Fiandrasana ‘Amim-paniriana Fatratra’
“Izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”. — ROMANA 8:19.
1. Inona no itovian’ny toe-javatra misy ny Kristianina amin’izao andro izao sy izay nisy ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
MITOVY amin’ny toe-javatra nisy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ilay misy ny Kristianina marina amin’izao andro izao. Ho an’ny mpanompon’i Jehovah tamin’izany andro izany, dia nisy faminaniana iray nanampy azy hahafantatra ny fotoana tokony hisehoan’ny Mesia. (Daniela 9:24-26). Nanambara mialoha ny handravana an’i Jerosalema koa io faminaniana io, saingy tsy nirakitra filazana nahafahan’ireo Kristianina nahafantatra mialoha ny fotoana handravana ilay tanàna. (Daniela 9:26b, 27). Toy izany koa ny amin’ireo mpianatra ny Baiboly tso-po tamin’ny taonjato faha-19, satria nisy faminaniana iray koa nahatonga azy ireo hiandrandra zavatra, ary izany dia tamin’ny fotoana mety indrindra. Rehefa nampifandraisin’izy ireo ny “fetr’andro fito” ao amin’ny Daniela 4:22 sy ny “andron’ny jentilisa”, dia tsinjon’izy ireo mialoha fa handray fahefan’ny Mpanjaka i Kristy, amin’ny 1914. (Lioka 21:24; Ezekiela 21:30-32). Na dia mirakitra faminaniana maro aza ny bokin’i Daniela, dia tsy misy amin’izy ireny afaka manampy ny mpianatra Baiboly amin’izao andro izao mba hanaovana kajy ny fotoana marina handringanana ny fandehan-javatr’i Satana manontolo. (Daniela 2:31-44; 8:23-25; 11:36, 44, 45). Hitranga tsy ho ela anefa izany, satria miaina amin’ny “andro farany” isika izao. — Daniela 12:4.a
Fiambenana mandritra ny fanatrehan’i Kristy
2, 3. a) Inona no porofo lehibe milaza fa miaina mandritra ny fanatrehan’i Kristy manana fahefan’ny Mpanjaka, isika? b) Inona no mampiseho fa tokony hiambina hatrany ireo Kristianina mandritra ny fanatrehan’i Jesosy Kristy?
2 Marina fa nisy faminaniana iray nahatonga ny Kristianina hiandrandra zavatra, talohan’ny nahazoan’i Kristy ny fahefan’ny Mpanjaka tamin’ny 1914. Ilay “famantarana” nomen’i Kristy momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra anefa dia nilazalaza fisehoan-javatra. Ary ho hita aorian’ny fanombohan’ny fanatrehany ny ankamaroan’izy ireny. Izany fisehoan-javatra izany — ady, tsy fahampian-tsakafo, horohoron-tany, areti-mandringana, fitomboan’ny tsy fankatoavan-dalàna, fanenjehana ireo Kristianina sy ny fitoriana maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana — dia porofo lehibe fa miaina mandritra ny fanatrehan’i Kristy manana fahefan’ny mpanjaka, isika ankehitriny. — Matio 24:3-14; Lioka 21:10, 11.
3 Na dia izany aza anefa, ny votoatin’ilay torohevitr’i Jesosy ho fanaovam-beloma ny mpianany dia hoe: “Mijere hatrany, mifohaza hatrany, (...) miambena hatrany.” (Marka 13:33, 37, NW; Lioka 21:36). Rehefa vakina amim-pitandremana ny teny manodidina ireny fampirisihana mba hiambina ireny dia hita fa ny noresahin’i Kristy voalohany indrindra dia tsy nahakasika fiambenana hatrany mba hahitana ilay famantarana ny fiandohan’ny fanatrehany. Nodidiany kosa ny tena mpianany mba hiambina hatrany mandritra ny fanatrehany. Tokony hiambina hatrany ny amin’inona ny Kristianina marina?
4. Inona no zava-kendrena tamin’ilay famantarana nomen’i Jesosy?
4 Nilaza ilay faminaniany lehibe i Jesosy, ho valin’ilay fanontaniana hoe: “Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany [ireo fisehoan-javatra hitarika ho amin’ny fandravana ny fandehan-javatra jiosy], ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, NW ). Ilay famantarana nambara mialoha dia tsy vitan’ny hoe natao hamantarana ny fanatrehan’i Kristy fotsiny, fa hamantarana koa ireo fisehoan-javatra hitarika ho amin’ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ.
5. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fa mbola ‘ho avy’ izy na dia efa manatrika ara-panahy aza?
5 Nasehon’i Jesosy fa mandritra ny “fanatrehany” (grika: pa·rou·siʹa), dia ho avy amin-kery sy voninahitra izy. Izao no nambarany mahakasika izany ‘fiaviana’ izany (aseho amin’ireo endrik’ilay teny grika hoe erʹkho·mai): “Amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. (...) Ary mianara ny fanoharana ny amin’ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy [Kristy]. (...) Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. (...) Miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” — Matio 24:30, 32, 33, 42, 44, izahay no manao sora-mandry.
Nahoana i Jesosy Kristy no ho avy?
6. Ahoana no hitrangan’ny fandravana an’i “Babylona Lehibe”?
6 Na dia efa manatrika amin’ny maha Mpanjaka azy aza i Jesosy Kristy hatramin’ny 1914, dia tsy maintsy mbola hitsara fikambanana najoro sy ny isam-batan’olona aloha izy vao hampihatra didim-pitsarana amin’ireo izay hitany fa ratsy fanahy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 5:10.) Tsy ho ela dia hanolo-tsaina an’ireo mpitondra ara-politika i Jehovah mba handravan’ireo an’i “Babylona Lehibe”, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:4, 5, 16, 17). Nofaritan’ny apostoly Paoly mazava tsara fa i Jesosy Kristy dia handringana “ilay lehilahin’ota”, izany hoe ny mpitondra fivavahana nivadi-pinoana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, izay tapany lehibe amin’i “Babylona Lehibe”. Nanoratra toy izao i Paoly: “Haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany ary hofoanany amin’ny fisehoan’ny fihaviany”. — 2 Tesaloniana 2:3, 8.
7. Rehefa ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona, dia fitsarana inona no hataony?
7 Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia hitsara olona avy amin’ireo firenena i Kristy, miorina amin’izay nataon’izy ireo tamin’ny rahalahiny mbola eto an-tany. Izao no vakintsika: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. (...) Hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy [ny ondry] hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. (...) Ary [ny osy] dia hiala ho any amin’ny [famongorana, NW ] mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” — Matio 25:31-46.
8. Ahoana no ilazalazan’i Paoly ny amin’ny fiavian’i Kristy hampihatra didim-pitsarana amin’ireo tsy tia an’Andriamanitra?
8 Araka ny asehon’ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, dia hampihatra didim-pitsarana farany amin’ireo rehetra tsy tia an’Andriamanitra, i Jesosy. Nanome toky an’ireo mpiray finoana taminy izay nijaly i Paoly, ka nilaza fa ‘homena fitsaharana izy ireo mbamin’ny tenany, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, ary tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ny olony masina’. (2 Tesaloniana 1:7-10). Raha ireo fisehoan-javatra mampientana rehetra ireo no miandry antsika, moa ve isika tsy tokony haneho finoana sy ho dodona ny ho mailo hatramin’ny fiavian’i Kristy?
Miandry amim-pahadodonana ny fisehoan’i Kristy
9, 10. Nahoana ireo voahosotra mbola eto an-tany no miandry amim-pahadodonana ny fisehoan’i Jesosy Kristy?
9 Ilay ‘fisehoan’i Jesosy Tompo avy any an-danitra’ dia tsy vitan’ny hoe hitondra fandringanana ho an’ny ratsy fanahy, fa hitondra valisoa koa ho an’ny marina. Alohan’ilay fisehoan’i Kristy, dia mety mbola hijaly ireo voahosotra rahalahin’i Kristy mbola tavela eto an-tany, kanefa faly izy ireo, noho ilay fanantenany be voninahitra ho any an-danitra. Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristianina voahosotra ny apostoly Petera: “Araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa.” — 1 Petera 4:13.
10 Tapa-kevitra ny hitoetra ho mahatoky ireo voahosotra ambara-‘panangon’i Kristy azy ireo ho eo aminy’. Amin’izay ny finoan’izy ireo ‘voazaha toetra’ dia ho ‘hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana, amin’ny fisehoan’i Jesosy Kristy’. (2 Tesaloniana 2:1; 1 Petera 1:7). Izao no azo lazaina momba ireny Kristianina mahatoky nateraky ny fanahy ireny: ‘Niorina teo aminareo ny filazana an’i Kristy, ka dia tsy latsaka amin’ny fanomezam-pahasoavana rehetra hianareo, miandry ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ — 1 Korintiana 1:6, 7.
11. Inona no ataon’ireo Kristianina voahosotra, eo am-piandrasana ny fisehoan’i Jesosy Kristy?
11 Miombom-pihetseham-po amin’i Paoly izay nanoratra toy izao, ny sisa voahosotra: “Ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia [tsinontsinona akory raha oharina, NW ] amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.” (Romana 8:18). Tsy mila tohanan’ny fanaovana kajy ny fotoana akory ny finoan’izy ireo. Mitoetra ho be atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo ka manome ohatra mahatalanjona ho an’ireo “ondry hafa” namany. (Jaona 10:16). Fantatr’ireo voahosotra ireo fa akaiky ny faran’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ, ary arahin’izy ireo ilay fampirisihan’i Petera manao hoe: “Sikino ny sainareo, dia mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy”. — 1 Petera 1:13.
‘Faniriana fatratra ananan’izao zavatra ary rehetra izao’
12, 13. Tamin’ny ahoana ny zavaboary olombelona no “nampanekena ho zava-poana”, ary maniry mafy inona ny ondry hafa?
12 Moa ve ireo ondry hafa koa manan-javatra irina fatratra eo amin’ny fiainany? Azo antoka indrindra fa izany no izy. Hoy i Paoly, rehefa avy niresaka momba ilay fanantenana be voninahitra ananan’ireo natsangan’i Jehovah ho ‘zanany’ nateraky ny fanahy sy “mpiray lova amin’i Kristy” amin’ny Fanjakana any an-danitra: “Izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” — Romana 8:14-21; 2 Timoty 2:10-12.
13 Noho ny fahotan’i Adama, dia “nampanekena ho zava-poana” ny taranany rehetra satria teraka tao anatin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana. Tsy afaka nanafa-tena tamin’izany fanandevozana izany izy ireo. (Salamo 49:7; Romana 5:12, 21). Maniry mafy ny ‘hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalòvana’ tokoa mantsy ny ondry hafa! Alohan’ny hitrangan’izany anefa, dia misy zavatra sasany tsy maintsy miseho, araka ny andro sy ny fotoana noferan’i Jehovah.
14. Inona avy no ho tafiditra amin’ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”, ary amin’ny ahoana izany no hahatonga ny taranak’olombelona ‘hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana’?
14 Tsy maintsy ‘haseho’ aloha ireo voahosotra “zanak’Andriamanitra”. Inona no ho tafiditra amin’izany? Amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia hanjary hiharihary amin’ny ondry hafa fa ho “voaisy tombo-kase” sy nomem-boninahitra hiara-manjaka amin’i Kristy amin’izay ireo voahosotra. (Apokalypsy 7:2-4). ‘Haseho’ koa ireo “zanak’Andriamanitra” tafatsangana amin’ny maty, rehefa hiara-mandray anjara amin’i Kristy amin’ny fandringanana ny fandehan-javatra ratsin’i Satana, izy ireo. (Apokalypsy 2:26, 27; 19:14, 15). Avy eo, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia mbola ‘haseho’ koa izy ireo, ho mpisorona fampitana ireo soa entin’ny sorom-panavotan’i Jesosy ho an’ny olombelona anisan’“izao zavatra ary rehetra izao”. Ho vokatr’izany, dia ‘hovotsorana amin’ny fanandevozan’ny fahalòvana’ ny taranak’olombelona, ka amin’ny farany dia hiditra ao amin’ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”. (Romana 8:21; Apokalypsy 20:5; 22:1, 2). Raha lehibe toy izany ny zavatra antenain’ny ondry hafa, dia hahagaga ve raha “miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo ka “maniry fatratra” ny hahatongavan’izany? — Romana 8:19.
Midika ho famonjena ny fahari-pon’i Jehovah
15. Inona no tsy tokony hohadinointsika mihitsy mahakasika ny fameran’i Jehovah ny fotoanan’ireo fisehoan-javatra?
15 Mpanaja Fotoana Lehibe i Jehovah. Ho hita fa tonga lafatra ny famerany ny fotoanan’ireo fisehoan-javatra. Mety tsy hitranga araka ny fomba anampoizantsika azy foana ny toe-javatra. Azontsika atao anefa ny mino tanteraka fa ho tanteraka avokoa ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. (Josoa 23:14). Mety havelany haharitra kokoa tsy araka ny nanampoizan’ny maro azy ny tarehin-javatra. Aoka anefa isika hanao izay hahatakarana ny fomba fanaovany zavatra, ary hiaiky volana ny amin’ny fahendreny. Nanoratra toy izao i Paoly: “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! Fa ‘iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?’ ” — Romana 11:33, 34.
16. Iza avy no tsara toerana mba handray soa avy amin’ny fahari-pon’i Jehovah?
16 Nanoratra toy izao i Petera: “Ry malala, satria miandry ireo zavatra ireo [ny fandringanana ny “lanitra” sy ny “tany” taloha, ary ny fanoloana azy ireo amin’ny “lanitra vaovao” sy “tany vaovao” nampanantenain’Andriamanitra] ianareo, dia ataovy izay farany azonareo atao mba ho hitany ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo, amin’ny farany. Ankoatra izany, dia hevero ho famonjena ny fahari-pon’ny Tompontsika”. Noho ny fahari-pon’i Jehovah, dia olona an-tapitrisany maro fanampiny no omena fahafahana ho voavonjy amin’ilay “andron’i Jehovah” izay ho tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina “tahaka ny mpangalatra”. (2 Petera 3:9-15, NW ). Ny fahari-pony koa no mahatonga ny tsirairay amintsika ho afaka ‘hiasa amin’ny tahotra sy hovitra hahatanteraka ny famonjena antsika’. (Filipiana 2:12). Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy ‘mitandrina’ sy ‘miambina’ hatrany isika raha tiantsika ny hahazo sitraka sy hahavita “hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” amin’ny fotoana hiaviany mba hitsara. — Lioka 21:34-36; Matio 25:31-33.
Miandrasa hatrany amim-piaretana
17. Tenin’ny apostoly Paoly inona no tokony harahintsika?
17 Nampirisika ireo rahalahiny ara-panahy i Paoly mba tsy hampifantoka ny masony amin’ny zavatra ‘hita, fa amin’ny tsy hita’. (2 Korintiana 4:16-18). Tsy niriny hisy na inona na inona hanamaizina ny fahitan’izy ireo ilay valisoa miandry azy ireo any an-danitra. Na Kristianina voahosotra isika, na ondry hafa, dia aoka isika hitadidy ilay fanantenana mahatalanjona miandry antsika ka tsy hanary toky. Aoka isika ‘hiandry amim-piaretana’, ka hanaporofo fa “isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy”. — Romana 8:25; Hebreo 10:39.
18. Nahoana no azontsika avela amim-patokisana eo an-tanan’i Jehovah ny andro sy ny fotoana?
18 Azontsika avela amim-patokisana eo an-tanan’i Jehovah ny andro sy ny fotoana. “Tsy ho diso aoriana” akory ny fahatanterahan’ny fampanantenany, raha jerena amin’ny fandaharam-potoanany. (Habakoka 2:3, NW ). Mandra-pahatongan’izany, dia manjary misy heviny kokoa amintsika ny fampirisihan’i Paoly an’i Timoty manao hoe: “Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, (...) ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.” — 2 Timoty 4:1-5.
19. Mbola fotoana tokony hanaovan’ny vahoakan’i Jehovah inona izao, ary nahoana?
19 Misy ain’olona tandindomin-doza, dia ny antsika sy ny an’ireo mpiara-belona amintsika. Nanoratra toy izao i Paoly: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (1 Timoty 4:16). Fohy dia fohy ny fotoana ho an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ. Eo am-piandrasana amim-paniriana fatratra ireo fisehoan-javatra mampientam-po miandry antsika, dia aoka ho azontsika tsara fa mbola andro sy fotoana noferan’i Jehovah hitorian’ny vahoakany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana izao. Tsy maintsy tanterahina araka izay mahafa-po azy, io asa io. Amin’izay “vao ho tonga ny farany”, hoy ny filazan’i Jesosy. — Matio 24:14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny toko faha-10 sy faha-11 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Ho Famerenana
◻ Ahoana no itovian’ny toe-javatra misy antsika sy ny an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany raha ny amin’ny fanaovana kajy ny fotoana?
◻ Nahoana ny Kristianina no tsy maintsy “miambina” hatrany, na dia mandritra ny fanatrehan’i Kristy aza?
◻ Nahoana ny zavaboary olombelona no maniry fatratra ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”?
◻ Nahoana no azontsika avela amim-patokisana eo an-tanan’i Jehovah ny andro sy ny fotoana?
[Sary, pejy 17]
Tsy maintsy mifoha hatrany ny Kristianina eo am-piandrasana ny fiavian’i Kristy
[Sary, pejy 18]
Mitoetra ho be atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny sisa voahosotra, fa tsy manorina ny finoany amin’ny fanaovana kajy ny fotoana