-
JobilyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tamin’ny Tisry 1424 T.K. ny Jobily voalohany, raha isaina manomboka amin’ny taona nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, tamin’ny 1473 T.K. (Le 25:2-4, 8-10) Tokony ho nankalaza ny Jobily im-17 àry izy ireo mandra-paharava an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Indrisy anefa fa tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpanjakany izy ireo. Nodikain’izy ireo ny didiny, anisan’izany ny lalàna momba ny Sabata, ka tsy notahiny intsony izy ireo. Nanala baraka an’Andriamanitra teo anatrehan’ny firenena izy ireo, ary tsy takany hoe ny fitondran’Andriamanitra no tena tsara.—2Ta 36:20, 21.
-
-
FiainanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ho afaka amin’ny fahalovana ireo hiaina eto an-tany. Ahoana ny amin’ireo olona tsy ho any an-danitra? Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jn 3:16) Nilaza koa izy tao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy fa “ho any amin’ny fiainana mandrakizay” ireo ondry eo ankavanany. (Mt 25:46) Noresahin’i Paoly ny amin’ireo “zanak’Andriamanitra” sy ireo “mpiara-mandova amin’i Kristy.” Nilaza koa izy fa “ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra.” Hoy izy avy eo: “Ny zavaboary koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:14-23) “Zanak’Andriamanitra” i Adama tamin’izy noforonina ho lavorary. (Lk 3:38) Milaza koa ny Apokalypsy 21:1-4 fa hisy “lanitra vaovao” sy “tany vaovao” ka “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” Tsy ny anjely no nomena izany fampanantenana izany fa ny “olombelona.” Izany àry no antoka fa ho salama tanteraka ny olombelona na ny “tany vaovao” hofehezin’ny “lanitra vaovao”, ka ho lavorary ny sainy sy ny vatany. Ho lasa “zanak’Andriamanitra” izy ireo ka hiaina mandrakizay eto an-tany.
-
-
Zanak’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy ireo “zanak’Andriamanitra” ihany no handray soa avy amin’ilay fampiharihariana be voninahitra, fa hisy olon-kafa koa. Nilaza mantsy i Paoly fa miandry an’io fampiharihariana io “ny zavaboary”, izay “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:19-23) Mety hanondro an’izay rehetra noforonina, na hanondro olona na biby, ny teny grika nadika hoe “zavaboary.” Nilaza i Paoly fa “miandry fatratra” sy “navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony”, ary “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana” izy ireo, mba “hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” “Miara-mitoloko” koa ny zavaboary, hoy izy, tahaka an’ireo Kristianina ‘zanak’Andriamanitra’ mitoloko ao am-pony. Ny olombelona àry ilay zavaboary eto, fa tsy izay rehetra noforonina akory, toy ny biby sy ny zavamaniry ary ny zavaboary hafa mananaina na tsia. (Ampit. Kl 1:23.) Midika izany fa afaka ny ho tonga zanak’Andriamanitra sy hahazo fahafahana koa ny olombelona hafa, rehefa haharihary ireo zanak’Andriamanitra any an-danitra.—Jereo MANAMBARA HO MARINA (Olo-marina hafa koa); VAHOAKA BE.
Hisy olon-kafa tokoa hahazo fiainana amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, matoa izy antsoina hoe “Ray Mandrakizay” (Is 9:6) ary antsoina hoe ‘rahalahiny’ ireo Kristianina “zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:29) Tsy ho mpiara-mandova amin’i Kristy ireo olona ireo, na ho mpanjaka sy mpisorona miaraka aminy, fa ho vahoaka hofeheziny.—Ampit. Mt 25:34-40; He 2:10-12; Ap 5:9, 10; 7:9, 10, 14-17; 20:4-9; 21:1-4.
Nantsoin’i Jakoba (1:18) hoe “voaloham-bokatra” amin’ny zavaboarin’Andriamanitra ireo “zanak’Andriamanitra” nateraky ny fanahy. Toy izany koa no niantsoan’i Jaona an’ireo “efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy” izay “novidina avy teo amin’ny olombelona.” (Ap 14:1-4) Mbola hisy vokatra hafa matoa misy ny “voaloham-bokatra.” Ireo ‘vokatra hafa’ na ‘vokatra faharoa’ àry ilay “zavaboary” resahin’ny Romanina 8:19-22. Ho lasa zanak’Andriamanitra ireo olombelona mino an’i Kristy Jesosy ireo, amin’ny farany.
-