Manontany ny Tanora Hoe . . .
Ratsy ve ny Mamaly Faty?
“Nanevateva ahy izy.”—Conneel, 15 taona, nigadra satria namono olona.
Namono nahafaty mpampianatra iray tao amin’ny sekoly fianarana dihy i Andrew, 14 taona. Nolazainy fa halany ny mpampianatra sy ny ray aman-dreniny, ary nahasosotra azy ny ankizivavy satria tsy nety niaraka taminy.
LAZAIN’NY gazetiboky Time ho “fahazarana mahafaty” izany. Mitondra basy an-tsokosoko any am-pianarany ny tanora tezitra iray, ka mitifitra ny mpiara-mianatra aminy sy ny mpampianatra azy. Efa mihafahita ny zava-doza toy izany any Etazonia, hany ka nilaza ny vaovao tao amin’ny televiziona iray fa “fitaran’ny herisetra” izany fironana izany.
Soa ihany fa mbola azo lazaina ho tsy dia fahita firy ny fitifirana any an-tsekoly toy izany. Na izany aza anefa, ny herisetra hita vao haingana vokatry ny hatezerana tsy voafehy dia mampiseho hoe toy inona ny hatezeran’ny tanora sasany any an-tsekoly any. Inona no mety hahatonga ny fipoahan’ny fahatezerana toy izany? Tezitra ny sasany tamin’izy ireny noho ny tsy rariny na ny fanamparam-pahefana natao taminy. Ny hafa sosotra satria nananihany azy foana ny namany. Nisy nananihany foana, ohatra, ny ankizilahy 12 taona, noho izy natavy loatra, ka notifiriny ny mpiara-mianatra taminy, ary nitifi-tena izy avy eo.
Marina aloha fa mety tsy ho ao an-tsain’ny ankamaroan’ny tanora mihitsy ny hanao herisetra tafahoatra toy izany. Tsy mora anefa ny miaritra ny fahorian-tsaina rehefa ianao no tratran’ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny filam-baniny, sy ny kivazivazy tafahoatra. Hoy i Ben, nahatsiaro ny fotoana mbola naha mpianatra azy: “Izaho foana no fohy indrindra tamin’ny ankamaroanay ankizy nitovy taona. Fohy kely koa ny voloko, ka nahazatra ny ankizy ny nananihany ahy sy nikapoka ny lohako. Tena nahatezitra ahy izany. Vao mainka sorena aza aho, satria rehefa mba nitaraina tamin’ny tompon’andraikitra aho, dia tsy noraharahain-dry zareo. “Tsy nanana basy aho”, hoy ihany i Ben, “fa raha tsy izany, efa notifiriko daholo ireny olona ireny.”
Ahoana no tokony ho fijerinao ireo tanora mitady hamaly izay nanisy ratsy azy? Ary inona no tokony hataonao raha ianao mihitsy no asian-dratsy? Diniho ny valiny omen’ny Tenin’Andriamanitra.
Mariky ny tanjaka ny fifehezan-tena!
Tsy zava-baovao ny hetraketraka sy ny tsy rariny. Nanoro hevitra toy izao ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, fa ratsy no hiafaran’izany.” (Salamo 37:8) Tsy mahafehy tena ny olona matetika rehefa tezitra, ka manapoaka ny fahatezerany, tsy mieritreritra akory izay ho vokany. Raha avelanao “hirehitra ny fahatezeranao”, dia hiafara amin’ny fipoahan’ny fahatezerana tsy voafehy izany! Inona no mety ho vokany?
Diniho ny ohatr’i Kaina sy i Abela, ao amin’ny Baiboly. “Tezitra indrindra” tamin’i Abela rahalahiny i Kaina, ka “nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’i Abela rahalahiny ka namono azy.” (Genesisy 4:5, 8) Nampiseho ohatra hafa ny amin’ny fahatezerana tsy voafehy i Saoly Mpanjaka. Nialona izy noho ny zava-bitan’i Davida tao amin’ny tafika, ka notorahany lefona i Davida. Tsy i Davida ihany no notorahany, fa i Jonatana zanany koa!—1 Samoela 18:11; 19:10; 20:30-34.
Marina aloha fa indraindray dia rariny ianao raha ho tezitra. Na dia ny fahatezerana ara-drariny aza anefa, dia mety ho ratsy fiafara raha tsy voafehy. Rariny, ohatra, raha tezitra tamin’i Sekema i Simeona sy i Levy, rehefa fantatr’izy ireo fa novetavetain’io i Dina anabaviny. Tsy nitoetra ho tony anefa izy ireo, fa vao mainka nitariny ilay izy, araka ny nolazain’izy ireo avy eo hoe: “Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?” (Genesisy 34:31) Ary rehefa nirehitra mafy ny fahatezerany, dia “samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao” amin’ny tanànan’i Sekema. Nifindra ny hatezeran’izy ireo, ka nanampy azy tamin’ilay famonoana koa ny zanak’i Jakoba hafa. (Genesisy 34:25-27) Nanameloka ny fahatezerana tsy voafehin’i Simeona sy i Levy i Jakoba rainy, na dia efa taona maro tatỳ aoriana aza.—Genesisy 49:5-7.
Fianarana lehibe no raisintsika avy amin’izany, dia ny hoe: Tsy mariky ny tanjaka ny fahatezerana tsy voafehy, fa mariky ny fahalemena kosa. Milaza ny Ohabolana 16:32 hoe: “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.”
Hadalana ny hamaliana faty
Izao no torohevitra omen’ny Soratra Masina: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza.” (Romana 12:17, 19) Tsy tian’Andriamanitra isika hikasi-tanana olona na hanao teny mahery, mba hamaliana faty. Tsy ilaina, sady hadalana izany. Herisetra mafy kokoa mazàna no valin’ny herisetra. (Matio 26:52) Teny mahery kokoa matetika no valin’ny teny mahery. Tadidio koa fa matetika no tsy azo hamarinina ny fahatezerana. Tena azonao antoka ve, ohatra, fa mankahala anao ilay olona nampahatezitra anao? Nety hoe tsy nisaina na tsy nahalala fomba tsotra izao ve izy? Raha tena nisompatra aza izy, mety ve ny hamaliana faty?
Jereo izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 7:21, 22: “Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao hianao; fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.” Mahasosotra tokoa ny mandre fa misy olona mifosa ny tena. Milaza anefa ny Baiboly fa tsy maintsy ampoizina izany. Tsy marina ve fa mety mba efa nifosa ny hafa koa ianao? Koa nahoana ianao no tezitra raha nifosa anao ny hafa? Matetika dia aleo mihitsy odiana tsy fantatra ny fananihanian’ny olona.
Mitovy amin’izany koa, fa tsy fahendrena ny ho tezitra loatra raha tsapanao fa nanisy ratsy anao ny hafa. Mbola zatovo i David, ary tsaroany tsara izay nitranga, rehefa nilalao baskety niaraka tamin’ny namany kristianina izy. “Namely ahy tamin’ny baolina ny ankizy tamin’ilay ekipa iray”, hoy izy. Tonga izy dia nihevitra hoe hasomparana izany, ka mba novaliany koa, rehefa namerina ny baolina tany amin’ilay mpilalao izy. “Tezitra be aho tamin’iny”, hoy izy niaiky. Mbola tsy nitatra anefa ilay izy, dia efa nivavaka tamin’i Jehovah i David. ‘Inona àry ity ataoko mila ady amin’ny rahalahy kristianina ity?’, hoy izy anakampo. Samy niala tsiny izy ireo tatỳ aoriana.
Tsara ny mitadidy ny ohatr’i Jesosy Kristy, rehefa mitranga ny toy izany. “Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona.” (1 Petera 2:23) Raha iharam-panerena ianao, aza tonga dia manao zavatra fa mivavaha amin’Andriamanitra aloha, ary mangataha ny fanampiany mba hanananao fifehezan-tena. “Hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy” izy. (Lioka 11:13) Tsy mety ny mamaly faty raha nisy olona nampahatezitra anao, fa angamba kosa azo atao ny manatona azy sy miresaka momba ilay izy. (Matio 5:23, 24) Raha misy minia manorisory anao foana anefa, any am-pianarana, ohatra, dia aza mila ady na miresaka aminy. Ataovy fotsiny izay hiarovan-tena.a
Tanora nandresy ny fahatezerany
Nampihatra ny toro lalana ao amin’ny Baiboly ny tanora maro, ary tsara ny vokany. Zaza natsangana, ohatra, i Catrina satria narian’ny reniny izy tamin’ny mbola kely. Hoy izy: “Tezitra foana aho, satria tsy azoko mihitsy hoe nahoana no nanary ahy ilay tena reniko. Tiako ny nanampatra ny fahatezerako tamin’ilay reny nitaiza ahy. Tamin’ny hadalako, dia noeritreretiko fa afaka namaly faty izay nataon’ilay tena reniko aho, raha nanisy ratsy ilay reny nitaiza ahy. Tsy nisy tsy nataoko taminy, na teny mahery izany na fianjonanjonana, na fitezerana tampoka tsy ahoan-tsy ahoana. Ny nanakaratoka varavarana no tena nahafinaritra ahy. Fiteniko foana koa ny hoe ‘tsy tiako maizina ianao’! Nataoko daholo izany satria tezitra loatra aho. Rehefa mieritreritra aho, dia tsy mampino ahy hoe izaho no nahavita izany rehetra izany.”
Inona no nanampy an’i Catrina hifehy ny fahatezerany? Hoy izy mamaly izany: “Ny famakiana ny Baiboly! Tena zava-dehibe io, satria fantatr’i Jehovah izay tsapantsika.” Nahazo fampiononana koa i Catrina sy ny fianakaviany rehefa namaky lahatsoratra momba ny fianakaviana toy ny azy ireo, tao amin’ny Mifohaza!b “Afaka nifandinika izahay rehetra ary namantatra ny fihetseham-pon’ny tsirairay avy taminay”, hoy izy nahatsiaro.
Afaka mianatra mifehy ny fahatezerana koa ianao. Rehefa misy mananihany, na mampijaly, na manisy ratsy anao, dia tsarovy ny voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Salamo 4:4 hoe: “Tezera, fa aza manota.” Afaka manampy anao hanohitra ny fahatezerana manimba ireo teny ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Atoron’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, toko faha-19 sy faha-20, izay azo atao raha miangatra ny mpampianatra, na raha misy mpampijaly kely, sy mpanorisory any am-pianarana.
b Jereo ny fitohitohizan-dahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: “Ny Fifaliana sy ny Zava-tsarotra Entin’ny Fananganan-jaza”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay), 8 May 1996.
[Sary, pejy 15]
Matetika, dia aleo mihitsy odiana tsy fantatra fotsiny ny fananihanian’ny olona