Aoka hotiavintsika fatratra ireo rahalahintsika
‘Amin’ny firaiketam-pon’ny mpirahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo rehetra.’ — 1 PETERA 1:22, MN.
1. Inona moa no nampiaiky olona maro fa manaraka ny kristianisma marina ny Vavolombelon’i Jehovah?
NY FITIAVANA no mariky ny kristianisma marina. Izany no nosoritan’i Jesosy tamin’ny fiarahany nisakafo farany tamin’ireo apostoly rehefa nilaza izy hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). Olona maro no niaiky fa manaraka ny kristianisma marina ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nanatrika fivoriana natao tany amin’ny Efitrano Fanjakana na tany amin’ny fivoriambe izy ireny. Hitany niasa tao ny fitiavana, ary izany no nampiaiky azy fa teo amin’ny tena mpianatr’i Kristy izy ireny.
2. Inona moa no nolazain’ny apostoly Paoly momba ny fitiavana, marika mampiavaka ny kristianisma?
2 Faly isika rehetra mahatsapa fa hita maso eo anivon’ny olon’i Jehovah amin’izao andro izao io famantarana mampiavaka io. Na dia izany aza, sahala amin’ireo kristiana voalohany, dia fantatsika fa tokony hotadiavintsika mandrakariva izay hampisehoana amin’ny fomba hafa koa fa tia fatratra an’ireo rahalahintsika isika. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny kongregasiona tany Tesalonika: “Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana.” (1 Tesaloniana 3:12). Ahoana no ahafahantsika mitombo ao amin’ny fifankatiavana?
Ny fitiavana sy ny firaiketam-pon’ny mpirahalahy
3. Araka ny nasehon’ny apostoly Petera, inona moa no tokony hataon’ny kristiana ankoatra ny fananana fiainana madio?
3 Tao amin’ny taratasy iray nataony ho an’ny fitambaran’ny kongregasiona tany Azia Minora, dia izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Koa satria efa nodiovinareo ny fanahinareo [ny ainareo] tamin’ny fanarahanareo ny fahamarinana, — izany dia niteraka firaiketam-pon’ny mpirahalahy [philadélphia] tsy misy fihatsarambelatsihy, mifankatiava [matoanteny agapaô] fatratra amin’ny fo rehetra.” (1 Petera 1, 22, MN ). Tamin’ireo teny ireo no nampisehoan’i Petera fa tsy vitan’ny hoe tokony hanadio ny fiainantsika isika. Ny fanarahantsika ny fahamarinana, anisan’izany ny didy vaovao, dia tokony hitarika antsika hahatsiaro firaiketam-pon’ny mpirahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy sy fifankatiavana lalina.
4. Tokony hanontany tena hoe ahoana moa isika, ary inona no nolazain’i Jesosy ny amin’izany?
4 Moa ve isika mirona tsy ho tia sy tsy hiraiki-po fatratra afa-tsy amin’ireo rahalahintsika tsapantsika ho manintona antsika? Moa ve isika mirona halala-tanana amin’izy ireny, tsy hijery ny kileman-toetrany, kanefa mora voamaritsika ny an’ireo tsy mitovy fitiavan-javatra amintsika? Hoy i Jesosy: “Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo [matoanteny agapaô], inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?” — Matio 5:46.
5. Ahoana moa no nanavahan’ny mpandinika Baiboly iray ny teny grika nadika hoe “fitiavana” sy ilay nadika hoe “firaiketam-po”?
5 Ao amin’ny bokiny hoe Ireo teny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), dia izao no nolazain’ny profesora William Barclay momba ny teny grika nadika hoe “firaiketam-po” sy ilay nadika hoe “fitiavana”: “Ireo teny ireo [philia, izay ny dikany dia hoe “firaiketam-po”, sy philéo, matoanteny iray fiaviana aminy] dia voamariky ny hafanana malefaka. Ny dikany dia hoe manana fiheverana amim-piraiketam-po olona. (...) Ny teny nadika hoe fitiavana ampiasaina matetika indrindra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] dia ny anarana hoe agapê sy ny matoanteny hoe agapan. (...) Teny mahafinaritra tokoa ny hoe philia, nefa tsy isalasalana mihitsy fa nanondro fifandraisana mafana, akaiky sy nisy firaiketam-po. (...) Ny hoe agapê kosa dia mifandray amin’ny saina; tsy fihetseham-po teraka avy hatrany ao am-po fotsiny izany, fa fotopoto-pitsipika izay ny fampiharana azy dia avy amin’ny safidy iniana atao. Mifamatotra voalohany indrindra amin’ny finiavana ny hoe agapê. Izany dia milaza zavatra azo, fandresena, zava-bita. Tsy misy mihitsy nahatsapa fitiavana ny fahavalony avy hatrany. Ny hoe tia ny fahavalon’ny tena dia ny mandresy ny fihetseham-pon’ny tena rehetra sy ny fironan’ny tena avy hatrany. Io agapê io (...) raha ny marina dia manondro ny fahafahana ho tia ireo tsy tiana hifikirana loatra, ho tia olona tsy manintona antsika.”
6. a) Tokony hanontany tena manokana amin’ny fomba lalina hoe ahoana moa isika? b) Araka ny filazan’i Petera, nahoana moa no tsy amin’ireo mitovy fitiavan-javatra amintsika ihany no tokony hananantsika firaiketam-pon-drahalahy?
6 Moa ve isika mirona hanamarina ny fangatsiahantsika amin’ny filazana fa tsy manameloka ny fahatsapana firaiketam-po lehibe kokoa ho an’ny sasany amin’ireo namantsika ny Soratra Masina (Jaona 19:26; 20:2)? Heverintsika ve fa azontsika atao ny maneho amin’ny sasany “fitiavana” voafetra sy an-tery, noho ny fahatsapana adidy, sady manokana ny firaiketam-pontsika mafana ho an’ireo mahafinaritra antsika ny toetrany? Raha izany no izy, dia satria tsy azontsika ny fananaran’i Petera. Tsy ampy ny fanadiovantsika ny fanahintsika tamin’ny fanarahantsika ny fahamarinana. Izao tokoa no nolazain’i Petera: “Tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, dia nodiovinareo ny fonareo ka tonga tamin’ny fifankatiavana amim-pahatsorana toy ny mpirahalahy ianareo. Mifankatiava mandrakariva àry, amin’ny fo rehetra.” — 1Petera 1:22, ny Testamenta Vaovao nataon’i P. de Beaumont.
“Firaiketam-pon’ny mpirahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy”
7, 8. Avy aiza moa ny teny nadika amin’ny fitenenana hoe “tsy misy fihatsarambelatsihy”, ary nahoana no nampiasa izany Petera?
7 Lasa lavitra kokoa aza ny apostoly Petera tamin’ny filazana fa tokony tsy hisy fihatsarambelatsihy ny firaiketam-pon’ny mpirahalahy ananantsika. Ny teny nadika amin’ny fitenenana hoe “tsy misy fihatsarambelatsihy” dia avy amin’ny endriny misy fandavana amin’ny teny grika iray izay nampiharina tamin’ny mpilalao amin’ny teatira nanao saron-tava, ka izany dia nahatonga azy ireny ho afaka handray toerana maromaro tao anatin’ny fampisehoana iray ihany. Tatỳ aoriana io teny io dia nandray ny heviny ara-panoharana hoe fihatsarambelatsihy, fanafenan-toetra.
8 Fihetseham-po manao ahoana no tena tsapantsika amin’ny sasany amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana ao anatin’ny kongregasiona? Amin’ny fivoriana, moa ve isika miarahaba azy ireny amim-pitsikiana an-tery, zara raha mijery azy, na amin’ny fandalovana haingana? Ny mbola ratsiratsy kokoa ihany, moa ve ataontsika izay tsy hiarahabana azy ireny mihitsy? Raha izany no izy, inona no holazaina ny amin’ny ‘fanarahantsika ny fahamarinana’ izay tokony ho nanadio ny fanahintsika ka hahatonga antsika hahatsapa firaiketam-po amim-pahatsorana ho an’ireo namantsika kristiana? Amin’ny fitenenana hoe “tsy misy fihatsarambelatsihy”, dia asehon’i Petera fa ny firaiketam-pontsika amin’ireo rahalahintsika dia tsy tokony ho ivelany fotsiny, fa ho tena izy, amim-pahatsorana.
“Fatratra, amin’ny fo rehetra”
9, 10. Inona no tian’i Petera holazaina rehefa nanambara izy fa tokony hifankatia “fatratra”, na “amin’ny fomba miitatra” isika?
9 Hoy ny teny nanampin’i Petera: “Mifankatiava fatratra [ara-bakiteny, “amin’ny fomba miitatra”], amin’ny fo rehetra.” Tsy ilaina ny manitatra na mampitombo ny fon’ny tena mba hanehoana fitiavana an’ireo mitovy fitiavan-javatra amin’ny tena. Milaza amintsika anefa i Petera mba hifankatia “amin’ny fomba miitatra”. Ny fitiavana agapê miseho eo amin’ny kristiana dia tsy lanjaina, hazavaina, tahaka ny tsy maintsy asehontsika amin’ireo fahavalontsika (Matio 5:44). Izany kosa dia fitiavana lalina, mitaky fiezahana. Ilaintsika ny manitatra, manalalaka ny fontsika, mba hisokafany amin’olona tsy tsapantsika ho manintona avy hatrany.
10 Ao amin’ny bokiny hoe Fanalahidim-piteny amin’ny soratra grikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy), dia izao no nosoratan’i Fritz Rienecker momba ny mpamaritra matoanteny nadika hoe “fatratra”, na “amin’ny fomba miitatra”, ao amin’ny 1 Petera 1:22, MN: “Io teny [grika] io dia manana heviny indrindra hoe fahazotoana, faharisihana (asa atao tsy amin’ny fomba maivamaivana (...), fa azo lazaina hoe amim-panenjanana) (Hort).” Ny hoe mampihatra fanenjanana, na manenjana, dia milaza, ankoatra ny zavatra hafa “famelarana amin’ny fanalavana amin’ny lafiny rehetra”. Ny hoe mifankatia fatratra, amin’ny fo rehetra, àry dia milaza fanaovana izay rehetra azontsika atao mba hanehoana firaiketam-pon’ny mpirahalahy amin’ny namantsika kristiana rehetra. Tsy mahazo ny firaiketam-pontsika amim-pitiavana ve ny sasany amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika? Raha izany no izy, dia tokony hihamalalaka isika.
‘Mihalalaha ianareo’
11, 12. a) Inona moa no torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’ireo kristiana tany Korinto? b) Ahoana no nampisehoan’i Paoly ohatra tsara tamin’io lafiny io?
11 Toa nihevitra ny apostoly Paoly fa izany no tokony hataon’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Korinto. Izao no nosoratany ho an’ireny kristiana ireny: “Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. Tsy tery aminay hianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny amin’ny zanako), dia mba mihalalaha kosa hianareo.” — 2 Korintiana 6:11-13.
12 Ahoana no azontsika analalahana ny fontsika mba hananana firaiketam-po amin’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra ao amin’ny finoana? Nasehon’i Paoly tamin’ny ohatra tsara nomeny izany. Miharihary fa nataony izay hijerena ireo rahalahiny tamin’ny lafy tsarany, ka tsy ny tsininy no notadidiany fa ny fahatsarany. Manazava tsara izany hevitra izany ny toko farany amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kristiana tany Roma. Aoka hodinihintsika ny toko faha-16 amin’io taratasy io ka hojerentsika ny fomba nilazany ny fihetsika tsara nasehon’i Paoly tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny.
Firaiketam-po mafana
13. Ahoana moa no teny nampisehoan’i Paoly ny fankasitrahany an’i Foiby, ary nahoana?
13 Tany Korinto no nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Romana, tany amin’ny taona 56 amin’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Vehivavy kristiana nantsoina hoe Foiby, anisan’ny kongregasionan’i Kenkrea teo akaiky teo, izay ho any Roma, no toa nanankinany an’io sora-tanana io (vakio ny andininy 1, 2). Mariho ny teny mafana nanoloran’i Paoly azy tamin’ireo kristiana tany Roma. Tamin’ny fomba samy hafa no niarovany kristiana maro, anisan’izany i Paoly, angamba fony izy ireo nandalo tao amin’ny seranana naresak’i Kenkrea tamin’ny diany. Tsy isalasalana fa nanana fahalemena i Foiby, satria teo ambanin’ny ota tahaka ny olona rehetra. Tsy nampitandrina ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona tany Roma tamin’ny fahalemen’i Foiby anefa i Paoly fa nilaza tamin’izy ireo mba ‘handray azy ao amin’ny Tompo, toy izay miendrika ny olona masina’. Fihetsika tsara dia tsara re izany!
14. Ahoana moa no teny mampiseho fahamoram-panahy nolazain’i Paoly momba an’i Prisila sy Akoila.
14 Amin’ny Ro 16 andininy faha-3 ka hatramin’ny faha-15 no ampamangian’i Paoly amin’ny anarany, kristiana eo amin’ny roapolo mahery, sy maro hafa koa izay tononiny tsirairay na mitambatra (vakio ny Ro 16 andininy faha-3, 4). Hainao ve ny manavaka ny firaiketam-pon-drahalahy nasehon’i Paoly ho an’i Priska ( na Prisila; jereo Asa. 18:2) sy Akoila? Nanao vy very ny ainy noho ny aminy io mpivady io. Nandefa fampamangiana tamim-pankasitrahana ho an’ireo mpiara-miasa taminy izao i Paoly, ka nisaotra azy ireny tamin’ny anaran’ny kongregasiona voaforon’ny Jentilisa tonga kristiana. Tsy maintsy ho nahazo fampaherezana Akoila sy Prisila tamin’ireny fampamangiana avy amin’ny fo rehetra ireny!
15. Ahoana no nampisehoan’i Paoly ny fahambonian-tsainy sy ny fanetren-tenany rehefa nampamangy an’i Androniko sy Jonia?
15 Nanaraka ny kristianisma i Paoly, azo inoana fa herintaona na roa taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Tamin’ny fotoana nanoratany ny taratasiny ho an’ny Romana, dia efa taona maromaro no nampiasan’i Kristy azy ho amin’ny raharaha niavaka iray, dia ny ho apostolin’ireo firenena (Asa. 9:15; Romana 1:1; 11:13). Mariho anefa ny fahambonian-tsainy sy ny fanetren-tenany (vakio ny Ro 16 andininy faha-7). Nilaza fampamangiana izy ho an’i Androniko sy Jonia, “malaza eo amin’ny Apostoly [iraka]”, ary niaiky izy fa nanompo an’i Kristy hatramin’ny ela kokoa noho ny tenany izy ireo. Tsy nisy soritry ny fialonan-dratsy mihitsy hita teo amin’ny teniny.
16. a) Ahoana moa no teny misy hafanana niresahan’i Paoly tamin’ny kristiana hafa tany Roma? b) Nahoana moa no mahazo matoky isika fa ireny fampamangiana ireny dia taratry ny “firaiketam-pon’ny mpirahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy”?
16 Tsy misy na saika tsy misy na inona na inona fantatsika ny amin’ny kristiana voalohany natao hoe Epaineto, Ampliato sy Staky (vakio ny Ro 16 andininy faha-5, 8, 9). Tamin’ny fomba nampamangian’i Paoly azy ireo fotsiny anefa dia azontsika antoka fa lehilahy nahatoky izy ireo. Tsy foin’i Paoly aoka izany izy ireo ka nantsoiny hoe “malalako” ny tsirairay avy taminy. Nanaovan’i Paoly teny fiderana koa Apela sy Rofosy, izay nolazainy ho “voazaha toetra ao amin’i Kristy” sy “voafidy ao amin’ny Tompo”. (Vakio ny Ro 16 andininy faha-10, 13.) Fiderana re izany ho an’ireo kristiana roa ireo! Ary noho ny fahafantarana ny fahatsoran’i Paoly, dia azontsika antoka fa mendrika azy ireo izany teny fiderana izany (jereo 2 Korintiana 10:18). Aoka homarihintsika koa fa tsy nanadino ny nampamangy ny renin’i Rofosy i Paoly.
17. Ahoana moa no teny nampisehoan’i Paoly fa tia fatratra ireo anabaviny kristiana izy?
17 Izany dia mitarika antsika hiresaka ny amin’ny fitiavan’i Paoly fatratra ireo anabaviny kristiana. Ankoatra ny renin’i Rofosy, dia tsy latsaka ny enina ny vehivavy kristiana hafa notononiny. Nomarihintsika tetsy aloha ny teny nampiseho fahamoram-panahy nampiasainy momba an’i Foiby sy Prisila. Mariho anefa hoe amim-piraiketam-pon’anadahy mafana toy inona no niarahabany an’i Maria, Tryfena sy Tryfosa ary Persy (vakio ny Ro 16 andininy faha-6, 12). Miharihary fa nasiany fiheverana tokoa ireo vehivavy kristiana be herim-po ireo izay “nikely aina fatratra” ho an’ireo anadahiny. Ohatra tsara tokoa no navelan’i Paoly ho antsika, dia izy izay nampiseho fitiavana tamim-pahatsorana fatratra an’ireo rahalahiny sy anabaviny, ary izany dia na dia tao aza ny tsy fahatanterahan’izy ireny!
Aoka tsy hoheverintsika ho manana antony manosika ratsy ireo rahalahintsika
18. Ahoana no azontsika iezahana hanahaka an’i Paoly, nefa inona no mety hiharihary fa ilaina?
18 Nahoana moa isika no tsy hanahaka an’i Paoly amin’ny fanandramana mitady teny fiderana vitsivitsy ho an’ny kristiana, lahy na vavy tsirairay avy anisan’ny kongregasiona? Ho an’ny sasany, dia ho hitanao fa tsy ho sarotra loatra izany. Fa amin’ny hafa kosa, dia angamba tsy maintsy mieritreritra kely aloha ianao. Nahoana no tsy manandrana miaraka aminy fotoana kelikely mba hianarana hahafantatra kokoa azy ireny? Azo antoka fa ho hitanao fa manana toetra mahafinaritra izy ireny ary iza no mahalala, angamba izy ireny hanjary ho tia anao kokoa noho ny tamin’ny lasa.
19. Nahoana moa isika no tsy tokony hihevitra ireo rahalahintsika ho manana antony ratsy manosika, ary oha-pitiavana tsara inona moa no omen’i Jehovah antsika?
19 Tsy tokony hihevitra an’ireo rahalahintsika ho manana antony ratsy manosika isika. Tia an’i Jehovah daholo izy ireny, raha tsy izany dia tsy ho nanolotra ny tenany ho azy izy. Inona no misakana azy ireny tsy hiverina any amin’izao tontolo izao, tsy hanaraka ny lalany mora? Ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fahamarinany ary ny Fanjakany tarihin’i Kristy (Matio 6:33). Samy manao ady mafy amin’ny fomba samihafa izy rehetra mba hitoerana ho mahatoky, ka mahatonga azy ho tian’i Jehovah izany (Ohabolana 27:11). Manaiky azy ireny ho mpanompony Jehovah na dia ao aza ny kileman-toetrany. Koa satria izany no izy, iza moa isika no handa ny hanana firaiketam-po amim-pitiavana azy ireny? — Romana 12:9, 10; 14:4.
20. a) Araka ny taratasin’i Paoly ho an’ny Romana, amin’iza ihany moa isika no tokony hitandrin-tena, ary iza no afaka hanome antsika toromarika tsara amin’izany lafiny izany? b) Ankoatra an’izany, ahoana no tokony hiheverantsika ny rahalahintsika rehetra?
20 Ny hany lazain’i Paoly amintsika fa tokony hitandremantsika tena dia ireo izay “mahatonga fisarahana sy (...) fahatafintohinana”, sy ireo manana fitondrantena mifanohitra amin’ny ‘fampianarana efa nianarantsika’. Mananatra antsika i Paoly mba hanara-maso ireny olona ireny sy hanalavitra azy (Romana 16:17). Azo antoka fa efa nanandrana nanampy azy ireny ireo loholona ao amin’ny kongregasiona (Joda 22, 23). Afaka miantehitra amin’izy ireny àry isika mba hilaza amintsika raha ilaina ny manalavitra olona toy izao na izao. Ankoatra ny toy izany, dia tokony hihevitra ny rahalahintsika rehetra ho mendrika ny hahazo firaiketam-pon-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy isika ka hianatra ny ho tia fatratra azy ireny, amin’ny fo rehetra.
21, 22. a) Fisehoan-javatra inona moa no antomotra? b) Mety ho tonga ao anatin’ny tarehin-javatra manao ahoana isika, koa inona no ilaina maika dia maika ny hanaovana azy? d) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
21 Manohitra antsika Satana sy ireo demoniany mbamin’ny fitambaran’ny fandehan-javatra maneran-tany tarihiny. Antomotra ny ady Haramagedona. Hanapoaka izany ny fanafihan’i Gogan’i Magoga (Ezekiela toko faha-38, 39). Amin’izay dia hilaintsika tsy hisy toy izany mihitsy ireo rahalahintsika, angamba ireo tsy mitovy fitiavan-javatra amintsika manokana indrindra. Na izy ireny no tena hila ny fanampiantsika. Izao àry no fotoana tokony hihalalahantsika amin’ny fitiavana ka hampiraiki-po antsika kokoa ihany amin’ny rahalahintsika rehetra.
22 Mazava ho azy fa raha miraiki-po amin’ireo rahalahintsika isika, dia hanome an’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ny fanajana tandrifina azy. Ho ohatra tsara dia tsara ireo amin’izany lafiny izany amin’ny fampisehoana ny fitiavany fatratra an’ireo rahalahiny amin’ny ankapobeny, indrindra fa ireo loholona hafa. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io lafiny amin’ilay raharaha io.
Famerenana
□ Inona moa no marika mampiavaka ny kristianisma marina?
□ Nahoana moa isika no tokony sady hanana fitiavana no hanana firaiketam-pon’ny mpirahalahy amin’ireo namantsika?
□ Ahoana moa no azontsika ifankatiavana “fatratra”, na “amin’ny fomba miitatra”?
□ Ao amin’ny Romana toko faha-16, ahoana moa no ampisehoan’i Paoly ny fitiavany fatratra ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana?
□ Nahoana moa isika no tsy tokony hihevitra ireo rahalahintsika ho manana antony ratsy manosika?
[Sary, pejy 12]
Manandrama mitady toetra mahafinaritra eo amin’ireo izay tsy manintona anao.