‘Tiavo fatratra hatrany ny olona karazan’izany’
‘Ekeo ny olona karazan’izany.’ — 1Korintiana 16:18, MN.
1. Karazan’olona manao ahoana moa no notiavin’ny apostoly Paoly fatratra indrindra, ary ahoana no nosoratany momba ny anankiray tamin’izy ireny?
KARAZAN’OLONA manao ahoana moa no tian’ny apostoly Paoly fatratra indrindra? Ireo kristiana maniry ny tsy hitsitsy hery ho an’i Jehovah sy ho an’ireo rahalahiny. Ny amin’ny anankiray tamin’ireo mpiara-miasa taminy, dia izao no nosoratany: “Koa raiso ao amin’ny Tompo izy amin’ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra [tiavo fatratra hatrany, MN ] izay olona tahaka izany; fa saiky maty izy noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra.” — Filipiana 2:29, 30.
2. Iza moa no tokony hoheverintsika indrindra, ary nahoana?
2 Amin’izao androntsika izao, any amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 55 000, dia kristiana faka tahaka maro no mendrika indrindra ny fitiavantsika fatratra noho ny zotom-pony amin’ny fanompoana ireo rahalahiny. Mampiseho amintsika ny ilàna ho tia fatratra olona toy izany i Paoly ka manoratra toy izao: “Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo, ary mba hohajainareo indrindra amin’ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.” — 1 Tesaloniana 5:12, 13.
3. a) Inona no mety hanampy antsika hiara-miaina amim-pihavanana? b) Amin’ny lafiny inona moa ireo loholona no tokony hanome ohatra?
3 Zava-dehibe ny hanehoantsika amin’ny rahalahintsika sy ny anabavintsika rehetra ny fiheverana mety, indrindra fa amin’ireo loholona tsy mitsitsy hery, raha tiantsika ny hiaina amim-pihavanana ao anatin’ny kongregasionantsika. Amin’izany lafiny izany, tahaka ny amin’ny lafiny hafa rehetra amin’ny fiainana kristiana, ireo loholona dia tokony ho “fianaran’ny ondry”. (1 Petera 5:2, 3.) Kanefa, na dia manana zo hanantena ny hitiavan’ireo namany azy noho ny asany mafy aza ireo loholona dia tokony hampiseho ohatra koa amin’ny fifanehoana fiheverana tsara.
‘Mifanomeza voninahitra’
4, 5. a) Ahoana moa no nampisehoan’ny apostoly Paoly fa tia fatratra ireo loholona izay niasa mafy izy? b) Inona no nosoratany ho an’ireo kristiana tany Roma, ary nahoana no mihatra indrindra amin’ny loholona ny teniny?
4 Nanome ohatra tsara ny apostoly Paoly tamin’io lafiny io. Araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nitady izay hijerena ny toetra tsaran’ireo rahalahiny sy anabaviny izy. Ary tsy vitan’ny hoe nampirisika ireo kristiana ho tia sy hanaja ny loholona izay niasa mafy izy, fa nasehony ny firaiketam-pony tamin’izy ireny. Miharihary tokoa fa tia ny olona karazan’izany izy. — Jereo Filipiana 2:19-25, 29; Kolosiana 4:12, 13; Titosy 1:4, 5.
5 Tao amin’ny taratasy nalefany ho an’ireo kristiana tany Roma, dia izao no nosoratan’i Paoly: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo [Jehovah, MN ].” (Romana 12:10, 11). Tsy azo lavina fa mihatra voalohany indrindra amin’ny loholona ireo teny ireo. Tokony hampiseho ohatra ho an’ny rahalahiny kristiana rehetra izy ireo raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.
6. a) Inona no tsy tokony hataon’ny loholona, ary nahoana? b) Ahoana moa no azon’ny loholona anamafisana ny fitokian’ny kongregasiona ny kolejy?
6 Hitandrina indrindra ireo loholona mba tsy hanao fanamarihana ratsy momba ny mpiandraikitra hafa. Tsy misy mihitsy loholona mampiseho amin’ny fomba tonga lafatra ny fitambaran’ireo toetra kristiana, satria tsy tanteraka ny rehetra. Misy tsara amin’ny lafiny sasany, nefa osa kokoa amin’ny lafiny hafa. Raha mifaneho fitiavan’ny mpirahalahy sy firaiketam-po araka ny mety ireo loholona, dia hanamaivana ny fahalemen’ireo namany. Amin’ny resaka ifanaovany amin’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona, dia hosoritany ny zavatra hain’ny loholona hafa. Amin’ny fampisehoana toy izany, ohatra ny amin’ny fifanomezam-boninahitra, no hanamafisan’izy ireo ny fatokian’ny kongregasiona ny kolejin’ny loholona.
Miara-miasa eo anivon’ny kolejy iray izy ireo
7. Inona no hanampy ireo loholona hiasa ao anatin’ny firaisan-tsaina, ary ahoana no hahatongavany amin’izany?
7 Rehefa avy niresaka ny amin’ny “fanomezana olona” nataon’i Kristy ho an’ny kongregasionany eto an-tany ho fampijoroana ireo mpikambana ao aminy sy ho amin’ny asa fanompoana, ny apostoly Paoly, dia nanoratra toy izao: “Aoka isika hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha, dia Kristy.” (Efesiana 4:7-15, MN ). Raha miaiky ireo loholona fa Kristy no Lohan’ny kongregasiona, mitarika azy, ka izy ireo kosa dia tokony hanaiky ny tanany havanana, ny fahefany, dia hitondra firaisan-tsaina eo anivon’ny kolejy izany (Efesiana 1:22; Kolosiana 1:18; Apokalypsy 1:16, 20; 2:1). Ny rehetra dia hitady ny fitarihana omen’i Jesosy amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary ireo toromarika omen’ny Kolejy foibe avy amin’ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45-47, MN; Asa. 15:2, 28; 16:4, 5.
8. Inona moa no tokony hotadidian’ny loholona rehetra, ary ahoana no hifanomezan’izy ireo voninahitra?
8 Miaiky ireo mpiandraikitra fa azon’i Kristy atao ny mitarika, amin’ny alalan’ny fanahy masina, ny hevitr’izay rehetra mety ho anisan’ny kolejin’ny loholona mba hilazany ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly mihatra amin’ny tarehin-javatra sasany na izay mahatonga ho afaka hanao fanapahan-kevitra lehibe toy izao na izao (Asa. 15:6-15). Tsy ny sain’ny loholona iray ihany no tokony hanjaka ao anatin’ny kolejy iray. Hifanome voninahitra àry ireo loholona amin’ny fihainoana tsara rehefa mampitodika ny sainy ho amin’ny fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly iray na ny toromarika iray nomen’ny Kolejy foibe misy ifandraisana amin’ny foto-kevitra iarahany midinika ny anankiray aminy.
9. a) Inona avy moa ireo toetra ara-panahy hanampy mpiandraikitra iray tsy hiseho handidindidy eo amin’ny loholona hafa? b) Ahoana no hisehoan’ny loholona iray ‘handefitra’, ary ohatra inona no nomen’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato I momba izany?
9 Ny tsy fieboeboana sy ny fanetren-tena kristiana dia hisakana loholona iray tsy hitady hanapaka ireo rahalahiny sy handidy ny hanarahan’izy ireny ny heviny (Ohabolana 11:2; Kolosiana 3:12). Ny mpiandraikitra kristiana iray dia mety hanana, amim-pahatsorana tanteraka, hevitra voafaritra tsara ny amin’ny foto-kevitra sasany. Nefa raha tsapany fa manana antony araka ny Baiboly sy teokratika tsy hanekena izany ny loholona hafa, dia ‘hitondra tena toy ny kely indrindra’ izy ka hiseho ‘handefitra’ amin’ny fanarahana ny hevitry ny maroa (Lioka 9:48; 1 Timoty 3:3). Amin’izany izy dia hanaraka ny ohatra tsara dia tsara navelan’ireo anisan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato I izay ‘nifanara-kevitra’ teo am-pifaranan’ny fifanakalozan-kevitra araka ny Baiboly notarihin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanahy masina koa. — Asa. 15:25.
10. a) Inona moa no manaporofo fa fandaharana araka ny Baiboly ny fametrahana kolejin’ny loholona isaky ny kongregasiona? b) Araka ilay boky hoe Organisés pour bien remplir notre ministère, inona avy moa no tombontsoa azo avy amin’io fandaharana io?
10 Ny fametrahana isaky ny kongregasiona, kolejin’ny loholona voatendry hanome ohatra dia niorina tamin’ny ohatra navelan’ny kongregasiona kristiana voalohany (Filipiana 1:1; 1 Timoty 4:14; jereo ny fanamarihana mifandray amin’ny teny hoe “presbytra” ao amin’ny Titosy 1:5 ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema). Raha nanipika ny maha-fahendrena izany fandaharana izany ilay boky hoe Organisés pour bien remplir notre ministère (pejy faha-37) dia nanambara toy izao: “Ny loholona toy izao dia hiseho hahay kokoa amin’ny lafiny iray tsy toy ny amin’ny lafiny hafa, fa ny hafa kosa hampiseho toetra miavaka amin’ny lafiny iray mampahalemy kokoa loholona hafa. Araka izany, amin’ny ankapobeny, ny kolejin’ny loholona dia hampiseho amin’ny fitambarany, ny toetra ilaina rehetra mba hanaraha-maso ny kongregasionan’Andriamanitra.”
Fifanajana eo anivon’ireo kolejin’ny loholona
11, 12. a) Nahoana moa ny kolejin’ny loholona iray no afaka manao bebe kokoa noho ny tsirairay avy amin’ny anisany raisina isam-batan’olona? b) Ahoana moa no nifampiraharahan’i Jesosy Kristy sy ny apostoly Paoly tamin’ny kolejin’ny loholona, ary torohevitra inona no nomen’izy ireo azy ireny?
11 Araka ny Soratra masina, ny kolejin’ny loholona iray àry dia zavatra manana ny maha-izy azy izay mampiseho mihoatra noho ny fitambaran’ny mpikambana ao aminy. Rehefa mivory ireo loholona, dia mivavaka amin’i Jehovah mba hanome azy ireo ny fitarihany amin’ny alalan’i Kristy sy ny fanahy masina. Araka izany, dia azony atao, noho ny fanahy masina, ny manao fanapahan-kevitra tsy ho natao raha nanontaniana isam-batan’olona izy ireny. Rehefa mivory izy ireo, ny toetrany samihafa dia tafiditra ary manome taratry ny fitarihan’i Kristy ireo fanapahan-kevitra atao. — Jereo Matio 18:19, 20.
12 Ireo hafatra nalefan’i Kristy ho an’ny “kintana fito”, na “anjelin’ny fiangonana fito” tany Azia Minora dia mampiseho mazava fa mifampiraharaha amin’ny kolejin’ny loholona izy (Apokalypsy 1:11, 20). Ny voalohany tamin’ireny hafatra ireny dia natao ho an’ny kongregasionan’i Efesosy tamin’ny alalan’ny ‘anjeliny’, na kolejin’ny loholona voahosotry ny fanahy. Efapolo taona teo ho eo talohan’izay, dia nampiantso ny kolejin’ny loholon’i Efesosy ho any Mileto ny apostoly Paoly mba hiaraha-manao fivoriana manokana taminy tao. Nampahatsiahiviny an’ireo mpiandraikitra ireo ny amin’ny tokony hitandremany tena sy hiandrasany ny kongregasiona. — Asa. 20:17, 28.
13. Nahoana moa ireo loholona no tokony hiahy ny amin’ny toe-tsaina manjaka eo amin’ny fifandraisan’izy ireo eo anivon’ny kolejiny sy miaraka amin’ny kolejy hafa?
13 Tokony hitandrina indrindra ireo loholona mba hitana toe-tsaina tsara tia fampaherezana eo anivon’ny kolejy sy ny kongregasiona (Asa. 20:30). Sahala amin’ny kristiana tsirairay avy, ny kolejin’ny loholona iray na ny kongregasiona iray dia mamboly toe-tsaina mampiavaka azy (Filipiana 4:23; 2 Timoty 4:22; Filemona 25). Indraindray, dia misy loholona mifanaja, kanefa tsy miara-miasa amin’ny fomba feno amin’ny kolejy hafa. Any amin’ireo tanàna misy kongregasiona maromaro mampiasa efitrano iray ihany, dia mety hitranga ny tsy fifanarahana eo amin’ireo kolejin’ny loholona raha ny amin’ny ora fivoriana, ny fizarana faritany, ny fanamboarana ny Efitrano Fanjakana, ets. Tokony hiseho ho tsy mieboebo, manetry tena sy mandefitra ny loholona eo amin’ny fifandraisany amin’ny samy kolejy, toy ny eo anivon’ny kolejy tsirairay avy. Nanome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.” — 1 Korintiana 14:26.
Ny fanajana tokony ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany
14. Sokajin-doholona hafa inona no mendrika ny hotiavina fatratra, ary nahoana?
14 Fandaharana araka ny Baiboly hafa koa natao ho an’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsidihana tsy tapaka ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany, antsoina hoe mpiandraikitra ny fizaran-tany na distrika (Asa. 15:36; 16:4, 5). Tsy isalasalana fa “mitondra tsara” ireny mpiandraikitra ireny. Sahala amin’ny loholona hafa, izy ireny dia tokony “hahazo fanajana roa heny, indrindra fa izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampianarana”. — 1 Timoty 5:17.
15. Inona moa no torohevitra nomen’ny apostoly Jaona momba ny mpitory ny filazantsara mpitety faritany?
15 Tao amin’ny taratasiny fahatelo ny apostoly Jaona dia nanome tsiny an’i Diotrefa izay tsy nety ‘nandray tamim-panajana ireo rahalahy’. (3Jo Andininy faha-10.) Ireo rahalahy noresahina dia kristiana mpitety faritany, izay ‘niainga noho ny Anarany [ny an’i Jehovah]’. (3Jo Andininy faha-7.) Toa nirahina tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara izy ireny, mba hitory ny vaovao tsara sy hampandroso ireo kongregasiona any amin’ny tanàna nandalovany. Nambaran’i Jaona fa tokony ‘havoaka araka izay miendrika hatao noho ny amin’Andriamanitra’ ireny mpitory mpitety faritany ireny izay niasa mafy (3Jo andininy faha-6). Izao no teny nanampin’ilay apostoly: “Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.” (3Jo Andininy faha-8). Ilaina ny mandray azy ireny amim-panajana.
16. Ahoana moa, amin’izao androntsika izao, no azon’ny kristiana rehetra anarahana ny ohatra nomen’i Gaio, izay nanao “asa mahatoky” tamin’ireo mpitory ny filazantsara tamin’ny taonjato I, ary nahoana no mety izany?
16 Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, dia mety ny handraisana amim-pitiavana mampiantrano vahiny sy amim-panajana ireo mpiandraikitra mpitety faritany nirahin’ny Kolejy foibe mba hitory ny vaovao tsara sy hitondra fanampiana ho an’ireo kongregasiona. Ireny rahalahy ireny sy ny vadiny (raha manambady izy, araka ny hita amin’ny maro aminy) dia manaiky tsy hiaina intsony ao amin’ny toerana tsy miovaova iray. Mifindrafindra toerana izy ireny, ka matetika no miankina amin’ny fitiavan’ireo namany kristiana mampiantrano vahiny mba hahazoana sakafo sy fialofana. Izao no nosoratan’i Jaona ho an’i Gaio izay nandray tamin-kafanam-po ireo evanjelisitra mpitety faritany tamin’ny taonjato I: “Ry malala, manao asa mahatoky hianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy.” (3 Jaona 5). Toy izany koa, amin’izao androntsika izao, ireo manao dia ‘noho ny anaran’i Jehovah’ dia mendrika ny hotiavina fatratra sy hanehoana fitiavana sy fanajana.
17. Ahoana moa no tokony hanehoan’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona amin’ireo solontenan’ny Kolejy foibe mpitety faritany ny fanajana tandrifina azy?
17 Ireo loholona indrindra no tokony haneho fanajana tandrifina an’ireny solontenan’ny Kolejy foibe ireny. Matoa nirahina hitsidika ireo kongregasiona ireny mpiandraikitra ireny, dia noho ny toetrany ara-panahy sy ny fanandraman-javatra efa nataony izay mandrakariva lehibe kokoa noho ny an’ny loholona maro. Ny sasany amin’ireny mpiandraikitra mpitety faritany ireny dia tanora kokoa noho ireo loholona sasany any amin’ny kongregasiona tsidihiny. Izany anefa tsy antony tokony handavana ny fanehoana aminy ny fanajana tandrifina azy. Indraindray dia mihevitra izy ireny fa manana adidy hanoro hevitra an’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona iray mba hiandry, alohan’ny hanolorana kristiana iray ho mpikarakara momba ny asa na loholona, amin’ny fitadidiana ny fampitandremana nataon’i Paoly ho an’i Timoty (1 Timoty 5:22). Raha marina fa tokony hihevitra ireo fanaporofoan-kevitra aroson’ny loholona ny mpiandraikitra mpitety faritany, ireo kosa dia tokony ho vonona ny hihaino ireny sy handray soa amin’ny fanandraman-javatra lehibe efa nataony. Eny, tokony ‘ho tia fatratra hatrany ny olona karazan’izany’ ireo loholona. — Filipiana 2:29.
‘Aoka hekentsika ny olona karazan’izany’
18, 19. a) Ahoana moa no teny nampisehoan’i Paoly ny fitiavany fatratra ireo namany teo amin’ny asa? b) Toe-javatra inona no mampiseho fa tsy nitahiry lolompo tamin’ireo rahalahiny i Paoly?
18 Tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintiana, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Fantatrareo ny ankohonan’i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy, mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa hianareo. Faly aho noho ny fihavian’i Stefanasy sy Fortonato ary Akaïko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo; fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.” — 1 Korintiana 16:15-18.
19 Endrey ny toe-tsaina tsara dia tsara, endrey ny fahamboniam-po sy saina nasehon’i Paoly teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo rahalahiny! Tsy dia be mpahalala ny sasany, kanefa tian’i Paoly izy ireny satria ‘niara-niasa’ sy ‘nikely aina’ mba hanompo ireo olona masina. Namela ohatra tsara koa i Paoly tamin’ny tsy fitodihana tamin’ny lasa. Na dia nandiso fanantenana azy aza Jaona Marka tamin’ny dia misionera voalohany nataony, tatỳ aoriana i Paoly dia nanolotra azy tamin-kafanam-po ho an’ny kongregasiona tany Kolosia (Asa. 13:13; 15:37, 38; Kolosiana 4:10). Rehefa natao an-tranomaizina tany Roma Paoly dia nangataka ny hanarahan’i Marka azy, satria “mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy”, hoy izy. (2 Timoty 4:11.) Tsy nitahiry lolompo ratsy tamin’ireo namany izy.
20. Ahoana moa no tokony hampisehoan’ny kristiana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ireo loholona, fa mankasitraka ireo mpiandraikitra mahatoky izy ireny ka ‘tia fatratra hatrany ny karazan’olona toy izany’?
20 Amin’izao androntsika izao, ny olon’Andriamanitra dia miantehitra amin’ny mpiandraikitra be fandavan-tena maro, tahaka an’i Stefanasy, izay manompo ireo rahalahiny. Marina fa manana kileman-toetra izy ireny, kanefa “miara-miasa” amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” sy ny Kolejy foibeny. ‘Mikely aina’ mafy izy ireny eo amin’ny asa fitoriana sy mba hanampiana ireo rahalahiny kristiana. Tokony ‘hekentsika hatrany ny olona karazan’izany’ ka hotiavintsika fatratra izy ireny noho ny toetra tsarany fa tsy hijery foana ny kileman-toetrany. Etsy an-daniny koa, ny loholona dia tokony hanome ohatra amin’ny fifampiheverana sy fifanajana araka ny mety. Tokony hiara-miasa ao anatin’ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina izy ireny. Aoka hiaiky isika rehetra fa mendrika ny fitiavantsika tokoa ireny rahalahy mahatoky ireny, eny, ‘aoka hotiavintsika fatratra hatrany ny olona karazan’izany’. — Filipiana 2:29, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fanamarihana iray amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy fanamarihana, dia mampiseho fa ao amin’ny 1 Timoty 3:3, ny teny hoe “mandefitra” dia dikan’ny teny grika iray ny heviny ara-bakiteny dia hoe “vonona ny hanaiky”.
Famerenana
◻ Karazan’olona manao ahoana moa no tian’i Paoly fatratra indrindra, ary, amin’izao androntsika izao, iza no mendrika ny hanehoantsika fiheverana manokana?
◻ Ahoana moa no tokony hampisehoan’ireo loholona fa mifanome voninahitra izy ireo?
◻ Nahoana moa ny kolejin’ny loholona iray no afaka mahavita bebe kokoa noho ireo mpikambana ao aminy raisina tsirairay?
◻ Amin’ny lafiny inona avy moa ny kolejin’ny loholona iray no afaka mampiseho fa manome voninahitra kolejin’ny loholona hafa iray izy?
◻ Sokajin-mpiandraikitra iza moa no mendrika ny hotiavina fatratra indrindra, ary ahoana no azo ampisehoana amin’izy ireny ny fanajana tandrifina azy?
[Sary, pejy 15]
Tokony hifankatia fatratra ireo loholona.
[Sary, pejy 18]
Manehoa fitiavana sy fanajana an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany.