Jehovah, Andriamanitra “Vonona Hamela Heloka”
“Ianao, Jehovah ô, no tsara sady vonona hamela heloka”. — SALAMO 86:5, NW.
1. Enta-mavesatra inona no nentin’i Davida Mpanjaka, ary ahoana no nahitany fampiononana ho an’ny fony feno fanahiana?
I DAVIDA, Mpanjakan’ny Isiraely fahizay, dia nahafantatra fa tena nety havesatra tokoa ny fieritreretana meloka. Hoy ny nosoratany: ‘Ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ny foko.’ (Salamo 38:4, 8). Nahita fampiononana ho an’ny fony feno fanahiana anefa i Davida. Fantany fa na dia mankahala ny ota aza i Jehovah, dia tsy mankahala ilay nanota — raha tena mibebaka sy miala amin’ny fahotany tokoa izy io. (Salamo 32:5; 103:3). Nanam-pinoana feno ny fahavononan’i Jehovah haneho famindram-po amin’ireo mibebaka i Davida, rehefa nanao hoe: “Ianao, Jehovah ô, no tsara sady vonona hamela heloka”. — Salamo 86:5, NW.
2, 3. a) Rehefa manota isika, ho vokany, dia enta-mavesatra inona no mety hoentintsika, ary nahoana izany no mahasoa? b) Inona no loza ateraky ny fanekena ho “resin’ny” fahatsapana ho meloka? d) Inona no toky omen’ny Baiboly antsika momba ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka?
2 Rehefa manota isika, isika koa dia mety ho torovana noho ny vesatry ny fieritreretana mampijaly, vokatry ny fahotantsika. Io fahatsapana nenina io dia ara-dalàna, mahasoa mihitsy aza. Afaka manosika antsika hanao dingana mba hanarenana ny fahadisoana nataontsika izy io. Ny Kristiana sasany anefa dia nanjary novesaran’ny fahatsapana ho meloka. Ny fony manamelo-tena dia mety hanizingizina fa tsy hamela azy amin’ny fomba feno Andriamanitra, na dia mibebaka toy inona aza izy. “Tena mahatsiravina ny mieritreritra hoe mety tsy ho tia anao intsony i Jehovah”, hoy ny anabavy iray, nisaintsaina momba ny fahadisoana iray nataony. Na dia rehefa avy nibebaka sy nanaiky ny torohevitra mahasoa avy tamin’ireo loholon’ny kongregasiona aza izy, dia mbola nahatsiaro ho tsy mendrika ny famelan’Andriamanitra ihany. Hoy ny nohazavainy: “Tsy misy andro mandalo ka tsy angatahako ny famelan’i Jehovah.” Raha manjary “resin’ny” fahatsapana ho meloka isika, i Satana dia mety hitady hanakivy antsika sy hahatonga antsika hihevi-tena ho tsy mendrika ny hanompo an’i Jehovah. — 2 Korintiana 2:5-7, 11.
3 Tsy izany mihitsy anefa no fomba fiheveran’i Jehovah zavatra! Manome toky antsika ny Teniny fa rehefa maneho fibebahana marina avy amin’ny fo isika, i Jehovah kosa dia vonona hamela heloka. (Ohabolana 28:13). Koa raha nihevitra ianao fa toy ny hoe tsy ho azonao ny famelan’Andriamanitra, angamba ny ilainao dia ny fahatakarana tsara kokoa ny antony sy ny fomba amelany heloka.
Nahoana i Jehovah no “vonona hamela heloka”?
4. Inona no tadidin’i Jehovah momba ny toetrantsika, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny fomba itondrany antsika?
4 Izao no vakintsika: “Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’Iaveh an’izay matahotra azy.” Nahoana i Jehovah no vonona hampiseho famindram-po? Mamaly izany toy izao ny andinin-teny manaraka: “Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Ny Salamo 103:12-14, Fandikan-teny Katolika). Eny, tsy hadinon’i Jehovah fa zavaboary vovoka isika, manan-toetra marefo sy malemy, izay vokatry ny tsy fahatanterahana. Ilay filazana hoe fantany “izay iforonantsika” dia mampahatsiahy antsika fa ny Baiboly dia mampitaha an’i Jehovah amin’ny mpanefy tanimanga iray, ary mampitaha antsika amin’ny vilany foronin’izy io.a (Jeremia 18:2-6). Ny mpanefy tanimanga dia mandray ireo vilaniny tanimanga amin’ny fomba henjana nefa feno fitandremana, noho ny fitadidiana foana izay tena mahaforona azy io. Toy izany koa, i Jehovah, ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe, dia manalefaka ny fifampiraharahany amintsika araka ilay toetrantsika mpanota izay marefo. — Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 4:7.
5. Ahoana no ilazan’ny bokin’ny Romana ny hamafin’ny fangejan’ny ota ny nofontsika lavo?
5 Takatr’i Jehovah tsara fa tena mahery ny ota. Ny Soratra Masina dia milaza ny ota ho hery matanjaka iray izay mangeja ka mahafaty ny olombelona. Manao ahoana tokoa ny fangejan’ny ota? Ao amin’ny bokin’ny Romana, ny apostoly Paoly nahazo tsindrimandry dia manazava izany amin’ny teny mahatonga sary ao an-tsaina, toy ny hoe: “Eo ambany fahefàn’ny fahotana” isika, toy ny miaramila eo ambany fahefan’ny lehibeny; (Rômanina 3:9, DIEM ); ‘nanjaka’ teo amin’ny olombelona toy ny mpanjaka izy; (Romana 5:21); “mitoetra” ao anatintsika izy; (Romana 7:17, 20); miasa ao amintsika mandrakariva ny ‘lalàny’, ka toy ny hoe mitady hifehy ny lalana arahintsika. (Romana 7:23, 25). Toy inona moa ny hasarotry ny ady ataontsika mba hanoherana ny fangejan’ny ota mafy ny nofontsika lavo! — Romana 7:21, 24.
6. Ahoana no fomba fiheveran’i Jehovah an’ireo izay mitady ny famindram-pony amin’ny fo feno fanenenana?
6 Araka izany, ilay Andriamanitsika be famindram-po dia mahafantatra fa tsy afaka maneho fankatoavana tonga lafatra isika, na toy inona na toy inona mety ho fanirian’ny fontsika hanome izany ho azy. (1 Mpanjaka 8:46). Manome toky antsika amim-pitiavana izy hoe rehefa feno fanenenana ny fontsika ka mitady ny famindram-pony, izay toy ny an’ny ray, dia haneho famelan-keloka izy. Hoy i Davida, mpanao salamo: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Salamo 51:17). I Jehovah dia tsy handa, na hanilika na oviana na oviana ny fo iray izay torotoro sy mangorakoraka noho ny havesatry ny fahatsapany ho meloka. Endrey izany hakanton’ny filazana ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka!
7. Nahoana isika no tsy afaka manantena foana ny famindram-pon’Andriamanitra?
7 Midika ve anefa izany fa afaka manantena foana ny famindram-pon’Andriamanitra isika, ka hampiasa ny toetrantsika mpanota ho fialan-tsiny mba hanotana? Tsy izany velively! Tsy tarihin’ny fihetseham-po akory i Jehovah. Manam-petra ny famindram-pony. Tsy hamela ny helok’ireo izay mafy fo ka zatra manota amin-karatsiam-panahy sy an-tsitrapo ary tsy mibebaka, izy. (Hebreo 10:26-31). Etsy an-danin’izany, rehefa mahita fo iray izay “torotoro sy mangorakoraka” izy, dia “vonona hamela heloka”. (Ohabolana 17:3). Andeha isika handinika ny sasany amin’ireo fomba fiteny mazava tsara ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazana fa mamela heloka amin’ny fomba feno Andriamanitra.
Amin’ny ahoana no hoe mamela heloka amin’ny fomba feno i Jehovah?
8. Inona no ataon’i Jehovah, raha ny marina, rehefa mamela ny fahotantsika izy, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?
8 Hoy i Davida Mpanjaka nibebaka: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.” (Salamo 32:5; izahay no manao sora-mandry.) Ny teny hoe “namela” dia mandika teny hebreo iray izay midika hoe “manainga”, “mibata, mitondra”. Ny fampiasana azy io eto dia midika hoe ‘manaisotra ny fahatsapana ho meloka, ny ota, ny fanotana’. Koa azo lazaina hoe nanainga ny otan’i Davida sy nitondra azy ireo hiala àry i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 16:20-22.) Izany dia tsy isalasalana fa nampitony ny fahatsapana ho meloka nozakain’i Davida. (Ampitahao amin’ny Salamo 32:3.) Isika koa dia afaka manana fatokiana feno an’ilay Andriamanitra mamela ny helok’ireo izay mitady ny famelany, miorina amin’ny finoany ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Matio 20:28; ampitahao amin’ny Isaia 53:12.) Ireo izay ningain’i Jehovah toy izany ny otany ka nentiny hiala, dia tsy voatery hitondra foana ny havesatry ny fahatsapana ho meloka noho ireo ota tamin’ny lasa.
9. Inona no hevitry ny tenin’i Jesosy hoe: “Mamelà ny trosanay”?
9 I Jesosy dia nampiasa ny fifandraisan’ny tompon-trosa sy ny mpitrosa mba hampisehoana ny fomba amelan’i Jehovah heloka. Ohatra, nampirisika antsika hivavaka i Jesosy hoe: “Mamelà ny trosanay”. (Matio 6:12, fanamarihana ambany pejy). Tamin’izany izy dia nampitovy ny “heloka” tamin’ny “trosa”. (Lioka 11:4). Rehefa manota isika, dia tonga “mpitrosa” amin’i Jehovah. Ilay matoanteny grika nadika hoe “mamela heloka” dia afaka midika hoe “mamela handeha, mamoy trosa iray amin’ny tsy fitakiana azy”. Rehefa mamela heloka i Jehovah, izany dia toy ny hoe manafoana ilay trosa izy, trosa izay mbola hisainy ho helotsika ihany, raha tsy izany. Afaka mahita fampiononana avy amin’izany àry ireo mpanota mibebaka. Tsy hitaky na oviana na oviana ny handoavana trosa iray izay efa nofoanany, i Jehovah! — Salamo 32:1, 2; ampitahao amin’ny Matio 18:23-35.
10, 11. a) Inona no sary ampitain’ilay teny hoe ‘hamonoana’ hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:19? b) Ohatra inona no mampiseho fa mamela heloka amin’ny fomba feno i Jehovah?
10 Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:19, ny Baiboly dia mampiasa sarin-teny mazava tsara iray hafa mba hilazana ny famelan’Andriamanitra heloka: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo”. Ilay teny hoe “hamonoana” dia mandika matoanteny grika iray izay afaka midika hoe “mamafa, mampanjavona, manafoana na mandringana”, rehefa ampiasaina an’ohatra. Araka ny manam-pahaizana sasany, ilay sary ampitain’izany dia ny an’ny famafana sora-tanana iray. Ahoana no netezan’izany? Ilay ranomainty fampiasa tamin’ny andro fahiny dia vita tamin’ny fampifangaroana arina sy ditin-kazo ary rano. Rehefa avy nanoratra tamin’izany ranomainty izany ny olona iray, vetivety avy eo izy dia afaka naka sponjy lena sy namafa ilay soratra.
11 Izany dia sary mahafinaritra iray mampiseho fa mamela heloka amin’ny fomba feno i Jehovah. Rehefa mamela ny fahotantsika izy, dia toy ny hoe maka sponjy iray ka mamafa azy ireo. Tsy mila ny hatahotra isika hoe hampiasa ireny fahotana ireny izy mba hamelezana antsika any aoriana, satria ny Baiboly dia mampiharihary zavatra iray hafa momba ny famindram-pon’i Jehovah izay tena mahavariana, dia ny hoe: Rehefa mamela heloka izy, dia manadino!
“Tsy hotsarovako intsony ny fahotany”
12. Rehefa milaza ny Baiboly hoe manadino ny fahotantsika i Jehovah, moa ve izany midika fa tsy afaka mahatsiaro azy ireo izy, ary nahoana ianao no mamaly toy izany?
12 Tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, i Jehovah dia nampanantena toy izao, momba ireo izay ao amin’ilay fanekena vaovao: “Havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jeremia 31:34). Midika ve izany fa rehefa mamela heloka i Jehovah, dia tsy afaka mahatadidy ireo fahotana intsony? Tsy hety mihitsy izany. Ny Baiboly dia milaza amintsika ny amin’ny fahotan’ny olona maro izay navelan’i Jehovah heloka, anisan’izany i Davida. (2 Samoela 11:1-17; 12:1-13). Miharihary fa mbola mahafantatra ny fahadisoana nataon’izy ireny i Jehovah, ary tokony ho izany koa isika. Ny fitantarana momba ny fahotan’izy ireo, ary koa ny fibebahany sy ny famelan’Andriamanitra, dia notsimbinina mba hahasoa antsika. (Romana 15:4). Inona àry no tian’ny Baiboly holazaina rehefa milaza izy fa tsy ‘mahatsiaro’ ny fahotan’ireo izay navelany heloka i Jehovah?
13. a) Inona no tafiditra amin’ny hevitr’ilay matoanteny hebreo nadika hoe “Hotsarovako”? b) Rehefa milaza i Jehovah hoe: “Tsy hotsarovako intsony ny fahotany”, inona no toky omeny antsika?
13 Ilay matoanteny hebreo nadika hoe “hotsarovako” dia milaza zavatra mihoatra noho ny fahatsiarovana ny lasa fotsiny. Araka ny Theological Wordbook of the Old Testament, dia tafiditra ao amin’izy io “ilay hevitra fanampiny hoe manao zavatra mifanentana amin’ny natao”. Koa amin’io heviny io àry, ny hoe ‘mahatsiaro’ fahotana dia milaza fanaovan-javatra hamelezana an’ireo mpanota. Rehefa nilaza momba an’ireo Isiraelita nania i Hosea mpaminany hoe: “Hotsarovan[’i Jehovah] ny helony”, ny tiany holazaina dia hoe hanao zavatra hamelezana azy ireo noho ny tsy fibebahany i Jehovah. Araka izany, dia hoy ny sisa amin’ilay andinin-teny: “Hovalian[y] ny fahotany.” (Hosea 9:9). Etsy an-danin’izany, rehefa milaza i Jehovah hoe: “Tsy hotsarovako intsony ny fahotany”, dia manome toky antsika izy fa raha vao mamela ny heloky ny mpanota iray mibebaka izy, dia tsy hanao zavatra hamelezana azy io noho ireny fahotana ireny any aoriana any. (Ezekiela 18:21, 22). Manadino àry izy amin’ny heviny hoe tsy mamerimberina mampahatsiahy antsika ny fahotantsika mba hiampangana na hanasaziana antsika tsy an-kijanona. Amin’izany i Jehovah dia manome ohatra faran’izay tsara hotahafintsika eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa. Rehefa mipoitra ny tsy fifanarahana, ny tsara indrindra dia ny tsy mamoha fahadisoana tamin’ny lasa izay efa nekenao fa havelanao.
Ahoana ny amin’ireo vokatry ny fahotantsika?
14. Nahoana ny famelan-keloka no tsy midika fa tsy hiharan’ny vokatry ny zava-dratsy nataony ny mpanota mibebaka iray?
14 Moa ve ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka midika fa ny mpanota mibebaka iray dia tsy hiharan’ny vokatry ny zava-dratsy nataony? Tsia. Tsy afaka manota isika ka hoe ho afa-maina. Hoy ny nosoratan’i Paoly: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Mety hiatrika vokatry ny zavatra nataontsika na ny zava-manahirana antsika isika, nefa rehefa avy naneho famelan-keloka i Jehovah, dia tsy mahatonga zava-dratsy amintsika. Rehefa mipoitra ny zava-manahirana, ny Kristiana iray dia tsy tokony hihevitra hoe: ‘Angamba i Jehovah manasazy ahy noho ireo fahotako tamin’ny lasa.’ (Ampitahao amin’ny Jakoba 1:13.) Etsy an-danin’izany, i Jehovah dia tsy mitsimbina antsika amin’ireo vokatra rehetran’ny zava-dratsy ataontsika. Ny fisaraham-panambadiana, ny fitondrana vohoka tsy nirina, ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ny famoizana ny fitokiana sy ny fanajan’ny hafa — izany rehetra izany dia mety ho ny vokatra mampalahelon’ny fahotana, ary tsy miaro antsika amin’ireo i Jehovah. Tsarovy fa na dia namela ny helok’i Davida nifandray tamin’i Batseba sy i Oria aza i Jehovah, dia tsy niaro azy tamin’ireo voka-dratsy naterak’izany. — 2 Samoela 12:9-14.
15, 16. Inona no soa azon’ilay niharam-pahavoazana sy ilay nanao ratsy, avy tamin’ilay lalàna voarakitra ao amin’ny Levitikosy 5:20-26?
15 Mety hisy vokany hafa koa ny fahotantsika. Raiso, ohatra, ny fitantarana ao amin’ny Levitikosy toko faha-5. Ny Lalàn’i Mosesy ao dia miresaka momba ny tarehin-javatra mahakasika olona iray nanao ratsy lehibe iray tamin’ny fandrobana ny fananan’ny Isiraelita iray hafa tamin’ny alalan’ny halatra, ny fakana an-keriny na ny fitaka. Tsy nanaiky ho meloka ilay nanota, ka sahisahy ratsy nianiana lainga mihitsy aza. Izay iray marina: na ny teniny na ny an’ny hafa. Tatỳ aoriana anefa, dia nenjehin’ny eritreriny ilay nanao ratsy ka niaiky ny helony. Mba hahazoana ny famelan’Andriamanitra, dia tsy maintsy nanao zavatra telo fanampiny izy: namerina izay nalainy, sy nandoa tamin’ilay voaroba, sazy 20 isan-jaton’ny nalainy, ary nanolotra ondrilahy iray ho fanati-panonerana. Avy eo, dia hoy ilay lalàna: “Ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.” — Levitikosy 5:20-26; ampitahao amin’ny Matio 5:23, 24.
16 Fandaharana feno famindram-po avy tamin’Andriamanitra io lalàna io. Nandray soa ilay voaroba, izay nahazo indray ny fananany, ary ilay nanao ratsy dia tsy isalasalana fa nahatsapa fahamaivanana lehibe rehefa niaiky ny fahotany ihany tamin’ny farany. Tetsy an-danin’izany, ilay lalàna dia nitondra soa koa ho an’ilay natosiky ny feon’ny fieritreretany tamin’ny farany hiaiky ny fahadisoany sy hanarina ilay tsy mety nataony. Eny tokoa, raha nanda tsy hanao izany izy, dia tsy hisy famelan-keloka ho azy avy tamin’Andriamanitra.
17. Rehefa voa noho ny fahotantsika ny hafa, inona no antenain’i Jehovah hataontsika?
17 Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza isika, izy io dia manampy antsika hahatakatra ny hevitr’i Jehovah, anisan’izany ny fomba fiheviny momba ny famelan-keloka. (Kolosiana 2:13, 14). Rehefa voa na voafitaka noho ny fahotantsika ny hafa, dia faly i Jehovah rehefa manao izay azontsika atao isika mba ‘hanonerana ilay ratsy natao’. (2 Korintiana 7:11, NW ). Tafiditra amin’izany ny fanekena fa nanota isika, ny fiekena fa meloka isika, ary na dia ny fialan-tsiny any amin’ilay voa noho ny nataontsika mihitsy koa aza. Avy eo isika dia afaka mitalaho amin’i Jehovah, miorina amin’ny soron’i Jesosy, ka hahatsapa ilay fahamaivanana entin’ny feon’ny fieritreretana madio sy ilay toky hoe navelan’Andriamanitra ny fahotantsika. — Hebreo 10:21, 22.
18. Inona no famaizana mety hiaraka amin’ny famelan’i Jehovah?
18 Sahala amin’ireo ray sy reny be fitiavana, i Jehovah dia mety hampiaraka ny famelan-keloka amin’ny famaizana. (Ohabolana 3:11, 12). Ny Kristiana mibebaka iray dia mety ho voatery hamoy ny tombontsoan’ny loholona, mpanampy amin’ny fanompoana, na mpisava lalana nananany. Mety hampanaintaina azy ny famoizana mandritra ny fotoana kelikely tombontsoa izay sarobidy aminy. Kanefa ny famaizana toy izany dia tsy midika hoe namoy ny fankasitrahan’i Jehovah izy na hoe tsy namela ny helony i Jehovah. Fanampin’izany, dia tsy maintsy mitadidy isika fa porofon’ny fitiavan’i Jehovah antsika ny famaizany antsika. Hahasoa antsika indrindra ny fanekena sy ny fampiharana azy io, ary afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Hebreo 12:5-11.
19, 20. a) Raha nanao zava-dratsy ianao tamin’ny lasa, nahoana ianao no tsy tokony hihevitra hoe tsy hahazo ny famindram-pon’i Jehovah? b) Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Toy inona moa ny famelombelomana entin’ny fahalalana fa manompo Andriamanitra izay “vonona hamela heloka” isika! Mahita mihoatra noho ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika i Jehovah. (Salamo 130:3, 4). Fantany izay ao am-pontsika. Raha mahatsapa ianao fa torotoro sy mangorakoraka noho ny zava-dratsy nataonao tamin’ny lasa ny fonao, dia aza manatsoaka hevitra hoe tsy hahazo ny famindram-pon’i Jehovah ny tenanao. Na inona na inona fahadisoana mety ho nataonao, raha tena nibebaka marina ianao, ka nanao dingana mba hanonerana ilay ratsy vitanao, ary nivavaka tamim-pahatsorana mba hahazoana ny famelan’i Jehovah, miorina amin’ny ra nalatsak’i Jesosy, dia afaka manana fatokiana feno ianao fa hihatra aminao ireto teny ao amin’ny 1 Jaona 1:9 ireto: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.”
20 Ny Baiboly dia mampirisika antsika hanahaka ny famelan’i Jehovah heloka, eo amin’ny fifampiraharahantsika samy isika. Ho tonga hatraiza anefa ny famelan-keloka sy ny fanadinoana antenaina amintsika, rehefa manota amintsika ny hafa? Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mahaliana fa ilay teny hebreo nadika hoe “izay iforonantsika” dia ampiasaina momba ireo vilany tanimanga foronin’ny mpanefy iray. — Isaia 29:16.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana i Jehovah no “vonona hamela heloka”?
◻ Ahoana no ilazan’ny Baiboly fa mamela heloka amin’ny fomba feno i Jehovah?
◻ Rehefa mamela heloka i Jehovah, amin’ny heviny ahoana izy no manadino?
◻ Inona no antenain’i Jehovah hataontsika, rehefa voa noho ny fahotantsika ny hafa?
[Sary, pejy 12]
Rehefa voa noho ny fahotantsika ny hafa, i Jehovah dia manantena ny hanonerantsika izany