Inona no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
“Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — ROMANA 8:38, 39.
1. Amin’ny fomba ahoana avy no isehoan’ny fitiavan’Andriamanitra isan’andro?
ANDRIAMANITRA dia fanahy. Izay rehetra mamelona ny fiainantsika dia mampiseho izany amintsika isan’andro. Ny rivotra fohintsika, ny rano sotrointsika, ny sakafo hanintsika, dia samy fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, ireo zavatra ireo dia omena ny tsara sy ny ratsy, na mankasitraka izany ireo na tsia. Izany no nohamarinin’i Jesosy tamin’ny fanambarana toy izao ny amin’ny Rainy any an-danitra: “Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.’ (Matio 5:45). Eto an-tany, ny zavaboary velona rehetra dia mahazo ny antom-pivelomany avy amin’Andriamanitra. — Salamo 145:15, 16.
2. Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra ny fitiavany lalina ny olombelona, ary ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa nanaja ny sitrapon’i Jehovah izy?
2 Ny fitiavana tsapan’Andriamanitra ho an’ny olombelona noharìny dia nanosika azy hanao zavatra mihoatra lavitra noho ny fitanana fotsiny ny fiainany ankehitriny azo ampitahaina amin’ny voninkazo mihamalazo sy ny ahitra mihamaina (I Petera 1:24). Nanao fandaharana izy mba hahafahan’ny olombelona hiaina mandrakizay. Izao tokoa no vakintsika: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Nandanian’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany be dia be izany fandaharana izany. Tao Getsemane, tamin’ny alina nialoha ny hahafatesany, dia nandohalika i Jesosy ary nivavaka tao anatin’ny fitebitebena aoka izany hany ka “ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany”. Tamin’izay fotoam-pahoriana izay i Jesosy dia nihevitra mafy ny fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra, hany ka nangataka mihitsy aza izy mba hesorina aminy io kapoaka io. Izao anefa ny teny nanampiny: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Lioka 22:44; Marka 14:36). Na dia faran’izay nitebiteby aza i Jesosy, dia niahy voalohany indrindra ny amin’ny sitrapon’i Jehovah. Na dia ny fahatsinjovana ny hokapohina sy ny hiharan’ny fahafatesana miadana voafantsika eo amin’ny hazo iray aza dia tsy afaka nampisaraka azy tamin’ny fitiavan’Andriamanitra.
3. Inona avy moa no tenin’i Paoly noraisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho azy ireo, ary inona no vokany ho azy ireo?
3 Amin’izao androntsika izao, ny sitrapon’i Jehovah dia mahaforona koa ny zavatra lehibe indrindra ahin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay manara-dia an’i Jesosy. Raisiny ho azy ireo izao tenin’ny apostoly Paoly izao: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” (Romana 8:31, 35, 37). Tamin’izao androntsika izao, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah nasian’ny vahoaka, nokapohina, nohosorana “goudron” sy volom-borona, notapahin-tongotra na tanana, nosavihina, tsy nomena sakafo, notifirina; ny sasany aza notapahin-doha tany amin’ny toby fitanana nazia. Izany rehetra izany, dia satria izy ireny tsy nety nisaraka tamin’ny fitiavan’Andriamanitra.
4. Manao ahoana ny fihetseham-ponao eo anoloan’ny fandavan’io zazalahy io tsy hisaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
4 Efatra amby efapolo taona lasa izay, ny tanora Vavolombelon’i Jehovah iray izay nalefa ho any amin’ny toby fitanana nazia dia nanoratra ho an’ireo ray aman-dreniny, taratasy iray izay toy izao ny tapany aminy:
“Amin’ny 9 ora izao. Hotsaraina androany aho, kanefa tokony hiandry hatramin’ny 11.30. Ato amin’ny fonjan’ny fitsarana miaramila aho no manoratra ireto andalana ireto. Mahatsiaro fiadanan-tsaina aoka izany aho ka toa sarotra inoana izany; ilaina anefa ny milaza fa napetrako eo an-tanan’ny Tompo ny zavatra rehetra, hany ka afaka miandry amim-pahatoniana an’io ora io sy ireo fatorana tsy misy farany aho. Nanome toky anareo izy fa tsy hogadraina aho. Lainga re izany! Toy izany andro aman’alina aho: tsy vahana ny fatoran’ny mpigadra raha tsy rehefa mampiditra na manala akanjo sy manadio ny fonjany izy. (...)
“12.35. Vita daholo ny zava-drehetra izao. Koa satria notanako ny fandavako [ny baiko hiala amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra], dia nomelohin’izy ireo ho faty aho. Nihaino aho, ary rehefa avy nanonona ny teny hoe ‘Aza mivadika hatramin’ny fahafatesana’ sy tenin’ny Tompontsika vitsivitsy, dia vita ny zavatra rehetra. Tsy misy antony intsony anefa izany izao. Tsy azonareo alaina sary an-tsaina ny fiadanana sy fahatoniana tsapako. (...) Izany fiadanana izany, izany fifaliana izany izay efa nahazo ahy tao amin’ny efitrano fitsarana izay tsy ho takatr’izao tontolo izao mihitsy, dia nameno ahy, nanenika ahy rehefa tafaverina tao amin’ny fonjako aho. (...) Aza mitomany. (...) Izany no fampaherezana tsara indrindra azoko omena anareo, dia ianareo sy ireo rahalahy malalako rehetra, amin’izao alahady farany mialoha ny andro hamonoana ahy (amin’ny fanapahan-doha) izao, dia andro hanafahana ahy amin’ireo gadrakoa.”
‘Izy no hampiorina ary hampitoetra anareo’
5, 6. Inona avy moa no toky nomen’i Paoly sy Petera mety hanatanjaka ny kristiana izay voasedra mafy noho ny fifikirany tsy azo ravana amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
5 Tafasaraka tamin’ny fiainana io zazalahy io, fa tsy tamin’ny fitiavan’Andriamanitra. Nisy zavatra naharikoriko toy izany natao tamin’ny vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ireo taonjato. Matoa ny mpanompon’Andriamanitra afaka miaritra fanenjehana toy izany, na ny fahafatesana mihitsy aza, dia tsy noho ny herin’ny tenan’izy ireo fotsiny, fa noho ny an’Andriamanitra. Manome toky antsika toy izao i Paoly: “Mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.” (I Korintiana 10:13). Tamin’izao androntsika izao, ireo Vavolombelon’i Jehovah nahatoky nosedraina dia afaka nandray indray izao teny izao izay notononin’i Paoly fony izy natao an-tranomaizina: “Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy.” — II Timoty 4:17.
6 Ny apostoly Petera dia mananatra antsika mba hitandrin-tena amin’ny Devoly izay mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany, avy eo dia nanome toky antsika toy izao izy: “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (I Petera 5:8-10). Rehefa heverina amin’ny fanampiana rehetra izay maha-vonona an’Andriamanitra ny hanome azy antsika, dia zavatra iray loha no mazava: ny fitiavan’Andriamanitra tsy ho levona mandrakizay; raha manjary tafasaraka amin’ny fitiavany isika, dia ho noho ny fahadisoantsika izany fa tsy ny an’Andriamanitra.
7. Inona avy moa no tetikady nampiasain’i Satana mba hakana fanahy an’i Jesosy, ary ahoana no nandresen’i Jesosy azy?
7 Tsy mamely toy ny liona mierona foana akory Satana. Matetika tokoa izy no manao izany toy ny ‘menarana fetsy’ na toy ny “anjelin’ny mazava” mikomy. Mamelona fikasana maizimaizina izy ny amintsika, koa tokony ho malina isika mba tsy hanaiky ho voafitany. Ilaintsika ny mitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra “mba hahafahana hiorina mafy hanohitra ny ataon’ny Devoly ankolaka”. (Genesisy 3:1, Jérusalem; II Korintiana 2:11; 11:13-15; Efesiana 6:11, NW, fan. 1984, fanamarihana ambany pejy.) Rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy, dia nanatona azy Satana ka nanonona taminy teny ao amin’ny Soratra Masina izay naolany ny heviny mba hanandramana hitarika azy hanao ratsy. Intelo izy no naka fanahy azy, ary intelo izy no tsy nahomby. Nailik’i Jesosy ny fampiharan’i Satana ny Soratra Masina tamin’ny fomba diso tamin’ny fanononana teny izay nampihariny tamin’ny fomba marina, avy eo dia nasainy nandeha izy. ‘Nanalavitra azy mandra-pahatongan’ny fotoana mety hafa iray’ fotsiny anefa i Satana. — Lioka 4:13; Matio 4:3-11.
8, 9. Ahoana no nisedran’i Satana tamim-pitaka an’i Jesosy indray, ary, araka ny filazan’i Paoly, inona no tokony hataontsika mba hahavoaro antsika?
8 Mikiry amin’ny heviny i Satana. Manao zavatra tsy ankijanona amin’ny endriny samy hafa izy. Nitsapa an’i Jesosy indray izy, tamin’io indray mandeha io dia tamin’ny fampiasana ireo filoha ara-pivavahana tamin’izany andro izany. Jesosy izay tsy voafitaka dia nanambara tsy nisy fihambahambana toy izao tamin’ireny lehilahy ireny: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo.” Misy aza indraindray olona miasa tsy nahy ho an’ny fikasan’i Satana. Nanao izany, marina fa tamin’ny fikasana tsara, ny apostoly Petera, rehefa niteny mafy an’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!” Voatery niteny mafy azy toy izao i Jesosy: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao.” (Jaona 8:44; Matio 16:22, 23). Toy izany koa, ny mpampiasa iray, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny sakaiza, ny havana, ny ray, ny reny na ny vady iray dia mety hiasa tsy nahy ho an’ny fikasan’i Satana. Tokony hitandrina mandrakariva isika ka tsy hamela na inona na inona hampihena ny fifandraisana tanantsika amin’i Jehovah.
9 Zava-dehibe tokoa àry ny ‘hitafiantsika ny fiadian’Andriamanitra rehetra, mba hahazoantsika hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa (...) amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra’. — Efesiana 6:11, 12.
Ny herin’ny fahotana eo amin’ny nofo ratsy
10. Inona moa no dikan’ny teny hoe “fahotana”, ary zavatra inona avy no hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra raha manaraka izany isika.
10 Mampitodika ny famelezany ho eo amin’ny zavatra mampahalemy antsika i Satana. Ny fironan’ny nofontsika ho amin’ny ota àry dia anankiray amin’ireo zavatra tiany hokendrena (Salamo 51:5). Ny teny grika nadika hoe fahotana dia hamartia. Ny matoanteny hoe manota dia dikan’ny teny grika hoe hamartanô izay ny dikany ara-bakiteny dia hoe “tsy mahatratra ny zava-kendrena”. (Romana 3:9, NW, fan. 1984, fanamarihana ambany pejy.) Arakaraka ny tsy hahatratrarantsika ny zava-kendrena amin’ny tsy fitandremana ireo didin’Andriamanitra, no analavirantsika ny fitiavan’Andriamanitra, satria “izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”. (I Jaona 5:3.) Ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny fanao momba ny lahy sy ny vavy novana ho ratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fahamaimaizan’ny nofo tsy voafehy, ny fialonana, ny firehetan’ny fahatezerana, ny fikatsahana fananana ara-nofo, izany zavatra rehetra izany dia mampisaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ka ‘ireo izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra’. — Galatiana 5:19-21.
11. Ahoana no mety hahatonga ny fahotana hisy heriny miandalana eo amintsika, ary inona avy no vokany farany?
11 Misy sarimihetsika, boky, tantara amin’ny teatira sy fandaharana amin’ny televiziona — lotoina amin’ny dokambarotra manandratra ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny ‘izaho aloha’ sy ny momba ny lahy sy ny vavy — mamporisika ny fikatsahana fahafinaretana mihoapampana. Ny fahotana voalohany dia manokatra ny lalana ho amin’ny faharoa, ary manaraka izany ny fahatelo sy ny fahefatra, ka tsy ela ilay mpanota dia tafalentika haingana eo amin’izao tontolo izao. Farany, ireo izay “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra” dia manjary ‘miahy ny hahatanteraka ny filan’ny nofo’. (II Timoty 3:4; Romana 13:14.) Nisy olon-dehibe sy tanora natelin’ny fahotana ka nihadonto tanteraka ny fieritreretany. “Tsy mahalala henatra intsony (izy ireny) ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” — Efesiana 4:19; I Timoty 4:2.
12. Inona avy moa no teny ao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa misy heriny eo amintsika ny fahotana, ary ahoana no teny nampisehoan’i Paoly ny fitarainany ny amin’izany toe-javatra izany?
12 Ireo izay tapa-kevitra ny tsy hanaiky ho tafasaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia tokony hanatanja-tena mba hahafahana hahatohitra ny herin’ny fahotana eo amin’ny nofo ratsy. Fahavalo mahatsiravina io, araka ny soritan’ny Baiboly imbetsaka amin’izao teny izao: “Izay rehetra manota dia andevon’ny ota”, “mpanota avokoa” ny rehetra, “samy efa nanota izy rehetra”, “aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty”, “mpanompon’izay arahinareo” ianareo, “fa fahafatesana no tambin’ny ota”, ary ‘voahidy teo amin’ny fahotana ny rehetra’. (Jaona 8:34; Romana 3:9, 23; 6:12, 16, 23; Galatiana 3:22.) Paoly dia “namidy ho andevon’ny ota”, ‘babon’ny lalàn’ny ota’, ka izany dia nitarika azy hitaraina toy izao: “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.” (Romana 7:14, 19, 23). Izany no antony nampihiaka azy hoe: “Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Tamin’izay dia nahazo valiny tamin’izao fanandratam-peo falifaly izao io fanontaniana io: “Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — Romana 7:24, 25.
13, 14. a) Amin’ny alalan’ny inona no anafahana antsika amin’ny fahotana? b) Ahoana no azontsika itoerana ao amin’ny fitiavan’i Kristy?
13 ‘Nanjaka tao amin’ny fahafatesana ny ota’ mandra-pahatongan’i Jesosy Kristy (Romana 5:14, 17, 21). Hatramin’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nananganana azy tamin’ny maty anefa, ny fahotana, naongana, dia tsy manjaka intsony eo amin’ireo izay velom-pankasitrahana an’Andriamanitra noho ny nanomezany ny Zanany tamim-pitiavana. Namonjy antsika tamin’ny fahotantsika izy, nikosoka izany tanteraka, nanasa sy nanadio ary namaha antsika tamin’izany (Matio 1:21; Asan’ny apostoly 3:19; 22:16; II Petera 1:9; I Jaona 1:7; Apokalypsy 1:5). Araka izany, dia tsy ny apostoly Paoly ihany, fa izay rehetra mino ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy koa dia tokony hisaotra an’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izy ireny dia tokony hisaotra azy noho ny nanomezany fanafahana azy tamin’ny fanandevozana ara-nofo sy mampahonenan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
14 Tsy vitan’ny hoe tokony hanalavitra ny fisarahana amin’ny fitiavan’Andriamanitra àry isika, fa tokony hitoetra ao amin’ny fitiavan’i Kristy koa. Ireo fepetra tokony hofenoina mba hahatafaray amin’i Jesosy hatrany dia mitovy amin’ny ilaina mba hahatafaray amin’Andriamanitra. Izany no nosoritan’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.” — Jaona 15:9, 10.
Loza iray: ny faniasiavana
15. Loza inona no mikendry antsika, ary inona no tokony hataontsika mba hanalavirana izany?
15 Aoka isika tsy ho tonga andevon’ny ota sy ny fahotana indray amin’ny fihemorana, na amin’ny faniasiavana. Mety hitranga miandalana tokoa izany, hany ka tsy tsapantsika. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Galatiana 6:1: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy, ka mihevera [mitandrema, MN] ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.” Izay manome torohevitra olona dia tokony ‘hitandrin-tena’. Mety voa daholo isika rehetra! “Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.” — Hebreo 2:1.
16, 17. Ohatra inona no manazava ny fomba mety hampivily lalana amin’ny lafiny ara-panahy, ary inona no tokony hataontsika mba hanalavirana ny fitrangan’izany amintsika?
16 Tsy misy fiezahana atao mihitsy mba hindaosina hiala. Mora dia mora àry izany — ary mampidi-doza tokoa, raha lazaina amin’ny heviny ara-panahy. Mety ho tafasaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny tena alohan’ny hahatsapana izany aza. Sahala amin’ny rehefa diso lalana ny ondry iray no fisehon’izany. Ahoana no mahavery azy amin’ny farany? Nanome izao fanazavana manaraka izao ny mpiandry ondry iray: ‘Manary ny tenany izy eo am-piraofana ahitra. Mahita vondron’ahi-maitso, eny amin’ny metatra vitsivitsy eny an-tsisiny izy ka lasa miraoka izany. Mahatsikaritra anankiray hafa izy ery amin’ny telo metatra lavidavitra kokoa dia lasa miraoka iny. Hitany ho mampilendalenda ny vondrony fahatelo, ka manatona izany ilay ondry. Tsy ela izy dia lasa lavitra ny andian’ondry. Nandiso lalana ny tenany izy rehefa niraoka ahitra.’
17 Toy izany koa ny amin’izay diso lalana eo amin’ny lafiny ara-panahy. Indraindray ny zavatra rehetra dia manomboka somary amim-pahatsorana, amin’ny fikatsahana fananana ara-nofo sasany, fifaneraserana eo amin’izao tontolo izao na fandinihana teny sasany ao amin’ny Soratra Masina. Mihamanalavitra ny andian’ondrin’Andriamanitra anefa ny kristiana toy izany, ary tsy ela izy ireny dia nampisaraka ny tenany tamin’ny kongregasiona sy ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy narahiny izao fananaran’i Paoly izao: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo [ary ataovy foana izany, MN].” — II Korintiana 13:5.
18, 19. Ahoana no azontsika atao, etsy andaniny, mba hampandositra ny Devoly lavitra antsika, ary etsy ankilany, mba hanatonana an’Andriamanitra?
18 “Manohera ny devoly, hoy ny torohevitra omena antsika, dia handositra anareo izy.” Afaka manohitra ireo fanafihan’i Satana ankolaka isika amin’ny fampiasana amim-pahakingana “ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy”. Tamin’izany no nanosehan’i Jesosy an’i Satana tany an’efitra. Mihatra amintsika koa ity torohevitra hafa iray ity: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:7, 8; Efesiana 6:17). Tokony hanakaiky an’Andriamanitra foana isika amin’ny fifikirana amin’ny teniny, tsy misy hafa amin’ireo mpanoratra ny Salamo, izay nanoratra toy izao: “Mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.” “Mandinika ny teni-vavolombelonao aho. Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. (...) Tsy mba niala tamin’ny teni-vavolombelonao aho.” — Salamo 19:7; 119:95, 105, 157.
19 Mivavaka, mianatra ny Tenin’Andriamanitra, tia ireo rahalahin’ny tena sy miara-mivory tsy tapaka amin’izy ireny, miresaka amin’ny hafa ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany dia samy fomba fanatonana an’i Jehovah sy ny fitiavany aseho ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. — I Tesaloniana 5:17; Romana 12:2; Hebreo 10:24, 25; Lioka 9:2.
20. Fahavononana inona nambaran’i Paoly moa no raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho azy ireo indray amin’izao androntsika izao?
20 Nasehon’i Paoly tamin’izao fanambarana mahery sy tsara dia tsara izao ny fahavononan’ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky rehetra amin’izao androntsika izao: “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao [aseho, Jé] amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Romana 8:38, 39.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny Tilikambo Fiambenana, fanontana amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 aogositra 1945, pejy faha-237, 238.
Tadidinao ve?
◻ Ahoana no ihariharian’ny fitiavan’i Jehovah amin’ireo fandaharana nataony mba hitanana ny fiainana?
◻ Fomba inona avy no ampiasain’i Satana mba hanandramana mampisaraka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitiavan’Andriamanitra?
◻ Inona avy no teny ao amin’ny Soratra Masina mampiseho fa manan-kery eo amintsika ny fahotana, ary ahoana no azo anafoanana izany?
◻ Nahoana no mampidi-doza tokoa ny faniasiavana, ary ahoana no azo analavirana ny fitrangan’izany amintsika?
[Sary, pejy 13]
Mivily lalana tsikelikely ny ondry iray mandra-pahaveriny.