-
Mpanome LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nahariharin’ny Lalàna nomena ny Israely fa mpanota daholo ny olona rehetra, na Israelita na mpanompo sampy. Nanjary tsapan’ny Israelita tsara fa tsy nahavita nanaraka an’ireo fitsipik’Andriamanitra tonga lafatra izy ireo, tamin’ny lafiny maro. ‘Voatampina [àry] ny vava rehetra ary hiharan’ny sazy avy amin’Andriamanitra izao tontolo izao. Fa ny lalàna no ahafantarana marina tsara ny atao hoe ota.’ (Ro 3:19, 20) Mety ho tsy nanompo sampy na nihinan-dra na namono olona ny Israelita iray, nefa mbola mpanota foana izy teo anatrehan’ny Lalàna. Fanao sy toe-tsaina maro koa mantsy no nofaritan’ny Lalàna hoe ota. Hoy àry i Paoly: “Tsy ho nahafantatra ny ota ... aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ ... Raha ny marina, dia velona tsy nanan-dalàna aho fahiny. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.” Te hilaza izy eo hoe toy ny efa tao an-kibon’ny razambeny izy talohan’ny nanomezana ny Lalàna.—Ro 7:7-9.
-
-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nahoana no lazaina hoe ‘nahita hirika ny ota’ noho ny didy nomena ny Israely?
Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy ahafahana manambara olona ho marina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra ny Lalàn’i Mosesy. Hoy izy: “Fony nanaraka ny filan’ny nofo isika, dia niasa tao amin’ny vatantsika ny filan-dratsy izay nahariharin’ny Lalàna, mba hamokarantsika ho an’ny fahafatesana. ... Inona àry no holazaintsika? Ota ve ny Lalàna? Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota anefa aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ Fa noho ny didy, dia nahita hirika hampisy fitsiriritana isan-karazany tato anatiko ny ota. Fa maty ny ota raha tsy misy lalàna.”—Ro 7:5-8.
Tsy ho nahalala ny tena atao hoe ota ny apostoly Paoly, raha tsy noho ny Lalàna. Ny Lalàna, ohatra, no nahafantarany hoe ota ny fitsiriritana. Nilaza izy fa ‘nampiharihary’ ny filan-dratsy ny Lalàna, ary nampisy hirika ho an’ny ota ny didy mandrara ny fitsiriritana. Manampy antsika hahazo ny dikan’izany ny tenin’i Paoly hoe: “Maty ny ota raha tsy misy lalàna.” Tsy azo nampangaina ho nanota ny olona iray, raha tsy efa nofaritana mazava hoe ota ilay nataony. Tsy meloka ho nahavita ota mbola tsy nofaritana mazava i Paoly sy ny mpiray firenena taminy, raha mbola tsy nisy ny Lalàna. Rehefa nisy ny Lalàna vao nambara ho mpanota izy ireo ka voaheloka ho faty. Nanjary tsapan’izy ireo kokoa hoe mpanota izy, noho ny Lalàna. Tsy nahatonga azy ireo hanota ny Lalàn’i Mosesy, fa nampiharihary kosa hoe mpanota izy ireo. Nahita hirika àry ny ota noho ny Lalàna, ka niteraka ota tao amin’i Paoly sy ny mpiray firenena taminy. Maro kokoa no nomelohin’ny Lalàna ho mpanota, ary nihamaro koa ny antony azo nanamelohana azy ireo.
“Ota ve ny Lalàna?” Tsy izany mihitsy! (Ro 7:7) Tena nahatratra ny tanjona nanaovan’Andriamanitra azy ny Lalàna, satria tsy vitan’ny hoe mpitari-dalana nahasoa sy niaro izy io, fa nanome porofo ara-dalàna koa fa mpanota ny olona rehetra, anisan’izany ny Israelita, ka nila fanavotana avy tamin’Andriamanitra. Ny Lalàna koa no nanampy an’ireo Israelita hanaiky hoe i Kristy no ilay Mpanavotra nandrandrainy.
-