-
LalànaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Lalàn’Andriamanitra.” Nohazavain’i Paoly fa misy ady ataon’ny Kristianina, satria misy lalàna roa mandrirotra azy: Ny “lalàn’Andriamanitra” (ny ‘lalàn’ny fanahy manome fiainana’), sy ny “lalàn’ny ota” (ny “lalàn’ny ota sy ny fahafatesana”). Andevozin’ny “lalàn’ny ota” mantsy ny nofo mpanota. “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana.” “Nanameloka ny ota ao amin’ny nofo” anefa “Andriamanitra ka naniraka ny Zanany izay nanam-pitoviana tamin’ny nofo mpanota, mba hanesorana ny ota.” Afaka ny handresy àry ny Kristianina noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra, raha mino an’i Kristy izy, mamono ny fanaon’ny nofo, ary manaraka ny fitarihan’ny fanahy. Hahazo fiainana koa izy amin’ny hoavy.—Ro 7:21–8:13.
-
-
Olona, OlombelonaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
‘Ilay olona ao anaty.’ Misy ady ataon’ny Kristianina, ary anisan’izany ny ady ataony amin’ny tenany ihany noho izy mpanota. Mampiasa teny toy izao ny Baiboly rehefa miresaka momba izany ady izany: “ny toetra maha izy ahy [a.b.t.: ilay olona ato anatiko]”, “ny tenanay anaty [a.b.t.: ilay olona ato anatinay].” (Ro 7:22; 2Ko 4:16; Ef 3:16) Mety tsara io teny hoe ‘olona ao anaty’ io, satria lazain’ny Efesianina 4:23 fa ‘nohavaozina ny hery mibaiko ny sain’ny’ Kristianina, izany hoe ny ao anatiny no havaozina. Mitarika azy hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra àry ny hery mibaiko ny sainy. Miezaka ‘hanaisotra ny toetra taloha [a.b.t.: olona taloha]’ sy hitafy “ny toetra vaovao [a.b.t.: olona vaovao]” izy ireo. (Kl 3:9, 10; Ro 12:2) Rehefa natao batisa ho amin’i Kristy ny Kristianina voahosotra, dia “natao batisa ho amin’ny fahafatesany” koa. Midika izany fa nofantsihany teo amin’ny hazo fijaliana ny toetrany taloha ‘mba tsy ho afa-manao na inona na inona ny vatany feno ota.’ Na izany aza, dia mbola miady amin’ilay ‘olona anaty’ tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ihany ny nofony mpanota. Tsy mitsahatra izany ady izany raha tsy maty sy hatsangana amin’ny maty izy. Ady mafy izy io, satria hoy i Paoly: “Mitoloko tokoa isika ato amin’ity trano fonenana ity.” Raha miady anefa ireny Kristianina ireny mba tsy ho resin’ny fanirian’ny nofo intsony, ary miezaka mba tsy hinia hanota, dia ny sorom-panavotan’i Kristy no hanarona ny fahotana nataony tamin’izy mbola nanana ny toetra taloha sy nanaraka ny fanirian’ny nofo.—Ro 6:3-7; 7:21-25; 8:23; 2Ko 5:1-3.
-