin’izao androntsika izao dia hahazo fitsanganana aloha, ka araka izany, dia ho afaka hiaraka amin’ny olona betsaka, izay ho tafita velona amin’ny Haramagedona, amin’ny asa fandraisana ireo taranaka taloha kokoa hitsangana amin’ny maty? Eny tokoa!
Fanantenana manome fampiononana
17, 18. a) Fampiononana inona no omen’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty? b) Voatosika hanambara inona momba an’i Jehovah isika?
17 Manome tanjaka sy fampiononana ny Kristiana rehetra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty amin’izao andro izao. Raha mitoetra ho mahatoky isika, dia tsy hisy sampona na fahavalo ho afaka hanaisotra amintsika ny valisoantsika! Ohatra, ao amin’ny Annuaire des Témoins de Jéhovah 1992, eo amin’ny pejy faha-177, dia misy ny sarin’ireo Kristiana be herim-po tany Etiopia izay nifidy ny ho faty toy izay hampanaiky lembenana ny finoany. Izao no vakina eo amin’ny fanazavana: “Endrika izay antenaintsika ho hita amin’ny fitsanganana amin’ny maty”. Ho tombontsoa toy inona moa ny hahafantatra azy ireny sy ireo hafa tsy tambo isaina izay nampiseho fahatokiana toy izany teo anatrehan’ny fahafatesana!
18 Ahoana ny amin’ireo olon-tiantsika sy namantsika manokana izay tsy ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe noho ny fahanterana na ny aretina? Mifanaraka amin’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, izy ireo dia manana hoavy mahatalanjona raha mitoetra ho mahatoky. Ary raha maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy amin-kerim-po koa isika, dia manana hoavy mahatalanjona. Nahoana? Satria, tahaka an’i Paoly, isika dia manantena ny “fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. Amin’ny fontsika rehetra, dia misaotra an’i Jehovah noho io fanantenana io isika. Azo antoka fa manosika antsika hampanakoako izao tenin’ny mpanao salamo izao izy io: “Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahi[tr’Andriamanitra], ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra”. — Salamo 96:3, 4.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Andinin-teny inona avy no manampy amin’ny fanamafisana ny fanantenantsika fitsanganana amin’ny maty ho eto an-tany?
◻ Miorina amin’inona no anamarinana ireo Kristiana ankehitriny?
◻ Ahoana no anomezan’ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty antsika herim-po sy fahatapahan-kevitra?
[Sary, pejy 9]
Tahaka an’i Paoly, ireo Kristiana voahosotra dia manantena fitsanganana amin’ny maty ho any an-danitra