“Mahitsy ny Làlan’i Jehovah”
“Mahitsy ny làlan’i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy.”—HOSEA 14:10.
1, 2. Inona no nataon’i Jehovah ho an’ny Israelita, nefa inona no nitranga?
NATAON’I Jehovah izay hahatsara fiandohana ny Israelita, tamin’ny andron’i Mosesy mpaminany. Nikororosy be anefa ny fiainan’izy ireo tany am-piandohan’ny taonjato fahavalo T.K. Nomelohin’Andriamanitra àry izy ireo satria nanao fahadisoana lehibe. Izany no hita ao amin’ny Hosea toko faha-10 ka hatramin’ny faha-14.
2 Lasa nihatsaravelatsihy ny Israely. “Niasa faharatsiana” io fanjakan’ny foko folo io, ka nijinja fahadisoana. (Hosea 10:1, 13) Hoy i Jehovah: “Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.” (Hosea 11:1) Nanafaka ny Israelita tsy ho andevo tany Ejipta Andriamanitra, nefa lainga sy fitaka no navalin’izy ireo azy. (Hosea 12:1) Nanoro hevitra azy ireo àry izy hoe: “Miverena amin’Andriamanitrao hianao; tandremo ny famindrampo sy ny rariny.”—Hosea 12:7.
3. Inona no niafaran’i Samaria mpikomy? Nila nanao inona anefa ny Israelita raha te hamindrana fo?
3 Ratsy fiafara i Samaria mpikomy sy ny mpanjakany. (Hosea 13:11; 14:1) Misy fiangaviana toy izao anefa eo am-piandohan’ny toko farany amin’ny Hosea: “Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao.” Namindra fo tamin’ny Israelita Andriamanitra, raha nangata-pamelana taminy izy ireo. Mazava ho azy fa tsy maintsy nanaiky koa izy ireo fa “mahitsy ny làlan’i Jehovah”, ary nilainy ny nanaraka izany.—Hosea 14:2-7, 10.
4. Inona avy no toro lalana hodinihintsika ao amin’ny faminanian’i Hosea?
4 Ahitana toro lalana maro hanampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra ireo toko ao amin’ny Hosea ireo. Ireto no hodinihintsika: 1) Mitaky fanompoana tsy misy fihatsarambelatsihy i Jehovah, 2) tsy miovaova ny fitiavany ny vahoakany, 3) mila miandry an’i Jehovah mandrakariva isika, 4) mahitsy foana ny lalany, ary 5) afaka miverina amin’i Jehovah ny olona nanota.
Mitaky fanompoana tsy misy fihatsarambelatsihy i Jehovah
5. Fanompoana manao ahoana no takin’Andriamanitra amintsika?
5 Takin’i Jehovah ny hanolorantsika fanompoana masina amin’ny fo madio, tsy misy fihatsarambelatsihy. Nanjary toy ny “voaloboka misandrahaka” ny Israely, nefa namoa voa ratsy. ‘Nanao alitara betsaka’ ho an’ny andriamani-diso izy ireo. Nanao tsangambaton-tsampy mihitsy aza ireo mpivadi-pinoana ireo. Nosimban’i Jehovah anefa ireny alitara ireny ary noravany ireo tsangambaton-tsampy.—Hosea 10:1, 2.
6. Inona no toetra tsy tokony hananantsika raha te hiara-mandeha amin’Andriamanitra isika?
6 Tsy ekena eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah ny fihatsarambelatsihy. Inona anefa no nitranga tamin’ny Israelita? ‘Namitaka ny fony’ na lasa nihatsaravelatsihy! Nomelohin’i Jehovah àry izy, na dia firenena nanaovany fifanekena sy nanolo-tena ho azy aza. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy tokony hihatsaravelatsihy mihitsy isika, raha efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Mampitandrina ny Ohabolana 3:32 hoe: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.” Tsy maintsy maneho fitiavana “avy amin’ny fo madio, sy avy amin’ny feon’ny fieritreretana madio ary avy amin’ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” isika, raha te hiara-mandeha amin’Andriamanitra.—1 Timoty 1:5.
Tsy miovaova ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany
7, 8. a) Inona no tokony hatao raha tiantsika ny hanehoan’Andriamanitra fitiavana tsy miovaova? b) Inona no tokony hataontsika raha nanao fahotana lehibe isika?
7 Hanehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova isika, raha manao izay mahitsy sy tsy mihatsaravelatsihy eo amin’ny fanompoana azy. Nilazana toy izao ny Israelita nania: “Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; fa izao no andro hitadiavana an’i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.”—Hosea 10:12.
8 Raha mba nibebaka sy nitady an’i Jehovah mantsy ny Israelita, dia ho faly izy nampianatra azy ireo “ny fahamarinana”! Aoka àry isika hitady an’i Jehovah, izany hoe hangata-pamelana aminy sy hitady fanampiana amin’ny anti-panahy kristianina, raha nanao fahotana lehibe. (Jakoba 5:13-16) Tokony hitady ny tari-dalan’ny fanahy masin’Andriamanitra koa isika, satria ‘izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony. Fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.’ (Galatianina 6:8) Hanehoan’i Jehovah fitiavana tsy miovaova hatrany isika, raha “mamafy ho an’ny fanahy.”
9, 10. Hazavao fa mihatra amin’ny Israely ny Hosea 11:1-4.
9 Afaka matoky isika fa maneho fitiavana amin’ny vahoakany foana i Jehovah. Manaporofo izany ny Hosea 11:1-4 hoe: “Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. ... Ho an’ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an’ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra. Fa Izaho no nampianatra an’i Efraima [ny Israelita] handeha—eny, notrotroiko tamin’ny sandriko aza izy—nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana; ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.”
10 Oharina amin’ny ankizy kely ny Israely eto. Nampianatra azy nandeha sy nitrotro azy i Jehovah. Nitarika azy tamin’ny tady “mahazakan’ny fitiavana” foana izy. Mampihetsi-po tokoa izany sarin-teny izany! Eritrereto hoe manan-janaka kely ianao, ary mampianatra azy handeha. Manatsotra ny tananao roa ianao, ary mety hanisy tady ihazonany mba tsy hianjerany, tahaka ny fanaon’ireo ray aman-dreny tamin’ny andro fahiny. Tena tia anao toy izany i Jehovah. Faly izy mitarika anao amin’ny tady “mahazakan’ny fitiavana.”
11. Ahoana no nahitana fa “toy izay manainga ny fehim-bava” Andriamanitra?
11 Hita tamin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny Israelita fa “toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ny valanoranony [izy] ka nanolo-kanina azy tsimoramora.” Ingaina na esorina ny fehim-bava na ziogan’ny biby iray, mba tsy ho voahelingelina izy rehefa miraoka ahitra. Mitovitovy amin’izany no nataon’Andriamanitra tamin’ny Israelita. Rehefa tsy nanaiky azy ihany izy ireo, vao lasa nijaly teo ambany ziogan’ny fahavalony. (Deoteronomia 28:45, 48; Jeremia 28:14) Enga anie isika tsy ho lasa eo ambany fifehezan’i Satana mihitsy, ilay fahavalontsika lehibe indrindra, ka hijaly eo ambany ziogany. Aoka kosa isika hiara-mandeha hatrany amin’ilay Andriamanitsika be fitiavana.
Miandrasa an’i Jehovah mandrakariva
12. Araka ny Hosea 12:6, inona no takina amintsika mba hiarahana mandeha hatrany amin’Andriamanitra?
12 Tsy maintsy miandry an’i Jehovah mandrakariva isika, raha te hiara-mandeha aminy hatrany. Nilazana toy izao ny Israelita: “Miverena amin’Andriamanitrao hianao; tandremo ny famindrampo sy ny rariny, ary miandrasa an’Andriamanitrao mandrakariva.” (Hosea 12:7) Noporofoin’ny Israelita fa nibebaka sy niverina tamin’i Jehovah izy ireo, raha namindra fo sy nanao ny rariny ary ‘niandry azy mandrakariva.’ Tsy maintsy tapa-kevitra ny hamindra fo sy hanao ny rariny ary hiandry an’Andriamanitra mandrakariva koa isika, na hafiriana na hafiriana no efa niarahantsika nandeha taminy.—Salamo 27:14.
13, 14. Ahoana no nampiharan’i Paoly ny Hosea 13:14? Inona araka izany no antony hiandrasantsika an’i Jehovah?
13 Manana antony manokana hiandrasana an’Andriamanitra isika, araka ny faminanian’i Hosea. Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy; ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao?” (Hosea 13:14) Tsy nikasa hiaro azy ireo tsy ho faty akory i Jehovah tamin’izay. Hofoanany mandrakizay kosa ny fahafatesana amin’ny hoavy, ka tsy handresy intsony.
14 Naka teny tao amin’ny Hosea i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra. Hoy izy: ‘Rehefa mitafy ny tsy mety lo ity mety lo ity ary mitafy ny tsy mety maty ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: “Ho foana mandrakizay ny fahafatesana.” “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” Ny fanindronana mahatonga ny fahafatesana dia ny ota, fa ny Lalàna kosa no herin’ny ota. Fa isaorana anie Andriamanitra, satria manome antsika ny fandresena izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!’ (1 Korintianina 15:54-57) Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy. Mampionona sy manome antoka antsika izany, fa hatsangany amin’ny maty koa ireo olona ao amin’ny fitadidiany. (Jaona 5:28, 29) Antony mahafaly hiandrasana an’i Jehovah tokoa izany! Misy antony hafa hiarahantsika mandeha aminy anefa, ankoatra ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
Mahitsy foana ny lalan’i Jehovah
15, 16. Inona no faminaniana momba an’i Samaria, ary ahoana no nahatanterahan’izy io?
15 Miara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra isika, satria manaiky fa ‘mahitsy ny lalany.’ Tsy nandeha tamin’ny lala-mahitsin’Andriamanitra ny mponin’i Samaria. Nizaka ny vokatry ny fahotany sy ny tsy finoany an’i Jehovah àry izy ireo. Hoy ny faminaniana: “Hovaliana Samaria noho ny helony, fa niodina tamin’Andriamaniny izy; ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.” (Hosea 14:1) Milaza ny mpahay tantara, fa nahavita habibiana nahatsiravina toy izany tokoa ireo Asyrianina nandresy an’i Samaria.
16 I Samaria no renivohitry ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely. Mety ho nanondro ilay fanjakana manontolo anefa ny teny hoe Samaria eto. (1 Mpanjaka 21:1) Nanao fahirano ny tanànan’i Samaria i Salmanesera Faha-5, mpanjakan’i Asyria, tamin’ny 742 T.K. Resy ihany izy io tamin’ny 740 T.K., ka olona ambony maro no natao sesitany tany Mezopotamia sy Media. Tsy fantatra marina na i Salmanesera Faha-5, na i Sargona II nandimby azy, no naharesy an’i Samaria. (2 Mpanjaka 17:1-6, 22, 23; 18:9-12) Na ahoana na ahoana, dia milaza ny asa soratra momba an’i Sargona fa 27 290 ny Israelita natao sesitany tany avaratry ny Reniranon’i Eofrata sy tany Media.
17. Inona no tokony hataontsika, toy izay hanamavo ny fitsipik’Andriamanitra?
17 Nijaly tokoa ny mponin’i Samaria, noho izy ireo tsy nankatò ny lala-mahitsin’i Jehovah. Hahita loza koa isika Kristianina vita fanoloran-tena raha zatra manota, na manamavo ny fitsipika marin’Andriamanitra. Enga anie isika tsy hanao ratsy toy izany mihitsy! Aoka kosa isika hanaraka ny torohevitry ny apostoly Petera hoe: ‘Aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona. Fa raha misy mijaly, satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany.’—1 Petera 4:15, 16.
18. Ahoana no ‘hankalazantsika hatrany an’Andriamanitra’?
18 ‘Mankalaza hatrany an’Andriamanitra’ isika, rehefa mandeha amin’ny lalany mahitsy, fa tsy manao izay saim-pantatsika fotsiny. Namono olona i Kaina satria nanao izay tiany. Tsy nohenoiny i Jehovah rehefa nampitandrina fa mitady ho resin’ny ota izy. (Genesisy 4:1-8) Nanaiky notambazan’ny mpanjakan’i Moaba vola i Balama mba hanozona ny Israelita, nefa tsy nahavita. (Nomery 24:10) Ary novonoin’Andriamanitra ho faty i Kora Levita sy ny namany, noho izy ireo nikomy tamin’ny fahefan’i Mosesy sy Arona. (Nomery 16:1-3, 31-33) Tapa-kevitra àry isika ny tsy handeha amin’ny “lalan’i Kaina” mpamono olona, na ho maimay “hanaraka ny lalan-dison’i Balama”, na ho fatin’ny “teny fikomian’i Kora!” (Joda 11) Mampahery antsika anefa ny faminanian’i Hosea, raha sanatria nanao fahadisoana isika.
Afaka miverina amin’i Jehovah ny olona nanota
19, 20. Inona no fanatitra azon’ireo Israelita nibebaka natolotra?
19 Afaka miverina amin’i Jehovah na dia ireo nanao fahotana lehibe aza. Miangavy toy izao ny Hosea 14:2, 3: “Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka hianao. Mitondrà teny hianareo, eny, miverena amin’i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay ho fanatitra ny molotray.”
20 Afaka nanolotra ny ‘fanatitry ny molony’ ireo Israelita nibebaka. Tsy inona ireo fanatitra ireo fa teny fiderana vokatry ny fo. Nanisy resaka an’io faminaniana io i Paoly, rehefa nampirisika ny Kristianina ‘hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.’ (Hebreo 13:15) Voninahitra tokoa ny miara-mandeha amin’Andriamanitra sy manao fanatitra toy izany ankehitriny!
21, 22. Inona no soa azon’ireo Israelita nibebaka?
21 Nanolotra ny ‘fanatitry ny molony’ ireo Israelita niala tamin’ny lalan-dratsiny, ka niverina tamin’Andriamanitra. Nifandray tsara taminy indray izy ireo, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah. Hoy izy ao amin’ny Hosea 14:5-8: “Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; fa efa niala taminy ny fahatezerako. Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Isiraely; hamony tahaka ny lilia izy ary hamaka tahaka an’i Libanona. Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an’ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an’i Libanona ny hanitra avy aminy. Izay mipetraka ao ambanin’ny alokalony dia hampahavokatra vary indray, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; ny lazany ho tahaka ny an’ny divay avy any Libanona.”
22 Nifandray tsara tamin’Andriamanitra sady tiany indray ireo Israelita nibebaka. Toy ny ando mangatsiatsiaka ho azy ireo i Jehovah, satria nitahy azy ireo be dia be. Tsara tarehy ‘tahaka ny hazo oliva’ ilay vahoakany sady nandeha tamin’ny lalany. Inona àry no takina amintsika, noho isika tapa-kevitra ny hiara-mandeha amin’i Jehovah Andriamanitra?
Mandehana hatrany amin’ny lala-mahitsin’i Jehovah
23, 24. Inona no faminaniana mampahery mamarana ny bokin’i Hosea, ary inona no akon’izany eo amintsika?
23 Tsy maintsy maneho “ny fahendrena avy any ambony” sy manao izay mahitsy foana isika, raha te hiara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra. (Jakoba 3:17, 18) Hoy ny andininy farany ao amin’ny Hosea: “Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny làlan’i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.”—Hosea 14:10.
24 Tsy manaiky hotarihin’ny fahendren’ity tontolo ity sy ny fitsipiny isika, fa tapa-kevitra kosa ny handeha amin’ny lala-mahitsin’Andriamanitra. (Deoteronomia 32:4) Nanao izany nandritra ny 59 taona na mahery i Hosea. Tsy nitsahatra nanambara ny hafatr’Andriamanitra izy, satria fantany fa ho azon’ny hendry sy ny manan-tsaina izany. Ary ahoana ny amintsika? Raha mbola avelan’i Jehovah hitory koa isika, dia hitady hatrany an’ireo hendry, izay hanaiky ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Faly isika miara-manao izany amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina.”—Matio 24:45-47.
25. Tokony hanampy antsika hanao inona ny fandinihantsika ny faminanian’i Hosea?
25 Tokony hanampy antsika hiara-mandeha hatrany amin’Andriamanitra sy hitsinjo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy, ny fandinihantsika ny faminanian’i Hosea. (2 Petera 3:13; Joda 20, 21) Tena tsara izany fanantenana izany! Ho tanteraka amintsika tsirairay izany, raha asehontsika amin’ny teny sy ny atao fa tena miaiky isika hoe: “Mahitsy ny làlan’i Jehovah.”
Ahoana no Havalinao?
• Hanao ahoana ny fifandraisan’Andriamanitra amintsika, raha manompo azy amin’ny fo madio isika?
• Nahoana isika no tokony hiandry an’i Jehovah mandrakariva?
• Nahoana ianao no miaiky fa mahitsy ny lalan’i Jehovah?
• Ahoana no handehanantsika hatrany amin’ny lala-mahitsin’i Jehovah?
[Sary, pejy 28]
Ekeo ny fanampian’ny anti-panahy kristianina
[Sary, pejy 29]
Mahatonga antsika hiandry ny fampanantenan’i Jehovah fitsanganana amin’ny maty ny faminanian’i Hosea
[Sary, pejy 31]
Miaraha mandeha hatrany amin’Andriamanitra ary tsinjovy ny fiainana mandrakizay