FAHAZOTOANA
Toetran’olona marisika sy manana fikirizana, tia mikely aina, mafana fo, ary mavitrika. Matetika no ampiasaina amin’ny fanaovana asa tsara sy mahasoa ny hoe mazoto, ary mifanohitra amin’ny kamo.
Ilay teny grika nadika hoe “fahazotoana” dia nadika koa hoe ‘manao izay rehetra azo atao’, ary indraindray hoe “haingana” na ‘izay atao.’
Ampirisihina ny Kristianina mba tsy ho kamo na ho sasatry ny manao soa. Hoy i Paoly: “Irinay ianareo tsirairay mba haneho fahazotoana [a.b.t.: hanafaingana] toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana. Amin’izay dia tsy ho kamo ianareo, fa hanahaka kosa an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.” (He 6:11, 12; ampit. Oh 10:4; 12:24; 18:9.) Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Miezaha mafy dia mafy hiditra amin’ny varavarana tery, fa maro, hoy aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.” (Lk 13:24) Anisan’ireo nikely aina mafy toy izany i Paoly. (Kl 1:29; 2Te 3:7-9) I Jehovah sy ny Zanany no tena modely amin’ny fahazotoana.—Jn 5:17; Is 40:26.
Nasaina ‘nanao izay rehetra azony atao’ ny Kristianina ho setrin’ny fampanantenan’Andriamanitra, ka ny finoan’izy ireo dia tokony hampiany hatsaran-toetra, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana ny olona rehetra. Tsy hipetra-potsiny izy ireo ary tena hahavokatra, raha mankatò izany. (2Pe 1:4-8) Tokony harisika sy hazoto foana àry izy ireo (2Ti 2:15; He 4:11) sady hitandrina foana an’izay efa reny. (He 2:1) Ny fanahin’i Jehovah no tena manome hery hanaovana izany. Hoy i Paoly: “Aza malaina amin’izay ataonareo. Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an’i Jehovah.” (Ro 12:11) Tena mahery izany fampirisihana izany! Tokony hazoto (“aoka isika hanohy izany fanompoana izany”) ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, indrindra fa ireo mitarika ny fivoriana sy ny asan’ny fiangonana. Voalaza mantsy hoe: “Izay mitarika, dia aoka izy hanao izany amim-pahazotoana.”—Ro 12:7, 8, 11.
Ny Kristianina nazoto ihany no nahazo fanampiana avy tamin’ny fiangonana, raha sahirana. Izao no fitsipika: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.” Nisy Kristianina tsy niasa mihitsy, ka nanarina mba hanao zavatra sy “hiasa amim-pilaminana ka hihinana izay nisasarany.” (2Te 3:10-12) Raha misy milaza hoe Kristianina nefa tsy mety mamelona ny ankohonany na manao tsirambina izany, dia “efa nanda ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” (1Ti 5:8) Tsy maintsy “nazoto tamin’ny asa tsara rehetra” na dia ny mpitondratena sahirana aza, raha tiany ny ho voasoratra ao anatin’ny lisitr’ireo hahazo fanampiana tsy tapaka avy amin’ny fiangonana.—1Ti 5:9, 10.
Soa azon’izay mazoto. Be dia be ny soa azon’izay mazoto, ary tsy dieny izao ihany fa amin’ny hoavy koa. “Hahantra izay kamo miasa, fa mampanan-karena kosa ny tanan’ny mazoto.” (Oh 10:4) “Ny mazoto no hahazo ny fitondrana.” (Oh 12:24) “Tsy hanan-java-mahory” izy ireny. (Oh 13:4) Izao no voalaza momba ny vehivavy mazoto: “Mitsangana ny zanany lahy, ka milaza azy hoe sambatra. Mitsangana koa ny vadiny, ka midera azy.” “Aoka homenareo azy izay vokatry ny asan’ny tanany, ary aoka ny asany hidera azy eny am-bavahady.” (Oh 31:28, 31) Nilazana ireo voahosotra rahalahin’i Kristy hoe: “Tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana. Toy izany, raha ny marina, no hamelana anareo hiditra amim-boninahitra ao amin’ilay fanjakana mandrakizay, dia ny fanjakan’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.”—2Pe 1:10, 11.