Ny porofom-pitiavana roa lehibe indrindra azo nomena
“Tian’Andriamanitra aoka izany izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba hahazoan’iza na iza maneho finoana azy (...) ny fiainana mandrakizay.” — JAONA 3:16, MN.
1. Inona moa no tian’i Jaona holazaina tamin’ireto teny ireto: “Andriamanitra dia fitiavana”?
“ANDRIAMANITRA dia fitiavana.” Indroa ny apostoly Jaona no nanambara izany (I Jaona 4:8, 16). Eny, ny fitiavan’i Jehovah dia hafa noho ny fahendreny, ny fahamarinany sy ny heriny; satria izy DIA fitiavana. Ny tenany mihitsy no fisehoan’ny fitiavana. Manontany tena angamba ianao hoe: ‘Moa ve fantatro hoe nahoana Andriamanitra no fitiavana? Ary ho azoko hazavaina amin’ny alalan’ny porofo sy ny ohatra amin’ny olona iray ve izany? Inona moa no vokatr’izany eo amin’ny fiainako sy ny asa ataoko?’
2. Inona no porofo hita maso nomen’Andriamanitra ny amin’ny fitiavany?
2 Jehovah Andriamanitra dia nampiseho fitiavana imbetsaka tamin’ny zavaboariny olombelona. Saintsaino ny amin’ny hatsaran’ny masontsika tsy misy toy izany sy ny anjara asany, ny hamafin’ny taolantsika, ny herin’ny nofo sy hozatra sy ny fahalefaky ny fikasihana. Azontsika raisina ho antsika tokoa ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovanao ahy.” Jereo koa ny tendrombohitra manerinerina, ny sakeli-drano milamina ikorianan’ny rano madio, ny saha ravahan’ny voninkazo amin’ny lohataona, ny filentehan’ny masoandro kanto aoka izany. “Endrey ny hamaroan’ny asanao Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra. Henika ny zavatra nataonao ny tany.” — Salamo 139:14; 104:24.
3, 4. Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra inona avy no omen’ny Soratra hebreo?
3 Tsy nitsahatra nampiseho ny fitiavany Andriamanitra rehefa niodina taminy ny zavaboariny olombelona voalohany. Ohatra, namela azy hanan-taranaka izy, izay mety ho afaka hahita soa amin’ireo fandaharana horaisiny amin’ny alalan’ny ‘taranaka’ nampanantenainy. Izany dia mariky ny fitiavana (Genesisy 3:15). Taty aoriana dia nataony izay hanomanan’i Noa sambo fiara iray mba hitsimbinana ny taranak’olombelona sy ny zavaboary hafa teto an-tany (Genesisy 6:13-21). Avy eo dia naneho fitiavana lehibe tamin’i Abrahama izay nantsoina hoe sakaizan’i Jehovah izy (Genesisy 18:19; Isaia 41:8). Nampiseho ny fitiavany ihany koa Andriamanitra tamin’ny fanafahana ny taranak’i Abrahama izay nandevozina tany Egypta. Izao no vakintsika ao amin’ny Deoteronomia 7:8: “Fa ny fitiavan’i Jehovah anareo (...) no nitondran’i Jehovah anareo tamin’ny tànany mahery.”
4 Na dia tsy nitsahatra tamin’ny tsy fankasitrahany sy ny fikomiany aza ny Isiraelita, Jehovah dia tsy nanda azy avy hatrany. Nananatra azy ireny tamin’ny teny feno fitiavana kosa izy: “Mialà amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’Isiraely?” (Ezekiela 33:11). Kanefa na dia ny tanan’i Jehovah mihitsy aza no fisehoan’ny fitiavana, dia marina sy hendry koa izy. Tonga àry ny fotoana nahatratraran’ny vahoakany mpiodina ny fetran’ny faharipony. Nanao ny tafahoatra ny Isiraelita ka “tsy nisy nahavonjy azy”; noho izany dia navelany hoentina ho babo tany Babylona izy ireo (II Tantara 36:15, 16). Na dia tamin’izay aza dia tsy maty mandrakizay akory ny fitiavan’Andriamanitra; nataony izay hiverenan’ny sisa ho any amin’ny tany nahaterahany taorian’ny fitopolo taona. Vakio ny Salamo 126, dia ho hitanao ao ny fihetseham-po nanetsika ny anisan’io sisa io.
Miomana hanome ny porofon’ny fitiavany lehibe indrindra Jehovah
5. Nahoana no azo lazaina fa naneho ny porofon’ny fitiavany Andriamanitra tamin’ny nanirahana ny Zanany teto an-tany?
5 Taty aoriana teo amin’ny Tantara, dia tonga ny fotoana hanomezan’i Jehovah ny porofon’ny fitiavany lehibe indrindra, dia fitiavana voamariky ny toe-tsaina tia fahafoizan-tena tokoa. Nikarakara an’izany fisehoan-javatra izany Andriamanitra tamin’ny fanaovana izay hifindran’ny fiainan’ny Zanany lahitokana tany an-danitra ho ao an-kibon’i Maria, virjina jiosy (Matio 1:20-23; Lioka 1:26-35). Alao sary an-tsaina ange ny fisakaizana manokana tokoa namatotra hatramin’ny ela an’i Jehovah sy ny Zanany. Izao no ambara amintsika ny amin’ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha-olombelona azy, izay naseho ara-panoharana tamin’ny endriky ny fahendrena: “Dia mpità-marika teo anilany [Andriamanitra] aho, sady ravoravo isan-andro isan-andro, ka nilalao mandrakariva teo anatrehany.” (Ohabolana 8:30, 31). Noho izany, moa tokoa ve tsy sorona ho an’i Jehovah, araka ny hevitrao, ny tsy maintsy nisarahany tamin’ny Zanany lahitokana fotsiny?
6. Fahalianana inona no azo heverina fa nananan’i Jehovah ny amin’ny tapany voalohany tamin’ny fiainan’i Jesosy, toy ny ray tia iray?
6 Tsy isalasalana fa liana tokoa Jehovah nandinika ny fitomboan’ny Zanany hatreo amin’ny fahatorontoronina azy tamin’ny naha-olombelona. Ny fanahy masin’Andriamanitra dia nanaloka an’i Maria mba tsy hisy na inona na inona hanimba ny fitomboan’ilay zaza tao am-bohoka. Nataon’i Jehovah koa izay handehanan’i Josefa sy Maria ho any Betlehema noho ny fanisam-bahoaka, mba hahaterahan’i Jesosy any ka hahatanterahan’ny faminanian’i Mika 5:1. Nampilaza an’i Josefa tamin’ny alalan’ny anjely iray Jehovah ny amin’ny fikasan’i Heroda mpanjaka hampamono ny zazalahy rehetra; nandositra tany Egypta àry Josefa sy ny fianakaviany ary nijanona tany ambara-pahafatin’i Heroda (Matio 2:13-15). Taty aoriana dia tsy maintsy nitohy ny fiheveran’Andriamanitra ny fandrosoan’i Jesosy. Fahafinaretana toy inona moa no tsapany rehefa teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany Jesosy ka nahatalanjona ny mpampianatra sy izay rehetra tao amin’ny tempoly, tamin’ny fanontaniana napetrany sy ny valin-teny nomeny! — Lioka 2:42-47.
7. Manonòna fanambarana telo izay manaporofo ny fahalianana nananan’Andriamanitra ny amin’ny fanompoan’i Jesosy.
7 Valo ambin’ny folo taona taorian’izany, rehefa nanatona an’i Jaona mba hatao batisa i Jesosy dia teo Jehovah nandinika izay niseho. Tamin’izay, feno hafaliana izy ka nandefa ny fanahiny masina tamin’i Jesosy ary niteny hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17). Mety ho takatry ny ray kristiana rehetra ny fahafahampo tsy maintsy ho tsapan’Andriamanitra rehefa nanaraka ny fanompoan’i Jesosy izy, ka nahita ny fomba nanomezany voninahitra foana ny Rainy any an-danitra tamin’ny asa nataony. Indray andro Jesosy dia nitondra ny sasany tamin’ny mpianany teny amin’ny tendrombohitra avo iray. Teo Jehovah dia nampamirapiratra an’i Kristy tamin’ny hazavana mahagaga. Hoy ny Ray. “Ity no Zanako malalako izay sitrako; izy no henoy.” (Matio 17:5). Nanao izay handrenesana ny feony fanintelony indray Jehovah tamin’ny fotoana nivavahan’i Jesosy taminy mba hankalazany ny Anarany. Namaly Jehovah hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.” Toa natao indrindra ho an’i Jesosy ireo teny ireo, satria ny sasany tamin’ireo izay niaraka taminy teo dia nihevitra fa nisy anjely niteny taminy, ny hafa kosa nanao hoe kotrokorana izany. — Jaona 12:28, 29.
8. Inona no fihetseham-po tsapanao noho ny fitiavan’Andriamanitra?
8 Inona no fanatsoahan-kevitra azonao raisina avy tamin’io topi-maso fohy ny amin’ny fomba fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny zanany io sy ny fiheverany azy? Tokony hazava fa Jehovah dia tia ny Zanany lahitokana tokoa. Amin’ny fitadidiana izany sy ny fihetseham-po tsapan’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny olombelona eo anoloan’ny zanaka lahitokana iray, dia diniho izay niseho avy eo: ny fahafatesan’i Jesosy tamin’ny naha-sorona.
Ny porofom-pitiavana lehibe indrindra
9, 10. Inona moa no porofon’ny fitiavan’Andriamanitra lehibe indrindra nomeny ny olombelona, izay ampahatsiahivin’ny andalan-teny inona avy ao amin’ny Soratra Masina amintsika?
9 Ny Baiboly dia mampiseho fa ny Raintsika any an-danitra dia mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Ao amin’ny Isaia 63:9, dia izao no vakintsika ny amin’i Jehovah sy ny Isiraelita: “Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary ilay Anjelin’ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ny andro taloha ela rehetra.” Tena mbola fahoriana lehibe kokoa ho an’i Jehovah àry ny nahare ny “fitarainana mafy” sy nahita ny “ranomaso be” nalatsak’i Jesosy (Hebreo 5:7)! Tao an-jaridainan’i Getsemane Jesosy no nivavaka toy izany. Avy eo dia nosamborina izy, mody natao ny fitsarana azy, nokapohina sy novelezina izy ary nosatrohina satroboninahitra tsilo. Tadidio fa ny Rainy, izay tia azy fatratra, dia nandinika izany rehetra izany. Hitany koa Jesosy tafintohina novesaran’ny hazo fijaliana nentiny ary nahantona teo tamin’ny farany. Aoka tsy hohadinointsika fa ho afaka nitsimbina ny Zanany malala tamin’izany fijaliana mahatsiravina izany Andriamanitra kanefa dia navelany hahita izany Jesosy. Koa satria manana fihetseham-po Andriamanitra, ny fahitana ireo fisehoan-javatra ireo dia tsy isalasalana fa nahatonga fangirifiriana lehibe indrindra taminy, izay tsy mbola tsapany hatramin’izay na tsy ho tsapany mihitsy intsony.
10 Ny fandinihana vao avy nataontsika dia mahatonga antsika ho afaka hanombana ny tena hevitra fonosin’ny teny nataon’i Jesosy tamin’i Nikodemosy hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Ahitana hevitra mitovy amin’izany koa ao amin’ity fanambarana nataon’i Jaona, apostoly tian’i Jesosy, ity: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao (...) ho avotra noho ny fahotantsika.” — I Jaona 4:9, 10.
11. Amin’ny teny ahoana no ilazalazan’i Paoly ny porofon’ny fitiavana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra?
11 Izany rehetra izany dia manampy antsika hahatakatra ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 5:6-8, izay manandratra avo ny fitiavana mahatalanjon’i Jehovah Andriamanitra toy izao: “Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy. Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa. Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” Tamin’ny nanirahana ny Zanany lahitokana teto an-tany mba hijaly sy hahita fahafatesana faran’izay mahatsiravina indrindra, Jehovah dia nanome tokoa ny porofom-pitiavana lehibe indrindra.
Ny porofom-pitiavana lehibe indrindra faharoa
12, 13. a) Amin’ny ahoana ny porofon’ny fitiavana nomen’i Jesosy no tsy manam-paharoa? b) Ahoana no ilazalazan’i Paoly ny fitiavana lehibe nananan’i Jesosy?
12 Manontany tena angamba ianao hoe, inona moa no porofom-pitiavana lehibe indrindra faharoa. Jesosy Kristy dia nanambara hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:13). Marina fa nandritra ny Tantara dia nisy olombelona sasany nanao sorona ny ainy ho an’ny hafa; nefa izany dia fiainana voafetra; na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho faty ihany izy ireny. Jesosy Kristy kosa anefa dia olombelona lavorary, izay nanana zo ho amin’ny fiainana. Tsy nisy fahafatesana nolovana niandry azy, tahaka ny nahazo — sy mbola mahazo — ny sisa amin’ny olombelona ihany. Tsy nisy olona ho afaka haka an-keriny ny ain’i Jesosy koa (Jaona 10:18; Hebreo 7:26). Tadidio ny teniny manao hoe: “Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?” — Matio 26:53; Jaona 10:17, 18.
13 Ho tsapantsika tsara kokoa ny fitiavana nasehon’i Jesosy, amin’ny fandinihana ilay raharaha amin’ny endriny hafa. Nilaozany ny fiainana mahavariana nananany tany an-danitra, raha mbola zavaboary ara-panahy izy ka niara-niasa sy namana akaikin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao, dia ilay Mpanjaka mandrakizay. Kanefa natosiky ny fitiavana tsy mitady valiny izy ka nanana fihetsika toy izao voalazalazan’i Paoly izao: “Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza izy, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nana-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” — Filipiana 2:6-8.
14. Amin’ny teny ahoana no anehoan’ny mpaminany Isaia ny porofon’ny fitiavana lehibe nomen’i Jesosy?
14 Moa ve izany tsy porofon’ny fitiavana? Tena izany tokoa, ary koa porofom-pitiavana lehibe indrindra faharoa taorian’ny an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra. Ny teny ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny bokin’Isaia toko faha-53, dia vavolombelon’izay rehetra niaretan’i Jesosy: “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana (...). Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahoriana. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helontsika (...); ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika (...). Naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy.” — Isaia 53:3-5, 12.
15, 16. Teny nataon’i Jesosy inona no mampiseho ny sorona nasehon’io nataony io?
15 Noho izay rehetra tafiditra amin’ny fahafatesana hanjo azy dia nivavaka tao an-jaridainan’i Getsemane Jesosy: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Matio 26:39). Inona no nangatahin’i Jesosy tamin’ireo teny ireo? Moa ve nolaviny ny hiantsoroka ny anjara asany amin’ny maha-“Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” azy? (Jaona 1:29.) Tsy azo eritreretina izany satria nandritra ny fanompoany rehetra dia nilaza tamin’ny mpianany izy fa hampijalina ary hovonoina; notondroiny mihitsy aza ny karazam-pahafatesana hihatra aminy (Matio 16:21; Jaona 3:14). Noho izany, dia zavatra hafa no tsy maintsy tao an’eritreritr’i Jesosy, rehefa nanonona an’io vavaka io izy.
16 Ny nitana ny sain’i Jesosy dia tsy isalasalana mihitsy fa ny fiampangana ho miteny ratsy an’Andriamanitra hatao aminy. Izany dia ny heloka ratsy indrindra nety ho niampangana ny Jiosy iray. Nefa nahoana no miahy ny amin’ny fiampangana diso iray? Satria ao anatin’io tarehin-javatra io, ny fahafatesany dia hanala baraka ny Rainy any an-danitra. Ilay Zanak’Andriamanitra izay tsy nisy pentina, sady tia loatra ny rariny ka nankahala ny tsy fankatoavan-dalàna, ary tonga tetỳ an-tany mba hankalaza ny anaran’ny Rainy tokoa izao, dia hovonoin’ny vahoakan’Andriamanitra noho ny fitenenan-dratsy an’i Jehovah Andriamanitra. — Hebreo 1:9; Jaona 17:4.
17. Nahoana ny fahafatesana hodiavin’i Jesosy no nampiseho fisedrana mafy ho azy tokoa?
17 Nandritra ny fanompoany Jesosy dia nanambara hoe: “Manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany!” (Lioka 12:50). Ankehitriny dia tonga teo amin’ny fotoana lehibe indrindra tamin’io batisa io izy. Tsy isalasalana fa izany no nahatonga ny hatsembohany ho tahaka ny ra rehefa nivavaka izy (Lioka 22:44). Ankoatr’izany dia niantsoroka entana lehibe izy tamin’io alina io, entana izay tsy azontsika saintsainina ny havesany. Fantany fa tsy maintsy mitoetra ho mahatoky izy, raha tsy izany dia ho fahafaham-baraka toy inona moa izany ho an’i Jehovah! Hihambo Satana fa izy no nilaza ny marina, fa Jehovah kosa no diso. Fahafaham-baraka anefa ny an’i Satana Devoly, satria Jesosy tsy nivadika hatramin’ny fahafatesana! Noporofoiny tamin’izany fa Satana no mpandainga maharikoriko indrindra. — Ohabolana 27:11.
18. Inona moa no fanahiana tsapan’i Jesosy tamin’ny alina nisamborana azy?
18 Natoky aoka izany ny tsy fivadihan’ny Zanany Jehovah Andriamanitra, hany ka nambarany mialoha fa hitoetra ho mahatoky Jesosy (Isaia 53:9-12). Kanefa satria fantatr’i Jesosy koa fa tsy maintsy nitoetra ho mahatoky izy, dia adidy mavesatra no nipetraka taminy. Nety ho nanota izy (Lioka 12:50). Notandindomin-doza àry ny fiainanany mandrakizay sy ny an’ny taranak’olombelona manontolo tamin’io alina io. Fanahiana toy inona moa no tsy maintsy ho tsapan’i Jesosy! Raha nalemy izy ka nanota, dia tsy ho afaka nitalaho ny famindrampon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny soron’olon-kafa, tahaka ny ataon’ny zavaboary tsy tanteraka toa antsika.
19. Inona moa no notanterahin’i Jesosy noho ny fitondrantenany tsy nisy fitiavan-tena?
19 Tsy isalasalana mihitsy fa ny fiaretana nasehon’i Jesosy tamin’io andron’ny 14 Nisana tamin’ny taona 33 io dia mampiseho porofom-pitiavana tsy misy takalony lehibe indrindra, azon’ny olona iray nomena; ny an’i Jehovah irery ihany no nihoatra izany. Ary zava-mahatalanjona firy moa no notanterahin’i Jesosy ho antsika tamin’ny nahafatesany! Tonga ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” izy tamin’ny nahafatesany. (Jaona 1:29.) Namela ny 144 000 tamin’ireo mpianany ho tonga mpanjaka sy mpisorona izy mba hiarahan’izy ireo manjaka aminy mandritra ny arivo taona (Apokalypsy 20:4, 6). Ankoatr’izany, ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” dia mandray soa ankehitriny noho ny soron’i Kristy, ka afaka manantena ny ho tafita velona amin’ny faran’izao fandehan-javatra izao. Ireny olona ireny no hifaly voalohany amin’ireo fitahiana hoentin’ny Paradisa eto an-tany. Tsy isalasalana fa hisy olombelona an-davitrisany maro koa hatsangana avy amin’ny fahafatesana, noho ny soron’i Jesosy. Hisokatra ho azy ireny koa ny fahafahana hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany (Apokalypsy 7:9-14; Jaona 10:16; 5:28, 29). Raha ny marina, “na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ‘eny’ ”, izany hoe ao amin’i Jesosy Kristy. — II Korintiana 1:20.
20. Inona no tokony ho fihetsika ananantsika eo anoloan’ny porofom-pitiavana roa lehibe indrindra nasehon’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy?
20 Mety tanteraka àry ny hanehoantsika fankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy noho izay rehetra nataony ho antsika, tamin’ny nanomezany ireo porofom-pitiavana roa lehibe indrindra ireo. Tokony hasehontsika amin’izy ireo izany fankasitrahana izany, ary tsy hahita soa feno avy amin’ireo isika raha tsy hasehontsika aminy izany. Ny lahatsoratra manaraka dia manondro ny sasany amin’ireo fomba tsara indrindra, azontsika anaovana izany.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa ireo porofon’ny fitiavan’Andriamanitra azon’ny olombelona rehetra jerena?
◻ Ahoana moa no ahafahantsika mahafantatra fa nijaly Jehovah rehefa nahita ny fijalian’ny Zanany?
◻ Amin’ny ahoana ny fahafatesan’i Jesosy ho an’ny olombelona no hafa noho ny an’ny olon-kafa izay nety ho nanolotra ny ainy?
◻ Inona moa no tokony ho vokatry ny fitiavana nasehon’i Jehovah sy Jesosy eo amintsika?