JONIA
(Jonià).
Kristianina iray tany Roma, ary nataon’i Paoly mampamangy izy tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina (16:7). Nilaza i Paoly fa ‘havany’ i Androniko sy Jonia. Mety hidika hoe “mpiray tanindrazana” ilay teny grika nadika hoe ‘havana.’ Ny tena dikany anefa dia hoe “havana iray ra sady miara-belona.” “Niara-nigadra” tamin’i Paoly i Androniko sy Jonia, angamba iray fonja taminy izy roa lahy saingy tsy fantatra hoe taiza. Nilaza i Paoly fa ‘samy tsara laza teo amin’ny apostoly’ izy ireo. ‘Efa tafaray tamin’i Kristy talohan’i Paoly’ mihitsy aza izy ireo, izany hoe anisan’ny mpianatr’i Kristy voalohandohany.