TOKO FAHA-14
Afaka Mandray Soa Amin’ny Fifanekena Vaovao Ianao
1. Inona avy ny asa nanendrena an’i Jeremia?
ASA roa no nanendren’i Jehovah an’i Jeremia. Voalohany, nasainy “hanongotra sy handrodana, handringana sy handrava” izy. Nanatanteraka izany i Jeremia, rehefa nanala sarona ny faharatsian’ireo Jiosy nieboebo, sy nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’izy ireo sy tamin’i Babylona. Faharoa, nasain’i Jehovah “hanorina sy hamboly” i Jeremia. Nanao izany izy rehefa nilaza faminaniana manome fanantenana. Nambarany fa tsy maintsy haorina ny zavatra nokasain’Andriamanitra haorina, ary hambolena izay nokasainy hambolena. Naminany izy, ohatra, fa hiverina ao amin’ny taniny ny Jiosy.—Jer. 1:10; 30:17, 18.
2. Nahoana i Jehovah no nanasazy ny vahoakany, ary tamin’ny fomba ahoana no nanaovany izany?
2 Na dia nanambara aza i Jeremia hoe hiverina ao amin’ny taniny ny Jiosy, dia tsy midika izany hoe hampihanta ny vahoakany Andriamanitra, na hampandefitra ny fitsipiny momba ny rariny. Hanasazy an’ireo Jiosy tsy mankatò kosa izy alohan’ny hitrangan’izany. (Vakio ny Jeremia 16:17, 18.) Zara raha nisy olona ‘nanao ny rariny’ sy ‘tsy nivadika’ tao Jerosalema, tamin’ny andron’i Jeremia. Tsy afaka nandefitra intsony àry i Jehovah. Hoy izy: “Efa sasatry ny manenina aho.” (Jer. 5:1; 15:6, 7) “Namerina ny fahadisoan’ny razany” ny Jiosy, dia ny razany izay “tsy nety nankatò” ny tenin’i Jehovah. Nampahatezitra an’Andriamanitra koa izy ireo rehefa nanompo andriamani-diso. (Jer. 11:10; 34:18) Hanitsy ny vahoakany i Jehovah, ary hanasazy azy ireo mihitsy aza. Hataony “araka ny antonony” anefa izany. Mety hisy ho tonga saina amin’izay, ka hiverina aminy.—Jer. 30:11; 46:28.
3. Nahoana ianao no tokony handinika ny faminaniana momba ny fifanekena vaovao?
3 Nanao fifanekena tamin’ny Israely Andriamanitra, taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta, ka i Mosesy no mpanelanelana. Nilaza tamin’ny alalan’i Jeremia anefa izy fa hanao fifanekena vaovao, izay hitondra soa maharitra ho an’ny olona maro. Tena tokony handinika azy io isika. Io fifanekena io mantsy no solon’ilay fifanekena tamin’ny Israely. (Vakio ny Jeremia 31:31, 32.) Niresaka momba an’io fifanekena vaovao io koa i Jesosy Kristy, tamin’izy namorona ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Lioka 22:20) Niresaka momba azy io koa ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Nanonona ny faminanian’i Jeremia izy ary nanamafy fa zava-dehibe ny fifanekena vaovao. (Heb. 8:7-9) Fa inona marina ny fifanekena vaovao? Nahoana no nilaina izy io? Iza avy no tafiditra amin’ny fifanekena vaovao, ary inona no soa raisinao amin’izy io? Handinika izany isika izao.
NAHOANA NO ILAINA NY FIFANEKENA VAOVAO?
4. Inona no antony nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna?
4 Mila azontsika aloha ny antony nilana an’ilay fifanekena taloha, dia ny fifaneken’ny Lalàna, izay vao ho azontsika ny momba ny fifanekena vaovao. Nisy antony tsara maromaro nanaovana an’io fifanekena taloha io. Mahakasika ny firenen’ny Israely izany, dia ilay firenena niandry an’ilay Taranaka hitondra fitahiana ho an’ny maro. (Gen. 22:17, 18) Lasa ‘fananan’i Jehovah manokana’ ny Israelita, rehefa nanaiky ny fifaneken’ny Lalàna. Nanjary nanana mpisorona avy amin’ny fokon’ny Levy koa izy ireo. Rehefa nanao an’io fifanekena io teo an-tendrombohitra Sinay i Jehovah, dia nilaza koa fa hisy ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina.’ (Eks. 19:5-8) Tsy nolazainy anefa hoe rahoviana izany no hitranga, na amin’ny fomba ahoana. Teo am-piandrasana an’izany, dia nahariharin’ilay fifanekena fa tsy nahavita nitandrina tanteraka ny Lalàna ny Israelita. Nahariharin’izy io fa mpanota izy ireo. Raha mbola nanan-kery àry ny Lalàna, dia tsy maintsy nanao sorona foana ny Israelita mba hahazoany famelan-keloka. Na izany aza, dia hita fa tena nila sorona tonga lafatra izy ireo, izay tsy mila averimberina. Tena nila famelan-keloka maharitra mandrakizay izy ireo.—Gal. 3:19-22.
5. Nahoana i Jehovah no nilaza fa hanao fifanekena vaovao?
5 Hitantsika sahady àry hoe nahoana no nasain’Andriamanitra naminany momba ny fifanekena iray hafa i Jeremia, na dia mbola nanan-kery aza ny fifaneken’ny Lalàna tamin’izany. Tsara fanahy sy be fitiavana i Jehovah, ka te hanome fanampiana maharitra ho an’ny firenena maro. Nasainy nanoratra toy izao momba an’ireo ho tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao i Jeremia: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Manome fanantenana tena tsara ho an’ny olona rehetra izany, na dia efa tamin’ny andron’i Jeremia aza no nanoratana azy. Nahoana?
6, 7. a) Inona no tsapan’ny olona sasany noho isika mpanota? b) Nahoana no hampahery anao ny fandinihana ny momba ny fifanekena vaovao?
6 Mbola tsy lavorary isika, ary matetika no mahatsapa izany. Hoy ny rahalahy iray niady mafy tamin’ny fahalemeny: ‘Nanenina mafy aho rehefa lavo indray. Nihevitra aho fa tsy ho vitako mihitsy ny hanonitra izay nataoko. Sarotra tamiko ny nivavaka, ka izao no nanombohako azy: “Jehovah ô, tsy fantatro raha hihaino an’ity vavaka ity ianao, fa...”’ Rehefa manota ny olona sasany, na miverina manao ny fahadisoana efa iezahany tsy atao, dia mahatsapa hoe toy ny misy “rahona matevina” misakana ny vavaka ataony tsy ho tonga any amin’Andriamanitra. (Fitom. 3:44) Ny hafa indray mahatsiaro foana ny fahadisoany, na dia efa ela be atỳ aoriana aza. Ary na ny Kristianina fakan-tahaka aza mety hanenina noho ny zavatra nolazainy.—Jak. 3:5-10.
7 Tsy tokony hisy hieritreritra isika hoe tsy ho lavo mihitsy. (1 Kor. 10:12) Na i Paoly aza nahatsapa hoe nanao fahadisoana. (Vakio ny Romanina 7:21-25.) Tokony hitadidy ny fifanekena vaovao àry isika. Anisan’ny mampiavaka azy io ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy hotsarovany intsony ny fahotan’ny olona. Tombontsoa tsy manam-paharoa izany! Azo antoka fa tena nampihetsi-po an’i Jeremia ny naminany momba izany. Hanohina ny fontsika koa ny mandinika momba ny fifanekena vaovao sy ny soa entin’izy io.
Nahoana Andriamanitra no nanao ny fifanekena vaovao?
INONA NY FIFANEKENA VAOVAO?
8, 9. Nahoana no lazaina fa tsy mora tamin’i Jehovah ny nanao izay hahazoan’ny olona famelan-keloka?
8 Rehefa mihamahafantatra an’i Jehovah ianao, dia ho tsapanao kokoa fa tena tsara fanahy sy mamindra fo izy. (Sal. 103:13, 14) Nasongadina tao amin’ilay fifanekena vaovao fa ‘hamela ny fahadisoan’ny’ olona i Jehovah, ary tsy hahatsiaro intsony ny fahotany. (Jer. 31:34) Mety ho nanontany tena i Jeremia hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra izany. Fantany fotsiny hoe fifanekena ilay izy, izany hoe hisy fifanarahana hataon’i Jehovah amin’ny olona. Hotanterahin’i Jehovah amin’ny alalan’io fifanekena vaovao io ny faminanian’i Jeremia, anisan’izany ilay mahakasika ny famelan-keloka. Atỳ aoriana Andriamanitra vao hanome tsipiriany momba an’ilay fifanekena, rehefa hanazava bebe kokoa ny fikasany, anisan’izany ny hoe inona no hataon’ny Mesia.
9 Misy ray aman-dreny mampihanta ny zanany, ka tsy mba manao zavatra rehefa maditra izy ireny. Toy izany koa ve i Jehovah? Tsia! Tena nanao zavatra izy rehefa nanota ny olombelona, fa tsy navelany amin’izao fotsiny ny fahotan’izy ireo. Nanao zavatra izy mba hampanan-kery ny fifanekena vaovao. Nanaraka tsara ny fitsipiny momba ny rariny izy, mba hahafahan’ny olona hahazo famelan-keloka, na dia tsy mora taminy aza izany. Hanampy anao hahatakatra an’izany ny fandinihana izay nolazain’i Paoly momba ny fifanekena vaovao. (Vakio ny Hebreo 9:15, 22, 28.) Niresaka momba ny ‘fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana’ izy, ary nilaza fa “raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.” Tsy midika izany hoe misy ran’omby na ran’osy alatsaka toy ny notakin’ny Lalàna, rehefa ampiharina ny fifanekena vaovao. Ny ran’i Jesosy no nampanan-kery ny fifanekena vaovao. Afaka ‘mamela’ tanteraka ‘ny fahadisoana sy fahotana’ i Jehovah noho io sorona tonga lafatra io. (Asa. 2:38; 3:19) Iza anefa no tafiditra amin’io fifanekena io sy hahazo famelan-keloka? Tsy ny firenena jiosy aloha. Nilaza i Jesosy fa holavin’Andriamanitra ny Jiosy, dia ireo nanao sorona biby teo ambanin’ny Lalàna. Hifidy firenena hafa kosa izy. (Mat. 21:43; Asa. 3:13-15) Tsy iza io firenena io fa ny “Israelin’Andriamanitra”, izany hoe ireo Kristianina voahosotry ny fanahy. Raha tsorina, dia i Jehovah sy ny Israely ara-nofo no tafiditra amin’ny fifaneken’ny Lalàna, fa i Jehovah sy ny Israely ara-panahy kosa no tafiditra amin’ny fifanekena vaovao, ka i Jesosy no Mpanelanelana.—Gal. 6:16; Rom. 9:6.
10. a) Iza ilay “tsimoka” ho an’i Davida? b) Inona no soa raisin’ny olombelona avy amin’io “tsimoka” io?
10 Nampitahain’i Jeremia tamin’ny “tsimoka” ho an’i Davida ny Mesia. Mety tsara izany. Efa tsy nisy taranak’i Davida nanjaka intsony mantsy tamin’ny taona faramparany naha mpaminany an’i Jeremia, ka azo lazaina hoe toy ny hazo iray notapahina ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Tsy maty anefa ny fototr’io hazo io. Mbola nisy tsimoka nipoitra tatỳ aoriana. Tsy iza izany fa i Jesosy, taranak’i Davida. Azo iantsoana an’i Jesosy koa ny hoe “Jehovah no Fahamarinantsika”, ka hita amin’izany fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fahamarinana na ny rariny. (Vakio ny Jeremia 23:5, 6.) Navelan’i Jehovah hijalijaly sy ho faty io Zanany lahitokana io tetỳ an-tany. Nampiasa ny vidim-panavotana nomen’io “tsimoka” io i Jehovah, mba hamelana ny heloky ny olona. (Jer. 33:15) Noho izany, dia azo ambara ho “marina ho amin’ny fiainana” ny olona sasany, ary ho voahosotry ny fanahy ka tafiditra amin’ny fifanekena vaovao. Ho hitantsika koa anefa fa misy olon-kafa tsy tafiditra amin’ilay fifanekena, nefa mandray soa amin’izy io. Mbola hita amin’izany koa fa tia rariny Andriamanitra.—Rom. 5:18.
11. a) Soratana amin’ny inona ny lalàn’ny fifanekena vaovao? b) Nahoana ny “ondry hafa” no liana amin’ny lalàn’ny fifanekena vaovao?
11 Inona koa no mampiavaka ny fifanekena vaovao? Nosoratana tamin’ny takela-bato ny Didy Folo nampiasaina teo ambany fifaneken’ny Lalàna, ary nanjavona tatỳ aoriana. Nilaza kosa i Jeremia fa hosoratana ao am-pon’ny olona ny lalàn’ny fifanekena vaovao, ary haharitra. (Vakio ny Jeremia 31:33.) Tena mankasitraka an’io lalàna io ireo tafiditra amin’ny fifanekena vaovao, dia ny Kristianina voahosotra. Ahoana kosa ny amin’ireo tsy tafiditra amin’ilay fifanekena, izany hoe ny “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany? (Jaona 10:16) Tena tia ny lalàn’Andriamanitra koa izy ireo, ka azo ampitahaina amin’ireo vahiny teo amin’ny Israely, izay nanaiky ny Lalàn’i Mosesy sy nandray soa tamin’izany.—Lev. 24:22; Nom. 15:15.
12, 13. a) Inona ny lalàn’ny fifanekena vaovao? b) Nahoana isika no tsy mahatsapa hoe terena hanompo an’Andriamanitra, eo ambany “lalàn’i Kristy”?
12 Inona io lalàna soratana ao am-pon’ny voahosotra io? Antsoina koa hoe “lalàn’i Kristy” izy io. Ny Israelita ara-panahy no voalohany nomena azy io, izany hoe ireo tafiditra amin’ny fifanekena vaovao. (Gal. 6:2; Rom. 2:28, 29) Azo fintinina amin’ny teny iray ny “lalàn’i Kristy”, dia ny fitiavana. (Mat. 22:36-39) Ahoana no hahatonga an’io lalàna io ho voasoratra ao am-pon’ireo voahosotra? Tena mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mivavaka izy ireo. Tokony hanao an’ireo isan’andro àry ny tena Kristianina rehetra, eny fa na dia ireo tsy tafiditra amin’ny fifanekena vaovao aza, nefa te handray soa amin’izy io.
13 Antsoina koa hoe “lalàna tonga lafatra mitondra fahafahana” sy hoe “lalàn’ny olona afaka” ny “lalàn’i Kristy.” (Jak. 1:25; 2:12) Maro no vao teraka dia efa teo ambany Lalàn’i Mosesy, fa tsy misy mihitsy hoe vao teraka dia tafiditra amin’ny fifanekena vaovao, na koa hoe eo ambany lalàn’i Kristy. Tsy misy noterena hanompo an’Andriamanitra ny olona mankatò ny lalàn’i Kristy. Tena faly kosa izy ireo mahafantatra hoe azo soratana ao am-po ny lalàn’Andriamanitra, ary koa hoe afaka mandray soa maharitra avy amin’ilay fifanekena noresahin’i Jeremia ny olona.
Inona no nataon’Andriamanitra mba hampanan-kery ny fifanekena vaovao ka hahazoan’ny olona famelan-keloka? Inona no azonao atao mba hahafantaranao bebe kokoa momba an’ilay lalàna voasoratra ao am-po?
IREO MANDRAY SOA AMIN’ILAY FIFANEKENA
14. Ankoatra ny voahosotra, iza koa no mandray soa amin’ny fifanekena vaovao?
14 Mety hisy hieritreritra hoe ny 144 000 ihany no mandray soa amin’ny fifanekena vaovao, satria izy ireo no tafiditra amin’ilay izy. Amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy mantsy dia ny voahosotra ihany no mihinana ny mofo sy misotro ny divay izay mifanitsy amin’ny “ran’ny fifanekena.” (Mar. 14:24) Tadidio anefa fa anisan’ny “taranak’i” Abrahama toa an’i Jesosy, ireo tafiditra amin’io fifanekena io. Amin’ny alalan’io taranaka io no hitahiana ny firenena rehetra. (Gal. 3:8, 9, 29; Gen. 12:3) Amin’ny alalan’ny fifanekena vaovao no hanatanterahan’i Jehovah an’ilay fampanantenany hoe hitondra fitahiana ho an’ny olona rehetra ny “taranak’i” Abrahama.
15. Inona no andraikitra homena an’ireo voahosotra?
15 I Jesosy Kristy, izay lehibe indrindra amin’ny taranak’i Abrahama, no Mpisoronabe. Nanome sorona tonga lafatra izy, mba hahazoan’ny olona famelan-keloka. (Vakio ny Hebreo 2:17, 18.) Efa ela anefa Andriamanitra no nilaza fa hisy ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina.’ (Eks. 19:6) Teo amin’ny Israely, dia tsy nitovy ny foko niavian’ny mpisorona sy ny mpanjaka. Koa ahoana no hisian’ilay firenena mpanjaka sady mpisorona? Nilaza ny apostoly Petera fa ho ‘mpisorona sady mpanjaka’ ireo olona nohamasinin’ny fanahy, ary ho “firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.” (1 Pet. 1:1, 2; 2:9) Ho mpisorona lefitra eo ambany fahefan’i Kristy àry ireo Kristianina voahosotra tafiditra amin’ny fifanekena vaovao. Eritrereto ange ny dikan’izany e! Miady mafy mba tsy hanota isika isan’andro, satria mbola ‘manjaka’ ny ota. Efa niaina an’izany koa ireo ho mpisorona lefitra ireo. (Rom. 5:21) Tsapan’izy ireo tsara ny atao hoe manao fahadisoana sy mahatsiaro tena ho meloka, ka afaka ny hangoraka antsika izy ireo sy Kristy, rehefa miezaka hanohitra fanirian-dratsy isika.
16. Nahoana no mampahery ny “vahoaka be” ny Apokalypsy 7:9, 14?
16 Milaza ny Apokalypsy 7:9, 14 fa ‘manao akanjo fotsy lava’ ny “vahoaka be.” Midika izany fa madio eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo. Angonina dieny izao io vahoaka be ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” io. Dieny izao àry izy ireo dia efa azo lazaina hoe marina eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izy ireo ambara hoe marina, dia antsoina koa hoe naman’i Jehovah. (Rom. 4:2, 3; Jak. 2:23) Fitahiana lehibe tokoa izany! Raha anisan’ny vahoaka be ianao, dia matokia fa vonona hanampy anao Andriamanitra amin’ny ezaka ataonao mba ho madio eo anatrehany foana.
17. Inona no dikan’ilay hoe ‘tsy hotsarovan’i’ Jehovah intsony ny fahotana?
17 Mpanota anefa ireo olona ankasitrahan’Andriamanitra, ka atao ahoana ny fahotan’izy ireo? Efa hitantsika fa nilaza i Jehovah hoe: “Havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Manao izany amin’ny voahosotra izy, noho ny soron’i Jesosy. Mamela ny vahoaka be koa izy noho io “ran’ny fifanekena” io ihany. Rehefa nilaza anefa i Jehovah hoe “tsy hotsarovako intsony ny fahotany”, dia tsy midika izany hoe very tadidy izy, ka tsy tadidiny ilay fahotana. Midika kosa izany fa rehefa avy mampihatra famaizana izy, ary mamela ny helok’ilay olona mibebaka, dia tsy raharahainy intsony ny fahotan’izy io. Eritrereto i Davida Mpanjaka. Nijangajanga tamin’i Batseba sy nampamono an’i Oria izy, ka nofaizina ary niharan’ny vokatry ny nataony. (2 Sam. 11:4, 15, 27; 12:9-14; Isaia 38:17) Tsy hoe nanome tsiny azy foana noho ny fahotany anefa Andriamanitra taorian’izay. (Vakio ny 2 Tantara 7:17, 18.) Hitantsika amin’izany fa rehefa mamela heloka i Jehovah, dia tsy hotsarovany intsony ilay fahotana, araka ny voalazan’ny fifanekena vaovao.—Ezek. 18:21, 22.
18, 19. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny fifanekena vaovao?
18 Asongadin’ny fifanekena vaovao àry fa tena tsara ny fomba itondran’i Jehovah ny mpanota, na ireo voahosotra tafiditra amin’ilay fifanekena izany na ireo manantena hiaina eto an-tany. Afaka matoky ianao fa rehefa mamela ny fahotanao i Jehovah, dia tsy hapoitrany intsony izany. Azontsika akana lesona anefa izany. Afaka mieritreritra isika hoe: ‘Miezaka ho toa an’i Jehovah ve aho, ka rehefa mamela ny fahadisoan’ny hafa, dia tsy miresaka momba izany intsony?’ (Mat. 6:14, 15) Izany no tokony hatao, na fahadisoana kely ilay izy na lehibe toy ny fanitsakitsaham-bady. Rehefa nibebaka ilay nanitsakitsaka ka namela azy ny vadiny, dia “tsy” tokony ‘hotsarovan’io’ vady tsy manan-tsiny io “intsony” ilay fahotana. Mety ho sarotra ny hoe tsy hieritreritra ny fahadisoana nataon’ny olona, kanefa fomba iray hanahafantsika an’i Jehovah izany.a
19 Azo ampiharina koa io lesona io, rehefa misy voaroaka nibebaka ka voaray indray ho anisan’ny fiangonana. Ahoana anefa raha nisy vokany ratsy taminao, na nanimba ny lazanao ny nataony? Tokony hanao ahoana ny toe-tsainao sy ny fihetsikao, raha mampihatra ny lesona tao amin’ny Jeremia 31:34 ianao? Hamela heloka ve ianao, ka tsy hapoitranao intsony ilay ratsy nataony? (2 Kor. 2:6-8) Tokony hiezaka hanao izany izay rehetra mankasitraka ny fifanekena vaovao.
Ahoana no azonao ampiharana ny lesona raisintsika avy amin’ny fifanekena vaovao?
FITAHIANA DIENY IZAO SY AMIN’NY HOAVY
20. Inona no tsy mampitovy anao amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia?
20 Hita fa nieritreritra toy izao ny Jiosy tamin’ny andron’i Jeremia: “Sady tsy hanao soa i Jehovah no tsy hanisy ratsy.” (Zef. 1:12) Nahalala zavatra sasany momba an’i Jehovah izy ireo, nefa nihevitra fa tsy hanao na inona na inona izy ary tsy mitaky ny hanarahana fitsipika. Ianao kosa anefa mahalala fa tsy misy na inona na inona miafina amin’Andriamanitra. Matahotra sy manaja azy ianao, ary tena tsy te hanao ratsy. (Jer. 16:17) Fantatrao koa fa Ray tsara fanahy izy, ary mahita ny zavatra tsara ataontsika, na dia ny tsy hitan’ny olona aza.—2 Tan. 16:9.
21, 22. Nahoana ianao no tsy tokony hotenenina intsony hoe: “Mahalalà an’i Jehovah”?
21 Anisan’ny zava-dehibe voalaza ao amin’ny fifanekena vaovao izao: “Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho. ... Samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: ‘Mahalalà an’i Jehovah!’ Fa hahalala ahy izy rehetra.” (Jer. 31:33, 34) Hita hoe manana ny lalàn’Andriamanitra ao anatiny ireo voahosotra eto an-tany. Tena tian’izy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Teniny, ary tsy miantehitra amin’ny fampianaran’olombelona izy ireo. Faly koa izy ireo mizara fahalalana ara-baiboly amin’ny vahoaka be. Noho izany, dia lasa mahalala an’i Jehovah sy tia azy, ireo manantena hiaina eto an-tany. Manaiky an-tsitrapo ny tari-dalany izy ireo, ary matoky ny fampanantenany. Toy izany koa angamba ianao. Efa mahafantatra tsara an’i Jehovah ianao ary mifandray akaiky aminy. Tombontsoa be izany!
22 Ahoana tokoa moa no nahatonga anao hifandray akaiky tamin’i Jehovah? Azo antoka fa efa nahatsapa ianao hoe namaly ny vavakao i Jehovah, ka nanjary nankasitraka azy kokoa ianao. Mety ho efa nahatsapa koa ianao hoe nampiany, rehefa nahatsiaro andinin-teny nanampy anao hiatrika olana. Hevero ho sarobidy izany. Mbola hitombo ny fahalalanao an’i Jehovah, raha mianatra foana ny Teniny ianao. Hitondra soa maharitra ho anao izany.
23. Nahoana no afaka manampy anao tsy hiady saina ny fahalalana an’i Jehovah?
23 Misy fitahiana hafa koa azontsika dieny izao, noho ny fifanekena vaovao. Manampy antsika tsy hahatsiaro tena ho meloka foana ny fahafantarana fa mamela heloka i Jehovah, araka ny voalazan’io fifanekena io. Misy olona nanala zaza tamin’izy tsy nahalala ny fitsipik’Andriamanitra, ka manenina sy mahatsiaro tena ho meloka foana. Mety hahatsapa toy izany koa ireo namono olona tamin’izy tany an’ady. Mahazo famelan-keloka anefa ny olona tena mibebaka, noho ny sorom-panavotan’i Jesosy, izay fototry ny fifanekena vaovao. Tsy tokony ho resy lahatra àry ve isika hoe rehefa navelan’i Jehovah ny fahotantsika dia tsy mieritreritra momba izany intsony izy? Tsy tokony hieritreritra be an’ireo fahotana efa navelan’i Jehovah isika.
24. Nahoana no mampahery anao ny Jeremia 31:20?
24 Misy fitantarana tena mampiseho hoe mamela heloka Andriamanitra, ao amin’ny Jeremia 31:20. (Vakio.) Nanompo sampy ny foko folon’ny Israely tany avaratra, ka nanasazy azy ireo i Jehovah, am-polony taona talohan’ny andron’i Jeremia. (Ny fokon’i Efraima no solontenan’izy ireo, dia ilay foko lehibe indrindra tao.) Natao sesitany ireo foko ireo. Tena tian’Andriamanitra anefa izy ireo, ka nanehoany hatsaram-panahy. Nantsoiny hoe ‘zanaka mamin’ny fony’ izy ireo. Rehefa nieritreritra azy ireo izy, dia ‘nangotikotika’ ny tsinainy, izany hoe nihetsi-po be izy. Tena mamindra fo amin’ny olona mibebaka tokoa i Jehovah, rehefa jerena io fitantarana io izay voalaza eo alohan’ireo andinin-teny miresaka momba ny fifanekena vaovao.
25. Nahoana ianao no velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho izy nanao ny fifanekena vaovao?
25 Amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay fampanantenana hoe hamela ny fahotana i Jehovah amin’ny alalan’ny fifanekena vaovao. Ho lavorary ny olona tsy mivadika amin’izay, noho ny fanampian’i Jesosy Kristy sy ireo mpisorona lefitra 144 000. Ho tena anisan’ny fianakavian’i Jehovah manerana an’izao rehetra izao ny olombelona, aorian’ny fitsapana farany. (Vakio ny Romanina 8:19-22.) Nitoloko sy nijaly noho ny fahotana ny olona nandritra ny taonjato maro. Hanana ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” anefa ny olona amin’izay, izany hoe ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana. Matokia àry fa handray soa be dia be ianao, noho ny fifanekena vaovao izay nataon’i Jehovah noho ny fitiavany. Afaka mandray soa avy amin’ny zavatra nataon’ilay ‘tsimoka ho an’i Davida’ ianao dieny izao sy ho mandrakizay. Ho faly koa ianao rehefa hanjaka eto an-tany “ny rariny sy ny hitsiny.”—Jer. 33:15.
Inona no soa azonao dieny izao sy amin’ny hoavy noho ny fifanekena vaovao?
a Ahitana ny fahavononan’Andriamanitra hamela heloka ny nataon’i Hosea tamin’i Gomera. Jereo ny fanazavana ny Hosea 2:14-16 ao amin’ny boky Tadidio Foana ny Andron’i Jehovah, pejy 128-130.