Mampifalia ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany
“Na velona na maty isika, dia an’ny Tompo [Jehovah, MN] ihany.” — ROMANA 14:8
1, 2. a) Noho ny antony inona moa no mahatapa-kevitra ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hivadika hatrany eo anatrehan’Andriamanitra? b) Inona avy anefa no fanontaniana mipetraka noho izany?
IREO tenin’ny apostoly Paoly ireo dia mandika tanteraka ny fihetseham-pon’ny mpihazona tsy fivadihana amin’izao taonjato faha-20 izao. Marina fa ho sambatra tokoa isika ho velona foana sy hahita maso ny firodanan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, kanefa vonona isika ny hisetra ny fahafatesana ao amin’ny asan’Andriamanitra raha manjary ilaina izany. Na inona na inona mitranga amintsika, dia tapa-kevitra isika ny tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah Andriamanitsika. Hanana fifikirana tsy azo ravana aminy isika. Noho ny antony inona? Satria na velona na maty isika, dia azy.
2 Fa inona marina moa no atao hoe tsy fivadihana? Mitaky inona amintsika izany? Eo imason’Andriamanitra, tena zava-dehibe tokoa ve ny tsy fivadihantsika?
Izay voafaoka amin’ny hoe tsy fivadihana
3. Araka ny filazan’ny Baiboly, inona no dikan’ny hoe tsy mivadika hatrany?
3 Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe tsy fivadihana dia milazalaza ny toetra ara-pitondrantena tsy simba na manontolo ananan’ny olona iray tsy azo tsiniana sy tsy misy kilema. Izany dia mampahatsiahy fifikirana tsy azo hozongozonina amin’ny rariny. Raha ny marina, ny tsy fivadihana dia mahafaoka fifikirana tsy azo ravana amin’ny olona iray, dia Jehovah. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny hoe tsy mivadika hatrany dia ny manohy manao ny sitrapon’i Jehovah ambony indrindra.
4. Iza no voalohany niala tamin’ny tsy fivadihany, ary nanosika ny mpivady voalohany hanao inona izy?
4 Zavaboary ara-panahy no voalohany niala tamin’ny tsy fivadihany, dia ilay nanosika ny mpivady olombelona voalohany hikomy tamin’ny Mpamorona azy. Tokony ho nanaporofo ny fifikirany tamin’i Jehovah Adama sy Eva tamin’ny fanajana ny fameperana nandidiany azy ireo momba ilay hazo fahalalana. Voataonan’ilay Fahavalo izay nanosika azy ireo ho tia tena anefa izy ireo ka latsaka tao anatin’ny tsy fankatoavana. Tsy niseho ho tsy nisy tsiny ny fon’izy ireo tamin’ireo fandidian’i Jehovah ary tsy nijanona ho nahatoky teo anatrehany izy ireo. — Salamo 119:1, 80.
5. Niampanga inona moa ny fikomian’i Satana, ary ahoana no nanamarinana izany araka ny hita tamin’i Joba nahatoky?
5 Ny fikomian’i Satana dia niampanga ny maha-ara-dalàna ny fiandrianan’Andriamanitra, ny zony hitaky fankatoavana tanteraka avy amin’ny zavaboariny rehetra. Noho izany, ny tsy fivadihan’ny olona amin’Andriamanitra dia tonga lafin-javatra lehibe amin’ny raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao. Misy porofo araka ny hita tamin’i Joba, mpanompon’i Jehovah, lehilahy iray tsy nanana antony tokony hiampangana azy sy nahitsy izay natahotra an’Andriamanitra (Joba 1:1). Tsy nihataka tamin’ny lalan’i Jehovah i Joba. Tsy naharesy azy ny fahalotoam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy. Tsy nanao fitsarana mitanila mihitsy izy ary tsy diso ny nampiseho fahalalahan-tanana tamin’ny vehivavy mpitondratena, ny kamboty ray sy ny mahantra. Tsy nametraka ny fitokisany tamin’ny fananana ara-nofo izy fa niankina tsy nisy fepetra tamin’ny Avo indrindra (Joba 31:7-40). Nolazain’ny Devoly anefa fa nanompo an’Andriamanitra noho ny antony mampiseho fitiavan-tena i Joba. Na dia nomen’i Jehovah lalana aza Satana hanaisotra tamin’i Joba ny fananany sy ny zanany koa aza, dia tsy afaka nanozongozona ny tsy fivadihan’io lehilahy nahitsy io ilay Mpamitaka. Tsy nandaitra foana tamin’i Joba ny aretina nanaintaina sy ny fanakianana nampalahelo nataon’ny mpampionona sandoka maromaro, satria naharitra tao amin’ny tsy fivadihana izy. — Joba 1:6 ka hatramin’ny 2:13; 27:5, 6; 31:6; 42:8, 9.
6. Inona no takina amin’ireo ‘an’i Jehovah’?
6 Araka izany, ny olona dia manana tombontsoa tsy hay tombanana ny handray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny tsy fivadihana hatrany sy amin’ny fanomezana porofo fa manohana amim-pahatokiana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao izy ireo. Inona àry no takina amin’ireo izay ‘an’i Jehovah’? Ny hanompoany an’Andriamanitra amin’ny fanolorana fifikirana feno ho azy, amin’ny fitadidiana mandrakariva fa Jehovah dia “Andriamanitra mitaky fifikirana aminy irery ihany”. — Eksodosy 20:5.
Afaka mampifaly ny fon’i Jehovah isika
7, 8. a) Koa satria tsy tanteraka isika, ahoana no azontsika ijanonana tsy hivadika? b) Araka ny Ohabolana 27:11, hitondra inona ny tsy fivadihantsika?
7 Noho isika rehetra tsy tanteraka daholo, dia tsy afaka mahafeno amin’ny fomba tonga lafatra ireo fepetra marina takin’Andriamanitra isika. Noho izany, ny tsy fivadihana antenaina fa hasehontsika dia tsy milaza fahatanterahana amin’ny teny sy ny asa. Izany kosa dia mifanitsy amin’ny fifikirana avy amin’ny fo rehetra. Izany no antony nilazan’ny Soratra Masina ny amin’i Davida, izay nanao fahotana lehibe anefa, fa ‘nandeha tamin’ny tsy fivadihan’ny fo’ izy. (I Mpanjaka 9:4, MN.) Nanaiky ny fananarana tokoa izy ary nanarina ny lalany, ka nanaporofo tamin’izany fa feno tena fitiavana an’i Jehovah ny fony (Salamo 26:1-12). Azontsika atao koa ny maneho izany karazam-pitiavana izany ka manao zavatra ‘araka ny tsy fivadihan’ny fontsika’. — Salamo 78:72.
8 Mba tsy hivadihana hatrany, dia tokony haneho finoana lehibe an’i Jehovah isika ka hanana fitokisana feno azy sy ny heriny hamonjy antsika (Salamo 25:21; 41:12). Tsy mora akory ny mitoetra ho tsy mivadika. Manajamba ny sain’ny tsy mino Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra sy isika lehibe indrindra. Mampaniasia “ny tany onenana manontolo” izy. (Apokalypsy 12:9, MN; II Korintiana 4:4.) Sahala amin’i Joba anefa, dia azontsika atao ny tsy hivadika hatrany. Na dia ao aza ny tsy fahatanterahantsika dia afaka mampifaly ny fon’Andriamanitsika tia isika. Izany no asehon’ny Ohabolana 27:11 amin’izao teny izao: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Soa ihany tokoa fa amin’ny tsy fivadihantsika, dia mamela an’Andriamanitra hamaly ny fanarabian’ilay Fahavalony isika. Tena zava-dehibe tokoa àry io toetra io. Amin’ny tsy fivadihana hatrany, dia afaka mampifaly ny fon’i Jehovah isika. Ary fifaliana toy inona moa no entin’izany ho antsika ho valiny!
Taranak’olombelona tsy nivadika maro
9. Tonòny ny sasany amin’ireo anisan’ny vavolombelon’i Jehovah “maro be” tsy nivadika hatrany ary lazao ny fomba nisedrana ny tsy fivadihan’izy ireo.
9 Raha ny marina, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia anisan’ny taranak’olombelona tsy nivadika maro. Izany taranaka izany dia niandoha tamin’i Abela nahatoky ary mahafaoka lehilahy sy vehivavy toa an’i Enoka, Noa, Abrahama, Saraha, Isaka, Jakoba, Josefa, Mosesy, Rahaba, Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida sy Samoela. Rehefa miresaka ny amin’ireo izay “namono ny fidedadedan’afo” ny Baiboly dia toa manisy fitenenana ny amin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, izay tsy nety nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny sary iray natsangan’i Nebokadnezara mpanjaka babyloniana ka natsipy tao amin’ny lafaoro nafanaina nihoapampana. Ny mpanompon’i Jehovah hafa talohan’ny andro kristiana dia ‘niaritra fanesoana, kapoka, tranomaizina, notoraham-bato, nalaim-panahy, notsofana, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, ory, fadiranovana’. Sahala amin’i Paoly, dia azo antoka fa mihevitra ianao hoe “izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory”. Moa ve tsy mahafinaritra ny fahafantarana ny tena ho voahodidin’ny vavolombelona tsy nivadika “maro be” toy izany? — Hebreo 11:1 ka hatramin’ny 12:1; jereo koa Daniela toko faha-3.
10. Ahoana no nampifalian’ny apostoly Paoly ny fon’i Jehovah?
10 Noho ny hery sy ny herim-po azony avy tamin’Andriamanitra, ny apostoly Paoly dia niaritra tranomaizina, kapoka, fahavakian-tsambo, loza isan-karazany, tsy fahitan-tory, hanoanana, hetaheta, hatsiaka, fitanjahana; ‘matetika izy no saiky maty’. (II Korintiana 11:23-27.) Niaritra izany fahasahiranana samihafa izany i Paoly noho ny fanompoany. Tamin’ny toe-javatra niseho rehetra, dia nanana herim-po sy tsy nivadika hatrany izy, ka nampifaly tamin’izany ny fon’i Jehovah. Afaka manahaka azy isika.
11. Oha-pahatokiana inona no navelan’i Jesosy ho antsika?
11 Ny oha-pahatokiana miavaka indrindra dia ny an’i Jesosy Kristy, “ilay Fiasana lehibe indrindra ho an’ny finoantsika, ilay mahatomombana izany”. Tsy nivadika hatrany i Jesosy rehefa nalain’ny devoly fanahy tany an’efitra. Izao no nolazainy taminy tamin’ny farany: “Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.’ ” Niharihary fa tsy nanan-kery teo anoloan’ny fahavononana notovozin’i Jesosy avy tamin’Andriamanitra ny Devoly ka namela azy. Na dia tsy ny fanafihany farany an’i Jesosy aza izany, Satana dia niharihary fa tsy nahay nanapaka ny tsy fivadihan’ny Zanak’Andriamanitra. ‘Mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany, dia naharitra ny hazo fijaliana’ i Jesosy ary tsy niala mihitsy tamin’ny tsy fivadihany. Enga anie isika hanaraka foana ny ohatra tsara nomeny ka hampifaly ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana hatrany! — Hebreo 12:2, 3, MN; Matio 4:1-11.
12, 13. Nahatohitra fitsapana inona avy moa ireo kristiana voalohany?
12 Izao no nambaran’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Ary ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako.” (Matio 10:22). Izany tokoa no nitranga tamin’ireo kristiana marina. Tao amin’ny bokiny hoe Ny kristianisma sy izao tontolo izao romana (anglisy), E. Hardy dia nanoratra toy izao: “Araka ny taratasin’i Pline sy ny valinteny fanapahan-kevitra [na valiny ofisialy] avy amin’i Trajan, dia hita mazava fa ny kristiana dia nety ho voasazy noho ny anarana nentiny fotsiny na noho ny nanarahana ny kristianisma fa tsy nampangaina na ninoana fa nanao heloka bevava voafaritra tsara.”
13 Noho ny hery nomen’Andriamanitra azy ireo, ny tsy fivadihan’ireny kristiana voalohany ireny dia nandresy izao karazam-pisedrana rehetra izao. Izao ohatra no nolazaina ny amin’izy ireny: “Indraindray izy ireny dia nampijalina sy natsipy ho eo amin’ny bibidia noana tao amin’ny kianja filalaovana mba hampihomehy ny vahoaka.” Kanefa, na dia tao aza izany fijaliana rehetra izany, dia tsara ny manamarika fa “ny fanenjehana dia nanatanjaka fotsiny ny finoany sy nanova olona maro hiandany aminy”. (Avy eo amin’izao tontolo izao tranainy mankeo amin’ny vaovao [anglisy], nataon’i Eugene Colligan sy Maxwell Littwin, 1932, pp. 90, 91.) Toy izany koa ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika amin’ny taonjato faha-20. Tsy naharesy azy ireo iraky ny Devoly.
14, 15. Mampiseho inona ireo “vavolombelona roa”, ary inona no nitranga tamin’izy ireo tao anatin’ireo taona 1918 sy 1919?
14 Hevero, ohatra, izay nihatra tamin’ireo mpanompon’i Jehovah, ireo “vavolombelona roa” amin’ny heviny ara-panoharana, tao anatin’ireo taona 1918 sy 1919 rehefa ‘namorona fampijaliana tamin’ny alalan’ny didy’ ireo fahavalony. (Apokalypsy 11:3, 7-10; Salamo 94:20, MN.) Joseph Rutherford, izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, sy fito tamin’ireo mpiara-miasa taminy, dia natao an-tranomaizina tsy ara-drariny. Tamin’izany fotoana izany, dia maty ireo “vavolombelona roa” raha ny amin’ny faminaniana, ka nifaly ireo fahavalony. Tao amin’ny bokiny hoe Manolotra fiadiana ireo mpitory (anglisy), dia nanao fanamarihana toy izao i Ray Abrams: “Rehefa fakafakaina ny raharaha rehetra [nahatafiditra an’i Rutherford sy ireo mpiara-miasa taminy], dia tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra ny tena fa ireo Fiangonana sy ny klerjy no niandohan’ny fihetsiketsehana nokendrena hanafoana ny [Mpianatra ny Baiboly] (...). Rehefa ren’ireo filohan’ny mpanoratra ao amin’ny gazety ara-pivavahana ny fanamelohana tamin’ny sazy roapolo taona [nampiharina tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Fikambanana], saika ny zavatra nosoratan’izy ireny rehetra, na lehibe na kely, dia nidera tena noho izany. Tsy afaka nahita na dia teny fiombonana alahelo iray monja aza aho tao amin’ireo gazetin’ny fivavahana mahazatra.”
15 Taty aoriana kely anefa ireo Mpianatra ny Baiboly valo ireo dia nafahana sy nodiovina tamin’izay rehetra mety ho fiampangana, ka sosotra aoka izany Satana sy ireo voafitany. Novelombelomin’ny fanahin’Andriamanitra ireo “vavolombelona roa”, izany hoe ny tafika kelin’ireo vavolombelona voahosotra ka nijoro indray tamin’ny tongony mba hitory ilay Fanjakana (Apokalypsy 11:11). Hatramin’izay ireo fahavalon’i Jehovah dia niady fa tsy naharesy an’ireny mpihazona tsy fivadihana ireny.
16. Inona no nosoratan’ny zazalahy iray tsy nivadika hatrany?
16 Ho porofon’izany, dia hevero ny taratasy mampiseho herim-po nosoratan’ny zazalahy iray ho an’ny fianakaviany, fotoana fohy talohan’ny hamonoan’ny nazia azy. Izao no nosoratany: “Efa mihoatra ny misasakalina izao. Mbola hanam-potoana hiovana hevitra aho. Kanefa moa ve aho mbola mety hahita fahasambarana etỳ an-tany ihany rehefa ho avy nanda ny Tompontsika? Azo antoka fa tsy izany. Azonareo antoka izao fa mandao an’izao tontolo izao mahita fahasambarana sy fiadanana aho.” Hitanao ho osa na kanosa niala tamin’ny tsy fivadihany ve io zazalahy io? Azo antoka fa tsy izany.
17. Inona no vokatry ny fisamborana ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Firaisana sovietika teo amin’ny asa fitoriana?
17 Hatramin’izay dia nitohy ny fanandramana hanimba ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka izany, tao amin’ny bokiny hoe Ny fivavahana any amin’ny Firaisana sovietika (anglisy), ilay mpanoratra gazety atao hoe Walter Kolarz dia mitantara ny fisamborana Vavolombelona maro be natao teo am-piandohan’ny 1951. Izao no nambarany: “Ny Vavolombelona mihitsy no manombana fa tamin’ny fitambarany dia 7 000 tamin’ireo namany no natao sesitany nankany Oural, Sibérie, Avaratra Lehibe (Vorkouta) sy Kazakhstan.” Izao no teny nanampiny: “Tsy farany ho an’ny ‘Vavolombelona’ tany Rosia izany fa fanombohana toko vaovao amin’ny asa fitaomana olona hiray hevitra aminy fotsiny. Niezaka mihitsy aza izy ireny nampiely ny zavatra inoany rehefa nijanona tao amin’ireo gara teny an-dalana ho amin’ny fanaovana sesitany. Tamin’ny fanaovana sesitany azy ireny, ny fitondram-panjakana sovietika dia tsy afaka nanao zavatra tsaratsara kokoa noho izany mba hanohanana ny fampielezana ny finoan’izy ireo. Rehefa avy niaina nitokana tany amin’ireo vohiny ny ‘Vavolombelona’ dia nafindra tany amin’ny toerana midadasika kokoa na dia ny toerana mahatsiravina tany amin’ireo toby fitanana na ny asa an-terivozona fotsiny aza izany.” Tany, ireo mpanompon’i Jehovah dia nahita mpihaino be dia be izay nanaiky tamim-pifaliana ny fampaherezana nentin’ny hafatra momba ilay Fanjakana ho azy ireo. — Jereo Asan’ny apostoly 11:19-21.
Tafika mandresy
18, 19. Inona no hamela ny tsy fivadihantsika handresy?
18 Amin’izao andro izao, dia tsy nitsahatra ny fanenjehana ny olon’Andriamanitra. Ahoana àry no ahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika hatrany? Satria izy ireo mankatò ny Tenin’Andriamanitra ary “manana saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. Amin’ny maha-vavolombelon’i Jehovah mahatoky antsika, dia ‘tsy manaraka intsony ny fanaon’izao tontolo izao isika fa miova amin’ny fanavaozana ny saina’. Ataontsika amim-pifaliana izay ankasitrahan’i Jehovah, koa omeny antsika ho valiny ny fandresena ireo fahavalontsika, na demonia izany na olona. — Hebreo 5:12-14; Romana 12:1, 2.
19 Isika rehetra izay ‘an’i Jehovah’, dia azo ampitahaina amin’ny tafika mandresy iray isika. Mazava ho azy fa ara-panahy ny ady ataontsika, ary ‘mahery ao amin’ny Tompo amin’ny herin’ny faherezany hatrany isika’. Nitafy ny fiadiana ara-panahy feno avy amin’Andriamanitra isika ary manana ny fanohanan’ny fanahiny masina. Izany no mahatonga antsika ho afaka “hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly”. (Efesiana 6:10-20; II Korintiana 10:3, 4.) Noho izany antony izany no handresentsika hatrany amin’ny fitoerana tsy hivadika.
20. Raha mbola miezaka tsy hivadika hatrany isika, fanohanana inona no ananantsika ary inona no toky omena antsika?
20 Mahaforona hery ara-tafika tsy fahita firy isika. Eo amin’ny laharantsika aza, “ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe”. (Salamo 68:11.) Na dia miady amin’ny fahavalo maha-raiki-tahotra aza isika, “ny momba antsika dia be noho ny momba azy”. (II Korintiana 6:16.) Miaraka amintsika ireo anjely rehefa mitory ny vaovao tsara amin’ny mponina amin’ny tany isika (Apokalypsy 14:6). Amin’ny maha-mpihazona tsy fivadihana antsika, dia matoky isika fa ‘ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana antsika dia tsy hisy hambinina’. — Isaia 54:17.
21. Inona no mitohy na dia ao aza ny fanenjehana?
21 Tsy azo lavina fa maka toerana ny laharan’ady. Tapa-kevitra ny tafik’i Satana hampitsahatra ny asa fitoriana. Noho izany antony izany, dia tokony hanohy ‘hiady ny ady tsara’ hatrany isika. (I Timoty 1:18.) Araka ny baikon’ilay Mpitari-tafitsika sady Filoha nomem-boninahitra, dia aoka isika hanompo amin’ny maha-“miaramila tsaran’i Kristy Jesosy”. (II Timoty 2:3, 4.) Tafihina avy amin’ny lafiny rehetra isika, kanefa tokony hiorina mafy sy tsy hivadika hatrany ary dia ho vitantsika izany noho ny fankasitrahan’Andriamanitra an’izay tsy mendrika akory. Mameno hafaliana antsika ny fitomboan’ny isan’ny olon’i Jehovah tsy ankijanona. “Izay irin’ny firenena rehetra”, mihamaro kokoa hatrany, dia miditra sy mameno voninahitra ny tranon’i Jehovah (Hagay 2:7). Na dia ao aza ny fanenjehana, ny fampidirana an-tranomaizina, ny kapoka, ny fandrarana ny asa any amin’ny tany samihafa sy ny fiezahana mafy ataon’ireo izay maniry hampangina antsika, dia mitohy ny asa lehibe fanaovana mpianatra ary mitatra. — Matio 24:14; 28:19, 20.
22. Koa satria isika an’i Jehovah, inona no tokony hataontsika?
22 Raha mbola miakatra mihamafy kokoa hatrany ho any amin’i Jehovah ny hira fiderana iray, ny mponina tsirairay avy amin’ny tany dia tokony hisafidy. Manana tombontsoa lehibe isika mampiely ny vaovao tsara sy mampianatra izay rehetra manaraka ny fanompoam-pivavahana marina. Koa raha mbola tsy mitsahatra ny mihamaro ny “olona betsaka”, dia aoka isika hanohy hanompo amin-kerim-po ilay Andriamanitra Avo Indrindra (Apokalypsy 7:9). ‘Na velona isika na maty, dia an’i Jehovah isika.’ Aoka àry isika hiady hatramin’ny farany mba hahazoana ny fiainana. Aoka isika hiseho ho velom-pankasitrahana foana noho ny tombontsoa kanto atolotra antsika, dia ny hampifaly ny fon’i Jehovah amin’ny tsy fivadihantsika.
Afaka mamaly ve ianao?
◻ Inona moa no atao hoe tsy fivadihana?
◻ Inona no takina amin’ireo mpanompon’Andriamanitra raha tiany ny tsy hivadika hatrany?
◻ Asehoy fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny tsy hivadihantsika hatrany.
◻ Ahoana no nampisehoan’ny olona sasany ny tsy fivadihany taloha?
◻ Amin’izao androntsika izao, inona no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho afaka ny tsy hivadika hatrany?
[Sary, pejy 13]
Ireo mpanompon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia anisan’ny taranaka vavolombelona tsy nivadika maro. Anisan’izy ireny ve ianao?
Enoka
Saraha
Jefta
Paoly
Ireo kristiana amin’ny andro ankehitriny