Fanontanian’ny mpamaky
◼ Ahoana no azon’ny kristiana iray anavahana ny kolikoly (melohin’ny Baiboly) sy ny “falim-po (pourboire)” na “fanomezana” ho takalon’ny asa natao?
Tokony ho fantatra fa tsy mitovy ny fanao arakaraka ny toerana iainantsika. Ny fomba fanao iray ekena ao amin’ny tany iray dia hoheverina ho mahatafintohina na tsy mety any amin’ny toerana hafa. Ohatra, mety ho fanao any amin’ny tany iray ny miondrika eo anoloan’ny solontenam-panjakana iray, kanefa any amin’ny tany hafa iray izany dia hoheverina fa fanompoan-tsampya. Toy izany koa, ny fanomezana falim-po (pourboire) ekena any amin’ny tany iray dia mety hahatafintohina na tsy ho ara-dalàna any amin’ny tany hafa iray. Amin’ny fitadidiana izany tsy fitoviana izany ao an-tsaina, ny kristiana rehetra dia tokony hanaraka ny torohevitr’Andriamanitra manohitra ny kolikoly.
Inona moa no atao hoe kolikoly, ary inona no lazain’ny Baiboly momba izany? Izao, amin’ny ambangovangony, no heviny omen’i Robert azy: “Vola na fanomezana omena miafina mba hahazoana tombontsoa iray tsy ara-dalàna (...). Tsolotra natao hanimbana ny mpanao raharaham-panjakana iray, ary fahazoam-bola tsy ara-dalàna.” (Dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française). Araka izany dia fanomezana kolikoly ny fanolorana vola (na fanomezana) ho an’ny mpitsara iray mba hananan-kery eo amin’ny fanapahan-keviny sy hanimbana ny rariny. Ny fanomezam-bola mba hanodinana ny lalàna koa dia toy ny fanomezana kolikoly; izany dia toy ny rehefa misy fangatahana ny mpisafo iray voatendry hanamarina raha mifanaraka amin’ny fitsipi-pilaminana ny trano be iray, na ny hatsaran’ny fiarakodia iray, ny tsy fiheverana ny fandikan-dalàna.
Melohin’Andriamanitra ny kolikoly rehefa nilaza toy izao tamin’ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely izy: “Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly [na tsolotra]; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ary mamadika ny tenin’ny marina.” (Deoteronomia 16:19; jereo Ohabolana 17:23; Isaia 1:23; 5:23; I Samoela 8:3-5). Ny tenan’i Jehovah mihitsy no mametra ny fitsipi-pitondrantena, satria ao aminy ‘tsy mba misy heloka, na fizahan-tavan’olona, na fandraisana kolikoly’. (II Tantara 19:7; Deoteronomia 10:17.) Ny kristiana izay maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra dia tsy mety mampiasa kolikoly. — Jereo Asan’ny apostoly 24:26.
Raha mbola manala sarona ny fandraisana kolikoly ny olona maneran-tany ary mamoaka lalàna manohitra izany, dia olona maro no tojo ny fahasahiranana voalazan’ny fanontaniana napetraka etsy ambony. Fantatr’izy ireny fa, ao amin’ny taniny, dia ilaina ny manolotra “fanomezana” na “falim-po (pourboire)” raha tiana ny hanaovan’ny mpanao raharaham-panjakana iray ny asany na mba hanaovany ny hitsiny. Ohatra, izao no azo novakina tao amin’ny Wall Street Journal ny amin’ny tany iray anjakan’ny fisondrotam-bidin-javatra: “Mba hampitomboana ny vola miditra aminy amin’ny faran’ny volana, dia mandray kolikoly kely ireo mpanao raharaham-panjakana. ‘Tsy maintsy mandoa izany ianao mba hahazoana izay rehetra mety ho taratasy fameno’, hoy ny fitantaran’ny tompon’andraikitra amin’ny fandaminam-panjakana. Ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena koa, ireo mpanao raharaham-panjakana ao amin’ny fampidirana hafa firenena dia mamely matetika ireo mpizaha tany vahiny vaka; tokony handrotsaka roapolo dôlara aminy ireo mba hahara-dalàna ny pasipaorony, raha tsy izany dia ho tara amin’ny fiaramanidiny izy ireo.”
Vao haingana, ny revio U.S.News & World Report dia nitantara ny amin’ny fahelan’ny fitantanan-draharaha sy ny fanararaotan’ny sasany izany saika hatraiza hatraiza maneran-tany. Izao indrindra no nolazainy: “Amin’izao androntsika izao, ny Indiana iray dia tsy maintsy manome fanomezana ho an’ny mpanao raharaham-panjakana iray raha tiany ny hanoratra ny zanany any an-tsekoly, ho voaray ao amin’ny hopitaly iray, ary na dia hamandri-toerana ao amin’ny fiaran-dalamby aza.” Ireto anefa ny fanazavana hafa ny amin’io fanao io:
— Mila fahazoan-dalana ny mpanao taozavatra iray mba hahafahana miasa. Tao amin’ny tany iray, dia fantatry ny rehetra fa rehefa avy nandoa ny haba fandoa ara-dalàna amin’ny fanjakana izy, dia tsy maintsy manome “fanomezana”, raha tsy izany dia hijanona any amin’ny fanambanin’ny harona ny taratasy. Na dia tsy mangataka hialoha ny hafa aza izay manome “pourboire” mahazatra dia hahita ny taratasiny hodinihina amin’ny fotoana mety.
— Ao amin’ny tany hafa iray, dia fantatry ny olona fa ratsy karama ny mpitandro ny fifamoivoizana ka antenainy ny hampitomboan’ireo ny vola miditra aminy amin’ny alalan’ny falim-po. Mampijanona mpamily fiarakodia iray ny polisy iray ka manamarika aminy fa nanao fahadisoana izy; tokony handoa sazy àry ilay olona. Rehefa manohitra milaza fa tsy diso ilay mpamily fiarakodia, dia mampiomana azy ilay polisy fa raha miditra tribonaly ny raharaha, dia hiampanga azy ho manevateva polisy izy. Araka izany, dia be dia be no tia kokoa ny mandoa ny “sazy” amin’ny fiheverana izany ho karazan-ketra. Ny hafa mandà, ary vonona ny hizaka ny vokany.
— Antenaina hikarakara ny fanangonana fako ny mpiandraikitra ny tanàna. Ara-dalàna anefa raha manolotra “fanomezana” ho an’ny manala fako ny vehivavy tompon-trano. Raha tsy manao izany izy, dia “hadino” ny fitoeram-pakony, ary mety hasaina mandoa sazy izy satria tsy mitandrina ny fahasalamana.
Ireo fahasahiranana ireo dia mampiseho fa olona maro nomena fahefana no mampiasa ny raharahany mba hahazoana tombontsoa tsy ara-drariny (Mpitoriteny 8:9). Maniry fatratra ny fandehan-javatra vaovao sy marina haorin’Andriamanitra ny kristiana, nefa eo am-piandrasana dia tsy maintsy mizaka ny fandehan-javatra ankehitriny (II Petera 3:13). Angamba izy ireny tsy maintsy manaiky ny hoe any amin’ny tany misy azy, ny mpanao raharaham-panjakana dia manantena ny handray fanomezana ho takalon’ny asany. Kanefa, na dia any amin’ireo tany maha-ara-dalàna an’io fanao io aza, dia Vavolombelon’i Jehovah maro mifampiraharaha amin’ny mpisafo na mpanao raharaha momba ny fadintseranana no tsy nety nanome “falim-po” mba hahazoana izay zony araka ny lalàna. Noho izy ireo fantatra noho ny toerany amin’io lafiny io, dia mandray soa amin’ny fanampiana tsy azon’ny ankamaroan’olona raha tsy andoavam-bola izy ireny (Ohabolana 10:9). Ny tsirairay avy amin’ny kristiana anefa dia tokony hihaino ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly, amin’ny fiheverana izay fanao ao amin’ny taniny.
Ilaina ny mieritreritra ny fitiava-namana (Matio 22:39). Ary tsy ho fahampiam-pitiavana ny hampiasana “fanomezana” mba handraisana tombontsoa; ohatra, mba hanoratana ny tena voalohany eo amin’ny lisitry ny mpiandry toerana, amin’ny fihoarana olon-kafa. Nanoro hevitra antsika i Jesosy mba hitondra ny hafa araka ny itiavantsika itondrana antsika (Matio 7:12). Ny kristiana sasany dia mety hihevitra fa, rehefa tonga ny anjarany, dia azony atao ny manaraka ny fanaon’ilay tany, dia ny fanolorana “fanomezana” mba hanaovan’ny mpanao raharaham-panjakana iray ny asany. Mazava ho azy fa any amin’ireo tany izay tsy mahazatra ny manao ireny “fanomezana” ireny na mahatafintohina ny saina, ny kristiana voamariky ny fitiavana dia tsy hanao izay hahatafintohina na iza na iza. — I Korintiana 10:31-33.
Afa-tsy izany koa, dia ilaina ny manara-dalàna. Nanao izao fananarana izao i Jesosy: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitrab.” (Matio 12:17; jereo koa Matio 17:24-27). Ny mpanao raharaham-panjakana iray dia mety hanantena handray “falim-po” avy amin’ny tanan’ny kristiana iray izay madio ny eritreriny, kanefa raha tena nandika lalàna tokoa izany kristiana izany, dia zavatra hafa. Ahoana, amin’ny toe-javatra toy izany, no ho azo anolorana amim-pieritreretana madio, tsolotra ho an’ny mpanao raharaham-panjakana iray mba tsy hiraharahan’io ny fandikan-dalàna. Nanoratra ny amin’izany ny apostoly fa tokony hatahotra ny fahefana lehibem-panjakana izay nahazo fahefana “handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy”. (Romana 13:3, 4.) Ny fiheveran’i Paoly dia hoe raha nanao ratsy izy dia hanaiky ny fitsarana hampiharina (Asan’ny apostoly 25:10, 11). Araka izany, ny kristiana iray nandika ny lalàna momba ny fifamoivoizana dia mety ho voatery handoa sazy hampiharin’ny polisy na ny mpitsara.
Nanambara koa i Paoly fa ireo fitondram-panjakana dia ‘mpanompon’Andriamanitra hahatsara antsika’. Na dia ao aza ny fitiavan-karena fatratra asehon’ny mpanao raharaham-panjakana sasany, dia mbola misy asa ataon’ny fanjakana mba hahasoa ny vahoaka ihany. Ohatra, ny mpanao raharaham-panjakana sasany dia manamarina fa afaka mandeha ireo fiarakodia, ny hafa manamarina raha manaraka ny fitsipi-pilaminana ampiharina amin’ny mety hisian’ny haintrano ny trano avo. Noho izany, ny kristiana iray dia tena mety hihevitra fa sady mitoetra ao anatin’ny faritr’izay avelan’ny lalàna atao izy no manana zo hanome “falim-po” ho an’ny mpanao raharaham-panjakana iray izay manantena ny handoavana aminy, azo lazaina hoe “karama” noho ny asany. Miharihary fa izany dia hafa tanteraka noho ny tsolotra arotsaka amin’ny mpanao raharaham-panjakana iray mba hanakimpiany ny masony eo anoloan’ny fandikan-dalàna.
Na aiza na aiza tany onenany, manana ny fanaony manokana, ny kristiana dia tokony hahay haneho fahendrena eo amin’ny fampiharana. Tokony hotsaroan’ireo mpanompon’Andriamanitra fa tsy afaka mandray kolikoly izay ‘hitoetra ao amin’ny tabernakeliny sy honina ao an-tendrombohiny masina’ (Salamo 15:1, 5). Fa raha ny amin’ny fanomezana “falim-po” noho ny asa ananan’ny tena zo na mba hisorohana ny fitondrana ratsy avy amin’ny mpanao raharaham-panjakana iray, dia anjaran’ny kristiana ny manapa-kevitra raha mamela azy hanao izany ny fieritreretany sy ny miantsoroka ny andraikitra amin’ny mety ho vokany. Na ahoana, na ahoana, dia tokony harahiny ny fitondrantena hahatonga azy ho afaka hitana fieritreretana madio, izay tsy handoto ny laza tsaran’ireo kristiana ka tsy hahatafintohina an’ireo izay ho vavolombelon’ny ataony. — II Korintiana 6:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a “Fanontanian’ny mpamaky”, La Tour de Garde tamin’ny 15 martsa 1969, na “Taratasy momba ny Baiboly”, Bulletin intérieur 12/69.
b Ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ireo loholona dia manana andraikitra hikarakara ny amin’ireo fandikana ny lalàn’Andriamanitra, toy ny halatra, ny famonoana olona sy ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tsy takin’Andriamanitra amin’izy ireo anefa ny hiahiany ny amin’ny fampiharana ireo lalàn’i Kaisara. Izany no antony tsy nahatsiarovan’i Paoly ho voatery hamerina any amin’ny fahefana romana an’i Onesimosy izay mpandositra teo imason’ny lalàna romana (Filemona 10, 15). Mazava ho azy fa raha mandika lalàna ankarihary ny kristiana iray, ka manjary fanta-bahoaka izany, dia azo antoka fa tsy ho ohatra tsara izy ary mety ho voaroaka mihitsy aza (I Timoty 3:2, 7, 10). Raha toa ny fahadisoany ka nitarika fahafatesan’olon-kafa, dia mety hiteraka trosan-dra izany ka hila fisokafan’ny famotopotorana.