-
Iza Ilay Tena Andriamanitra?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
4. Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany sy hampiasa an’ilay izy ianao
Inona no porofo hoe tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany ianao? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Tian’i Jehovah hahafantatra ny anarany ve isika, araka ny hevitrao? Nahoana?
Tian’i Jehovah hampiasa ny anarany isika. Vakio ny Romanina 10:13, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana no tena ilaina ny mampiasa an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah?
Inona no tsapanao rehefa mahatadidy ny anaranao ny olona sady mampiasa an’ilay izy?
Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mampiasa ny anarany ianao?
-
-
Manala Baraka An’Andriamanitra ny Fivavahan-disoAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
1. Nahoana no manala baraka an’Andriamanitra ny zavatra ampianarin’ny fivavahan-diso?
Tsy ny ‘marina momba an’Andriamanitra’ no ampianarin’ny fivavahan-diso fa ‘aleony lainga.’ (Romanina 1:25) Ny ankamaroan’ny fivavahana, ohatra, tsy mampianatra hoe iza no anaran’Andriamanitra. Ny Baiboly anefa miteny hoe tokony hampiasaina ny anarany. (Romanina 10:13, 14) Rehefa misy loza mitranga koa, dia milaza ny mpitondra fivavahana sasany hoe sitrapon’Andriamanitra ilay izy. Lainga anefa izany. Tsy manao zavatra ratsy mihitsy Andriamanitra. (Vakio ny Jakoba 1:13.) Mampalahelo fa lasa tsy te hanatona an’Andriamanitra ny olona noho ny zavatra diso ampianarin’ny fivavahana.
-