-
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Jolay
-
-
14. Inona no azontsika atao mba hampaherezana an’ireo nidonam-pahoriana?
14 Tsy mahagaga àry raha tsy hitantsika izay holazaina amin’ny olona nidonam-pahoriana. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘manasitrana ny tenin’ny hendry.’ (Ohab. 12:18) Maro no nahita hevitra mampahery azo resahina, tao amin’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao.c Ny mety indrindra anefa matetika, dia ny ‘miara-mitomany amin’izay mitomany.’ (Rom. 12:15) Maty ny vadin’ny anabavy atao hoe Gaby. Hoy izy: “Mitomany aho rehefa malahelo. Lasa izay no fomba ilazako izay ato am-poko. Izany no mahatonga ahy hahatsiaro ho maivamaivana rehefa misy namako miara-mitomany amiko. Mba tsy izaho irery amin’izay no mizaka ny alaheloko.”
-
-
“Miaraha Mitomany Amin’izay Mitomany”Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Jolay
-
-
20. Nahoana no mampahery ny zavatra ampanantenain’i Jehovah?
20 Mampahery antsika ny mahalala fa ho foana ny alahelo rehetra rehefa hanangana ny maty i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fampiononana. Handre ny feon’i Kristy ny olona rehetra any am-pasana amin’izay, ka hivoaka. (Jaona 5:28, 29) Mampanantena i Jehovah hoe ‘hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana, ary hofafany ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.’ (Isaia 25:8) Tsy ‘hiara-hitomany amin’izay mitomany’ intsony ny mponina eto an-tany amin’izay, fa ‘hiara-hifaly amin’izay mifaly.’—Rom. 12:15.
-