Fisokafan’ny lalana mitondra indray ho ao amin’ny Paradisa
“Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa anio: hihaona amiko any amin’ny Paradisa ianao.” — LIOKA 23:43, MN.
1, 2. a) Inona moa ny dikan’ny teny hoe “paradisa”, koa tokony ho nanao ahoana izany ny saha Edena? b) Ahoana no nandikana ny teny hebreo midika hoe “zaridaina” ao amin’ny Soratra grika kristiana?
TERAKA tao amin’ny Paradisa ny fianakavian’olombelona. Mitantara ny famoronana ny olona toy izao ny boky voalohan’ny Soratra Masina: “Vovo-tany no namoronan’Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.” (Genesisy 2:7, 8). “Fahafinaretana” no dikan’ny teny hoe “Edena”. Ny saha Edena àry izany dia saha midadasika iray, saham-pahafinaretana, izay tsy nanan-tsahala mihitsy ny hatsaran-tarehiny sy ny karazan-javatra hita tao.
2 Ny teny hoe “paradisa” dia nindramina tamin’ny teny grika, ary manondro zaridaina na saha amin’io fiteny io. Ny teny grika nampiasaina mba handikana ny teny hebreo hoe gan, izay midika hoe “zaridaina”, dia ny hoe paradéïsos. Ny Soratra Masina, manomboka amin’ny Filazantsaran’i Matio ka hatramin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia nosoratana tamin’ny teny grika, ary io teny grika io no nampiasaina mba hitaterana ireo teny notononin’i Jesosy Kristy Tompo tao Kalvary, teo amin’ny hazo fijaliana namonoana azy tamin’ny 14 Nisana taona 33.
Ny fampanantenana nomen’i Jesosy ny jiolahy iray
3. a) Fangatahana inona no nataon’ilay jiolahy onena tamin’i Jesosy? b) Raha jerena io fangatahana io, inona moa no ninoan’ilay jiolahy raha ny amin’i Jesosy?
3 Nisy jiolahy roa nohomboana teo amin’ny hazo teo akaikin’i Jesosy. Ny iray tamin’izy ireo dia nitsahatra tsy nanevateva an’i Jesosy intsony, fa ilay anankiray nihantona teo amin’ny hazo terỳ amin’ny ilany kosa dia nanohy niteny ratsy azy. Nitodika tany amin’i Jesosy ilay jiolahy onena ary niteny hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao hianao.” Tamin’izany teny izany, dia nasehony fa nino izy fa, na dia nihantona teo amin’ny hazo teo akaikiny aza i Jesosy, dia hanana fanjakana any aoriana any (Lioka 23:42; Marka 15:32). Tsy maintsy nanohina mafy an’i Jesosy Tompo ireo teny ireo. Io jiolahy onena io dia nanaiky fa tsy nanan-tsiny i Jesosy Kristy ary tsy mendrika ny sazy henjana be toy ny fanomboana eo amin’ny hazo eo imason’ny olona rehetra, ao anatin’ny fahafaham-baraka toy izao (Lioka 23:41). Ny fangatahany dia nampiseho fa nino izy fa hatsangana amin’ny maty i Jesosy ary hahazo fanjakana iray. Nampiseho koa izany fa nino izy fa ny tenany koa dia mety ho tafatsangana amin’ny maty ary i Jesosy no hanangana azy ka hanome azy indray ny fiainana eto an-tany.
4. Ahoana no namalian’i Jesosy ny fangatahan’ilay jiolahy onena, ary nampiseho inona izany?
4 Raha nilaza tamin’ilay jiolahy onena i Jesosy hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: hihaona amiko any amin’ny Paradisa ianao”, dia te-hilaza izy fa hatsangana amin’ny maty izy io. Tsy maintsy ho fampiononana marina ho an’ilay jiolahy nampiseho finoana tokoa izany. Mba hahafahan’io lehilahy io hitsangana amin’ny maty dia tsy maintsy ho tafatsangana amin’ny maty aloha i Jesosy. Any aoriana, rehefa hampihatra ny fahefana hanangana olona amin’ny maty izay homen’Andriamanitra azy izy, dia hanangana io jiolahy io amin’ny maty amin’ny andro fananganana ny taranak’olombelona. — Lioka 23:43, MN; Jaona 5:28, 29; 1 Korintiana 15:20, 23; Hebreo 9:15.
5, 6. a) Soratra inona no nasain’i Pontio Pilato governora napetaka teo amin’ny hazo, teo ambonin’ny lohan’i Jesosy? b) Tamin’ny fiteny inona no azo inoana fa niresahan’i Jesosy tamin’ilay jiolahy?
5 Tamin’ny fiteny inona no nanomezan’i Jesosy io fampanantenana io? Fiteny maherin’ny iray no nitenenana tany Palestina tamin’izany andro izany. Izany no tondroin’ilay soratra nasain’i Pontio Pilato governora napetaka teo ambonin’ny lohan’i Jesosy Kristy, mba hampahafantarana ny mpandalo rehetra hoe iza izy io. Izao no vakina ao amin’ny Jaona 19:19, 20: “Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy. Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy maro, fa akaikin’ny tanàna ny tany nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ny teny Hebreo sy Romana [Latina, MN ] sy Grika izany.”
6 Noho izy naterak’i Maria, vehivavy virijina iray tany Betlehema, i Jesosy àry izany dia Jiosy, na Hebreo. Nandritra ireo telo taona sy tapany naharetan’ny asa fanompoany tao amin’ny tany niaviany àry izy dia azo antoka fa nitory tamin’ny fiteny nahazatra nampiasain’ny Jiosy, dia ny teny hebreo izany. Azo inoana fa nampionona ilay jiolahy onena tamin’ny teny hebreo izy. Raha izany àry no izy, dia mety ho nampiasa ny teny hebreo hoe gan izy, mba hiresahana ny amin’ny Paradisa — teny izay hita koa ao amin’ny Genesisy 2:8. Ao amin’io andininy io, ny fandikan-teny grikan’ny Septante dia mampiasa ny teny hoe paradéïsos mba handikana ny teny nampiasaina tany am-boalohany hoe gan.
7. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezam-boninahitra an’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty?
7 Tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nanomboana azy tamin’ny hazo, tamin’ny 16 Nisana araka ny fitadidianandro hebreo. Efapolo andro taorian’izay izy dia niakatra tany an-danitra, fonenana nisy azy tany am-boalohany, ary nitana toerana ambony lavitra noho ny teo aloha (Asa. 5:30, 31; Filipiana 2:9). Notafiana tsy fahafatesana àry izy tamin’izay, toetra izay efa nananan’ny Rainy any an-danitra. Jehovah Andriamanitra irery ihany no nanana ny tsy fahafatesana hatramin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ny alahady 16 Nisana. — Romana 6:9; 1 Timoty 6:15, 16.
Manokatra ny lalana mitarika ho amin’ny Paradisa ny avotra
8. Inona moa ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany raha ny amin’ny tany, ary inona no mampiseho fa tsy nahafoy io fikasana io izy?
8 Izany rehetra izany dia dingana eo amin’ny fikasan’Andriamanitra avokoa, dia ny handrakotra ny tany amin’ny Paradisa tsara tarehy, eny, ny hanaovana ny tany iray manontolo ho paradisa (Genesisy 1:28; Isaia 55:10, 11). Ao amin’ny 1 Korintiana 15:45, ny apostoly Paoly dia miresaka ny amin’i Jesosy ho toy ny “Adama farany”. Izany dia manondro fa Andriamanitra dia tsy nahafoy ny fikasany tany am-boalohany mikasika ny tany, ary koa, fa hisy olona hanatanteraka io fikasana izay tsy notanterahin’ilay Adama voalohany io.
9. Inona moa no nomen’i Jesosy mba hanokafana ny lalana mitondra indray ho any amin’ny Paradisa?
9 Araka an’i Paoly, i Jesosy dia nanome “avotra mifanandrify”. (1 Timoty 2:6, MN.) Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy dia efa niteny hoe: “Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” Noho io avotra io, ireo izay maneho finoana an’i Jesosy Kristy dia manana fahafahana ny hahazo ny fiainana mandrakizay. — Matio 20:28; Jaona 3:16.
10. a) Nanapa-kevitra ny hanao inona moa i Jehovah raha ny amin’ireo olombelona nomen-tombontsoa izay voafetra ny isany? b) Oviana moa no nanomboka ny fifidianana ireo izay ho anisan’ny “ondry vitsy”, ary tamin’iza?
10 Rehefa niakatra tany an-danitra i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia afaka nanolotra tamin’Andriamanitra ny vidin’ny sorom-panavotana nataony ho an’ny fianakavian’olombelona. Kanefa ny fikasan’ny Rainy any an-danitra, Jehovah Andriamanitra, dia ny hanalana avy amin’ny firenena eto an-tany “olona [vahoaka, MN ] hankalazana ny anarany”. (Asa. 15:14.) Araka ny Apokalypsy 7:4 sy 14:1-4, dia tsy hisy afa-tsy olona 144 000 monja no hahaforona io vahoaka io, dia ireo “ondry vitsy”, izay voantso hahaforona ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra (Lioka 12:32). Ny fifidianana ireo olombelona nampisehoan’i Jehovah Andriamanitra fahasoavana manokana ireo dia nanomboka tamin’ireo apostoly roa ambin’ny folon’i Jesosy Kristy (Matio 10:2-4; Asa. 1:23-26). Nanambara toy izao tamin’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny kongregasionany i Jesosy: “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo.” (Jaona 15:16). Izy ireo no ho eo amin’ny laharana voalohany raha ny amin’ny asa fanambarana ilay Paradisa ho avy hanerana izao rehetra izao izay hotarihin’ilay Fanjakana.
Ny fahatongavan’ilay Fanjakana: zavatra azo antoka
11. Oviana moa no tsy maintsy ho tafaorina ilay Fanjakana mesianika?
11 Amin’izao androntsika izao, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo isika dia manohy mivavaka amin’i Jehovah mba hahatongavan’ny Fanjakany. (Matio 6:9, 10; Jaona 14:13, 14). Tsy maintsy tafaorina tamin’ny fiafaran’ny “andron’ny jentilisa” ilay Fanjakana mesianika. (Lioka 21:24.) Izany andron’ny Jentilisa izany anefa dia nifarana tamin’ny 1914a.
12. Mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy manambara ireo fisehoan-javatra hiavaka izay hampahafantatra ny fanatrehany tsy hita maso, inona moa no nitranga tamin’ny 1914?
12 Voamariky ny ady lehibe voalohany teo amin’ny tantaran’ny olombelona io taona io, ary izany dia nifanaraka tamin’ny faminanian’i Jesosy izay nanambarany mialoha ny amin’ireo fisehoan-javatra hampiavaka sy hampahafantatra ny fanatrehany tsy hita maso ao amin’ny herin’ny Fanjakana mba hanapaka ny tany. Nanao izao fanontaniana izao taminy ny mpianany: “Lazao aminay izay andro hahatongavan’izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao [fanatrehanao, MN ] sy ny fahataperan’izao tontolo izao?” Izao no navalin’i Jesosy azy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana. Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Matio 24:3, 7, 8, 14; Marka 13:10.
13. a) Inona no maha-vaovao tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana? b) Hatramin’ny oviana moa no ivavahana ny amin’ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary moa ve sasatra ny nanolotra ho azy io vavaka io ny Vavolombelon’Andriamanitra?
13 Io vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah io ankehitriny dia torina any amin’ny tany maherin’ny 200, ary efa atao koa izao ny fiezahana mba hanambarana azy any amin’ny faritany hafa. Io vaovao io akory tsy ny fanambarana ny fiavian’ny fitondram-panjakana haneran-tany iray amin’ny hoavy, fa ny fanambarana ny amin’ny fanjakana iray efa tafaorina sy efa manapaka sahady. Io Fanjakana io dia naorina tamin’ny 1914, ary nanao izay hahatanterahan’ilay vavaka izay nomen’i Jesosy ny ambangovangony maherin’ny 1 900 taona lasa izay. Io vavaka io dia atolotra ilay Mpanorina io Fanjakana io, hatramin’ny fotoana nampianaran’ilay ho Mpanjakany ireo mpianany mba hivavaka ny amin’ny hahatongavan’io fitondram-panjakana io. Efa ela be àry izany no nandrenesan’ilay Mpanorina io Fanjakana io izany fangatahana izany. Nahafinaritra azy ny nahare ireo vavolombelony teto an-tany nivavaka taminy toy izany nandritra izany fotoana rehetra izany, satria nampiseho izany fa nitana ny finoany ny fiavian’io Fanjakana io izy ireo. Tsy sasatra izy ireo nanolotra io vavaka io an’ilay ‘Ray izay any an-danitra’, satria mbola tsy very lanja tamin’izy ireo izany. — Matio 6:9, 10.
14. Nahoana no manohy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah?
14 Ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mino sy manambara fa efa niorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ilay Fanjakana, dia manohy mitory izany vaovao tsaran’ny Fanjakana izany. Ny antony anaovany izany dia satria mbola tsy io Fanjakana tafaorina io irery ihany no manapaka eto an-tany, fa noleferiny ireo fanjakana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mbola manohy mampihatra ny fahefany sy ny fanapahany eo amin’ny olona avy amin’ny foko sy firazanana rehetra (Romana 13:1). Mbola tsy maintsy ho avy amin’ny heviny feno àry io Fanjakana io, izany hoe ho izy irery ihany no hanapaka eto amin’ny tany manontolo. — Daniela 2:44.
15. Inona no nitohy ny fanaovana azy hatramin’ny Pentekosta taona 33 ary tamin’ny lafiny lehibe kokoa noho ny tamin’ny fanosorana ireo mpanjakan’ny Isiraely?
15 Na dia voatendry ho Mpanjakan’io Fanjakana io aza i Jesosy, dia tsy manjaka irery izy akory. Jehovah Andriamanitra tokoa dia nifidy 144 000 tamin’ireo mpianatry ny Zanany mpanjaka mba hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra (Daniela 7:27). Toy ny nanosoran’ny mpisoronabe ireo mpanjakan’Isiraely fahiny tamin’ny diloilo fanosorana masina, dia toy izany ihany koa fa, nanomboka tamin’ny andro Pentekosta taona 33, Jehovah dia nanosotra ireo 144 000 hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy tamin’ny fanahiny masina. Koa tamin’izany àry izy ireo dia nateraka ho amin’ny fiainana ara-panahy any an-danitra hiaraka amin’ilay ‘Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo’. — Apokalypsy 19:16; jereo 1 Mpanjaka 1:39.
Tsy maintsy haorin’ilay “Adama farany” indray ny Paradisa
16. Fony nahantona teo amin’ny hazo i Jesosy, inona moa no toa tsy afaka ny hisy, kanefa nahoana izy no tsy nanambara vaovao sandoka?
16 Fony nahantona teo amin’ny hazo tamin’ny taona 33 i Jesosy, dia toa tsy ho afaka ny hanana fanjakana izy indray andro any. Kanefa tsy nanambara vaovao sandoka akory izy tamin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny andro fahatelo taorian’ny nanomboana azy, Jehovah, Mpanorina ilay Fanjakana, dia nanao zavatra iray izay nanome antoka fa ny mpianatr’i Jesosy dia tsy hivavaka ho an’ny fitondram-panjakana izay tsy afaka ny ho tonga akory. Natsangany tamin’ny maty Ilay hisolo tena Azy ao amin’ny Fanjakana izay angatahin’ny kristiana amin’ny vavaka, ary notafiany tsy fahafatesana.
17, 18. a) Amin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no antsoina hoe “Adama farany”? b) Hatramin’ny 1914, manondro inona moa ireo zava-mitranga maneran-tany?
17 Fantatr’i Jesosy fa ilay Mpamorona ny paradisa voalohany teto an-tany dia hangataka azy hanorina indray ilay Paradisa ary hiahy ny amin’ny hamenoan’ny olombelona io zaridaina haneran-tany io. Ao amin’ny 1 Korintiana 15:45, 47, dia izao no vakintsika: “Ary araka izany koa no voasoratra hoe: ‘Adama voalohan-dahy natao manan-aina’; Adama farany natao fanahy mahavelona. Ny olona voalohany avy amin’ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.” Ilay Adama faharoa dia nidina avy any an-danitra. Izy no ampiasain’i Jehovah mba hanorina ny Paradisa indray eto an-tany. Noho izany àry no nahafahan’i Jesosy Tompo nilaza tamin’ilay jiolahy onena hoe: “Hihaona amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:43, MN ). Hita amin’ny resaka nifanaovany tamin’io jiolahy io ihany koa fa ilay Paradisa dia haorina eto an-tany eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakana any an-danitra izay nomena hotarihin’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra na “Adama farany”.
18 Hatramin’ny 1914, ireo zava-mitranga maneran-tany dia mifanaraka amin’ireo faminanian’i Jesosy Kristy, ary noho izany dia manaporofo fa tonga mpanjaka izy tamin’io taona io. Efa maherin’ny 70 taona izao no nisian’ireo zava-mitranga voatantara ao amin’ny faminanian’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Matio toko faha-24; ary vavolombelona nahita maso izany nandritra izany fotoana izany ireo olona amin’ny taranaka amin’izao taonjato faharoapolo izao izay efa velona tamin’ny 1914. Hita àry fa hifarana tsy ho ela io vanim-potoana io, ary efa tena akaiky ny fanorenana indray ilay Paradisa eto an-tany. — Matio 24:32-35; jereo Salamo 90:10.
Akaiky dia akaiky ny izao tontolo izao vaovao iray sy mahafinaritra indrindra
19, 20. a) Aorian’i Haramagedona, aiza moa no hamponenan’i Jehovah ireo izay tia azy? b) Inona moa no tsy maintsy hatao aoriana kelin’i Haramagedona?
19 Rehefa ho avy nanamarina tanteraka ny fiandrianany manerana izao rehetra izao amin’ny adin’i Haramagedona i Jehovah dia tsy hamela ireo izay tia azy hiaina ao amin’ny fandehan-javatra iray mankaleo. Ny vanim-potoana izay hisokatra ho an’ny fianakavian’olombelona eo ambanin’ny fanapahana mahafinaritr’ilay Mpanjaka mesianika, dia i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra izany, dia hahafinaritra tokoa. Hisy asa goavana sy mahasoa izay tsy maintsy hatao. Ho voafafa tsy ho eo amin’ny tany avokoa ireo holatra sisa ho navelan’ny ady hanerana izao rehetra izao ho nifanaovan’ny tafik’i Jehovah any an-danitra sy ireo herin’ilay ratsy rehetra. Tsy hisy na dia soritra iray aminy aza havela hijanona eto.
20 Fa inona no hiafaran’ireo fitaovam-piadiana rehetra izay ho tavela aorian’ny nandringanana ireo firenena? Raha jerena ny filazana ara-panoharana ny amin’ny fotoana hilaina mba handoroana ny tapany azo dorana amin’ireny fiadiana ireny, dia hita fa hisy maro be dia maro be amin’izy ireny (Ezekiela 39:8-10). Ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona angamba dia afaka ny hanova ho fiasana azo ampiasaina izay sisa tavela amin’ny fitaovana ara-tafik’ireo firenena. — Isaia 2:2-4.
21. Tarehin-javatra manao ahoana sahala amin’ny an’ireo tafita velona tamin’ny safodrano moa no ho hitan’ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona, kanefa inona no fahasamihafana lehibe hita amin’ireo tarehin-javatra roa ireo?
21 Ho sahala amin’ny tarehin-javatra nisy an’i Noa sy ny fianakaviany taorian’ny nahatafita velona azy tamin’ny safodrano naneran-tany tamin’ny fomba mahagaga ny tarehin-javatra hisy ireo ho tafita velona izay hotahin’Andriamanitra. Kanefa tsy handoto ny lanitra tsy hita maso manodidina ny tany intsony i Satana Devoly sy ireo demoniany manan-kery amin’izay. Efa tsy hanana fitaomana hanimba intsony izy ireo mandritra ny taonjato folo (Apokalypsy 20:1-3). Ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona dia hanao asa izay ho fihaikana ho azy ireo: dia ny hampanompo tany iray izay ho vao avy nandalo “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, na manao ahoana na manao ahoana na manao ahoana vokatra haterak’izany andro izany eto amin’ity planeta ity. — Apokalypsy 16:14.
22. Hanao ahoana moa ny ho fihetsik’ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona raha mahita fa goavam-be ny asa hatao hanitarana ny Paradisa haneran-tany?
22 Mety hisy hanampo fa hatahotra mafy ireo ho tafita velona amin’ny adin’i Haramagedona ireo, izay ho vitsy dia vitsy, satria ho goavam-be ny asa hatao hanitarana ny Paradisa haneran-tany. Nefa, mifanohitra amin’izany kosa, izy ireo dia ho faran’izay ravoravo hanaiky izany asa izany, ary hanomboka hiasa amin-kerim-po sy amim-pankatoavana. Tsapany tsara fa fitoeran-tongotr’Andriamanitra amin’ny heviny ara-panoharana ny tany, ary haniry amim-pahatsorana izy ireo ny hamerina eto amin’ny planeta tany ny hasoa sy ny hatsaran-tarehy mendrika ny toerana izay ipetrahan’ny tongotr’i Jehovah.
23. Ny fanohanan’iza moa no hanome antoka an’ireo ho tafita velona amin’i Haramagedona fa ho vitany ny hanorina indray ny Paradisa?
23 Mahafaly sy mampahery ny mahafantatra fa tsy havela ho irery sy tsy hisy mpanampy akory izy ireo rehefa ho avy nanatontosa tamim-pifaliana ny asa natolotr’Andriamanitra azy ireo hataony eto an-tany (jereo Isaia 65:17, 21-24). Izy ireo dia hahazo ny fanohanana feno sy tsy hanam-pahataperana avy amin’Ilay nampanantena fa haorina indray ilay Paradisa ka nilaza toy izao tamin’ny andro niakarany tany any an-danitra: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18). Mbola mitana izany fahefana izany ihany izy hatramin’izao, ary afaka ny hanatanteraka ilay fampanantenana miavaka nataony tamin’ilay jiolahy onena, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka antsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana feno kokoa, dia jereo ny boky Ho tonga anie ny Fanjakanao!, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., eo amin’ny pejy faha-135 ka hatramin’ny pejy faha-138. Jereo koa Ezekiela 21:27.
Ahoana no havalinao?
◻ Manome toky inona moa ny fampanantenana nataon’i Jesosy tao Kalvary ho an’ny mpanao ratsy iray sy ny taranak’olombelona?
◻ Inona moa no namela ny fisokafan’ny lalana miverina ho amin’ny Paradisa?
◻ Fanirahana inona, izay tsy tanterak’ilay Adama voalohany moa, no hotanterak’ilay “Adama farany”?
◻ Aorian’i Haramagedona, ao amin’ny karazam-pandehan-javatra inona no hampiainan’i Jehovah ireo izay tia azy?
[Sary, pejy 13]
Ny lahatsoratra hoe “Fiafaran’ireo fanjakana rehetra amin’ny 1914”, natontan’ny “World Magazine” tamin’ny 30 aogositra 1914.