Tertio — Sekretera Nahatokin’i Paoly
NIATRIKA zava-tsarotra i Tertio. Naniry hampiasa azy ho sekreterany ny apostoly Paoly fony izy nanoratra taratasy lava iray ho an’ireo Kristiana tahaka azy tany Roma. Ho asa mafy izany.
Nahoana no mafy dia mafy izany hoe sekretera tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. izany? Ahoana no nanaovana ny asa toy izany? Fitaovam-panoratana inona avy no nampiasaina tamin’izany?
Sekretera tamin’ny andro fahiny
Tao amin’ny fitambaran’olona grika sy romana fahiny, dia nisy karazana sekretera maro samihafa. Ny lehilahy sasany dia sekreteram-panjakana — mpiasam-panjakana niasa tao amin’ny toeram-piasan’ny sekreteran’ny mpanjaka. Nisy ihany koa ny sekreteram-bahoaka izay nanao ny asany teny an-tsena, dia asa ho an’ny olom-pirenena. Ny mpanan-karena moa dia nihazona sekretera manokana (andevo mazàna). Teo koa ireo namana tsara sitrapo izay faly nisolo toerana ny hafa tamin’ny fanoratana taratasy. Araka ny filazan’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe E. Randolph Richards, ny fahaizan’ireny sekretera tsy ofisialy ireny dia “azo nosokajina ho nanomboka tamin’ny fahaizana faran’izay kely raha ny amin’ny fiteny sy/na ny fomba fanoratra, ka hatramin’ny fahaizana faran’izay lasa lavitra teo amin’ny sehatry ny fanoratana tamin’ny fomba haingana, taratasy araka ny marina sy mety ary manintona”.
Iza no nampiasa sekretera? Voalohany aloha, dia ireo tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Fifanekena sy taratasim-barotra maro tamin’ny andro fahiny no nisy fanamarihana izay nanamarinan’ilay sekretera fa nanoratra ilay taratasy izy noho ny tsy fahaizan’ilay olona nanankina ilay asa taminy. Ny antony iray faharoa nampiasana sekretera dia hita mazava amin’ny taratasy tranainy iray avy tany Thèbes, any Egypta. Izany Asklepiades izany no nampanoratra azy io, ary toy izao ny teny famaranany: “I Eumelus, zanak’i Herma, no nanoratra nisolo toerana azy (...) satria somary miadana ny fanorany.”
Toa tsy ny fahaizana namaky teny sy nanoratra anefa no antony nanapahan-kevitra hoe hampiasa sekretera. Araka ny filazan’ilay mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly atao hoe John L. McKenzie, dia “azo inoana fa tsy fiahiana ny amin’ny maha-azo vakina ilay taratasy akory aza, fa fiahiana ny amin’ny hakantony, na fara faharatsiny ny fahadiovany sy ny filaminany”, no nanosika ny olona hampiasa sekretera. Na dia ho an’ny olona nahita fianarana aza, dia nanasatra ny fanoratana, indrindra fa hoe lahatsoratra lava sy be kojakojany. Milaza ilay manam-pahaizana manokana atao hoe J. A. Eschlimann fa na iza na iza olona afaka nanao izany, dia “nandositra tamim-pifaliana an’io asa nahasorena io, ka nanankina azy io tamin’ny andevo, mpanao sora-tanana matihanina”. Ankoatra izany, dia mora ny mahatakatra ny antony tsy nitiavan’ny olona nanoratra ny taratasiny manokana, rehefa heverina ny fitaovana nampiasaina sy ny fomba nanaovana ilay asa.
Ny papyrus (karazan-jozoro) no zavatra nanoratana fampiasa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. Nahazoana atiny manify lavalava kely maro io zavamaniry io, rehefa nosilatsilahina nanaraka ny lavany ilay atiny toy ny spaonjy tao amin’ny tahony. Natandahatra ho takelaka iray ireo atiny lavalava kely. Napetraka nitsivalana teo ambonin’ilay takelaka voalohany ny takelaka hafa iray. Notsindriana hiraikitra izy roa ireo ka tonga ‘ravin-taratasy’.
Tsy mora ny nanoratra teo amin’izy io. Narokoroko sy nitsiratsiraka ilay izy. Araka ny filazan’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe Angelo Penna, “ireo tsiratsiraka toy ny spaonjy tamin’ilay taratasy papyrus dia anisan’ny nahatonga ny fihanahan’ny ranomainty, indrindra moa fa ny nanaraka ireo lempona bitika tavela teo anelanelan’ireo atina papyrus manify lavalava kely”. Ilay sekretera dia mety ho niasa nitalapetraka tamin’ny tany ka nihazona tamin’ny tanany ilany ilay ravin-taratasy papyrus teo ambony takela-kazo iray. Raha tsy za-draharaha izy na tsy ny tsara indrindra ireo fitaovana nampiasaina, dia nety ho naningotra ilay taratasy papyrus ilay volom-borona nanoratany, na ilay penina zozoro, nety ho rovitra ilay ravin-taratasy, na nety ho tsy azo novakina ilay soratra.
Ny ranomainty dia natao avy tamin’ny molaly sy dity nafangaro. Zavatra nivaingana lavalava no endrika nivarotana azy ka tsy maintsy nolevonina tamin’ny rano tao anaty fitoeran-dranomainty izy io, talohan’ny nahafahana nampiasa azy mba hanoratana. Azo inoana fa anisan’ny fitaovana hafa izay nananan’ny sekretera toa an’i Tertio ny antsy fandrangitana ilay penina zozoro, mbamin’ny spaonjy mando fikosehana ny fahadisoana nataony. Ny tarehin-tsoratra rehetra dia tsy maintsy nosoratana tamim-pitandremana. Noho izany, ny fanoratana dia niadana sy nampananosarotra ihany.
‘Izaho, Tertio, manao veloma anareo’
Anisan’ireo teny fanaovam-beloma tafiditra ao amin’ny faran’ilay taratasy ho an’ny Romana ny an’ilay sekreteran’i Paoly, izay nanoratra hoe: “Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.” (Romana 16:22). Ao amin’ireo asa soratr’i Paoly, dia io no hany niresahana miharihary ny iray tamin’ireo sekreteran’i Paoly.
Tsy mahafanta-javatra firy ny amin’i Tertio isika. Avy amin’ilay fanaovam-beloma nataony hoe “ao amin’ny Tompo” no ahazoantsika manatsoaka hevitra fa Kristiana nahatoky izy. Azo inoana fa mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Korinto izy ary nety ho nahafantatra Kristiana maro tany Roma. Ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Giuseppe Barbaglio dia manipy hevitra fa andevo na andevo afaka i Tertio. Nahoana? Voalohany aloha dia satria “anisan’io saranga io mazàna ireo mpanao sora-tanana; ny faharoa dia satria ny anarany latina (...) dia faran’izay fahita teo anivon’ireo andevo sy andevo afaka”. “Noho izany”, hoy i Barbaglio, “dia tsy hoe mpanoratra matihanina ‘nanao fe nanao fotsiny’ izy, fa mpiara-miasa izay nanampy an’i Paoly tamin’izany fomba izany mba hanambatra ilay asa sorany lava indrindra sy voalaza tamin’ny fomba mazava indrindra: fanompoana sarobidy, nahafahan’i Paoly nitsitsy fotoana sy hasasarana.”
Azo antoka fa sarobidy io asan’i Tertio io. Nanao asa nitovy tamin’izany ho an’i Jeremia i Baroka, tahaka izay nataon’i Silasy ho an’i Petera. (Jeremia 36:4; 1 Petera 5:12). Tombontsoa toy inona moa no nananan’ny mpiara-miasa toy izany!
Fanoratana ho an’ny Romana
Ny taratasy ho an’ny Romana dia nosoratana fony i Paoly vahinin’i Gaio, azo inoana fa tany Korinto. Izany dia tokony ho tamin’ny 56 am.f.i., nandritra ny dia misionera fahatelon’ilay apostoly. (Romana 16:23). Na dia fantatsika amin’ny fomba azo antoka aza fa nampiasa an’i Tertio ho sekreterany hanoratra an’io taratasy io i Paoly, dia tsy fantatsika marina ny fomba nampiasany azy. Na inona na inona ilay fomba nampiasaina, dia tsy mora natao akory ilay asa. Izao kosa anefa no azontsika antoka: Tahaka ny sisa amin’ny Baiboly, ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romana dia “ara-tsindrimandrin’Andriamanitra”. — 2 Timoty 3:16, 17, NW.
Rehefa vita io taratasy io, i Tertio sy i Paoly dia efa nanoratra teny an’arivony maro, nampiasa ravin-taratasy papyrus maromaro. Rehefa avy natambatambatra hiraikitra avy teo amin’ny sisiny avy ireo ravin-taratasy ireo dia lasa horonana, azo inoana fa telo ka hatramin’ny efatra metatra teo ho eo ny halavany. Nahorona sy nasiana tombo-kase tamim-pitandremana ilay taratasy. Avy eo ilay izy dia toa nankinin’i Paoly tamin’i Foiby, anabavy iray avy any Kenkrea, izay efa nadiva hiondrana an-tsambo ho any Roma. — Romana 16:1, 2.
Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany, dia niova be tokoa ireo fomba nampiasaina mba hamokarana zavatra vita an-tsoratra. Nandritra ny taonjato maro anefa, ny taratasy ho an’ireo Kristiana romana dia notahirizin’Andriamanitra. Afaka ny ho velom-pankasitrahana toy inona moa isika noho io tapany amin’ny Tenin’i Jehovah io, izay voasoratra noho ny fanampian’i Tertio, sekreteran’i Paoly, dia sekretera nahatoky sy niasa mafy!