-
FahatezeranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ahoana no ampiharany ny fahatezerany, ary inona avy no mampahatezitra azy? Azony ampiharina mivantana na tsy mivantana ny fahatezerany. Mety hampiasa ny lalàn’ny natiora na hampiasa olon-kafa izy amin’izany. Tezitra amin’izay mandika ny lalàny momba ny fitondran-tena izy. Mandray “ny valiny sahaza azy noho ny fahadisoany” àry ny olona toy izany, satria tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny toe-tsainy, simba ny fitondran-tenany, tonga ny aretina sy ny fifamaliana ary ny fahafatesana. (Ro 1:18, 24, 27-32) Fomba tsy mivantana anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany ny sazy ampiharin’ny manam-pahefana amin’ny olona mandika an’izay lalàna tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. (Ro 13:1-4) I Jesosy Kristy no tena ampiasain’Andriamanitra hampihatra ny fahatezerany amin’ny ratsy fanahy.—Je 30:23, 24; Ap 19:7-16, 19-21.
-
-
Ratsy, Zava-dratsyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Miaritra fahoriana na zava-dratsy ny Kristianina. Mananatra azy ireo ny Soratra Masina mba tsy hanisy ratsy olona na hamaly faty: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” “Aza mamaly faty ... ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’” “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” (Ro 12:17, 19, 21) Marina fa misy lalàna navoakan’ny manam-pahefana nefa tsy azon’ny Kristianina ankatoavina. Tsy tokony ho hita hoe mpanao ratsy izy ireo na izany aza. Manasazy an’izay manao ratsy sy tsy mankatò ny lalàna manan-kery eo amin’ilay tany mantsy ny manam-pahefana, ary mampihatra ny fahefany sy mampiasa ny feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy ka manasazy ny mpanao ratsy. (Ro 13:3, 4) Ilay Mpitsara Fara Tampony no hanao ampamoaka azy ireny raha manampatra fahefana izy ireo. Raha misy àry Kristianina miaritra fahoriana na zava-dratsy noho ny fahamarinana, dia anisan’ireo manome voninahitra ny anarana masin’Andriamanitra izy ireo amin’izany, ary raisin’izy ireo ho tombontsoa izany.—1Pe 4:16.
-
-
TahotraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Rehefa nivadika ny Israelita, dia nihorohoro andro aman’alina ary tsy nanampo izay ho velona intsony, satria tsy niaro azy ireo intsony i Jehovah. Tsy afa-nandositra ny loza vokatr’izany izy ireo. (De 28:66, 67; Is 24:17-20; 33:14; Je 30:5; Ft 3:47) Tsy voatery hatahotra an’izany loza izany kosa izay manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra ka manaja sy matahotra foana an’ilay Mpamorona.—Oh 1:33; 3:24, 25; 28:14.
-