Tian’i Jehovah Izay “Mamoa Amin’ny Fiaretana”
“Ireo teny amin’ny tany tsara kosa, dia izay ... mamoa amin’ny fiaretana.”—LIOKA 8:15.
1, 2. a) Nahoana no mampahery ny modely omen’ireo rahalahy sy anabavy sasany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fitoriana tao amin’ny “faritra niaviany”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
MPISAVA LALANA any Etazonia i Sergio sy Olinda, ary 80 taona mahery izy mivady. Marary tongotra izy ireo, ka lasa sahirana tato ho ato rehefa mandeha. Toy ny efa fanaony hatramin’ny taona maro anefa, dia mandeha an-tongotra mankany amin’ny toerana iray be olona izy mivady isa-maraina. Tonga any amin’ny fito izy ireo, dia mankeo akaikin’ny fijanonan’ny bisy ary manolotra boky ara-baiboly amin’ny mpandalo. Tsy miraharaha azy mivady ny ankamaroan’ny olona, nefa mijanona eo foana izy ireo ary itsikiany izay mijery azy. Mandeha an-tongotra moramora mody izy roa rehefa amin’ny 12. Miverina eo indray ry zareo ny ampitso, amin’ny fito maraina. Mitory eo foana izy mivady isa-maraina, ny alatsinainy hatramin’ny asabotsy. Hoatr’izany no ataon’izy ireo mandavantaona.
2 Maro eran-tany ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika hoatran’i Sergio sy Olinda. Efa an-taonany maro izy ireny no mitory ao amin’ny faritra niaviany, na dia vitsy kely aza ny olona mandray. Raha hoatr’izany ny faritaninao, dia tena derainay ianao satria miaritra.a Mampahery rahalahy sy anabavy maro ny modely omenao. Na ireo nanompo an’i Jehovah efa ela aza mahazo fampaherezana avy amin’izany. Manaporofo an’izany ireto teny nolazain’ny mpiandraikitra ny faritra vitsivitsy ireto: “Lasa marisidrisika aho rehefa miara-manompo amin’ireny rahalahy sy anabavy tsy mivadika ireny.” “Lasa te hanohy ny fanompoako sy te ho be herim-po aho, rehefa mahita azy ireny tsy mivadika mihitsy.” “Tena manohina ny foko ny ohatra omen’izy ireny.”
3. Inona no hodinihintsika ato, ary nahoana?
3 Hamaly an’ireto isika ato: Nahoana isika no mety ho kivy? Inona no atao hoe mamoa? Inona no hanampy antsika hamoa foana amin’ny fiaretana? Vao mainka isika ho tapa-kevitra ny hamita an’ilay asa fitoriana nampanaovin’i Jesosy rehefa avy mandinika ny valin’ireo.
NAHOANA ISIKA NO METY HO KIVY?
4. a) Inona no tsapan’i Paoly rehefa tsy nety nandray ny hafatra notoriny ny ankamaroan’ny Jiosy? b) Nahoana izy no nalahelo be hoatr’izany?
4 Kivy ve ianao indraindray satria tsy mandray ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny faritaninareo? Raha izany, dia azonao tsara ny fihetseham-pon’ny apostoly Paoly. Nanompo nandritra ny 30 taona teo ho eo izy, ary betsaka ny olona nampiany ho lasa mpanara-dia an’i Kristy. (Asa. 14:21; 2 Kor. 3:2, 3) Tsy nisy vokany tsara hoatr’izany anefa ny fitoriany tamin’ireo Jiosy hoatr’azy. Vitsy no lasa Kristianina. Tsy nihaino azy ny ankamaroan’izy ireo, ary nisy aza nanenjika azy. (Asa. 14:19; 17:1, 4, 5, 13) Inona no vokatr’izany tamin’i Paoly? Hoy izy: “Milaza ny marina ao amin’i Kristy aho. ... Malahelo mafy sy ory foana aho ato am-poko ato.” (Rom. 9:1-3) Tena tia nitory i Paoly. Nitory tamin’ny Jiosy izy satria tena te hanampy azy ireny. Tsy niraharaha ny famindram-pon’Andriamanitra anefa izy ireo, dia izay no nahatonga an’i Paoly halahelo be.
5. a) Inona no mandrisika antsika hitory? b) Nahoana no ara-dalàna raha kivy isika indraindray?
5 Hoatran’i Paoly koa isika. Tia olona isika ary tena te hanampy azy ireny matoa isika mitory. (Mat. 22:39; 1 Kor. 11:1) Hitantsika eo amin’ny fiainantsika mantsy hoe omen’i Jehovah fitahiana be dia be izay mifidy ny hanompo azy. Te hanampy ny olona ho tonga saina isika hoe ho tsara kokoa ny fiainany raha manompo an’i Jehovah izy. Izany no mahatonga antsika hampirisika foana ny olona mba hianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany ho an’ny olombelona. Toy ny hoe miteny amin’izy ireny isika hoe: ‘Misy fanomezana tsara be ity omeko anao.’ Tsy mahagaga àry raha ‘ory ny fontsika’ rehefa tsy mandray an’ilay fanomezana ny olona. Tsy midika izany hoe tsy ampy finoana isika. Tena tiantsika kosa ny fitoriana matoa malahelo isika rehefa tsy mandray ny olona. Mitory foana àry isika na kivy aza indraindray. Angamba isika mitovy hevitra amin’i Elena, mpisava lalana nandritra ny 25 taona mahery. Hoy izy: “Tsy mora ilay mitory, saingy tsy misy atakaloko an’io asa io.”
INONA NO ATAO HOE MAMOA?
6. Inona no fanontaniana lehibe hodinihintsika, ary inona no hanampy antsika hahita ny valiny?
6 Nahoana isika no afaka matoky hoe mampifaly an’i Jehovah ny fanompoantsika, na dia tsy mandray aza ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny faritanintsika? Mba hamaliana an’izany, dia andeha isika handinika fanoharana roa nolazain’i Jesosy. Nanazava izy tamin’izay hoe tokony ‘hamoa’ ny mpianany. (Mat. 13:23) Fanoharana momba ny voaloboka ilay voalohany.
7. a) Iza ilay “voaloboka” sy ny “sampany” ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ary iza ilay “mpamboly”? b) Inona no fanontaniana mila valiantsika?
7 Vakio ny Jaona 15:1-5, 8. Nohazavain’i Jesosy fa izy no “tena voaloboka”, ny mpianany no “sampany”, ary i Jehovah no “mpamboly.”b Niteny tamin’ny apostoliny izy avy eo hoe: “Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.” Inona ilay voa tokony hovokarin’ny mpanara-dia an’i Kristy? Tsy nolazainy tao amin’ilay fanoharana hoe inona ilay voa. Misy zavatra noresahiny anefa manampy antsika hahafantatra an’ilay izy.
8. a) Nahoana isika no afaka milaza fa tsy ny olona nampiantsika ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy ilay voa? b) Hoatran’ny ahoana ny zavatra rehetra asain’i Jehovah ataontsika?
8 Hoy i Jesosy momba ny Rainy: “Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny daholo.” Midika izany hoe rehefa mamoa ihany isika vao eken’i Jehovah ho mpanompony. (Mat. 13:23; 21:43) Tsy ny olona nampiantsika ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy àry ilay voa tsy maintsy vokarintsika. (Mat. 28:19) Raha tsy izany mantsy, dia ahoana ny amin’ireo mitory any amin’ny faritany tsy dia misy mandray, ka tsy nahavita nanampy olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy? Tsy lasa hoatran’ireo sampany tsy mamoa ve ireny Kristianina tsy mivadika ireny? Tsy izany mihitsy anefa! Tsy afaka manery ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy mantsy isika. I Jehovah koa be fitiavana, ka tsy hangataka antsika hanao zavatra tsy ho vitantsika mihitsy. Izay fantany hoe tena ho vitantsika ihany no asainy ataontsika.—Deot. 30:11-14.
9. a) Inona no atao hoe mamoa? b) Inona no fanoharana faharoa hodinihintsika, ary nahoana?
9 Inona àry ilay voa tsy maintsy vokarintsika? Azo antoka fa zavatra azontsika rehetra atao izy io. “Mamoa” isika rehefa mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra.c (Mat. 24:14) Manaporofo an’izany ny fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpamafy. Io no fanoharana faharoa hodinihintsika.
10. a) Inona ilay voa ao amin’ilay fanoharana momba an’ilay mpamafy, ary inona ilay tany? b) Mamokatra inona ny tahom-bary?
10 Vakio ny Lioka 8:5-8, 11-15. “Ny tenin’Andriamanitra”, izany hoe ny hafatra momba ilay Fanjakana, no ampitovina amin’ny voa, ao amin’io fanoharana io. Ny fon’ny olona kosa no tany. Namaka sy nitsimoka ilay voa latsaka tamin’ny tany tsara. Aoka hatao hoe voam-bary ilay nafafy. Rehefa maniry ny voam-bary, dia lasa misy tahony ary mamokatra avy eo. Inona anefa no voa vokariny? Tahom-bary kely be dia be ve? Tsia. Mamokatra voam-bary vaovao ilay izy, ary ireny indray avy eo no maniry dia lasa tahom-bary. “Namokatra avo zato heny”, izany hoe nahazoana voany zato, ilay voa iray tao amin’ilay fanoharana. Inona no ifandraisan’izany amin’ny fanompoantsika?
11. a) Inona no ifandraisan’ilay fanoharana momba an’ilay mpamafy amin’ny fanompoantsika? b) Ahoana izany hoe mamokatra voan’ilay Fanjakana?
11 Toy ny hoe namafy voa teny amin’ny tany tsara ny ray aman-drenintsika na ny Kristianina hafa, rehefa nampianatra antsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Faly izy ireo rehefa nanaiky an’ilay hafatra isika. Namaka tao am-pontsika ny voan’ilay Fanjakana ary nitombo, ka lasa toy ny tahom-bary vonona hamokatra. Tsy hoe mpanara-dia an’i Jesosy hoatr’antsika anefa ilay voa vokarintsika, hoatran’ilay tahom-bary tsy mamoa tahom-bary vaovao. Mamokatra voan’ilay Fanjakana kosa isika, hoatran’ilay tahom-bary mamokatra voam-bary.d Ahoana no anaovantsika an’izany? Toy ny hoe mamafy voa mitovy amin’ilay nafafy tao am-pontsika isika isaky ny mitory momba ilay Fanjakana, na ahoana na ahoana fomba itoriantsika. (Lioka 6:45; 8:1) Ianarantsika avy amin’io fanoharana io àry fa “mamoa amin’ny fiaretana” isika, raha mitory foana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
12. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny voaloboka sy ilay mpamafy? b) Inona no tsapanao rehefa mieritreritra an’izany ianao?
12 Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny voaloboka sy ilay mpamafy? Hitantsika avy amin’ireo fa tsy izay ataon’ny olona itoriantsika no amaritana hoe mamoa isika na tsia. Mamoa kosa isika raha mitory foana. Manamarina an’izany ny tenin’i Paoly hoe: “Ny tsirairay aminy dia samy hahazo ny valisoany araka ny asa mafy nataony.” (1 Kor. 3:8) Midika izany hoe miankina amin’ny asa nataontsika ny valisoa ho azontsika, fa tsy miankina amin’ny vokatry ny asantsika. Hoy i Matilda, mpisava lalana nandritra ny 20 taona: “Tena faly aho mahalala hoe mamaly soa ny ezaka ataontsika i Jehovah.”
INONA NO HANAMPY ANTSIKA HAMOA FOANA AMIN’NY FIARETANA?
13, 14. Nahoana i Paoly no nitory foana, araka ny Romanina 10:1, 2?
13 Inona no hanampy antsika hiaritra ka hamoa foana? Efa hitantsika teo fa kivy i Paoly rehefa tsy nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ny Jiosy. Na izany aza, dia mbola nitory tamin’izy ireo foana izy. Izao no nosoratany momba azy ireo: “Ny sitraky ny foko sy ny italahoako amin’Andriamanitra ho azy ireo dia ny mba hahazoany famonjena. Fa mijoro ho vavolombelona aho fa mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.” (Rom. 10:1, 2) Araka izany, nahoana i Paoly no nitory foana?
14 Voalohany, nilaza i Paoly hoe nitory tamin’ny Jiosy foana izy satria izay mihitsy no ‘sitraky ny fony.’ Tena tiany hoe hisy Jiosy ho voavonjy. (Rom. 11:13, 14) Faharoa, nilaza koa izy hoe ‘nitalaho tamin’Andriamanitra ho azy ireo.’ Niangavy mafy azy izy mba hanampy ny Jiosy tsirairay hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Fahatelo, hoy i Paoly: “Mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo.” Nahita ny toetra tsaran’ny olona i Paoly. Fantany tsara fa raha ampiana ny olona mafana fo amin’ny fivavahana, dia mety ho lasa Kristianina be zotom-po.
15. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly? Manomeza ohatra.
15 Ahoana no anahafantsika an’i Paoly? Voalohany, tokony hirintsika amin’ny fo manontolo ny hahita an’izay ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ Faharoa, mitalaho amin’i Jehovah isika mba hihaino antsika ny olona tso-po rehefa mitory aminy isika. (Asa. 13:48; 16:14) Hoy i Silvana, mpisava lalana nandritra ny 30 taona latsaka kely: “Alohan’ny hitoriana ao amin’ny trano iray, dia mivavaka amin’i Jehovah aho mba hanana toe-tsaina tsara.” Mivavaka amin’i Jehovah koa isika mba hisy anjely hitarika antsika any amin’ny olona liana. (Mat. 10:11-13; Apok. 14:6) Hoy i Robert, mpisava lalana nandritra ny 30 taona mahery: “Tena mahafinaritra ny miara-miasa amin’ny anjely! Ry zareo mantsy mahalala tsara an’izay mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona itoriantsika.” Fahatelo, miezaka mijery ny toetra tsaran’ny olona itoriantsika isika. Izany no ataon’i Carl. Anti-panahy izy, ary 50 taona mahery izay no nanaovana batisa azy. Hoy izy: “Miezaka aho mandinika an’izay zavatra kely mety hamantarana hoe liana ny olona iray. Mitsikitsiky izy angamba, na hita amin’ny fijeriny hoe tsara fanahy izy. Mety hametraka fanontaniana koa izy ary tena te hahalala ny valiny.” Azontsika atao tsara àry ny hoe “mamoa amin’ny fiaretana”, toa an’i Paoly.
“AZA ATSAHATRA NY TANANAO”
16, 17. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny Mpitoriteny 11:6? b) Inona no mety ho vokany raha mamafy ny voan’ilay Fanjakana foana isika? Hazavao amin’ny ohatra.
16 Aza hadinoina fa misy vokany ny fitoriana ataontsika, na dia hoatran’ny hoe tsy misy mihaino aza isika. (Vakio ny Mpitoriteny 11:6.) Mandinika antsika ny olona ka voamarik’izy ireny hoe madio sy milamina ny paozintsika, mahalala fomba isika, ary mitsikitsiky tsara. Rehefa mahita an’izany ny olona sasany, dia mety ho tonga saina any aoriana any hoe diso ny fiheverany antsika. Nahamarika an’izany i Sergio sy Olinda.
17 Hoy i Sergio: “Nisy fotoana izahay mivady narary, dia elaela kely izahay tsy nandeha nitory teny akaikin’ilay fijanonan’ny bisy. Rehefa niverina nitory teny izahay, dia nisy mpandalo niteny taminay hoe: ‘Ela izany! Nalahelo anareo izahay.’” Sady nitsikitsiky i Olinda no nitantara koa hoe: “Nikopakopa-tanana anay ireo mpitondra bisy, dia ny sasany niantsoantso hoe: ‘Mahafinaritra e!’ Nangataka gazety mihitsy aza ry zareo.” Gaga be izy mivady fa nisy lehilahy iray nankeo amin’ilay fampirantiana, dia nanome azy ireo fehezam-boninkazo sady nisaotra azy ireo noho ny asa ataony.
18. Nahoana ianao no tapa-kevitra ny ‘hamoa amin’ny fiaretana’?
18 Aza atsahatra àry ny tananao fa afafazo foana ny voan’ilay Fanjakana. Amin’izay ianao dia handray anjara be amin’ilay fitoriana atao any “amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:14) Ho faly be koa ianao satria fantatrao fa ankasitrahan’i Jehovah ianao. Tena tiany mantsy izay “mamoa amin’ny fiaretana.”
a Na i Jesosy aza niaiky hoe tsy mora ny nitory tao amin’ny “faritra niaviany.” Samy nanoratra ny zavatra nolazainy momba an’izany ireo mpanoratra ny Filazantsara efatra.—Mat. 13:57; Mar. 6:4; Lioka 4:24; Jaona 4:44.
b Marina fa ny Kristianina ho any an-danitra no sampan’ilay voaloboka, ao amin’ilay fanoharana. Misy lesona ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra anefa ao amin’izy io.
c Maneho “ny vokatry ny fanahy” koa ny hoe “mamoa.” Tsy izany anefa no tena velabelarina ato sy ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa ny hoe mamoa “vokatry ny molotra”, izany hoe mitory momba an’ilay Fanjakana.—Gal. 5:22, 23; Heb. 13:15.
d Nisy fotoana i Jesosy niresaka fanoharana momba ny mpamafy sy mpijinja mba hanazavana ny atao hoe manao mpianatra.—Mat. 9:37; Jaona 4:35-38.