-
BatisaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Efa nisy nataon’i Jaona batisa tao anaty rano ny apostolin’i Jesosy Kristy. (Jn 1:35-37; 4:1) Mbola tsy natao batisa tamin’ny fanahy masina anefa izy ireo, rehefa nilazan’i Jesosy fa hatao batisa amin’ny batisa toy ny azy, dia ny batisa ho amin’ny fahafatesany. (Mr 10:39) Tsy mitovy àry ny batisa ao anaty rano sy ny batisa ho amin’ny fahafatesany. Hoy i Paoly tamin’ny fiangonana tany Roma: “Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?”—Ro 6:3.
I Jehovah Andriamanitra no manao batisa ho amin’i Kristy Jesosy sy ho amin’ny fahafatesany. Nohosorany tamin’ny fanahiny i Jesosy, ka lasa Kristy na Voahosotra. (As 10:38) Nataon’Andriamanitra batisa tamin’ny fanahy masina i Jesosy, mba ho azo atao batisa amin’ny fanahy masina amin’ny alalan’i Jesosy koa ny mpianany. Izay rehetra hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra àry dia tokony hatao “batisa ho amin’i Kristy Jesosy”, izany hoe ho amin’i Jesosy Voahosotra, izay lasa ho zanak’Andriamanitra nateraky ny fanahy rehefa nohosorana tamin’ny fanahy. Lasa tafaray amin’i Jesosy, ilay Lohany, izy ireo, ary anisan’ny fiangonana izay oharina amin’ny vatan’i Kristy.—1Ko 12:12, 13, 27; Kl 1:18.
-
-
BatisaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Mifanaraka amin’ity voalazan’ny Romanina 6:3 ity izany: “Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?” Tsy atao batisa ho solon’ny maty akory ireo Kristianina ireo, fa atao batisa kosa mba hahazoany fitsanganana toy ny an’i Kristy.
-