-
SainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
“Izay lazain’ny fanahy.” Manazava i Paoly fa rehefa mivavaka ny mpanompon’Andriamanitra, dia mety tsy ho fantany tsara foana izay tokony hangatahiny. (Ro 8:26, 27) Fantatr’Andriamanitra anefa fa tian’izy ireo ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Fantany koa izay ilain’izy ireo. Misy vavaka maro àry nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny. Notarihin’ny fanahy masina ny olona nanonona an’ireny vavaka ireny. Maneho ny sitrapon’Andriamanitra na izay ao an-tsainy na eritreretiny ho an’ny mpanompony izy ireny. Ekeny ho toy ny hoe vavaka tian’ny vahoakany hangatahina àry izy ireny, ka tanterahiny. Fantatr’Andriamanitra ny mpanompony tso-po, ary fantany koa ny dikan’ny teny nasainy nosoratan’ireo mpanoratra ny Baiboly izay notarihin’ny fanahy masina. Fantany “izay lazain’ny [ao an-tsain’ny, ao an’eritreritry ny] fanahy” rehefa “miangavy” ho azy ireo ny fanahy, na misolo tena azy ireo.
-
-
VavakaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Milaza ny Romanina 8:26, 27 fa tsy fantatry ny Kristianina indraindray, izay holazaina ao anaty vavaka. Fantatr’Andriamanitra anefa izay ‘mampitoloko’ azy ao am-pony tsy miloaka ao. Amin’ny alalan’ny fanahiny no ahalalany izany, hoy ilay apostoly. Tsara hotadidina fa nampiasa ny fanahiny Andriamanitra rehefa nosoratana ny Soratra Masina. (2Ti 3:16, 17; 2Pe 1:21) Tantaraina ao ny zava-nitranga sy toe-javatra mitovitovy amin’izay hitranga amin’ny mpanompon’Andriamanitra atỳ aoriana. Voalaza ao koa ny fomba itarihan’Andriamanitra sy anampiany ny mpanompony. (Ro 15:4; 1Pe 1:6-12) Efa tao amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny zavatra tokony ho nangatahin’ilay Kristianina (fa tsy hainy nolazaina), saingy mety tsy ho takany izany raha tsy rehefa azony ny fanampiana nilainy.—Ampit. 1Ko 2:9, 10.
-