-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Vokany teo amin’ny taranak’olombelona. “Avy tamin’ny olona iray”, hoy ny Romanina 5:12, no nidiran’ny ota “ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Ampit. 1Jn 1:8-10.) Izao no anazavan’ny sasany an’io andininy io: Niombona tamin’io ota voalohany nataon’i Adama io, hono, ny taranany ho avy rehetra, satria izy no loham-pianakaviana sy nisolo tena azy ireo ka niombon-keloka taminy izy ireo. Ny fahafatesana anefa no nolazain’i Paoly hoe “niely” tamin’ny taranak’i Adama, izany hoe niely tsikelikely fa tsy hoe indray niaraka.
Hoy ihany i Paoly: “Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana, eny, na teo amin’ireo tsy nanao fahotana toy ny an’i Adama aza.” (Ro 5:14) Mety ny hilazana ny fahotan’i Adama hoe fandikan-dalàna, satria nandika ny lalàna nambaran’Andriamanitra taminy izy. An-tsitrapo no nanotany satria olombelona lavorary sy tsy nanan-kilema izy, fa ny taranany kosa tsy lavorary daholo. Hita amin’izany fa tsy marina ilay hoe ‘rehefa nanota i Adama, dia niara-nanota taminy ny taranany mbola tsy teraka.’ Tsy azo atao ampamoaka ho niombona ota tamin’i Adama ny taranany rehetra raha tsy hoe sitrapon’izy ireo mihitsy angaha ny nanaiky an’i Adama ho loham-pianakaviany. Tsy sitrapon’izy ireo mihitsy anefa ny ho taranak’i Adama. Teraka noho ny sitrapon’ny nofon’i Adama sy Eva kosa izy ireo.—Jn 1:13.
Voaporofo àry fa nifindra avy tamin’i Adama ho amin’ny taranany nifandimby ny ota, vokatry ny lalàn’ny fifandovan-toetra. Niresaka momba izany ny mpanao salamo. Hoy izy: “Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko tao anatin’ny fanaintainana. Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.” (Sl 51:5) Nifindra tamin’ny taranak’olombelona àry ny ota sy ny vokatry ny ota, satria i Adama (fa tsy i Eva) no razamben’ny olombelona, na aina niavian’izy ireo. Tsy dia noho i Adama loham-pianakavian’ny olombelona loatra no nahatonga ny taranany handova ota. I Adama (sy i Eva vadiny) no tsy maintsy notahafin’ny taranany, na teo amin’ny bika aman’endrika izany na ny toetra, anisan’izany ilay toetra hoe mora manota.—Ampit. 1Ko 15:22, 48, 49.
Nanamafy izany koa i Paoly. Hoy izy: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray [Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray [Kristy Jesosy].” (Ro 5:19) Mahatonga ny olona ho marina àry ny fankatoavan’i Kristy. Tsy tonga olo-marina avy hatrany anefa ny olon-drehetra raha vao nanolotra an’ilay sorom-panavotana tamin’Andriamanitra i Kristy. Nitombo tsikelikely kosa ny olona nandray soa tamin’io sorona io, arakaraka ny nanehoany finoana azy io sy nihavanany tamin’Andriamanitra. (Jn 3:36; As 3:19) Nihamaro tsikelikely toy izany koa ireo mpanota taranak’i Adama, arakaraka ny niterahan’ireo ray aman-dreny mpanota taranak’i Adama.
-
-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Ota sy lalàna. Hoy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra zatra manota dia zatra mandika lalàna koa. Koa fandikan-dalàna àry ny fahotana.” (1Jn 3:4) Hoy koa izy: “Ota daholo ny tsy fahamarinana rehetra.” (1Jn 5:17) Niresaka momba “izay rehetra nanota tsy nanana lalàna” koa i Paoly. Hoy izy avy eo: “Teo amin’izao tontolo izao ny fahotana mandra-pahatongan’ny Lalàna [nomena tamin’ny alalan’i Mosesy]. Tsy misy olona ampangaina ho manota anefa rehefa tsy misy lalàna. Na izany aza dia nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana, eny, na teo amin’ireo tsy nanao fahotana toy ny an’i Adama aza.” (Ro 2:12; 5:13, 14) Mila jerena ny teny manodidina mba hahazoana ny dikan’izany. Asehon’ireo teniny any aloha kokoa mantsy fa nampitaha an’ireo olona teo ambanin’ny Lalàna sy ireo tsy teo ambanin’ny Lalàna i Paoly, ka nanazava fa samy mpanota ireo sokajin’olona ireo.—Ro 3:9.
Tsy nanome ho an’ny taranak’olombelona lalàna maro sy be tsipiriany momba izay rehetra atao hoe ota Andriamanitra, nandritra ny 2 500 taona teo ho eo, nanomboka tamin’ny nikomian’i Adama ka hatramin’ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny 1513 T.K. Marina aloha fa nisy didy ihany nomeny, toa an’ilay nomeny an’i Noa taorian’ny Safodrano (Ge 9:1-7) sy ilay fifanekena momba ny famorana izay nataony tamin’i Abrahama sy ny ankohonany ary ny mpanompony hafa firenena. (Ge 17:9-14) Izao anefa no nolazain’ny mpanao salamo momba ny Israely: “Milaza ny teniny amin’i Jakoba [Andriamanitra]. Ary lazainy amin’ny Israely ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany. Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa izy. Ary ny didim-pitsarany tsy mba fantatr’ireny.” (Sl 147:19, 20; ampit. Ek 19:5, 6; De 4:8; 7:6, 11.) Izao no voalaza momba ilay fifaneken’ny Lalàna natao tamin’ny Israely: “Izay manao ny fahamarinana avy amin’ny Lalàna no ho velona amin’ny alalan’izany.” Ny Lalàna no namaritra ny atao hoe lavorary. Izay olona mahatandrina azy io àry dia lavorary ka mendrika ny hahazo ny fiainana toa an’i Kristy Jesosy. (Ro 10:5; Mt 5:17; Jn 8:46; He 4:15; 7:26; 1Pe 2:22) Hafa mihitsy àry ny Lalàn’i Mosesy, fa tsy toy ny lalàna hafa nomena nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny fifaneken’ny Lalàna.
‘Voajanahary aminy ny manao izay takin’ny lalàna.’ Tsy nisy lisitra lalàna nanameloka an’izay nanao ratsy, tamin’ny andron’i Adama ka hatramin’i Mosesy. Tsy midika anefa izany hoe tsy nanota ny olona tamin’izany. Hoy i Paoly: “Manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany. Koa isaky ny manao izany ireny olona ireny, dia efa lalàna ho an’ny tenany izy, na tsy manana lalàna aza. Ny tenany mihitsy no mampiseho fa voasoratra ao am-pony ny votoatin’ny lalàna, ary ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.” (Ro 2:14, 15) Natao araka ny endrik’Andriamanitra sy misy itovizana aminy ny olona. Mahay manavaka ny mety sy tsy mety àry izy, ka manana feon’ny fieritreretana. Hita amin’ny tenin’i Paoly fa mbola ao amin’ny olona foana izy io, na dia lasa tsy lavorary sy mpanota aza izy ireo. (Jereo FEON’NY FIERITRERETANA.) ‘Fitsipika momba ny fitondran-tena’ no atao hoe lalàna. Azo lazaina hoe lalàna ao am-pon’ny olona, araka izany, ny fahaizany manavaka ny mety sy ny tsy mety. Manohitra an’io lalàna ao am-pony io anefa ny lalàna hafa iray nolovany, dia ny ‘lalàn’ny ota.’ Miady amin’ny faniriana hanao ny tsara izy io, ary manandevo an’izay olona manaiky ho resiny.—Ro 6:12; 7:22, 23.
Hita hoe niasa ny feon’ny fieritreretan’i Kaina ary mbola tao aminy ilay fahatsapana ny mety sy ny tsy mety, satria tsy namaly mivantana ny fanontanian’i Jehovah izy rehefa avy namono an’i Abela. Nanameloka azy mantsy ny feon’ny fieritreretany, na dia mbola tsy nanome lalàna momba ny famonoana olona aza Andriamanitra. (Ge 4:8, 9) Hita amin’ny tenin’i Josefa hebreo koa hoe tao am-pony ny lalàn’Andriamanitra, satria izao no navaliny ny vadin’i Potifara izay nitaona azy hanao firaisana: “Hataoko ahoana ny hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Mbola tsy nanameloka mivantana ny fanitsakitsaham-bady Andriamanitra, nefa fantatr’i Josefa fa ratsy izany ary tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra nambara tamin’ny olombelona tany Edena.—Ge 39:7-9; ampit. Ge 2:24.
Milaza ny Soratra Masina fa nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama ka hatramin’izy 12 lahy zanak’i Jakoba, dia nisy olona samy hafa foko sy firenena nampiasa ny teny hoe ota (hattaʼt), anisan’izany ny ota tamin’ny mpampiasa (Ge 31:36), tamin’ny mpanjaka (Ge 40:1; 41:9), tamin’ny havana (Ge 42:22; 43:9; 50:17) ary tamin’ny olona hafa (Ge 20:9). Hita fa niaiky izy ireo hoe olona nanana fifandraisana taminy no nanotany, na noheverina fa nanotany. Neken’izy ireo koa fa tokony ho nitady izay hahasoa an’ilay olona izy, na nanaiky ny sitrapony sy ny fahefany (raha mpitondra izy io), fa tsy nandika izany. Nahatsapa ny atao hoe mety sy tsy mety izy ireo, araka izany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nihanangeja an’ireo olona tsy nanompo an’Andriamanitra ny ota, ka nilaza mihitsy i Paoly hoe “maizin-tsaina sy lavitra ny fiainana avy amin’Andriamanitra” ireo hafa firenena, ary “efa tsy mahalala menatra intsony.”—Ef 4:17-19.
-