Aoka isika hanorina toetra kristiana ao amin’ireo zanatsika
NY RENIN’I Wanda, izay narian’ny vadiny, dia niezaka mafy mba hanorina toetra tsara kristiana tao amin’ny zanany vavy. Rehefa feno 12 taona i Wanda, dia voasedra izany fampiofanana izany. Tamin’izany fotoana izany, i Wanda, niaraka tamin’ny zandriny lahy iray sy ny zandriny vavy, dia noterena handao ny reniny ka hiara-hipetraka mandritra ny fotoana sasany amin’ny rainy. Tsy mpino ny rainy, noho izany, hanao ahoana ny fihetsik’i Wanda rehefa tsy eo ny reniny hanara-maso azy?
Fisehoan-javatra mety hitranga amin’ny ray aman-dreny kristiana rehetra ny fotoana hahavoatery ireo zanany hanao fanapahan-kevitra manokana, hisedrana ny finoan’ny tenany. Mety hosarahina amin’ny ray aman-dreniny kristiana ireo ankizy, sahala amin’i Wanda. Mety hiatrika fanerena avy amin’ny namana hanao zavatra tsy mety izy ireny any an-tsekoly. Na koa, mety ho tojo fakam-panahy mahery izy ireny. Manantena ireo ray aman-dreny kristiana sady mivavaka fa rehefa tonga izany fotoana izany, dia hanana toetra kristiana mafy orina ampy hiatrehana ny fisedrana izy ireny.
Ahoana no ahafahan’ireo ray aman-dreny manorina toetra tsara kristiana mafy orina ao amin’ireo zanany? Alohan’ny hahitana ny amin’izay nitranga tamin’i Wanda, dia andeha hojerentsika ny fomba anampian’ny Baiboly antsika mba hamaliana io fanontaniana io. Hita ao amin’ireto tenin’ny apostoly Paoly ho an’ny kristiana tany Korinto ireto ny vontoatin’ilay fanontaniana: “Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin’ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” — 1 Korintiana 3:11-13.
Ny fototra
Nahoana i Paoly no nanoratra ireo teny ireo? Efa nanomboka fandaharam-panorenana toetra kristiana tany Korinto izy, nefa niafara tamin’ny zava-nanahirana ilay fandaharana. Mazava ho azy fa tsy nahatafiditra zanaka naterany ara-bakiteny akory ilay fandaharam-panorenana nataon’i Paoly. Izany dia nahakasika ireo izay tonga kristiana tamin’ny alalan’ny fitoriana nataony. Nefa nihevitra azy ireo ho toy ny zanany ara-panahy izy, ary sarobidy ho an’ireo ray aman-dreny koa izay zavatra noteneniny. — 1 Korintiana 4:15.
Efa tonga tany Korinto i Paoly fotoana vitsivitsy talohan’izay ary nanorina kongregasiona kristiana iray tany. Nanao fiovana lehibe teo amin’ny toetrany ireo izay nandray izany fitoriana izany. Ny sasany taloha olona naloto fitondrantena, mpangalatra, mpanompo sampy, ary mpimamo. (1 Korintiana 6:9-11). Nefa vitan’izy ireny ny nanao fiovana ho tonga kristiana nisaina satria azo lazaina hoe nametraka fototra tsara i Paoly. Inona moa izany fototra izany? “Tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.” — 1 Korintiana 3:11.
Ahoana no nanorenan’i Paoly an’io fototra io araka ny nampianariny an’ireo mpino vaovao tany Korinto? Hoy izy amintsika: “Izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’Andriamanitra. Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana.” (1 Korintiana 2:1, 2; Asan’ny apostoly 18:5). Tsy nitarika ny saina ho amin’ny tenany izy na nisalotra ny fahamarinana mba hahatonga izany hanintona ny saina ivelany fotsiny. Nitarika ny saina ho amin’i Jesosy Kristy sy ho amin’ny fomba nampiasan’Andriamanitra azy io kosa izy.
Raha ny marina, i Jesosy dia fototra mafy iray tsara ho an’ny fanorenana kristiana. Nanome ny sorom-panavotana izy. Mpanjaka any an-danitra izy izao ary amin’ny maha-toy izany azy dia handringana tsy ho ela ireo fahavalon’Andriamanitra izy ao Haramagedona. Avy eo izy dia hitondra ny fahamarinan’Andriamanitra mandritra ny fanjakana arivo taona, ary amin’ny maha-Mpisoronaben’Andriamanitra azy, dia hanandratra ny taranak’olombelona miandalana ho amin’ny fahatanterahana izy. Fototra hafa inona indray no mety hirin’ny olona ankoatra izany?
Noho izany, eo amin’ny fanorenana toetra kristiana ao amin’ireo zanatsika, dia manao tsara isika raha manahaka an’i Paoly sy mahazo antoka fa ankasitrahan’izy ireo izany zavatra iankinan’ny aina izany. Hatramin’ny fahazazany no tokony hampianarantsika ireo zanatsika ho tia an’i Jesosy noho izay nataony sy mbola ataony ho antsika. — 1 Petera 1:8.
Ny fanorenana
Kanefa, na dia nametraka izany fototra tsara dia tsara izany aza i Paoly, dia niharam-pihemorana ilay asa fanorenana taorian’ny nandehanany. (1 Korintiana 3:10). Tsy hoe tsy mitovy amin’izay mianjady amin’ny ray aman-dreny maro be amin’izao andro izao ilay zava-nanahirana. Mitaiza ireo zanany ao amin’ny finoana kristiana izy ireny ary mahatsapa fahazoana antoka fa mahatakatra ny atao hoe fahamarinana ireo zanany. Nefa rehefa mihalehibe ireny ankizy ireny, dia manary na mandà ny finoana. Nahoana no misy izany? Matetika izany no avy amin’ny fitaovam-panorenana nampiasaina.
Nilaza i Paoly fa azo aorina amin’ny alalan’ny fitaovana sarobidy toy ny volamena sy volafotsy ary vatosoa ireo toetra. Na, azo aorina koa amin’ny alalan’ny fitaovana mora vidy toy ny hazo sy bozaka ary mololo izy ireny. (1 Korintiana 3:12). Ankehitriny, raha mampiasa volamena sy volafotsy ary vatosoa ny mpanorina iray dia tsy maintsy voaorina tamin’ny karazan-drafitra ambony ny tenany, dia tamin’ny zava-tsarobidy miavaka. Nefa ny mpanorina mampiasa hazo sy bozaka ary mololo, dia manorina zavatra izay an-tandrevaka sy vonjimaika ary mora vidy fotsiny.
Toa izany fitaovana ara-panahy marefo izany no nampiasaina tany Korinto. Ny sasany izay nanaraka teo ambonin’ny fototra naorin’ny apostoly dia naorina tamin-kamorana, tsy voaorina mafy, tsy rafitra mateza. Nanomboka niantehitra tamin’olombelona ny Korintiana, ary nisy fisaratsarahana sy fialonana ary ady teo amin’izy ireo. (1 Korintiana 1:10-12; 3:1-4). Ahoana no nahafahana nisakana izany? Tamin’ny fampiasan’izy ireo fitaovana ambony karazana kokoa sady mateza.
Izany dia mampiseho ireo toetoetra sarobidy mahaforona tapany lehibe amin’ny toetra kristiana. Toetoetra manao ahoana? Niresaka ny amin’ny iray amin’izany toy izao ny apostoly Petera: “Ny fizahan-toetra ny finoanareo (...) izay tsara lavitra noho ny volamena.” (1 Petera 1:6, 7). Nanisy firesahana ny amin’ny roa hafa i Solomona mpanjaka: ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka, ka ny fananana izany dia “tsara noho ny fandrantoana volafotsy”. (Ohabolana 3:13-15). Ary mampahatsiahy antsika i Davida mpanjaka fa ny fahatahorana an’i Jehovah sy ny fanekena ireo didiny dia “irina noho ny volamena”. — Salamo 19:9, 10.
Azo aorina ao amin’ny toetra kristiana ireo mbamin’ny fitaovana sarobidy hafa mba hanampiana ireo zanatsika handalo ireo fisedrana amim-pahombiazana. Ahoana anefa no ahazoantsika antoka fa eo am-panorenana amin’ny fitaovana toy izany isika? Amin’ny fitandremana ny fo, dia ny an’ireo zanatsika sy ny antsika.
Asa fanorenana mahomby
Ny anjara asan’ny fon’ny ray aman-dreny iray eo amin’io asa fanorenana io dia hita ao amin’ilay baiko nomen’i Jehovah ho an’ireo ray aman-dreny teo amin’ny firenen’ny Isiraely fahiny, manao hoe: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.” Avy eo izy dia nanohy niteny hoe: “Dia ampianaro tsara ny zanakao izany.” (Deoteronomia 6:6, 7). Noho izany, alohan’ny mety hanorenantsika ny hafa, dia tsy maintsy manorina ny tenantsika aloha isika. Tokony ho hitan’ireo zanatsika eo amin’izay zavatra lazaintsika sy ataontsika fa vita tamina fitaovana ara-dalàna ny toetrantsika. — Kolosiana 3:9, 10.
Tokony hahatohina ny fon’izy ireo àry ny fampianarana ataontsika. I Jesosy, ilay mpanorina toetra kristiana nahomby indrindra, dia nahatohina fo maro tamin’ny fampiasana fanoharana sy fanontaniana. (Matio 17:24-27; Marka 13:34). Hitan’ireo ray aman-dreny fa tena mandaitra ireo fomba fampianarana ireo. Mampiasa fanoharana izy ireo mba hahatonga ireo fahamarinana kristiana ho ao am-pon’ireo zanany kely, ary mampiasa fanontaniana voalanjalanja tsara izy ireo mba hahatakarana izay tena eritreretin’ireo zanany lehibe kokoa, sy ny fomba fanjohiany hevitra ao am-pony. — Ohabolana 20:5.
Fony i Mosesy niezaka hanorina tao amin’ireo Isiraelita faniriana ny hitoetra ho mahatoky, dia niteny izy hoe: “Hitandrina ny didin’i Jehovah sy ny lalàny (...) mba hahita soa ianao.” (Deoteronomia 10:13). Sahala amin’izany koa, ireo ray aman-dreny dia manao tsara, tsy amin’ny fanazavana mazava amin’ireo zanany fotsiny ny fari-pitsipik’Andriamanitra, fa amin’ny fampisehoana aminy amin’ny fomba mampiaiky koa hoe nahoana no natao hahasoa azy ireo ny zavatra toy ny fanaovana ny marina sy ny fahadiovana ara-pitondrantena ary ny fifaneraserana tsara.
Farany, dia hoy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Rehefa mandray fahalalana an’i Jehovah manokana aloha be ireo ankizy, ka mianatra miresaka aminy ny amin’ireo zava-manahirana azy, ary mahatsapa ny valim-bavaka omeny, dia mampitombo ny ampahany lehibe indrindra amin’ny toetra kristiana izy, izany hoe fifandraisana manokana amin’ny Mpamorona azy ireo.
Ny afo
Nahita i Paoly fa rehefa tsy vita tsara ny asa fanorenana tany Korinto, dia namaka tao ireo toetoetr’izao tontolo izao toy ny fitokotokoana sy ny fisaratsarahana. Nampidi-doza izany satria araka ny nohazavainy dia “hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” — 1 Korintiana 3:13.
Inona moa ny afo? Izay rehetra mety ho fisedrana ampiharin’i Satana amin’ny kristiana iray. Mety ho fanerena avy amin’ny namana izany, fakam-panahin’ny nofo, fitiavana zavatra hita maso, fanenjehana, ary fitaomana manimba avy amin’ny fisalasalana aza. Azo antoka ho tonga ny fitsapana toy izany. “Haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany.” Ireo ray aman-dreny manam-pahendrena dia manorina ny toetran’ireo zanany amin’ny fanampoizana fa hosedraina ireo zanany. Nefa matoky izy ireo fa noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka handalo amim-pahombiazana ny fisedrana ireo zanany. Raha manana izany toe-tsaina izany ireo ray aman-dreny, dia hahazo fitahiana lehibe.
Ny valisoa
Hoy i Paoly: “Raha maharitra ny asan’ny olona izay narafiny teo amboniny, dia hahazo valim-pitia izy.” (1 Korintiana 3:14). Nandray valisoa ny apostoly Paoly. Nanoratra toy izao izy ho an’ny kristiana tao an-tanànan’i Tesalonika, izay efa nanaovana asa fanorenana koa: “Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satroboninahitra reharehanay? Moa tsy hianareo eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika amin’ny fihaviany va? Fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.” — 1 Tesaloniana 2:19, 20.
Nahazo io valisoa io ny renin’i Wanda. Fony izy 12 taona, ka tafasaraka tamin’ny reniny, dia nitomany izy rehefa hatory teo am-boalohany. Avy eo dia tadidiny ny torohevitry ny reniny ny amin’ny hiresahana ireo zava-manahirana azy amin’i Jehovah, ao amin’ny vavaka. Nivavaka izy ary tsy ela dia nahazo hevitra ny hizaha tao amin’ny annuaire-na telefaonina hahitana sao mba misy Vavolombelon’i Jehovah teny akaiky teny. Nanatona azy ireo izy ary nahafantatra fa misy fianakaviana mipetraka eo am-pitan’ny tranon’ny rainy indrindra. “Hafaliana moa izany ny ahy!”, hoy i Wanda.
Noho ny fampaherezana nomen’io fianakaviana io, dia nitarika ireo zandriny i Wanda mba hiverina hanao ny asa kristiana. “Izaho no nisikina mba hahatonga anay ho vonona ho amin’ny fivoriana”, hoy ny fanazavany. “Tsy maintsy nanasa ny akanjonay aho, nanogo ny volonay, ary nanao izay hahazoana antoka fa nadio sy nilamina izahay.” Asa mafy izany ho an’ny ankizivavy iray, nefa dia nanao izany izy. Nanandrana nampitsahatra azy ireo tsy hivory ny rainy indray mandeha, nefa niangavy mafy azy ireo ankizy, ka navelany handeha ihany.
Tatỳ aoriana, dia tafaray tamin’ny reniny indray ireo ankizy. Rehefa feno 15 taona i Wanda, dia tonga kristiana vita batisa, ary tamin’ny farany dia naneho ny faniriany ho tonga misionera. Eny, nahomby tamin’ny fisedrana ny fiezahan’ny renin’i Wanda. Nahazo ny valisoa izy amin’ny fahitana ny zanany vavy miorina mafy ao amin’ny fahamarinana. Enga anie ireo ray aman-dreny kristiana rehetra hahita fahombiazana toy izany eo amin’ny fiezahany hanorina toetra kristiana ao amin’ireo zanany.
[Efajoro, pejy 27]
Araka ny asehon’ity lahatsoratra ity, na dia miezaka mafy aza ireo ray aman-dreny hanorina toetra kristiana ao amin’ireo zanany, ireo zanaka mihitsy koa dia manana andraikitra. Izy ireo, sahala amin’ny kristiana rehetra, dia tsy maintsy manao asa fanorenana ao amin’ny tenany. (Efesiana 4:22-24). Na dia manana fahafahana mahagaga hanampy amin’izany aza ireo ray aman-dreny, dia ny isam-batan’olona, amin’ny farany, no tsy maintsy manao izany na manao ny fanapahan-keviny manokana hanompo an’i Jehovah.