-
Hita Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Mey
-
-
Hita Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’Andriamanitra
“Manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany” izy, ary “manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina.”—JOBA 35:11.
MANANA fahaizana mahavariana ny vorona. Mahagaga ny mpamorona fiaramanidina ny fahaizan’izy ireny manidina. Manao dia an’arivony kilaometatra ny vorona sasany, ary tsy mahita afa-tsy ranomasimbe nefa tsy very. Tody any amin’izay alehany izy ireo.
Mampiharihary ny fahendren’ny Mpamorona koa, ny fahaizan’ny vorona mifampiresaka amin’ny alalan’ny sioka sy hirahira. Diniho ange ireto ohatra ireto e!
Resaky ny vorona
Mbola ao anaty atody ny vorona sasany dia efa mifampiresaka. Manatody iray isan’andro, ohatra, ny papelika, ary valo ny atodiny, fara fahakeliny. Raha mitovy ny halavan’ny fotoana mahafoy ny atody tsirairay, dia ho sahirana ilay papelika. Hisy atody iray ho foy mantsy isan’andro, ka sady hitaiza an’ireo efa foy izy, no hikotrika ny atody iray farany amin’ny andro fahafito. Tsy izany anefa no mitranga. Foy ao anatin’ny adiny enina izy rehetra. Fa nahoana? Ny antony iray lehibe, hoy ny mpikaroka, dia satria mifampiresaka izy ireo na dia mbola ao anaty atody aza. Toy ny hoe mifanaraka izy ireo mba hifanakaiky ny fotoana hivoahany avy ao anaty akora.
Rehefa mihalehibe ny vorona, dia ny lahy mazàna no mihira. Manao izany izy rehefa hitady vady sy hampahafantatra ny faritaniny. Misy an’arivony ny karazam-borona, kanefa samy manana ny feony sy ny hirahira mampiavaka azy. Manampy ny vorona vavy hahalala ny vorona lahy iray karazana aminy izany.
Vao mangiran-dratsy na rehefa mody masoandro ny vorona no tena mihira. Nahoana? Tony ny rivotra amin’izay, ary tsy misy firy ny tabataba. Hitan’ny mpikaroka fa avo 20 heny noho ny amin’ny antoandro ny haavon’ny feom-borona re amin’ny maraina sy ny takariva.
Na dia ny lahy aza mazàna no mihira, dia manana feo isan-karazany ny vorona lahy sy vavy. Samy manana ny heviny izy ireny. Manana feo sivy, ohatra, ny vorona iray mitovitovy amin’ny fody. Hafa ny feony, rehefa mampitandrina ny namany izy hoe misy vorona mpihaza mihaodihaody eny amin’ny habakabaka. Hafa indray ny feony, raha avy etỳ ambany ilay loza.
Fanomezana tsy manan-tsahala
Mahavariana tokoa ny fahendrena nomen’Andriamanitra ny vorona. Mbola mahavariana kokoa noho ny an’ny vorona anefa ny fahaizan’ny olona mifampiresaka. Nomen’Andriamanitra ‘fahendrena mihoatra noho ny an’ny voro-manidina’ ny olona, hoy ny Joba 35:11. Miavaka ny olombelona, satria afaka mampita hevitra sarotra amin’ny alalan’ny feo na fihetsika.
Afaka mianatra teny sarotra ny zazakely, fa tsy mba toy ny zanaka vorona na zanaka biby hafa. Hoy ny gazety Mpahay Siansa Amerikanina ao amin’ny Internet: “Afaka mianatra miteny ny zaza, na dia tsy miresaka aminy aza ny ray aman-dreniny. Mahavita mamorona tenin’ny tanana azy manokana ny ankizy marenina, na dia tsy misy mahay tenin’ny tanana aza ao an-tranony.”
-
-
Hita Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Mey
-
-
Inona no vokatr’izany eo aminao?
Inona no tsapanao rehefa mandre siokam-borona mahafinaritra, na feon-jazakely vao miana-miteny? Hitanao eo amin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra ve ny fahendreny?
Rehefa avy nisaintsaina ny fomba nanamboarana ny tenany i Davida mpanao salamo, dia nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14) Miharihary eo amin’ny zavaboary ny fahendren’Andriamanitra. Rehefa misaintsaina an’izany ianao, dia hino kokoa fa tena mahay mitari-dalana anao izy.
-
-
Hita Amin’ny Kintana ny Herin’AndriamanitraNy Tilikambo Fiambenana—2008 | 1 Mey
-
-
Hita Amin’ny Kintana ny Herin’Andriamanitra
“Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”—ISAIA 40:26.
KINTANA salasalany ny masoandro, nefa avo 330 000 heny noho ny lanjan’ny tany ny lanjany. Kely kokoa noho ny masoandro ny ankamaroan’ireo kintana tsy lavitra ny tany. Lehibe noho ny masoandro anefa ny kintana hafa, ary avo 27 heny noho ny lanjan’ny masoandro ny kely indrindra aminy. Anisan’izany ny V382 Cygni.
Manao ahoana ny habetsaky ny angovo vokarin’ny masoandro? Tsy maintsy ho afo mahamay be vao ho re any amin’ny 15 kilaometatra ny hafanany. Tokotokony ho any amin’ny 150 tapitrisa kilaometatra miala amin’ny tany no misy ny masoandro, kanefa mbola mampitsovaka ny hoditsika izy io rehefa migaingaina ny andro. Mahavariana fa tokony ho ny ampaha 1 000 tapitrisa monja amin’ny angovo vokarin’izy io no tonga etỳ an-tany. Ampy hahavelona ny zavamananaina eto an-tany anefa izany.
Milaza ny mpahay siansa fa afaka mamatsy angovo ho an’ny planeta 31 tapitrisa tapitrisa mitovy habe amin’ny tany, ny masoandro. Milaza ny sampan-draharaha iray mandinika ny atmosfera, fa raha azo angonina ny angovo vokarin’izy io ao anatin’ny iray segondra, dia “hanana angovo hampiasaina ao anatin’ny sivy tapitrisa taona” i Etazonia.
Avy amin’ireo ataoma be dia be potika ao amin’ny atin’ny masoandro ny angovo vokarin’ny masoandro. Makadiry be ny masoandro ary matevina be ny atiny. Mila an-tapitrisany taona ny angovo avy ao amin’ny atin’ny masoandro vao tafavoaka etỳ ivelany. Hoy ihany ilay sampan-draharaha: “Raha tsy mamokatra angovo intsony ny Masoandro manomboka androany, dia afaka 50 tapitrisa taona atỳ aoriana vao ho re etỳ amin’ny Tany ny vokatr’izany!”
Diniho izao: Rehefa tsy semban-drahona ny lanitra amin’ny alina, dia mahita kintana an’arivony ianao. Samy mamoaka angovo be dia be izy ireny, toy ny masoandro ihany. Milaza anefa ny mpahay siansa fa misy kintana an’arivony tapitrisa tapitrisa eo amin’izao rehetra izao.
Ahoana no nampisy an’ireny kintana ireny? Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa nipoitra tampoka izao rehetra izao, tokony ho 14 000 tapitrisa taona lasa izay. Mbola tsy fantatr’izy ireo ny antony nahatonga izany. Tsotra anefa ny fanazavan’ny Baiboly. Hoy izy io: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 1:1) Tena ‘be hery’ tokoa Ilay namorona ny kintana, dia ireo zavaboary goavam-be mamokatra angovo.—Isaia 40:26.
-